Seminera sy Institiota
Lesona 1 Ny Bokin’i Môrmôna dia testamenta iray hafa momba an’i Jesoa Kristy


Lesona 1

Ny Bokin’i Môrmôna dia testamenta iray hafa momba an’i Jesoa Kristy

Fampidirana

Ireo izay mandalina ny fampianarana sy ny fotopampianaran’ny Bokin’i Môrmôna dia ho lasa mahafantatra fa i Jesoa no Kristy. Ao anatin’ity lesona ity, ireo mpianatra dia hianatra fa ny ankabeazan’ny mpanoratra ny boky dia vavolombelona nahita maso ny zanak’ Andriamanitra ary ny tenin’izy ireo dia manampy amin’ny fahatakarantsika sy ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika lalindalina kokoa mikasika an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany.

Vakiteny Enti-mandalina

  • Gordon B. Hinckley, “A Testimony Vibrant and True,” Ensign, Aog. 2005, 2–6.

  • “Ny Bokin’i Môrmôna—Vato ifaharan’ny fivavahantsika,” toko faha 9 ao amin’ny Enseignements des Présidents de l’Eglise: Ezra Taft Benson (2014), 125–35.

Sosokevitra Enti-mampianatra

1 Nefia 13:40; 2 Nefia 25:17–18; Alma 33:22–23

Ny Bokin’i Môrmôna dia testamenta iray hafa momba an’i Jesoa Kristy

Asehoy ity fanambarana nataon’ny Mpaminany Joseph Smith ity (1805–44), ary asao ny mpianatra iray hamaky izany mafy:

Sary
Mpaminany Joseph Smith

“Nolazaiko ny rahalahy fa ny Bokin’i Môrmôna no boky marina indrindra amin’ny boky rehetra eto an-tany sy vato ifaharan’ny fivavahantsika, ary hanatona bebe kokoa an’ Andriamanitra ny olona amin’ny fanarahana ny fitsipika ao anatiny toy izay ao anatin’ny boky hafa” (teny fanolorana ny Bokin’i Môrmôna).

  • Inona amin’ireo fanambaran’ny mpaminany ao amin’ny Bokin’i Môrmôna ireo no hanananao fijoroana ho vavolombelona, ary nahoana?

  • Ahoana no hampitomboan’ireo filazana avy amin’ny mpaminany ireo faharisianao entinao mandalina ny Bokin’i Môrmôna?

Asao ireo mpianatra hanasongadina io filazana io ao amin’ny soratra masin’izy ireo izay ao amin’ny andalan-tsoratra fahenina ao amin’ny teny fanolorana ao amin’ny Bokin’i Môrmôna, ary toroy hevitra izy ireo hanoratra ny soratra masina mifandray aminy eo akaikin’ny dia ny 1 Nefia 13:40 sy 2 Nefia 25:17-18. (Fanamarihana: Ny fampifandraisana soratra masina dia fahaizana mandalina soratra masina izay afaka safidinao ny hanantitrantitra azy mandritra ity fampianarana ity. Rehefa manamafy orina ny fahaizany mandalina ny soratra masina ireo mpianatra dia lasa mahaleo tena kokoa ara-panahy izy ireo.)

Asao ny mpianatra vitsivitsy hifandimby hamaky mafy ny 1 Nefia 13:40 sy 2 Nefia 25:17-18 ary ireo mpianatra hafa kosa hikaroka ny tanjon’ny Bokin’i Môrmôna voalohany indrindra.

  • Araka ireo andininy ireo, inona no iray amin’ireo tanjona voalohan’ny Bokin’i Môrmôna? (Tokony hahita izao fahamarinana manaraka izao ny mpianatra: Namoaka ny Bokin’i Môrmôna amin’ny andro farany Andriamanitra mba handresena lahatra ny olon-drehetra fa i Jesoa no Kristy. [Jereo koa ny pejin-dohatenin’ny Bokin’i Môrmôna.])

  • Ahoana no fomba handresen’ny Bokin’i Môrmôna lahatra ny olona fa i Jesoa no Kristy?

