2022
Mikolokolo sy mizara ny fijoroana ho vavolombelona anananao
Nôvambra 2022


Mikolokolo sy mizara ny fijoroana ho vavolombelona anananao

Manasa anareo aho hikatsaka fahafahana hizara ny fijoroana ho vavolombelonareo amin’ny teny sy amin’ny asa ataonareo.

Teny fanolorana

Ireo fotoana manefy eo amin’ny fiainana dia tonga matetika sy tsy ampoizina na dia mbola kely aza ianao. Mamelà ahy ianareo hizara tantara momba ana mpianatra iray ao amina lisea, i Kevin, izay nisafidy ny handeha hivoaka ny faritany misy azy mba hankanesana any amina hetsika ho an’ny mpianatra mpitarika, araka ny fitantarany azy manokana.

“Tonga ny anjarako teo amin’ny filaharana, ka dia nanontany ny anarako ilay mpiandraikitra misahana ny fisoratana anarana. Nojereny ny lisitra tany aminy dia hoy izy hoe: -Ianao izany ilay zatovolahy avy ao Utah.-

“-Izany hoe izaho irery izany no avy any?- Hoy aho nanontany.

“-Eny, ianao irery.- Nomeny famantarana anarana misy hoe -Utah- misoratra eo ambanin’ny anarako aho. Rehefa napetako ilay izy dia nahatsapa ho toy ny nasiana marika mahamenatra aho.

“Nibosesika nankao amin’ny ascenseur an’ilay hôtely niaraka tamin’ny mpianatry ny lisea dimy hafa manao famantarana anarana toy ny ahy aho. - Oay, avy any Utah ianao. Môrmôna ve ianao?- hoy ny mpianatra iray nanontany.

“Nahatsiaro ho tsy tamin’ny toerako aho niaraka tamin’ireo mpianatra mpitarika avy amin’ny faritra rehetra eto amin’ny firenena ireo. -Eny,- hoy aho sady niahotra.

“-Ianareo ilay mino an’i Joseph Smith e! Ilay nilaza hoe nahita anjely. Tsy mino an’izany kosa angamba ianao e?-

“Tsy fantatro izay tokony nolazaina. Nibanjina ahy avokoa ny mpianatra tao anaty ascenseur. Vao tonga aho, kanefa dia efa mieritreritra sahady ny rehetra fa hafahafa aho. Lasa somary niaro tena kely aho fa avy eo dia niteny hoe: -Fantatro fa mpaminanin’ Andriamanitra i Joseph Smith.-

“-Avy aiza ary izany zavatra noteneniko izany?- Hoy aho nanontany tena. Tsy fantatro hoe nanana izany tato anatiko aho. Saingy tsapako ny fahamarinan’ireo teny ireo.

“-Eny, raha ny henoko dia mpivavaka be daholo ianareo,- hoy izy.

“Niaraka tamin’izay dia nisy fiatoana tsy nampahazo aina teo am-pisokafan’ny varavaran’ilay ascenseur. Teo am-panangonana ny entanay dia nandeha teo amin’ny lalantsara izy sady nihomehy.

“Dia nisy feo nanontany avy tao an-damosiko hoe: -Manana karazana Baiboly hafa moa ny Môrmôna e?-

“Inona re ity e! Mbola hafa koa. Nitodika aho ka nahita mpianatra iray hafa tao amin’ny ascenseur niaraka tamiko, dia i Christopher.”

“-Bokin’i Môrmôna no anarany,- Hoy aho te hanova ny resaka. Naka ny entako aho ary nanomboka nandeha teo amin’ny lalantsara.

“-Izay moa ilay boky nadikan’i Joseph Smith?- hoy izy nanontany.

“-Eny, izay mihitsy,- hoy aho namaly. Nanohy ny lalako aho nanantena ny mba tsy ho afa-baraka.

“Hono hoy aho, ahoana no hahafahako mahazo anankiray?-

“Nisy soratra masina nianarako tao amin’ny seminera tonga tato an-tsaiko tampoka. -Tsy menatra ny filazantsara[n’i Jesoa Kristy] aho.-1 Rehefa tonga tato an-tsaiko izany dia nahatsiaro ho menatra aho noho izaho nahatsapa ho tena afa-baraka.

“Tsy niala tato amiko intsony izany soratra masina izany nandritra ny herinandro sisa tavela. Namaly fanontaniana betsaka araka izay vitako momba ny Fiangonana aho ary lasa nahazo namana vaovao maro.

“Lasa fantatro fa reharehako ny fivavahako.

“Nomeko Bokin’i Môrmôna i Christopher. Nanoratra tamiko izy taty aoriana, nilaza tamiko fa nanasa ny misiônera tany an-tranony izy.

