Seminera sy Institiota
Lesona 22: ‘Ho toa Ahy’


Lesona 22

“Ho toa Ahy”

Fampidirana

Nanasa ireo mpianany hanaraka ny ohatra nataony i Jesoa Kristy efa nitsangana tamin’ny maty. Afaka mianatra ny fomba hahatongavana ho toa Azy isika amin’ny alalan’ny fandalinana ireo fitsipika nampianariny ny Nefita tao amin’ny tempolin’i Soafeno. Nivavaka ny Mpamonjy fa ireo izay mino Azy dia afaka manana firaisan-kina Aminy sy amin’ny Raintsika Any an-danitra. Narindra mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra ny zavatra azon’izy ireo atao mba hahatongavana ho toa an’i Jesoa Kristy bebe kokoa ity lesona ity.

Vakiteny Enti-mandalina

Sosokevitra Enti-mampianatra

3 Nefia 27:21–22, 27

Fahatongavana ho tahaka an’i Jesoa Kristy

Atombohy amin’ny fampisehoana ity fanambarana nataon’ny Loholona Lynn G. Robbins ao amin’ny Fiadidian’ny Fitopololahy ity ny fotoam-pianarana, ary mangataha mpianatra iray hamaky mafy izany.

Sary
Loholona Lynn G. Robbins

“Maro amintsika no manao lisitr’ireo zavatra atao mba hampahatsiahy antsika ny zavatra tiantsika ho tanterahina. Saingy mahalana kosa no mahita olona manao ny lisitry ny toetra tokony ananana. Nahoana? Ny zavatra atao dia asa na zava-mitranga ary azo asiana marika rehefa hoe vita. Ny toetra kosa dia zavatra tsy vita na oviana na oviana. Tsy azonao asiana marika ny toetra ananana. Afaka mitondra ny vadiko mamonjy takariva mahafinaritra amin’ny andro Zoma aho, izany dia zavatra atao. Fa ny hoe manana ny toetry ny vady tsara dia tsy zavatra atao fa mila ho ampahan’ny toetra maha-izaho ahy, ampahan’ny toetrako na ampahan’ny hoe iza moa aho” (“Tokony ho Karazana Olona Toa Inona moa Ianareo?” Ensign na Liahona, mey 2011, 104).

  • Inona araka ny eritreritrao no tian’ny Tompo hahatongavantsika amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonana antsika?

Asao hamaky amim-pahanginana ny 3 Nefia 27:21–22, 27 ireo mpianatra ary hikaroka ny torolalana izay nomen’i Jesoa Kristy ho an’ireo mpianany Nefita.

  • Inona no nandidian’ny Mpamonjy ireo mpianany mba ho ataon’izy ireo sy ezahin’izy ireo hahatongavana? (Soraty eny amin’ny solaitrabe izao fahamarinana manaraka izao: Maniraka ireo mpianany hanao ny asany sy ho tonga tahaka Azy ny Tompo.)

  • Ahoana araka ny eritreritrareo no hahatongavantsika bebe kokoa tahaka ny Mpamonjy?

  • Inona ireo asany sasantsasany izay efa vitanao?

Asao ifanakalo hevitra amin’ireo fampianaran’ny Bokin’i Môrmôna izay afaka hanampy antsika ho tonga bebe kokoa tahaka an’i Jesoa Kristy ireo mpianatra. Ataovy lisitra eny amin’ny solaitrabe ny valintenin’ireo mpianatra. Zarao ny fijoroana ho vavolombelona fa hanampy antsika ho tonga bebe kokoa tahaka ny Mpamonjy ny fandalinantsika ny Bokin’i Môrmôna sy ny fampiharantsika ny fampianarana raketiny.