Asehoy ity fanambarana nataon’ny Filoha Ezra Taft Benson ity (1899–1994), ary asao ny mpianatra iray hamaky izany amim-pahanginana:

Sary
Filoha Ezra Taft Benson

“Maro amin’ireo Kristianina eto amin’izao tontolo izao ankehitriny no mandà ny maha-Andriamanitra ny Mpamonjy. Mametra-panontaniana mikasika ilay Fahaterahany mahagaga izy ireo, ilay Fiainany tonga lafatra ary ilay Fitsanganany tamin’ny maty tamim-boninahitra izay tena nisy marina. Mampianatra mahakasika ny fahamarinan’ireo rehetra ireo mazava tsara ny Bokin’i Môrmôna. Manolotra fanazavana feno tsara mahakasika ny fotopampianaran’ny Sorompanavotana koa izany. Marina tokoa fa ity boky avy amin’ny fitaomam-panahy avy amin’ Andriamanitra ity dia tena vato ifaharan’ny fijoroana ho vavolombelona eto amin’izao tontolo izao fa i Jesoa no Kristy” (Enseignements des Présidents de l’Eglise: Ezra Taft Benson [2014], 129–30).

  • Inona ireo zava-misy sasantsasany teo amin’ny fiainan’i Jesoa Kristy sy iraka nampanaovina azy izay namafisina ao amin’ny Bokin’i Môrmôna?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ity teny manaraka ity izay nataon’ny Loholona Russell M. Nelson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

Sary
Filoha Russell M. Nelson

“Namaky ny [Bokin’i Môrmôna] imbetsaka aho. Namaky zavatra maro noresahana momba azy io koa aho. Ireo mpanoratra sasany dia nifantoka tamin’ny tantara tao anatiny, na olona, na ny famintinana tantara tao anatiny. Nanaitra ireo hafa kosa ny rafi-pitenenana ao anatiny na ny zavatra noraketina ao mikasika ny fitaovam-piadiana, na ny ara-jeôgrafia, ny biby, na ny fomba nanorenana trano sy ny sisa, na ny fomba fandanjana sy fandrefesana.

“Na dia mahaliana tokoa aza ireo zavatra voatanisa ireo, dia ny fandalinana ny Bokin’i Môrmôna no valisoa lehibe indrindra azo rehefa mifantoka aminy tanjony voalohany—dia ny hijoro ho vavolombelona an’i Jesoa Kristy—ny olona iray. Amin’ny alalan’ny fampitahana dia fanampin-javatra fotsiny ireo olana.

“Rehefa mamaky ny Bokin’i Môrmôna ianao, dia mifantoha amin’ilay endrika fototra ao anatin’ny boky-avy amin’ny toko voalohany ka hatramin’ny farany—ny Tompo Jesoa Kristy, zanakalahin’ilay Andriamanitra velona” (Ensign, nôv. 1999, 69).

  • Amin’ireo hafatra rehetra ao amin’ny Bokin’i Mormôna, nahoana araka ny hevitrao no manan-danja kokoa ny mifantoka amin’ny hafatra mikasika an’i Jesoa Kristy?

Hazavao amin’ireo mpianatra fa tao aorian’ny nampianaran’i Almà ireo Zoramita mikasika ny fanompoan’ny Mpamonjy (jereo ny Almà 33:22) dia nanasa ireo mpihaino azy izy mba hamboly ny tenin’ Andriamanitra ao ampon’izy ireo mba hahafahan’izany hitombo. Asao ireo mpianatra mba hamaky amim-pahanginana ny Almà 33:22–23 ary hikaroka ireo fahamarinana izay namporisihin’i Almà ireo mpamaky azy ny “hamboleny” izany ao ampony.

  • Inona ilay hafatra tian’i Almà hambolen’ireo mpihaino azy ao am-pony?

