Lesona 18
Fiomanana ho amin’ny Andro fitsarana farany
Fampidirana
Izao fiainana izao no fotoana hiomanana hihaona amin’ Andriamanitra. Manazava ny zavatra hitranga amin’ny fanahintsika eo anelanelan’ny fotoan’ny fahafatesana sy ny Fitsanganana amin’ny maty ny Bokin’i Môrmôna. Rehefa avy niverina natambatra amin’ny vatantsika tsy mety ny fanahintsika dia hijoro hotsaraina manoloana ny seza fiandrianan’ Andriamanitra isika, izay hamaritra ny valisoantsika mandrakizay ireo asa sy faniriana tao am-pontsika.
Vakiteny Enti-mandalina
-
Dallin H. Oaks, “Resurrection,” Ensign, mey 2000, 14–16.
-
D. Todd Christofferson, “Ny Herin’ny Fanekempihavanana,” Ensign na Liahona, mey 2014, 111–14.
-
“Understanding Death and Resurrection,” toko 37 ao amin’ny Teachings of Presidents of the Church: Brigham Young (1997), 273–78.
Sosokevitra Enti-mampianatra
Almà 34:32–34; 40:6–7, 11–14
Aorian’ny fahafatesana dia ho any amin’ny paradisa ireo olo-marina ary ho any amin’ny tranomaizin’ny fanahy kosa ireo ratsy
Soraty eny amin’ny solaitrabe mialoha ny fotoam-pianarana ity fanontaniana manaraka ity:
Angataho ny mpianatra vitsivitsy mba hamaly io fanontaniana io. Avy eo dia ampahatsiahivo azy ireo fa manampy antsika hahatakatra ny tanjon’ny fiainana eto an-tany sy mampianatra antsika fa mitohy ny fiainana aorian’ny fahafatesana ny Bokin’i Môrmôna.
Manasà mpianatra iray hamaky amin’ny feo avo ny Almà 34:32–34 raha toa kosa ireo mpianatra ambiy hikaroka ny zavatra nampianarin’i Amioleka ny vahoakan’i Amônihà mikasika ny tanjon’ny fiainana.
-
Inona ireo fotopampianarana manan-danja mikasika ny tanjon’ny fiainana an-tany izay nampianarin’i Amioleka? (Mety hitanisa fotopampianarana maro avy amin’io andinin-tsoratra masina io ny mpianatra, anisan’izany ireto manaraka ireto: Izao fiainana izao no fotoana hiomanana hihaona amin’ Andriamanitra.)
-
Amin’ny fomba ahoana no hanampian’ity fotopampianarana ity anao hahatakatra ny fomba tokony hiainantsika eo amin’ny fiainantsika andavanandro eto amin’ity tany ity?
Mba entina hanampiana ireo mpianatra hahatakatra tsaratsara kokoa ity fotopampianarana ity dia azonao atao ny mizara ity teny nambara manaraka nataon’ny Filoha Thomas S. Monson:
“Tonga teto an-tany isika mba hianatra sy hiaina ary hivoatra ao anatin’ilay dia mandrakizay mankany amin’ny fahalavorariana. Misy ny sasany izay mandalo mandritra ny fotoana fohy monja, ary ny sasany izay miaina maharitra eto an-tany. Tsy ny halavan’ny androm-piainana no handrefesana izany fa ny fomba niainantsika izany kosa” (“He Is Risen,” Ensign, nôv. 1981, 18).
-
Nahoana no nampitandrina antsika tsy hanemotra ny fotoan’ny fibebahantsika i Amioleka?
