Seminera sy Institiota
Lesona 19: Fitandroana ny Fahalalahana ara-pivavahana


Lesona 19

Fitandroana ny Fahalalahana ara-pivavahana

Fampidirana

Ny fahalalahana ara-pivavahana dia tombontsoa masina ny hino sy hanao araka izay safidiantsika—hamaritana ny maha-izy antsika ary avy eo miaina amin’ny fomba faritan’ny eritreritsika—kanefa manaja ny zon’ny hafa koa etsy andaniny (jereo ny F&F 134:4). Handalina ireo tantara ao amin’ny Bokin’i Môrmôna izay niezahan’ny olona tsirairay na vondron’olona nandrava ny Fiangonan’ Andriamanitra sy nanazimbazimbaina ny zo sy fahalalahana ara-pivavahana ireo mpianatra ato amin’ity lesona ity. Handray fampahatsiahivana ireo mpianatra fa mila miaro sy mitandrina ny fahalalahana ara-pivavahana amin’izao andro izao.

Vakiteny Enti-mandalina

  • Robert D. Hales, “Miaro ny fahafahana misafidy, miaro ny zom-pahafahana misafidy ny finoana” Ensign na Liahona, mey 2015, 111–13.

  • Dallin H. Oaks, “Balancing Truth and Tolerance,” Ensign, feb. 2013, 24–31.

  • “Why We Need Religious Freedom,” mormonnewsroom.org/article/why-religious-freedom.

  • “An Introduction to Religious Freedom,” mormonnewsroom.org/article/introduction-religious-freedom.

Sosokevitra Enti-mampianatra

Môsià 29:10–11, 16–18, 25–26, 32; Almà 30:7–9

Ny maha-zava-dehibe ny fahafahana misafidy sy ny fahalalahana ara-pivavahana

Ampahatsiahivo ireo mpianatra fa nandray anjara tamin’ny Filankevitry ny Lanitra isika talohan’ny nahatongavantsika teto an-tany. Asao hizara ireo antony lehibe namoriana sy ny zavatra nivoaka sasantsasany avy tamin’izany filankevitra ireo mpianatra. Avy eo dia asehoy sy asao ny mpianatra iray hafa hamaky ity teny manaraka nolazain’ny Filoha Ezra Taft Benson (1899–1994) ity:

Filoha Ezra Taft Benson

“Ny olana fototra nandritra izany filankevitra tany amin’ny tontolo talohan’ny nahaterahana izany dia ity: Moa ve hanana fahafahana hisafidy tsy hisy sakantsakana amin’ny lalam-piainana tokony harahiny ny zanak’ Andriamanitra, na tsara io na ratsy, sa moa ve hoterena ny hankato izy ireo? Nisafidy ilay tolkevitra voalohany i Kristy sy ireo rehetra mpanaraka Azy—fahafahana hisafidy. Nisafidy ilay faharoa kosa i Satana—fanerena” (Teachings of Presidents of the Church: Ezra Taft Benson [2014], 60–61).

“Nanoritra mazava ny soratra masina fa nisy ady lehibe tany an-danitra, tsy fitovian-kevitra mahakasika ny fitsipiky ny fahalalahana, ny zo hisafidy malalaka” (Teachings: Ezra Taft Benson, 61).

“Tsy mbola nitsahatar ilay ady izay efa nanomboka tany an-danitra mahakasika ity olana ity. Mitohy ety amin’ny fiainana an-tany izany fifandirana tsy misy farany izany” (Teachings: Ezra Taft Benson, 61).

  • Inona no porofo hitanao fa mbola mitohy ety amin’ny fiainana an-tany ilay fifandirana tany an-tany mahakasika ny fahalalahana sy ny safidy?

  • Nahoana araka ny eritreritrao no miezaka manimba ny fahalalahana i Satana?

Eo am-pamalian’ny mpianatra izany dia zarao ity teny nambaran’ny Filoha David O. McKay (1873–1970) ity:

Filoha David O. McKay

“Ankoatra ny fanomezana ny aina dia fanomezana lehibe avy amin’ Andriamanitra ho an’ny olona ny zo hisafidy lalan-kizoran’izany aina izany” (Teachings of Presidents of the Church: David O. McKay [2003], 208).

Ampahatsiahivo ireo mpianatra fa taon-jato maromaro taorian’ny nahatongavan’i Lehia tao amin’ny tany nampanantenaina dia notantanin’ny mpanjaka ny Nefita. Nanolotra fomba vaovao hitantana ny fanjakana kosa anefa ny Mpanjaka Môsià. Asaivo vakian’ireo mpianatra ny Môsià 29:10–11, 16–18, 25–26 ary karohiny ny antony nandrosoan’i Môsià izay fomba vaovao fitantanana ny fanjakana izany.

