Miara-miasa amin’ny Tompo
Ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina amin’ny laoniny dia mitory ny fitsipiky ny fiaraha-miasa feno eo amin’ny vehivavy iray sy ny lehilahy iray, eto amin’ny fiainana an-tany sy any amin’ny mandrakizay.
Tao anatin’ireo volana vitsivitsy voalohany nifanambadianay dia naneho ny faniriany hianatra mozika ny vady malalako. Ho fikasana hanome fahafahampo azy, dia nanapa-kevitra ny hamolavola hetsika lehibe iray avy tamin’ny fo ho an’ilay malalako aho. Nankany amin’ny mpivarotra zava-maneno aho dia nividy pianô hatao fanomezana ho azy. Napetrako tamin’ny fientanentanana tao anaty boaty tsara tarehy noravahana ny rosian’ilay zavatra novidiana dia nomeko azy izany, niandrandra fankasitrahana makotrokotroka ho an’ilay vady be fitiavana sy feno firaharahiana aoka izany.
Rehefa nanokatra ilay boaty kely izy ka nahita ny tao anatiny dia nijery ahy tamim-pitiavana ary nilaza hoe: “Ry malala, tena mahafinaritra be ianao! Fa hono hoy aho: Fanomezana ve ity sa trosa?” Rehefa niara-nidinika momba ilay fanomezana izahay dia nanapa-kevitra ny hanafoana ny fividianana azy. Mbola fidiram-bolan’ny mpianatra no nanananay, toy an’ireo mpivady tanora vao herotrerony maro. Izany zavatra niainana izany dia nanampy ahy hamantatra ny lanjan’ny fitsipiky ny fiaraha-miasa feno ao anatin’ny fifandraisan’ny mpivady sy ny fomba hanampian’izany ny vadiko sy ny tenako hiray saina sy hiray fo.1
Ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina amin’ny laoniny dia mitory ny fitsipiky ny fiaraha-miasa feno eo amin’ny vehivavy iray sy ny lehilahy iray, eto amin’ny fiainana an-tany sy any amin’ny mandrakizay. Na dia samy manana toetra sy andraikitra manokana aza ny tsirairay amin’ny lehilahy sy ny vehivavy, dia samy mitana anjara asa mitovy lenta manan-danja sy ilaina ao amin’ny drafitry ny fahasambaran’ Andriamanitra ho an’ireo zanany izy ireo.2 Miharihary efa hatrany am-boalohany izany rehefa nanambara ny Tompo fa “tsy tsara raha irery ralehilahy; koa hanaova[ny] mpanampy sahaza ho azy izy.”3
Ao anatin’ny drafitry ny Tompo, ny “mpanampy sahaza” dia ny namana iray izay hiara-handeha sy ho soroka miara-milanja amin’i Adama ao anatin’ny fiaraha-miasa feno.4 Raha ny marina dia fitahiana avy any an-danitra teo amin’ny fiainan’i Adama i Eva. Tamin’ny alalan’ny toetrany araka an’ Andriamanitra sy ara-panahy, dia nanentana an’i Adama mba hiara-hiasa feno aminy izy mba hanatanterahana ny drafitr’ Andriamanitra ho an’ny fahasambaran’ny olombelona rehetra.5
Ndeha isika handinika fitsipika fototra anankiroa izay mampatanjaka ny fiaraha-miasa eo amin’ny lehilahy sy ny vehivavy. Ny fitsipika voalohany dia ny hoe mitovy ny rehetra eo imason’ Andriamanitra.6 Araka ny fotopampianaran’ny filazantsara dia tsy manafoana ireo fampanantenana mandrakizay izay omen’ Andriamanitra ho an’ireo zanakalahiny sy zanakavaviny ny fahasamihafana eo amin’ny vehivavy sy ny lehilahy. Tsy hoe manana anjara betsaka kokoa amin’ny voninahitra selestialy noho ilay iray hafa ny anankiray.7 Ny Mpamonjy Tenany mihitsy no nanasa antsika rehetra zanak’ Andriamanitra, mba “hanatona Azy sy hanana anjara amin’ny hatsaram-pony; ary tsy mandà izay manatona Azy Izy.”8 Noho izany, ao anatin’izany sahan-kevitra izany, dia mitovy avokoa ny fandraisany antsika rehetra.