Asehoy ity teny nambaran’ny Filoha Henry B. Eyring ao amin’ny Fiadidiana Voalohany ity ary manasà mpianatra iray hamaky izany mafy raha toa kosa ireo mpianatra ambiny hikaroka ny anton’ny maha-zava-doza ny fanemorana ny fotoana:
“Misy loza miafina ao anatin’ny teny indray andro any rehefa ‘tsy ity andro ity’ no tiana ambara amin’izany. ‘Hibebaka aho indray andro any.’ ‘Hamela azy aho indray andro any.’ ‘Hiresaka amin’ny namako mikasika ny Fiangonana aho indray andro any.’ ‘Hanomboka handoa ny fahafolonkarena aho indray andro any.’ ‘Hiverina indray any amin’ny tempoly aho indray andro any.’ ‘Indray andro any …’ Mametraka mazava ny maha-loza ny fanemorana fotoana ny soratra masina [jereo ny Almà 34:33–34]. … Fanomezana sarobidy avy amin’ Andriamanitra ity andro ity. Ho fahavalo hanafoana ny fahafahana mitranga amin’ny fotoana iray sy ny fitahiana mandrakizay ilay eritreritra hoe ‘Indray andro any aho hanao …’” (“This Day,” Ensign na Liahona, mey 2007, 89).
Manasà mpianatra vitsivitsy hifandimby hamaky mafy ny ao amin’ny Almà 40:6null7, 11null14. Asaivo manaraka ny vakiteny ireo mpianatra ary hikaroka ny zavatra nampianarin’i Almà ny zanany lahy Kôriantôna mikasika ny zavatra hitranga amin’ny fanahintsika aorian’ny fahafatesana. (Mety hanampy ny manamafy fa tsy niresaka ny toetra hiafaran’i Satana sy ireo voaozona i Almà rehefa nampiasa ny andian-teny hoe “haizina ivelany.” Niresaka mikasika ny toetra hiainan’ny ratsy fanahy eo anelanelan’ny fotoana hahafatesany sy ny fotoana hitsanganany amin’ny maty izy. Matetika isika amin’izao fotoana izao no miantso an’io toetra io hoe tranomaizina ho an’ny fanahy.)
-
Inona no fahasamihafana misy eo amin’ireo toetra hiainan’ny olo-marina sy ny an’ny ratsy fanahy aorian’ny fahafatesana? (Na dia mety hampiasa teny hafa aza ny mpianatra dia tokony ho takatr’izy ireo izao fitsipika manaraka izao: Hitoetra ao amin’ny paradisa ny fanahin’ireo olo-marina ary hitoetra ao amin’ny tranomaizin’ny fanahy ireo ratsy fanahy, eo anelanelan’ny fahafatesana sy fitsanganana amin’ny maty.)
-
Nahoana no zava-dehibe ny mahatakatra fa hisy fiantraikany eo amin’ny zavatra hiainantsika aorian’ny fahafatesana ny asa ataontsika eto amin’ny fiainana an-tany?
2 Nefia 9:12–13; Môsià 15:21–26; 16:6–11; Almà 11:40–45; 40:4–5, 19–24
Haverina atambatra amin’ny vatantsika ny fanahintsika amin’ny Fitsanganana amin’ny maty
Ampahatsiahivo ireo mpianatra fa namariparitra ny zavatra hitranga eo amintsika aorian’ny fahafatesana i Abinadia rehefa nampianatra ny Mpanjaka Noà sy ny mpisorony. Mamaritra ny zavatra hitranga eo amintsika aorian’ny fotoana hijanonantsika ao amin’ny tontolon’ny fanahy, na izany ao amin’ny paradisa na tranomaizin’ny fanahy, ireo fotopampianarana nampianariny. Asaivo mifandimby mamaky ny Môsià 16:6–11 ny mpianatra vitsivitsy raha hikaroka ny zavatra nampianarin’i Abinadia ireo mpianatra ambiny.
-
Inona ireo fotopampianarana nampianarin’i Abinadia mikasika ny zavatra hitranga eo amintsika aorian’ny fotoana hitoerantsika ao amin’ny tontolon’ny fanahy? (Hamafiso izao fahamarinana manaraka izao: Satria efa nanapaka ny fatotry ny fahafatesana i Jesoa Kristy dia hitsangana amin’ny maty sy handray vatana tsy mety isika tsirairay avy. Handova ny fahasambarana tsy misy fiafarana ireo olo-marina ary ireo ratsy fanahy kosa handray ny fanamelohana tsy misy fiafarana.)