“Nianatra ny tsy ho menatra ny hizara ny fijoroana ho vavolombelona ananako aho.”2

Ny risi-pon’i Kevin amin’ny fizarana ny fijoroany ho vavolombelona ananany dia manentana ny fanahiko. Izany risi-po izany dia hita isan’andro ao amin’ny mpikambana mahatokin’ny Fiangonana manerana izao tontolo izao. Eto am-pizarako ny eritreritro dia manasa anareo aho hisaintsaina ireto fanontaniana efatra manaraka ireto:

  1. Fantatro sy takatro ve hoe inona no atao hoe fijoroana ho vavolombelona?

  2. Fantatro ve ny fomba hizarako ny fijoroako ho vavolombelona?

  3. Inona avy ireo sakana tsy hizarako ny fijoroana ho vavolombelona ananako?

  4. Ahoana no ihazonako ny fijoroana ho vavolombelona ananako?

Fantatro sy takatro ve hoe inona no atao hoe fijoroana ho vavolombelona?

Ny fijoroanao ho vavolombelona dia fananana tena sarobidy, ampifandraisina matetika amin’ny fahatsapana ara-panahy lalina. Ireo fahatsapana ireo mazàna dia ampitaina mangina ary voafariparitra ho “feo malefaka sady tony.”3 Zavatra inoanao na fahalalanao fahamarinana ilay izy, omena ho toy ny vavolombelona ara-panahy amin’ny alalan’ny fitaoman’ny Fanahy Masina. Ny fahazoana io vavolombelona io dia hanova ny zavatra teneninao sy ataonao. Ireo singa tsy azo ialana amin’ny fijoroanao ho vavolombelona, nohamafisin’ny Fanahy Masina, dia ahitana ireto:

  • Rainao any An-danitra Andriamanitra. Zanany ianao. Tia anao Izy.

  • Velona i Jesoa Kristy. Zanak’ilay Andriamanitra velona Izy ary Mpamonjy sy Mpanavotra anao.

  • Mpaminanin’ Andriamanitra i Joseph Smith, nantsoina hamerina amin’ny laoniny ny Fiangonan’i Jesoa Kristy.

  • Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany no Fiangonan’Andriamanitra naverina tamin’ny laoniny ety an-tany.

  • Tarihin’ny mpaminany velona ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ankehitriny.

Fantatro ve ny fomba hizarako ny fijoroako ho vavolombelona?

Mijoro ho vavolombelona ianao rehefa mizara fahatsapana ara-panahy amin’ny hafa. Amin’ny maha mpikamban’ny Fiangonana, dia manana fahafahana hizara ny fijoroana ho vavolombelona am-bava ianao mandritra ireo fivorian’ny Fiangonana voalahatra na tsy voalahatra, amin’ny fifampiresahana manokana amin’olona ao amin’ny fianakaviana, sy ny namana, ary ny olon-kafa.

Fomba iray hafa hizaranao ny fijoroanao ho vavolombelona dia ny toetra marina. Tsy izay lazainao no fijoroanao ho vavolombelona an’i Jesoa Kristy—fa ny maha anao anao.

Isak’izay mijoro ho vavolombelona am-bava na maneho amin’ny alalan’ny zavatra ataonao ny fanolorantenanao hanaraka an’i Jesoa Kristy ianao dia manasa ny hafa mba “hanatona an’i Kristy.”4

Ny mpikamban’ny Fiangonana dia mijoro ho vavolombelon’ Andriamanitra amin’ny fotoana rehetra sy amin’ny zava-drehetra ary amin’ny toerana rehetra.5 Tsy voafetra ny fahafahana misokatra hanaovana izany ao amin’ny tontolo nomerika amin’ny alalan’ny fampiasana votoatin-javatra manentana ny fanahy avy amintsika ihany na ny fizarana votoatin-javatra mankahery nomanin’ny hafa. Mijoro ho vavolombelona isika rehefa mitia sy mizara ary manome fanasana, eny fa na dia an-jotra aza. Rehefa mampiasa ny tambajotran-tserasera hanehoana ny fomba nikolokoloan’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy ny fiainanao koa ianao dia hiakatra ambony kokoa, ho masina kokoa ny tanjon’ireo tweets, sy hafatra mivantana ary hafatra aparitaka ho an’ny maro alefanao.

Inona avy ireo sakana tsy hizarako ny fijoroana ho vavolombelona ananako?