3 Nefia 12:1–16, 43–45; 13:1, 5–7, 16–18, 22–24, 33; 14:1–5, 21–27

Mampianatra antsika ireo fomba hahafahana ho tonga bebe kokoa tahaka Azy ny toritenin’i Kristy tao amin’ny tempolin’i Soafeno

Asehoy ity fanambarana manaraka ity izay nataon’ny Filoha Ezra Taft Benson ity (1899–1994), ary asao ny mpianatra iray hamaky izany mafy:

Sary
Filoha Ezra Taft Benson

“Ny lehilahy manana fiainana manakaiky ny maodelim-piainan’i Kristy dia lehilahy lehibe indrindra sy sambatra indrindra ary faly indrindra. Tsy misy idiran’ny harena, sy fahefana, ary voninahitry ny tany izany. Ny hany fitsapana marina ahitana ny fahalebiazana, sy ny maha olona voatahy, ary ny fifaliana dia ny fanakaikezan’ny fiainana iray hitovy amin’i Jesoa Kristy, ilay Tompo. Izy no lalana marina sy fahamarinana feno ary fiainana miroborobo” (“Jesus Christ—Gifts and Expectations,” Ensign, des. 1988, 2).

  • Araka ny Filoha Benson, inona no hitranga rehefa misafidy ny hanao an’i Jesoa Kristy ho maodelim-piainantsika isika?

Ampahatsiahivo ireo mpianatra fa nanao toriteny izay nitovy tamin’ny toriteny teo an-tendrombohitra ao amin’ny Baiboly ny Mpamonjy efa nitsangana tamin’ny maty rehefa niseho tamin’ny vahoakany teo amin’ny tempolin’i Soafeno. Natao mba hanampiana antsika ho tonga tahaka Azy ireo fitsipika masina izay nampianarin’ny Mpamonjy teo an-tendrombohitra sy tao amin’ny tempolin’i Soafeno.

Vakio ity fanambarana manaraka nataon’ny Filoha Harold B. Lee (1899–1973) ity. Raha ilaina dia hazavao fa miompana amin’ireo rafitra ampiasaina amin’ny fananganana trano iray ilay teny hoe maodely.

Sary
Filoha Harold B. Lee

“Tao amin’ny Toriteny teo an-tendrombohitra, ny Tompo dia nampahafantatra antsika karazana faminaniana amin’ny toetrany, izay tonga lafatra, … ary avy tamin’ny fanaovana izany no nanomezany maodely ho an’ny fiainantsika” (Teachings of Presidents of the Church: Harold B. Lee [2000], 200).

Soraty eo amin’ny solaitrabe ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto:

3 Nefia 12:1–12

3 Nefia 12:13–16, 43–45

3 Nefia 13:1, 5–7, 16–18

3 Nefia 13:22–24, 33

3 Nefia 14:1–5

3 Nefia 14:21–27

Asaivo mamaky iray amin’ireo andinin-tsoratra masina ny mpianatra tsirairay ary angataho hamantatra fitsipika iray izay afaka manampy azy ireo ho tonga bebe kokoa tahaka na’i Jesoa Kristy. Azonao atao ny mamporisika ireo mpianatra hanisy marika na loko miavaka ireo fitsipika ireo ao amin’ny soratra masiny. Azonao atao ny manasa azy ireo hieritreritra olom-pantatra izay naneho izany fitsipika hitan’izy ireo izany.

Rehefa avy nanome fotoana ampy ho azy ireo dia asao ireo mpianatra hizara izay zavatra hitany. Raha ilaina sy tarihin’ny Fanahy dia mametraha fanontaniana fanampiny tahaka izao manaraka izao:

  • Ahoana no hanampian’ny fiainana tsy tapaka ity fitsipika ity anao eo amin’ny ezaka ho tonga tahaka an’i Kristy bebe kokoa?

  • Inona no traikefa efa niainanao ka naneho ny maha-zava-dehibe ny fitsipika izay hitanao?

Asao ireo mpianatra hametraka tanjona ho tonga bebe kokoa tahaka ny Mpamonjy amin’ny alalan’ny fampiharana iray na sasantsasany amin’ireo fitsipika ireo eo amin’ny fiainany.

Jaona 17:9–11, 20–23; 3 Nefia 19:19–23, 28–29

Fahatongavana ho iray amin’ny Ray sy Zanaka

Hazavao fa nivavaka ho an’ireo mpianany roa ambin’ny folo lahy izay nofinidiny sy ho an’ireo izay hino ny teniny i Jesoa Kristy nandritra ny fitsidihany ny Nefita. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny 3 Nefia 19:19–23, 28–29. Asao hikaroka ireo fitahiana izay nivavahan’i Jesoa mba hirotsaka eo amin’ireo izay mino Azy ireo mpianatra.