  • Inona no antony nolazain’ny Mpanjaka Môsià ho naniriany ny fametrahana izany fomba vaovao hitantanana ny fanjakana izany?

Hazavao ireo mpianatra fa ny fanjakan’ny mpitsara dia mifanentana ary ilaina mba hitandrovana ny fahalalahana eo amin’ny fiaraha-monina Nefita. Maro ireo fiaraha-monina hafa no nikatsaka ny hanorina sy hitandro ny fahalalahana toy izany, na dia naorina tamin’ny fomba hafa aza ny fanjakam-pitantanan’izy ireo. Mnasà mpianatra iray hamaky mafy ny Môsià 29:32 ary ireo mpianatra ambiny kosa hikaroka ny antony nanirian’i Môsià hitandro ny fahafahan’ny vahoakany.

  • Nahoana no nilaina ny nitandro ny fahafahan’ny Nefita?

  • Iza no tompon’andraikitra amin’ny fitandroana ny zo sy tombontsoantsika? Ahoana no hahatanteraka izany fitandroavana izany?

Hazavao fa tsy tokony manafoana ny fitspiky ny fankatoavana ny lalàn’ny tany velively ny fampiharana ny fahafahan’ny tsirairay.

Asao ireo mpianatra hikaroka ny Almà 30:7–9 ary hamantatra iray amin’ireo zo izay nametrahan’ny fanjakam-pitantanana vaovaon’ny Nefita fa ho ataony.

Azonao hazavaina fa ity andalan-tsoratra masina ity dia mampiseho fa mandrara ny fanilikilihana ny hafa noho ny finoany na tsy finoany an’ Andriamanitra ny Tompo (jereo koa ny F&F 134:4).

  • Nahoana no mahasoa ny fiaraha-monina ny fitandroana ny fahalalahana ara-pivavahana?

Mba entina hanamy ireo mpianatra hamaly ity fanontaniana ity dia manasà mpianatra iray hamaky ity manaraka ity:

“Ny fahalalahana ara-pivavahana, na fahalalahana eo amin’ny fieritreretana, dia zava-dehibe amin’ny fampirindran’ny fiaraha-monina izay maro endrika. Mamela ny finoana sy fivavahana hiroborobo izany. Miaro ireo zon’ny vondron’olona sy ny tsirairay, anatin’izany ireo mora azon’ny tsindry hazo lena, na mahakasika ny ara-pivavahana izany na tsia, ny fahalalahana ara-pivavahana” (“Religious Freedom,” mormonnewsroom.org/official-statement/religious-freedom).

Mba hanampiana ireo mpianatra hamantatra ny singa fototra amin’ny fahalalahana ara-pivavahana dia asehoy ity teny nolazain’ny Loholona Robert D. Hales ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity, ary miangavia mpianatra iray hamaky izany mafy:

Loholona Robert D. Hales

“Misy vato efatra ifaharan’ny zom-pahafahana misafidy ny finoana izay tsy maintsy ianteherantsika sy arovantsika amin’ny maha-Olomasin’ny Andro Farany antsika.

“Voalohany ny zom-pahafahana mino. …

“Ny vato faharoa ifaharan’ny zom-pahafahana misafidy ny finoana dia ny fahafahana mizara ny finoantsika amin’ny hafa. …

“Ny vato fahatelo ifaharan’ny zom-pahafahana misafidy ny finoana dia ny fahafahana manorina antokom-pinoana, fiangonana, mba hitsaohana amim-pilaminana miaraka amin’ny hafa. …

Ny vato fahaefatra ifaharan’ny zom-pahafahana misafidy ny finoana dia ny fahafahana miaina ny finoantsika—fampiharana malalaka ny finoantsika izay tsy any an-trano fotsiny na any am-piangonana fa any amin’ireo toerana ifaneraseran’ny besinimaro” (“Miaro ny fahafahana misafidy, miaro ny zom-pahafahana misafidy ny finoana,” Ensign na Liahona, mey 2015, 112).

Fintino ireo vato ifaharana efatra ireo amin’ny fanoratana izao manaraka izao eo amin’ny solaitrabe:

Fahafahana mino, mizara, manorina ary miaina.

  • Nahoana no maneho tsy fahafahana hivoatra ara-panahy ny fanakantsakanana ny iray amin’ireo vato ifaharana efatra ireo?

  • Ahoana no nitondran’ireo singam-pahafahana efatry ny finoana ireo zava-tsoa teo amin’ny fiainanao?