Mety ho isan’ny sakana tsy hizaranao ny fijoroana ho vavolombelona anananao ny tsy fahafantarana loatra ny zavatra holazainao. Nizara ny zavatra niainany i Matthew Cowley, izay Apôstôly tany aloha tany, rehefa nandeha nitory ny filazantsara nandritra ny dimy taona fony izy 17 taona tany Nouvelle Zélande:

“Tsy ho adinoko mandrakizay ireo vavaka nataon-draiko ny andro niaingako. Tsy mbola nahare tsodrano mahafinaritra mihoatra izany aho tamin’ny fiainako manontolo. Dia niteny farany tamiko izy teo amin’ny fiantsonan-dalamby: -Ry zanako, handeha hitory ny filazantsara any ianao, hanao fandalinana ianao, hiezaka hanomana ny toriteninao ianao, ka indraindray rehefa misy miantso ianao dia hieritreritra fa efa vonona aoka izany, saingy rehefa mitsangana ianao dia tsy ho hitanao izay hotenenina.- Efa niainako imbetsaka izany.

“Hoy aho, -Inona no ataonao rehefa tsy hitanao izay hotenenina?-

“Hoy izy, -Mijoro eo ianao ary mijoro ho vavolombelona amin’ny hafanam-pon’ny fanahinao manontolo fa i Joseph Smith dia mpaminanin’ilay Andriamanitra velona, ary dia hisy eritreritra hirotsaka ao an-tsainao ary teny ao am-bavanao … hankany amin’ny fon’ireo rehetra izay hihaino.- Noho izany, ny saiko izay tsy nahita ambara firy nandritra ny … asa fitoriako ny filazantsara … dia nanome ahy fahafahana hijoro ho vavolombelona ny amin’ilay zava-nitranga lehibe indrindra teo amin’ny tantaran’izao tontolo izao hatramin’ny fanomboana ilay Tompo teo amin’ny hazofijaliana. Andramo ihany izany indraindray ry namana lahy sy vavy isany. Raha tsy manana na inona na inona ambara ianareo dia mijoroa ho vavolombelona fa mpaminanin’ Andriamanitra i Joseph Smith, ary dia hirotsaka ao an-tsainareo ny tantara manontolon’ny Fiangonana.”6

Torak’izany koa, ny Filoha Dallin H. Oaks dia nizara fa: “Ny fijoroana ho vavolombelona sasany dia azo kokoa eo am-pijoroana mizara izany fa tsy hoe eo am-pandohalihana mivavaka mba hahazoana izany.”7 Ny Fanahy dia mitondra tenivavolombelona na ho an’ny mpiteny na ho an’ny mpihaino.

Ny sakana iray hafa, araka ny nantitranterin’ny tantaran’i Kevin, dia ny tahotra. Araka ny nosoratan’i Paoly ho an’i Timoty hoe:

“Fa tsy nomen’ Andriamanitra fanahy osa isika, fa fanahy mahery sy fitiavana. …

“Koa aza menatra ny ho vavolombelon’ny Tompontsika.”8

Ny fahatsapana tahotra dia tsy avy amin’ny Tompo fa matetika kokoa avy amin’ilay fahavalo. Ny fananana finoana, tahaka an’i Kevin, dia hamela anareo handresy ireo fahatsapana ireo sy hizara maimaim-poana izay ao am-ponareo.

Ahoana no ihazonako ny fijoroana ho vavolombelona ananako?

Mino aho fa ny fijoroana ho vavolombelona dia ampahan-javatra manan-danja ao amin’ny tenantsika, kanefa mba hihazonana izany sy mba hikolokoloana izany feno kokoa dia nampianatra i Almà fa tsy maintsy “fahananareo amin’ny fanolokoloana be ny fijoroana ho vavolombelona anananareo.9 Rehefa manao izany isika “dia hiorim-paka sy hitombo, ary hitondra voa izy.”10 Raha tsy izany dia “maina.”11

Ny mpikambana malala tsirairay ao amin’ny Fiadidiana Voalohany dia nanome antsika fitarihana mikasika ny fomba hihazonana fijoroana ho vavolombelona.

Nampianatra antsika tamim-pitiavana ny Filoha Henry B. Eyring fa “Tsy maintsy ampiharina tsy tapaka sy mitohy ny fivokisana amin’ny tenin’ Andriamanitra, sy ny vavaka vokatry ny fo ary ny fankatoavana ny didin’ny Tompo mba hahafahan’ny fijoroanareo ho vavolombelona hitombo sy hiroborobo.”12

Nampahatsiahy antsika ny Filoha Dallin H. Oaks fa mba hihazonana ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika, dia “mila mandray ny fanasan’ny Tompo isan-kerinandro isika (jereo ny “F&F 59:9) mba ho mendrika ilay fampanantenana sarobidy fa isika dia -hanana mandrakariva ny Fanahiny miaraka [amintsika]- (F&F 20:77).”13

Ary vao haingana ny Filoha Russell M. Nelson no nanoro hevitra tamin-katsaram-panahy hoe:

“Fahano fahamarinana [ny fijoroana ho vavolombelona anananareo]. …

“… Fahano amin’ny tenin’ireo mpaminany fahiny sy maoderina ny fanahinareo. Angataho ny Tompo mba hampianatra anareo ny fomba hihainoana Azy tsara kokoa. Mandania fotoana bebe kokoa any amin’ny tempoly sy amin’ny asa momba ny tantaram-pianakaviana.