Rehefa mahatakatra sy mampiditra izany eo amin’ny fiainany ny mpivady dia tsy maka ny toerana hoe filoha na filoha lefitra ao amin’ny fianakaviany izy ireo. Tsy misy hoe ambony na ambany ao amin’ny fifandraisan’ny mpivady, ary tsy misy hoe eo aloha na any aorian’ilay anankiray hafa. Miara-dalana izy ireo, mitovy lenta, zanaka masin’ Andriamanitra. Lasa iray eritreritra, faniriana, ary tanjona miaraka amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy izy ireo,9 miara-mitondra sy mitarika ny rafitry ny fianakaviana.
Ao anatin’ny fiarahana mitovy lenta, “ny fitiavana dia tsy fananana fa zavatra handraisana anjara … ampahany ao amin’ilay fiarahana mihary izay antsontsika amin’ny maha-olombelona antsika.”10 “Ao anatin’ny fandraisana anjara feno, ny mpivady dia mifarimbona mitambatra ho iray ao amin’ny -fanapahana maharitra mandrakizay … tsy mitady fitaovam-pamoretana- izay fiainana ara-panahy hikoriana amin’izy ireo sy ny taranany -mandrakizay mandrakizay-”11
Ny fitsipika manan-danja faharoa dia ilay Fitsipika Volamena nampianarin’ny Mpamonjy tao amin’ny Toriteny teo an-Tendrombohitra: “Koa amin’izany na inona na inona tianareo hataon’ny olona aminareo, dia mba ataovy aminy kosa tahaka izany.”12 Io fitsipika io dia manambara toe-tsaina fiombonana, fifanajana, firaisan-kina, ary fifampiankinana ka miorina amin’ilay didy lehibe faharoa hoe: “Tiava ny namanao tahaka ny tenanao.”13 Izany dia mitambatra amin’ireo toetra tahaka ny an’i Kristy hafa toy ny fahari-po, ny fahamoram-panahy, ny fahalemem-panahy, ary ny hatsaram-panahy.
Mba hahatakarana tsara kokoa ny fampiharana io fitsipika io dia afaka mijery ny fifamatorana masina sy mandrakizay naorin’ Andriamanitra tamin’ny ray aman-drenintsika voalohany, dia i Adama sy i Eva, isika. Lasa nofo iray izy ireo,14 namorona firaisan-kina lehibe izay namela azy ireo hiara-hizotra amim-panajana sy fankasitrahana ary fitiavana, nanadino ny tenany ary nikatsaka ny mahasoa ilay iray hafa eo amin’ny dian’izy ireo ho amin’ny mandrakizay.
Ireo toetra ireo ihany no ezahantsika hisy ao anatin’ny fanambadiana feno firaisan-kina ankehitriny. Amin’ny alalan’ny famehezana any amin’ny tempoly, ny vehivavy iray sy ny lehilahy iray dia miditra ny lamina masin’ny fanambadiana ao amin’ilay fanekempihavanana vaovao sy mandrakizay. Amin’ny alalan’io lamin’ny fisoronana io, izy ireo dia hahazo fitahiana mandrakizay sy hery masina hitarihana ireo raharaham-pianakaviany sy hiainana araka ireo fanekempihavanana nataon’izy ireo. Manomboka amin’io fotoana io izy ireo dia mandroso ao anatin’ny fifampiankinana sy ao anatin’ny fiaraha-miasa feno miaraka amin’ny Tompo, indrindra mahakasika ny andraikitra masina nanendrena ny tsirairay amin’ny fitaizana sy fiahiana ny fianakaviany.15 Ny fitaizana sy fiahiana dia andraikitra mifampiankina sy mifameno, izay midika fa ireo reny sy ray “dia tsy maintsy mifanampy amin’ny maha-mpiara-miasa mitovy lenta azy ireo”16 ary mifampizara fitarihana mifandanja ao amin’ny tokantranony.