Almà 2:1–10, 12, 27–28; 44:1–5; 46:4–5, 10–16, 19–22

Fitandroana ny Fahalalahana ara-pivavahana

Soraty eo amin’ny solaitrabe ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto ary hazavao fa mitahiry ny ohatr’ireo zava-mandozan’ny fahalalahana ara-pivavahana izany:

Almà 2:1–4

Almà 46:4–5, 10

Angataho ny antsasaky ny ankizy handalina ilay andinin-tsoratra masina voalohany ary ireo ambiny kosa handalina ilay faharoa. Asaivo mikaroka ny tanjon’ireo izay mandrahona hamotika ny fahalalahana ara-pivavahana ireo mpianatra.

  • Araka ireo andalan-tsoratra masina ireo, inona no tanjon’i Amlsia sy i Amalikià?

  • Ahoana no nisian’ny fiantraikan’ny fahaverezan’ny fahalalahana teo amin’ny fiaraha-monina tao anatin’ireto tantara ireto?

Soraty ho fanampiny eo amin’ny solaitrabe ireto soratra amin’ny endriny matevina manaraka ireto:

Almà 2:1–4, 5–10, 12, 27–28

Almà 46:4–5, 10, 11–16, 19–22

Asao ireo mpianatra hamaky ireo andininy nampiana ireo andalan-tsoratra masina novakiny ireo ary hikaroka ny zavatra nataon’ireo olo-marina mba hitandrovana ny fahalalahana ara-pivavahana.

  • Inona avy ireo fahamarinana azontsika ianarana avy amin’ireo andininy ireo momba ny fitandrovana ny fahalalahana ara-pivavahana? (Tokony hahita izao manaraka izao ny mpianatra: Adidintsika no miiaro ny fianakaviantsika, ny fivavahantsika, ary ny fahafahantsika. Rehefa miantehitra amin’ Andriamanitra sy manao fanekempihavanana f ahitandrina ny didiny isika dia hanamafy orina antsika eo amin’ny fiarovana ny zo sy ny fivavahantsika Izy.)

Raha misy fotoana dia azonao atao ny mamaky ny Almà 44:1–5 ary mifanakalo hevitra amin’ny fomba nanamafisan’ny Nefita orina ny finoany nanoloana an’i Zerahemnà sy ireo Lamanita.

  • Matetika no voarahona ny hopotehina tamin’ny alalan’ny fanenjehana sy ady ny fahalalahana ara-pivavahana, ao amin’ny Bokin’i Môrmôna. Ahoana no handrahonan’ny tsirairay na vondron’olona hamotika ny fahalalahana ara-pivavahana amin’izao fotoana izao?

Raha ilaina mba hanampiana amin’ny famaliana ity fanontaniana ity dia vakio ity teny nambara manaraka ity mikasika ny fandrahonana tsy mitsaha-mitombo amin’ny fahafahana ara-pivavahana any Etazonia. Mariho fa maro ireo firenena no miatrika fanamby mahakasika ny fahafahana ara-pivavahana raha toa ka mifantoka amin’ireo olona mivantana ao Etazonia io teny nambara io. (Fanamarihana: Ampiasao mba hanomezana ohatra amin’ireo fanamby atrehina amin’ireo fahalalahana ara-pivavahana sasantsasany fotsiny ity teny nambara ity. Aza havela hitarika amin’ny fifanakalozan-kevitra momba ny zon’ireo olona mandàla ny fiarahan’ny samy lahy na samy vavy na olona ara-pôlitika hafa izany.)

“Mitombo hatrany ireo fanamby mahakasika ny fahalalahana ara-pivavahana, noho ny antony maro samy hafa. Mandrahona ny hanambany ny fahalalahana ara-pivavahana amin’ny endriny maro ny fiarovana tsy an-kijanona ireo zon’ny mpandàla ny fiarahan’ny samy lahy na samy vavy. Mandrahona ny zon’ireo izay mihazona faharesen-dahatra manokana mikasika ny ain’olombelona ny fanovana eo amin’ireo lalàna amin’ny fomba fiasan’ny tobim-pahasalamana. Miteraka fifandirana izany sy ireo fiovana hafa ary manomboka mitambesatra eo amin’ireo fikambanana ara-pivavahana sy amin’ny safidy aman’eritreritry ny olona. Fandrahonana mandoza … ny mametra fameraperana amin’ny fomba hitantana ny asa sy ny fananan’ireo fikambanana ara-pivavahana. Miteraka faneriterena amin’ireo oniversite, sekoly ary rafitra misaha ny ara-tsôsialy mifandray amin’ny antokom-pivavahana izany. … Noho izany sy ireo toe-javatra maro samihafa dia hita fa ny fomba hanambaniana hatrany, izay misoko mangina, ny fahalalahana ara-pivavahana sy ny fahafahana amin’ny safidy aman’eritreritra malalaka” (“An Introduction to Religious Freedom,” mormonnewsroom.org/article/introduction-religious-freedom).