“… Ataovy laharam-pahamehanareo indrindra ny fijoroana ho vavolombelona anananareo.”14

Fehiny

Ry rahalahy sy anabavy malalako isany, mampanantena anareo aho fa rehefa mahatakatra feno kokoa ny dikan’ny hoe fijoroana ho vavolombelona ianareo, ary rehefa mizara izany, dia handresy ireo sakan’ny fisalasalana sy ny tahotra, ka hamela anareo hikolokolo sy hihazona izany fananana sarobidy indrindra izany, dia ny fijoroana ho vavolombelona anananareo izany.

Voatahy isika manana ohatra tsy tambo isaina momba ireo mpaminany fahiny sy ankehitriny izay nizara tamim-pahasahiana ny fijoroana ho vavolombelona ananan’izy ireo.

Taorian’ny nahafatesan’i Kristy dia nijoro ho vavolombelona i Petera nanao hoe:

“Dia aoka ho fantatrareo rehetra, … fa ny anaran’i Jesoa Kristy avy any Nazareta, Izay nohomboanareo tamin’ny hazo fijaliana, fa natsangan’ Andriamanitra tamin’ny maty kosa, dia Izy … no itsanganan’io lehilahy io finaritra eo imasonareo. …

“Fa tsy misy anarana hafa ambanin’ny lanitra nomena ny olona izay hahazoantsika famonjena.”15

I Amioleka, taorian’ny toritenin’i Almà mahakasika ny finoana, dia nilaza tamin-kery hoe: “Hanambara aminareo ny tenako fa ireo zavatra ireo dia marina. Indro, lazaiko aminareo satria fantratro fa ho tonga eo anivon’ny zanak’olombelona i Kristy … ary hanonitra ny fahotan’izao tontolo izao; fa ny Tompo Andriamanitra no efa niteny izany.”16

I Joseph Smith sy Sidney Rigdon, rehefa avy nanatri-maso ilay fahitana feno voninahitra momba ny Mpamonjy nitsangana tamin’ny maty, dia nijoro ho vavolombelona hoe:

“Ary ankehitriny, aorian’ireo teny vavolombelona maro izay efa natao momba Azy, dia inty ny tenivavolombelona, ny farany amin’ny rehetra, izay ataonay momba Azy: Fa velona Izy!

“Fa hitanay Izy, eo an-tanana ankavanan’ Andriamanitra; ary renay ny feo manambara fa Izy no Zanaka Lahitokan’ny Ray.”17

Ry rahalahy sy ranabavy, manasa anareo aho hikatsaka fahafahana hizara ny fijoroana ho vavolombelona anananareo amin’ny teny sy amin’ny asa ataonareo. Vao haingana aho no nanana fahafahana toy izany, taorian’ny fihaonana tamin’ny ben’ny tanànan’ny renivohitra iray tao Amerika Atsimo, tao amin’ny biraony niaraka tamin’ireo manampahefana hafa ao amin’ny kabinetrany. Teo am-pamaranana tamim-pahalalam-pomba dia niahotra aho hoe tokony hijoro ho vavolombelona ve sa tsia. Nanaraka ny bitsiky ny Fanahy aho dia nanolotra tenivavolombelona fa i Jesoa Kristy no Zanak’ilay Andriamanitra velona ary Mpamonjy izao tontolo izao. Niova ny zava-drehetra tamin’io fotoana io. Tsy azo nolavina ny Fanahy tao amin’ilay efitrano tamin’io. Toa nokasihin’ny Fanahy avokoa ny tsirairay. “Ny Mpampionona [dia] vavolombelona manambara ny Ray sy ny Zanaka.”18 Feno fankasitrahana aho nitady ny herim-po hijoroana ho vavolombelona.

Rehefa mitranga ny fotoana toy izany dia iatsampazo ary raiso. Hahatsapa ny hafanan’ny Mpampionona anatinao ianao raha manao izany.

Mizara ny fijoroana ho vavolombelona ananako sy ny tenivavolombeloko aminareo aho fa Andriamanitra no Raintsika any An-danitra, velona i Jesoa Kristy, ary Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany no Fiangonan’ Andriamanitra eto an-tany ankehitriny izay tarihin’ny mpaminany malalantsika, ny Filoha Russell M. Nelson. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Hamoaka printy