“Ny hoe mitaiza dia midika hoe mamelona sy mampianatra ary manohana” ny olona ao amin’ny fianakaviana, izay atao amin’ny alalan’ny fanampiana azy ireo “hianatra ireo fahamarinan’ny filazantsara ary hitombo finoana ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy” ao anatina tontolo feno fitiavana. Ny fiahiana dia midika hoe “[m]anampy [m]itarika ireo olona ao amin’ny fianakaviana hiverina honina eo anatrehan’ Andriamanitra. Izany dia tanterahina amin’ny fanompoana sy fampianarana amim-katsaram-panahy sy ny halemem-panahy ary amin’ny fitiavana madio. Ao anatin’izany koa ny “fitarihana ireo olona ao amin’ny fianakaviana amin’ny fanaovana tsy tapaka ny vavaka sy ny fandalinana filazantsara ary ireo endrika fitsaohana hafa. Miasa ao anaty firaisan-kina ireo ray aman-dreny,” manaraka ny ohatr’i Jesoa Kristy, “rehefa manatanteraka ireo andraikitra [roa lehibe] ireo.”17
Zava-dehibe ny mandinika fa ny fitondrana fianakaviana dia manaraka ny lamina patriarikaly, izay tsy mitovy amin’ny lafiny sasany amin’ny fitarihana ao amin’ny fisoronana ato amin’ny Fiangonana.18 Ny lamina patriarikaly dia mitaky ny mpivady ho tompon’andraikitra mivantana amin’ Andriamanitra amin’ny fanatanterahana ny andraikiny masina ao amin’ny fianakaviany. Mitaky fiaraha-miasa feno izany, finiavana hanoa ny fitsipika tsirairay mikasika ny fahamarinana sy ny maha-tompon’andraikitra ary manome fahafahana hitomboana ao anatin’ny tontolo feno fitiavana sy fifanampiana.19 Ireo andraikitra manokana ireo dia tsy midika hoe misy ambaratongam-pahefana ary tsy misy mihitsy ny toerana ho an’ny herisetra amin’ny endriny rehetra na ny fanararaotam-pahefana.
Ny zavatra niainan’i Adama sy i Eva, taorian’ny nandaozan’izy ireo ny Saha Edena, dia maneho amin’ny fomba kanto ilay foto-kevitry ny fifampiankinana eo amin’ny reny sy ny ray amin’ny fitaizana sy fiahiana ny fianakaviany. Araka ny ampianarina ao amin’ny bokin’i Mosesy, niara-niasa ny tany izy ireo tamin’ny hatsembohan’ny tavany mba hitondrana izay mahasoa ara-batana ho an’ny fianakaviany;20 niteraka zanaka ho eto amin’izao tontolo izao izy ireo;21 niaraka niantso ny anaran’ny Tompo izy ireo ary naheno ny feony “avy any amin’ny lalana mankamin’ny Saha Edena”;22 nanaiky ireo didy nomen’ny Tompo azy ireo ary niara-niezaka hankatò izany izy ireo.23 Dia “nampahafantatra [ireo] zanakalahiny sy zanakavaviny ny zava-drehetra”24 izy ireo ary “tsy nitsahatra ny niantso an’ Andriamanitra”25 niaraka araka ny zavatra nilain’izy ireo.
Ry rahalahy sy anabavy malala, ny fitaizana sy fiahiana dia fahafahana misokatra fa tsy andraikitra mametra manokana. Ny olona iray dia mety hanana andraikitra mikasika ny zavatra iray nefa tsy voatery hoe izy irery no manao izany. Rehefa mahatakatra tsara ireo andraikitra roa lehibe ireo ny ray aman-dreny feno fitiavana dia hiaraka hiezaka izy ireo hiaro sy hikarakara ny mahasoa ny zanany eo amin’ny ara-batana sy ara-pihetsehampo. Izy ireo ihany koa dia manampy azy ireo hiatrika ireo loza ara-panahin’ny androntsika amin’ny alalan’ny fikolokoloana azy ireo amin’ny teny tsaran’ny Tompo araka ny ambara amin’ireo mpaminaniny.
