2022
Ireo zavatra nisongadina nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany fanao isan-tapa-taona faha-192
Nôvambra 2022


Tonga soa ato amin’ity laharana ity

Ireo zavatra nisongadina nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany fanao isan-tapa-taona faha-192

Tony ery ny Temple Square nandritra ny Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany fanao isan-tapa-taona faha-192. Niato ireo feo avy amin’ny fanamboarana atao eo amin’ny tokotanin’ny tempoly sy ny fanamboarana ny Tempoly manan-tantaran’i Salt Lake mba hahazaka horohoron-tany.

Kanefa nisy karazana fahatoniana hafa nameno ny tonkantranontsika sy ny fontsika rehefa nampiato ny feon’izao tontolo izao isika mba hiaino ireo mpaminany sy apôstôly velona.

“Hanohy handre fahamarinana avy eto amin’ity polipitra ity ianareo anio sy rahampitso,” hoy ny Filoha Russell M. Nelson raha nampianatra niaraka tamin’ilay masony mamiratra miavaka iny izy. “Angataho am-bavaka ny Tompo mba hanamafy fa marina izay zavatra norenesinareo” (jereo ny pejy 29).

Nandritra ilay fihaonambe manontolo dia nampianatra fahamarinana mampatanjaka fijoroana ho vavolombelona ireo mpandahateny, anisan’izany ny fanaovana sy ny fitandremana fanekempihavanana masina (jereo ny pejy 95 sy ny 73), fandraisana fanambarana ho an’ny tena manokana (jereo ny pejy 16), sy ny maha-mpianatra (jereo ny pejy 77).

“Rehefa manao ny fanamafisana orina tsy tapaka ny fijoroana ho vavolombelona anananareo momba an’i Jesoa Kristy ho laharam-pahamehana ambony indrindra ianareo,” hoy ny Filoha Nelson, “dia andrandrao ireo fahagagana hitranga eo amin’ny fiainanareo” (jereo ny pejy 95).

Rehefa tapitra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany, dia niantomboka indray ny asa fanamboarana ny Tempolin’i Salt Lake. Nanomboka ihany koa ny asa fanamboarana na ny fanomanana ireo tempoly 125 manerana izao tontolo izao izay nambara na eo an-dalam-panamboarana. Tafiditra ao anatin’izany ankehitriny ireo tempoly 18 vaovao izay nambaran’ny Filoha Neslon nandritra ny fivoriana farany tamin’ny fihaonambe (jereo ny pejy 121).

“Manao izay hisian’ny tempoly betsaka kokoa [ny Tompo],” hoy ny Filoha Nelson. “Manafaingana ny fanorenantsika tempoly Izy. Mampitombo ny fahafahantsika manampy amin’ny fanangonana an’i Isiraely Izy” (jereo ny pejy 121).

Hamoaka printy