2022
Lasa Filohan’ny Fiangonana zokiny indrindra ny Filoha Nelson
Nôvambra 2022


Vaovaom-piangonana

Lasa Filohan’ny Fiangonana zokiny indrindra ny Filoha Nelson

Teraka tamin’ny 9 septambra 1924 ny Filoha Russell M. Nelson ary vao haingana izy no nankalaza ny faha-98 taonany. Lasa izy no Filohan’ny Fiangonana zokiny indrindra teo amin’ny tantaran’ny Fiangonana tamin’ny 14 aprily 2022.

Raha niresaka ny asa fanompoana nataon’ny Filoha Nelson sy ny fiainany ny Filoha Dallin H. Oaks, Mpanolotsaina Voalohany ao amin’ny Fiadidiana Voalohany, dia hoy izy hoe: “Mpitarika entanim-panahy sy hendry izy ary izy no olona malemy paika sy tsara fanahy indrindra azonao andrandraina hoe hifandray aminao.”

Ny Filoha Henry B. Eyring, Mpanolotsaina Faharoa, dia naneho ny heviny momba ny anjara asan’ny Filoha Nelson amin’ny maha-mpaminan’ny Tompo azy nanao hoe: “Isaky ny mivoaka ny birao izaho sy ny Filoha Oaks dia miteny aho hoe: -Nitranga indray ilay izy.- Hitanao mihitsy ny fahatongavan’ny fanambarana. Hitanao izy mangataka torohevitra, ary avy eo dia ho tonga fanapahan-kevitra ary ny olon-drehetra ao amin’ny efitrano dia mahafantatra fa marina izany ary avy amin’ Andriamanitra. Ambarany amin’ny feo malefaka hoe: -Raha ny hevitro dia io no zavatra tian’ny Tompo hataontsika.- Mitranga ombieny ombieny izany.”

Hamoaka printy