2022
Hivoaka amin’ity taona ity ny andiany faha-4 amin’ireo horonan-tsarin’ny Bokin’i Môrmôna
Nôvambra 2022


Vaovaom-piangonana

Hivoaka amin’ity taona ity ny andiany faha-4 amin’ ireo horonan-tsarin’ny Bokin’i Môrmôna

Ny andiany faha-4 amin’Ireo horonan-tsarin’ny Bokin’i Môrmôna dia maneho ny fotoana manan-danja indrindra ao amin’ny Bokin’i Môrmôna: Ny fanompoana nataon’i Jesoa Kristy teo amin’ny kaontinanta amerikana

“Amiko dia tsy ho zoviana amin’ireo olona tia ny Testamenta Vaovao [ny andiany faha-4]” hoy Rahavavy Michelle D. Craig, Mpanolotsaina Voalohany ao amin’ny Fiadidian’ny Zatovavy maneran-tany, raha nanao fanamarihana fa sady niteny tany amin’ny Tontolo fahiny no niteny tany amin’ny Tontolo Vaovao ny Tompo.

Mpilalao sarimihetsika mihoatra ny 1.000; mpiasa ary olona maro mpiara-miasa no nitoto sy nahafotsy mba hampiainana ireo faminaniana ary ireo fijoroana ho vavolombelona momba ilay Zanak’ Andriamanitra nitsangana tamin’ny maty raha nidina avy any an-danitra Izy mba hihaona sy hanompo ireo vahoakan’ny Tontolo Vaovao.

Ireo andiany amin’Ireo horonan-tsarin’ny Bokin’i Môrmôna dia hita ao amin’ny application Book of Mormon an’ny Fiangonana. Nadika tamin’ny fiteny miisa 15 izany: Kantôney, Seboano, Anglisy, Frantsay, Alema, Italiana, Japôney, Koreana, Mandarina, Pôrtogey, Rosiana, Samoana, Espaniôla, Tagalogy ary Tôngana. Anisan’ireo sehatra hafa ahitana izany ny tranonkalan’ny Fiangonana, ny Médiathèque de l’Évangile ary ny fantsona famoahana ireo horonan-tsarin’ny Bokin’i Môrmôna ao amin’ny YouTube (afaka misoratra anarana ao ianao mba hahazona fampandrenesana rehefa misy horonan-tsary vaovao mivoaka).

Rehefa vita ny andiany faha-5 dia hahitana fizarana miisa 45 izany amboarana horonan-tsary izany.

Hamoaka printy