  • Inona no fitsipika iray izay azontsika ianarana avy amin’ny vavaka nataon’ny Mpamonjy ho antsika ho tonga iray miaraka amin’ny Ray sy ny Zanaka. (Tokony hahatakatra izao fitsipika manaraka izao ny mpianatra: (Amin’ny alalan’ny finoana dia afaka ny ho voadio isika ary ho tonga iray miaraka amin’i Jesoa Kristy, tahaka ny maha iray Azy miaraka amin’ny Ray.)

Ampio hahatakatra bebe kokoa ity fitsipika ity ireo mpianatra, ary hazavao fa nisy vavaka toa izany nataon’i Kristy tao amin’ny tempolin’i Soafeno izany koa voarakitra ao amin’ny Testamenta Vaovao. Asaivo ampifandraisin’ireo mpianatra amin’ny Jaona 17:9–11, 20–23 ireo andinin-tsoratra masina ireo. Asao izy ireo hamaky ireo andinin-tsoratra masina ireo am-pahanginana ary hieritreritra ny fomba hampiharana izany amintsika.

  • Inona no fiantraikan’ny fahalalanao fa nivavaka ho anao tamin’ny Ray i Jesoa Kristy?

  • Amin’ny fomba ahoana no ahafahantsika miaina ny karazana firaisan-kina izy misy eo amin’ny Ray sy ny Zanany?

Asao ny mpianatra iray hamaky izao teny manaraka izao, izay nataon’ny Loholona D. Todd Christofferson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo. Asao hikaroka ny zavatra tsy maintsy ataontsika mba hahatonga antsika ho iray amin’i Jesoa Kristy sy ny Ray any An-danitra ireo mpianatra.

Sary
Loholona D. Todd Christofferson

“Nahatontosa ilay firaisam-po tonga lafatra tamin’ny Ray i Jesoa tamin’ny alalan’ny fanekeny manokana, ny vatany sy ny fanahiny, hanao ny sitrapon’ny Ray. Ny asa fanompoana nataony dia nifantoka mazava tsara hatrany satria tsy nanana eritreritra na faniriana izay tsy nifanaraka tamin’ny sitrapon’ny Ray Izy ka mety nahatonga Azy hiroaroa saina. Raha niresaka momba ny Rainy i Jesoa dia nilaza hoe: ‘Izaho manao izay sitrany mandrakariva’ (Jaona 8:29). …

“Azo antoka fa tsy ho iray miaraka amin’ Andriamanitra sy Kristy isika raha tsy ny sitrapony sy ny zavatra mana-danja Amin’izy ireo no iriantsika indrindra. Tsy ho azo ao anatin’ny indray andro ny fankatoavana toy izany, saingy amin’ny alalan’ny Fanahy Masina, dia hitantana sy hampianatra antsika ny Tompo raha toa isika ka manaiky, rehefa mandeha ny fotoana, mandrapitenenana marina fa ao amintsika Izy tahaka ny maha ao Aminy ny Ray” (“That They May Be One in Us,” Ensign, nôv. 2002, 72–73).

  • Araka ny voalazan’ny Loholona Christofferson, inona no tsy maintsy ataontsika mba hahatongavan ho iray amin’ny Ray sy ny Zanaka?

Soraty eo amin’ny solaitrabe izao fanontaniana izao ary asao ireo mpianatra haka minitra vitsy hanoratana ny valinteniny:

Tamin’ny fomba ahoana no nanehoan’i Jesoa fa nalemy fanahy tanteraka tamin’ny sitrapon’ny Ray any An-danitra Izy?

Inona ireo fomba sasantsasany izay afaka hahatonga anao ho malemy fanahy bebe kokoa amin’ny sitrapon’ny Ray any An-danitra?

Farano amin’ny fizarana ny fijoroanao ho vavolombelona fa hahafahantsika ho tonga bebe kokoa tahaka ny Mpamonjy Jesoa Kristy ny fanehoantsika fahalemem-panahy amin’ny sitrapon’ny Ray.

Vakitenin’ny Mpianatra

Hamoaka printy