Mariho fa nijoro hiady mba hisian’ny fitovian-jo ho an’ny rehetra ny Fiangonana. Mifanindran-dalana amin’ny Fanekem-pinoana 1:11, tsy maintsy mitaky ny zom-pahafahana ara-pivavahana amin’ny fomba mitovy sy voalanjalanja isika izay manaja ireo zo sy zavatra ataon’ny hafa (jereo ny “Mormon Leaders Call for Laws That Protect Religious Freedom,” mormonnewsroom.org/article/church-news-conference-on-religious-freedom-and-nondiscrimination).

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ity teny nambara manaraka nataon’ny Mpaminany Joseph Smith (1805–44) ity:

Mpaminany Joseph Smith

“Amim-pahasahiana no hanambarako eo anoloan’ny Lanitra fa tena vonona ny ho faty mba hiarovana ny zon’ny Presbiterianina iray na Batista iray na olona tsara iray avy amin’izay mety ho antokom-pinoana hafa aho [raha ny maha-Môrmôna] satria ilay fitsipika izay hanitsakitsahana ireo zon’ny Olomasin’ny Andro Farany ihany no hanitsakitsahana ireo zon’ny Katôlika Rômana na antokom-pinoana hafa izay mety tsy malaza na marefo loatra ka tsy afaka miaro ny tenany.

“Ny fitiavana fahafahana no manosika ny fanahiko—zom-pahafahana amin’ny maha-olon-tsotra sy zom-pahafahana misafidy ny finoana ho an’ny olombelona rehetra” (Teachings of Presidents of the Church: Joseph Smith [2007], 345).

  • Nahoana no zava-dehibe ny miaro ny fahalalahana ara-pivavahan’ny olon-drehetra fa tsy ny an’ny Olomasin’ny Andro Farany irery? (Manome fahafahana ny hafa hampiasa ny fahafahana misafidy araka ny drafitr’ Andriamanitra izany fiarovana izany ary manentana fiaraha-monina feno fiadanana sy mitovy lenta. Raha tiantsika ho voaro sy voahaja ny finoana ara-pivavahana ananantsika dia tsy maintsy miaro sy manaja ny finoan’ny hafa isika.)

  • Inona ireo asa sahaza sasantsasany azontsika atao mba hiarovana sy hanamafisana ny fahalalahana ara-pivavahana?

Mba hanampiana ireo mpianatra hamaly ity fanontaniana ity dia asao ny iray amin’izy ireo hamaky amin’ny feo avo ity teny nambaran’ny Loholona Robert D. Hales ity:

Loholona Robert D. Hales

“Ry rahalahy sy rahavavy, tompon’andraikitra amin’ny fiarovana ireo fahafahana sy zo masina ireo isika ho an’ny tenantsika sy ny taranatsika. Inona no azontsika sy ianao atao?

“Voalohany, afaka maka vaovao isika. Fantaro izay olana miseho eo amin’ny fiarahamonina misy anao ka mety hisy fiantraikany eo amin’ilay zom-pahafahana misafidy ny finoana.

“Faharoa, amin’ny anaran’ny tenanao manokana dia miaraha amin’ireo olona hafa izay manohana koa ny fanolorantenantsika hiaro ny zom-pahafahana misafidy ny finoana. Miaraha-miasa mba hiarovana ny zom-pahafahana misafidy ny finoana.

“Fahatelo dia aoka ny fiainana iainanao ho toy ny ohatra tsara maneho ny zavatra inoanao—eo amin’ny teny sy fihetsika. Ny fomba iainantsika ny finoantsika dia manan-danja lavitra bebe kokoa noho izay mety holazaintsika mikasika ny finoantsika” (“Miaro ny fahafahana misafidy,” 112).

  • Ahoana no ahafahantsika mamantatra ireo olana izay mahavoa ny fahafahana ara-pivavahana eo amin’ny fiaraha-monina misy antsika?

  • Inona avy ireo vondrona eo amin’ny faritra ipetrahanao izay manolo-tena amin’ny fahalalahana ara-pivavahana toy izany?

  • Inona no nataonao na hitanao nataon’ny hafa mba hanentanana ny fahalalahana ara-pivavahana?

Ampahafantaro ireo mpianatra fa misy tahirin-kevitra mikasika ny fahalalahana ara-pivavahana ao amin’ny . Amporisiho ireo mpianatra handinika ny zavatra azony atao mba hanelezana sy hiarovana ny fahafahana ara-pivavahana, ary zarao ny fijoroanao ho vavolombelona fa hitarika antsika amin’ireo ezaka ataontsika ny Ray any An-danitra.

Vakitenin’ny Mpianatra