Na dia mifanohana aza ny mpivady eo anatrehan’ireo andraikitra masina nanendrena azy ireo, “ny kilema, ny fahafatesana, na ny toe-javatra hafa dia mety ilàna fifandaminana hafa.”26 Indraindray ny olona iray na ilay iray hafa dia hanana ny andraikitra hisahana irery ireo anjara asa roa ireo, na izany mandritra ny fotoana voafetra na maharitra.
Vao haingana aho no nihaona tamina anabavy sy rahalahy miaina ao anatin’izany toe-javatra izany. Amin’ny maha ray sy reny tokan-tena azy ireo, ao amin’ny fianakaviany avy sy miara-miasa miaraka amin’ny Tompo, dia nanapa-kevitra izy ireo ny hanokana ny fiainany amin’ny fikarakarana ny zanany eo amin’ny lafiny ara-panahy sy ara-batana. Tsy very fifantohana tamin’ireo fanekempihavanan’ny tempoly nataony tamin’ny Tompo sy ireo fampanantenany mandrakizay izy ireo na dia teo aza ny fisaraham-panambadiana nolalovany. Samy nikatsaka ny fanampian’ny Tompo amin’ny zavatra rehetra izy ireo eo am-piezahana miaritra ny olany sy mandeha eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana. Matoky izy ireo fa ny Tompo dia hikarakara ny zavatra ilain’izy ireo, tsy amin’ity fiainana ity ihany, fa hatramin’ny mandrakizay. Samy nitaiza ny zanany amin’ny alalan’ny fampianarana azy ireo ny fahamoram-panahy sy ny fahalemem-panahy ary ny fitiavana madio izy ireo na dia rehefa niaina ireo toe-javatra sarotry ny fiainana aza. Raha ny fantatro aloha dia tsy nanome tsiny an’ Andriamanitra noho ny fahoriany ireo ray sy reny tokan-tena roa ireo. Fa nibanjina ny any aloha kosa izy ireo miaraka amin’ny fanantenana mamirapiratra sy ny fahatokiana ny amin’ireo fitahiana atokan’ny Tompo ho azy ireo.27
Ry rahalahy sy ranabavy, naneho ny ohatra tonga lafatra momba ny firaisan-kina sy ny firindran’ny tanjona sy ny fotopampianarana ny Mpamonjy tamin’ny Raintsika any An-danitra. Nivavaka ho an’ireo mpianany Izy nanao hoe: “Mba ho iray ihany izy rehetra, tahaka Anao Ray ato amiko, ary Izaho koa ao aminao, mba ho ao amintsika koa izy; … mba ho iray izy, tahaka ny mahiray Antsika.”28
Ry rahalahy sy anabavy, mijoro ho vavolombelona aminareo aho fa rehefa miaraka miasa isika lehilahy sy vehivavy, ao anatin’ny fiaraha-miasan’ny mpivady izay marina sy mitovy lenta, dia hianoka ilay firaisan-kina nampianarin’ny Mpamonjy eo am-panatanterahantsika ireo andraikitra masina ao amin’ny fifandraisantsika ao amin’ny fanambadiana isika. Mampanantena anareo aho, amin’ny anaran’i Kristy, fa ireo fo dia “[h]ifamihina ao amin’ny firaisan-kina sy ny fifankatiavan’izy samy izy,”29 hahita fifaliana kokoa isika ao amin’ny diantsika ho any amin’ny fiainana mandrakizay, ary hitombo izaitsizy ny fahafahantsika mifanompo sy miara-manompo.30 Mijoro ho vavolombelona aho ny amin’ireo fahamarinana ireo amin’ny anarana masin’i Jesoa Kristy Mpamonjy, amena.