Lazao ireo mpianatra fa maro tamin’ireo mpaminanin’ny Bokin’i Môrmôna no nijoro ho vavolombelona ny amin’ny Fitsanganana amin’ny maty sy nanazava ny ho endrikendrik’izany. Soraty eo amin’ny solaitrabe ireto andinin-tsoratra masina manarana ireto (tsy ampiarahana amin’ireo famintinana miaraka aminy) ary asao hamaky iray amin’ireo andininy ireo ny mpianatra tsirairay. Alaivo antoka fa nisy nisahana ny andinin-tsoratra masina rehetra. Asaivo mamaky am-pahanginana ny andinin-tsoratra masina ireo mpianatra ary hikaroka ireo antsipiriham-panazavana fanampiny mikasika ny Fitsanganana amin’ny maty.
Omeo fotoana hanazavana ny zavatra nianarany mikasika ny Fitsanganana amin’ny maty avy amin’ireo andinin-tsoratra masina nosahaniny ireo mpianatra. Azonao soratana eo amin’ny solaitrabe eo akaikin’ny andinin-tsoratra mifanentana aminy ireo hevi-baovao sasantsasany. Raha ilaina dia mametraha fanontaniana iray na mihoatra toa ny eo ambany mba hanamafisana ny fahatakaran’ireo mpianatra ireo andinin-tsoratra masina ireo:
-
Ahoana no hampatanjahan’ireo fahamarinana ireo ny finoanao fa tena misy ary ampahany manan-danja eo amin’ny drafitry ny Ray any An-danitra ny Fitsanganana amin’ny maty?
Asao ny mpianatra iray hamaky ity fanambarana manaraka ity, izay nataon’ny Loholona Dallin H. Oaks ao amin’ny Kolejin’ny Apôstôly Roambinifolo. Asaivo manaraka ny vakiteny ireo mpianatra ary hikaroka ny fomba ahafahan’ny fananana fijoroana ho vavolombelona amin’ny Fitsanganana amin’ny maty hitahy ny fiainantsika eto an-tany.
“Mampahafantatra ny zava-marina ny Apôstôly Petera raha nilaza fa Andriamanitra ilay Ray, ao anatin’ny famindrampony lehibe, dia ‘niteraka antsika indray araka ny haben’ny famindrapony ho an’ny fanantenana velona tamin’ny nitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty’ (1 Pet. 1:3; jereo koa ny 1 Tes. 4:13–18).
“Ny ‘fanantenana velona’ izay atolotry ny fitsanganana amin’ny maty dia ny faheresentsika lahatra fa tsy fiafaran’ny fisiantsika ny fahafatesana fa kosa dingana ilaina hifindrana avy amin’ny fiainana mety maty ho amin’ny tsy mety maty. Manova ny fomba fandraisana manontolo ny fiainana eto an-tany izany fanantenana izany. …
“Ny fahazoana toky amin’ny fitsanganana amin’ny maty dia manome antsika tanjaka sy fomba fijery izay hahatonga antsika haharitra ireo fanamby izay atrehin’ny tsirairay sy atrehin’ireo olon-tiantsika eto amin’ny fiainana an-tany, toy ireo tsy fahatomonbanana ara-batana, ara-tsaina na ara-pihetsehampo izay nolavaintsika tamin’ny fahaterahana na azo nandritra ity fiainana an-tany ity. Noho ny fitsanganana amin’ny maty dia mahafantatra isika fa izany tsy fahatomombanana iainana eto an-tany izany dia mandalo ihany!
“Ny fahazoana toky amin’ny fitsanganana amin’ny maty koa dia manome tanjaka misarika antsika hitandrina ireo didin’ Andriamanitra mandritra ny fiainantsika an-tany. …
“Ny fahafantarantsika feno antoka amin’ny fitsanganana amin’ny maty hankany amin’ny toetra tsy mety maty intsony dia manome antsika koa herimpo hiatrika ny fahafatesana—eny fa na ireo fahafatesana izay antsointsika hoe tonga alohan’ny fotoana aza. …
“Ny fananana antoka amin’ny toetra tsy mety intsony dia manampy antsika koa hahazaka ireo fisarahana eto an-tany mitranga vokatry ny fahafatesana eo amin’ireo olon-tiantsika. … Tokony haneho fankasitrahana an’ Andriamanitra isika rehetra amin’izany fitsanganana amin’ny maty nanomezana toky izany izay mahatonga ny fisarahantsika eto an-tany ho fotoana fohy ary manome antsika fanantenana sy tanjaka hanohy hatrany” (“Resurrection,” Ensign, mey 2000, 15–16).