  • Inona no vokatra nampanantenain’i Almà raha toa izy ireo ka mamboly sy mamahana ireo finoana mikasika an’i Jesoa Kristy? (Hitombo “hatrany amin’ny fiainana maharitra mandrakizay” ny fijoroana ho vavolombelona ananan’izy ireo; ary hohamaivanina ny enta-mavesany.)

  • Ahoana no fomba nanampian’ny fandalinanao ny Bokin’i Môrmôna anao handray ireo fitahiana nofaritan’i Almà ireo?

1 Nefia 6:4; 2 Nefia 11:2–3; Jakôba 1:7–8; Môrmôna 1:15; 3:20–22; Etera 12:38–39, 41

Ireo mpanoratra ny Bokin’i Môrmôna dia vavolombelona nahita maso an’i Jesoa Kristy

Hazavao fa ny Bokin’i Môrmôna tamin’ny ankabeazany dia nosoratan’ny mpanoratra fototra efatra : I Nefia, Jakôba, Môrmôna ary i Môrônia. (Avahana amin’izany ireo bokin’i Enôsa, Jarôma, ary i Ômnia.)

Adikao eny amin’ny solaitrabe ity tabilao manaraka ity. Mba hanampiana ireo mpianatra hianatra mikasika ireo mpanoratra fototra dia asao izy ireo hifantina sy hamaky amim-pahanginana ireto andalana manaraka ireto. Asao izy ireo mba hitady ny mahatonga ireo mpanoratra ireo ho azo antsoina ho vavolombelona mahery vaika an’i Jesoa Kristy.

Mpanoratra

Traikefa

1. Nefia

2 Nefia 11:2

2. Jakôba

2 Nefia 11:3

3. Môrmôna

Môrmôna 1:15

4. Môrônia

Etera 12:38–39

Omeo alalana ireo mpianatra mba hizara izay zavatra nianarany avy amin’ireo andalana efatra ireo. Dia manontania avy eo hoe:

  • Nahoana no manan-danja ny mahatakatra fa ny ankamaroan’ireo mpanoratra ny Bokin’i Môrmôna dia vavolombelona nahita maso an’i Jesoa Kristy? (Mandritra ny firesahanao io fanontaniana io dia ampio ireo mpianatra hamantatra ny fahamarinana manaraka: Rehefa mandalina ny Bokin’i Môrmôna isika dia mianatra mikasika an’i Jesoa Kristy sy ny iraka nataony avy amin’ireo izay nahita sy nahafantatra azy isika Azonao atao ny manoritra fa ny mpandika ny Bokin’i Môrmôna, izay i Joseph Smith, dia vavolombelona nahita maso an’i Jesoa Kristy ihany koa.)

Ampio tsanganana iray eo amin’ilay tabilao eo amin’ny solaitrabe:

Mpanoratra

Traikefa

Tanjona

1. Nefia

2 Nefia 11:2

1 Nefia 6:4

2. Jakôba

2 Nefia 11:3

Jakôba 1:7–8

3. Môrmôna

Môrmôna 1:15

Môrmôna 3:20–22

4. Môrônia

Etera 12:38–39

Etera 12:41

Asao ireo mpianatra tsirairay hamaky mangina ny iray amin’ireo andalana ao amin’ny tsanganana fahatelo ary hikaroka ireo antony niraketan’ireo mpanoratra tsirairay ny hafany.

  • Nahoana ireo mpanoratra ny Bokin’i Môrmôna ireo no mirakitra ireo hafatr’izy ireo?

  • Nahoana araka ny eritreritrao no tena nifantoka tamin’ny fanasana ny hafa ny hanatona an’i Kristy ireo mpanoratra ireo?

  • Ahoana no fomba hampiharanao eo amin’ny tenanao izanyfanasan’izy ireo izany dia ny fanatonana an’i Kristy? Inona no eritreritra sy fahatsapana anananao rehefa misaintsaina ireo fanasana ireo ianao?

2 Nefia 33:1–2, 4–5, 10–11

Ny Bokin’i Môrmôn dia manampy antsika hino an’i Jesoa Kristy

Hazavao fa raha toa ka noiva ny fiainan’ireo olona maro tsy voatanisa noho ireo fijoroana ho vavolombelona azony mikasika ny Bokin’i Môrmôna dia maro koa etsy andaniny ireo manana ahiahy mikasika ny fahamarinana raketiny sy ny maha-marina izany boky izany.

  • Inona no torohevitra omenao ny olona iray mba hanamafisany na hahazoany fijoroana ho vavolombelona mikasika ny Bokin’i Môrmôna?

Mangataha mpianatra iray hamaky mafy ny 2 Nefia 33:1-2 raha toa kosa ireo mpianatra ambiny hamantatra ireo hery izay nahatonga ny hafatra ao amin’ny Bokin’i Môrmôna hilatsa-paka am-pon’ny olona iray.

  • Inona no hery izay nolazain’i Nefia hahatonga ny hafany hankany am-pon’ny olona iray? (Ny herin’ny Fanahy Masina.)

  • Inona no nolazain’i Nefia fa hanakanany olona amin’ny fandraisana ny Fanahy Masina?

Asao ireo mpianatra hilaza sy hifanakalo hevitra fitsipika iray ampianarina ao amin’ireo andininy ireo. (Ampio ny mpianatra mba hamantatra izao fitsipika manaraka izao: Ny Fanahy Masina dia afaka mitondra ny hafatry ny Bokin’i Môrmôna ao am-potsika rehefa tsy manamafy ny fontsika amin’ny Fanahy Masina isika. Azonao soratana eny amin’ny solaitrabe izany fitsipika izany.)

Omeo fotoana kely ny mpianatra handalinana ny 2 Nefia 33:4–5 ary hikarohana ireo fitahiana izay afaka ho raisintsika amin’ny fandalinana ny Bokin’i Môrmôna. Asaivo mizara ny zavatra hitany ireo mpianatra.

Asehoy ity fanambarana nataon’ny Loholona L. Whitney Clayton avy ao amin’ny Fitopololahy ity, ary mangataha mpianatra iray hamaky mafy izany:

Sary
Loholona L. Whitney Clayton

“Tsy maintsy misafidy ny hanokatra ny fontsika ihany koa [isika] hidiran’ny maha-tena misy ny Mpamonjy. …Tsy manery antsika hino Andriamanitra. Fa manasa antsika kosa Izy mba hino, amin’ny alalan’ny fandefasany mpaminany sy apôstôly velona mba hampianatra antsika, amin’ny alalan’ny fanomezana ny soratra masina ho antsika, ary amin’ny alalan’ny fiantsoana antsika amin’ny alalan’ny Fanahiny. … Ny fanapahan-kevitra mba hino no tena safidy tsara indrindra mihoatra noho izay safidy hafa nataontsika. Mamolavola ireo fanapahan-kevitra hafa rehetra horaisintsika izany” (“Misafidiana ny hino,” Ensign na Liahona, mey 2015, 38).

  • Ahoana no ahafahan’ny fanekena ireo fanasan’ny mpanoratra ny Bokin’i Môrmôna mba hino an’i Jesoa Kristy ireo hamolavola ireo fanapahan-kevitra hafa rehetra horaisintsika?

Tohizo amin’ny fanasana mpianatra iray hamaky mafy ny 2 Nefia 33:10-11 izany raha toa ka hikaroka ny fomba namaritan’i Nefia ny fifandraisana amin’ny finoana ny teniny sy ny finoana an’i Jesoa Kristy kosa ireo mpianatra hafa.

  • Araka ny voalazan’i Nefia, inona no fifandraisana misy eo amin’ny finoana ny teniny sy ny finoana an’i Jesoa Kristy?

  • Inona no nolazain’i Nefia fa hitranga “amin’ny andro farany” ho an’ireo olona izay mandà ny teniny?

Asao ny mpianatra hizara ireo fijoroana ho vavolombelona tamin’ny fomba nanampian’ny Bokin’i Môrmôna azy ireo hanakaiky bebe kokoa an’i Jesoa Kristy.

Vakitenin’ny Mpianatra

Hamoaka printy