-
Oviana no nanome tanjaka na hery misarika anao hiaina am-pahamarinana ny fananana toky amin’ny Fitsanganana amin’ny maty?
Mizarà fijoroana ho vavolombelona mahakasika ny fisian’ ny Fitsanganana amin’ny maty.
Almà 5:15–21; 7:21–25; 41:2–6
Fiomanana amin’ny Fitsarana Farany
Hazavao fa nanentana ny mpikamban’ny Fiangonana tao Zarahemlà hiomana amin’ny fitsarana farany i Almà tamin’ny fiangaviana azy ireo haka sary an-tsaina toy ireny mitsangana hotsaraina manoloana an’ Andriamanitra ireny. Asao hifandimby hamaky mafy ny Almà 5:15–21 ny mpianatra maromaro. Asao ny iray kilasy hikaroka ny zavatra nangatahin’i Almà hosaintsain’ireo mpihaino azy.
-
Iza amin’ireo fanontanian’i Almà no tena manan-danja manokana ho anao ary nahoana?
-
Inona no fitsipika azontsika ianarana avy amin’ny fijoroan’i Alma ho vavolombelona ao amin’ny andininy 21 mikasika ny zavatra tsy maintsy ataontsika mba ho voavonjy? (Ampio ny mpianatra mba hahita ity fitsipika manaraka ity: Tsy ho voavonjy isika raha tsy voadio amin’ny alalan’ny ra mpanavotr’i Jesoa Kristy aloha.)
Mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra lalindalina kokoa ity fitsipika ity dia asehoy ity teny nambara manaraka nataon’ny Filoha Fielding Smith, ary asao ny mpianatra iray hamaky izany mafy:
“Tsy mahafantatra zavatra tena manan-danja na ilaina amin’izao fotoana izao mihoatra ny fitoriana ny fibebahana aho, na dia ireo Olomasin’ny Andro Farany aza, dia miantso azy ireo koa aho… hihaino ny tenin’ny Mpanavotra antsika. Nilaza mazava Izy fa tsy misy zavatra tsy madio hiditra eo anetrahany. Ireo izay maneho fahatokiana sy nanadio ny fitafiany amin’ny rany amin’ny alalan’ny finoany sy ny fibebahany ihany—tsy hisy hafa ankoatr’ireo handova ny fanjakan’ Andriamanitra” (Teachings of Presidents of the Church: Joseph Fielding Smith [2013], 91).
Asaivo alalin’ireo mpianatra amim-pahanginana ny Almà 7:21–25 ary asao izy ireo hikaroka sy hanisy marika ireo toetra tsara tokony hokatsahintsika mba tsy hisian’ny pentimpentina amin’ny fitafiantsika.
-
Inona ireo toetra tsara izay hitanao ao amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo izay tena ilaintsika ny mampivelatra azy eo am-piomanana amin’ny fitsaran’ny Tompo?
Amporisiho hisaintsaina ireo mpianatra na manomana azy ireo hihaona amin’ Andriamanitra amin’ny Fitsarana Farany ny asa ataon’izy ireo sy ny fanirian’ny fon’izy ireo. Entano izy ireo mba hanao ny fanovana izay takiana mba ho fotoana fifaliana ho azy ireo ny Andro Fitsarana.
Vakitenin’ny Mpianatra
-
2 Nefia 9:12–13; Môsià 15:21–26; 16:6–11; Almà 5:15–21; 7:21–25; 11:40–45; 16:6–11; 34:32–34; 40:4–7, 11–14, 19–24; 41:2–6.
-
Dallin H. Oaks, “Resurrection,” Ensign, mey 2000, 14–16.