Lesona 11
Fiarovana ny tenantsika amin’ny fotopampianaran-diso amin’ny andro farany
Fampidirana
Ho fanampin’ny fampianarana “ny fahafenoan’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy” (F&F 20:9), dia mankahery ireo mpanara-dia an’i Kristy amin’ireo fampianaran-diso sy hevi-diso manjaka amin’ny andro farany koa ny Bokin’i Môrmôna. Ny fomba iray hanatontosany izany dia amin’ny alalan’ny fampisehoana ireo fahavalon’i Kristy sy ny famantarana ny fotopampianarana diso izay aparitak’izy ireo. Eo am-pandalin’ireo mpianatra ny tantaran’ireo mpampianatra diso ao amin’ny Bokin’i Môrmôna dia hianatra koa izy ireo ny hanavaka ireo fahamarinan’ny filazantsara sy ireo hevi-dison’izao tontolo izao.
Vakiteny Enti-mandalina
-
Dallin H. Oaks, “Aza manaiky ho fitahina,” Ensign na Liahona, nôv. 2004, 43-46.
-
Dallin H. Oaks, “As He Thinketh in His Heart” (Takariva niarahana tamin’ny Loholona Dallin H. Oaks, 8 feb. 2013), lds.org/broadcasts.
-
Neil L. Andersen, “Tadio ara-panahy,” Ensign na Liahona, mey. 2014, 18-21.
Sosokevitra Enti-mampianatra
2 Nefia 28:3–9, 12–15; Jakôba 7:1–12; Almà 1:2–6; 30:12–18, 39–44; Joseph Smith—Matio 1:22
Famantarana sy fiarovana ny tenantsika amin’ny fotopampianaran-diso
Asao ireo mpianatra mba handinika ireo foto-kevitra isan-karazany izay misy eo amin’izao tontolo izao mikasika ireo olana toy ireto manaraka ireto: Ireo fahamarinana nomen’ Andriamanitra manoloana ny foto-pisainana mionona amin’ny tsy fahatomombanana (ny fiheverana fa tsy misy ny marina na diso iombonana), ny fahalalahana ara-pinoana manoloana ireo zon’ny vondrona mihazona fahalianana manokana, ary ny zo hanala zaza manoloana ny ny zon’ny fiainana. Eo am-pifanakalozana hevitra mikasika ireo dia ataovy izay hanoratana izany eny amin’ny solaitrabe. Omeo fotoana fohy ny mpianatra ifanakalozany hevitra amin’ny tsy maintsy hitandremantsika ny hanekena ireo hevitra izay marina.
Hazavao fa rehefa akaikikaikin’ny fahafatesany i Jesoa Kristy dia naminany ireo toetra mandoza ara-panahy izay hisy amin’ny andro farany. Asao ny mpianatra iray hamaky ny Joseph Smith—Matio 1:22. Azonao marihina fa ny andianteny hoe “olom-boafidy araka ny fanekempihavanana” dia milaza ireo mpikamban’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy.
-
Inona no loza aterak’ireo “Kristy sandoka” sy “mpaminany sandoka” amin’izao androntsika izao?
Asehoy ary vakio ity teny manaraka nolazain’ny Filoha Ezra Taft Benson (1899–1994) ity:
“Mampiharihary ny fahavalon’i Kristy ny Bokin’i Môrmôna. Mandrava ireo fotopampianarana sandoka izy io ary mampitsahatra ny fifandirana. (Jereo ny 2 Ne. 3:12.) Mampahatanjaka ireo mpanara-dia manetry tena an’i Kristy izy io eo anatrehan’ireo fikasana ratsy sy tetikak’ady ratsy ary fotopampianaran’ny devoly amin’izao androntsika izao. Ireo karazan’olona mpihemotra ao amin’ny Bokin’i Môrmôna dia mitovy amin’ny karazana mpihemotra misy ankehitriny. Andriamanitra, noho ny fahalalany mialoha tsy manam-pahataperana, dia namolavola ny Bokin’i Môrmôna mba hahafahantsika mahita ny fahadisoana sy mahalala ny fomba hiadiana amin’ny hevitra ara-panabeazana, sy ara-pôlitika, sy ara-pinoana ary filôzôfika amin’izao androntsika izao” (Enseignements des Présidents de l’Eglise: Ezra Taft Benson [2014], 132).
-
Inona no ampianarin’io filazana io mikasika ny fahafahan’ny fomba fandalinana ny Bokin’i Môrmôna hiaro antsika amin’ireo fampianaran-diso? (Ataovy izay hahitan’ireo mpianatra izao fitsipika izao: Rehefa mandalina ny Bokin’i Môrmôna isika ary mampihatra ny fampianarana raketiny, dia hamafisina hahatohitra ny devoly sy ny fampianaran-diso ary ireo hevi-dravin’izao tontolo izao.)
-
Inona no tombony amin’ny fianarana mikasika ny teti-dratsin’i Satana alohan’ny tena hiatrehanao azy ireny?
Asao ny mpianatra vitsivitsy mba hifandimby hamaky mafy ny 2 Nefia 28:3–9 ary ireo mpianatra ambiny kosa hikaroka ireo hevi-diso izay efa nolazain’i Nefia fa hanjaka amin’izao androntsika izao. Azonao atao ny mamporisika ireo mpianatra ny hanisy marika ireo teny na andian-teny manan-danja. Asao ny mpianatra hizara ny zavatra hitany ary hanontanio avy eo:
-
Inona ireo ohatra maoderina amin’ireo hevi-diso amin’izao androntsika izao? (Mety ahitana izao manaraka izao ireo ohatra: foto-pisainana mionona amin’ny tsy fahatomombanana; finoana fa noho ny halehiben’ny fitiavan’ Andriamanitra antsika dia tsy hanafay ny ota izy; ary ny fiitsarana an-tendrony ireo Kristianina, izay matetika raisina ho mpiandany sy mafana fo fahatany.)
Mba hanampiana ny mpianatra hamaly io fanontaniana io dia zarao ity teny manaraka nolazain’ny Loholona M. Russell Ballard ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity: Asao ireo mpianatra hihaino ireo fampianaran-diso izay efa nolalovan’izy ireo.
“Ny mpaminany sandoka sy ireo mpampianatra sandoka dia ireo izay nanambara fa ny Mpaminany Joseph Smith dia mpamitaka sy mpampiely lainga. Nolavin’izy ireo maha-marina ny zava-nitranga tamin’ny Fahitana Voalohany. Nanambara izy ireo fa ny Bokin’i Môrmôna sy ireo soratra masina hafa dia tsy raki-tsoratra masina fahiny. Nanandrana koa izy ireo ny nanova ny famaritana ny toetry ny maha-Andriamanitra, ary nolavin’izy ireo fa nanome sy mbola manohy manome fanambarana amin’ireo mpaminaniny voatokana sy notohanana Andriamanitra amin’izao andro izao. …
“Angamba ny tena maharikoriko indrindra dia fandavan’izy ireo ny Fitsanganan’i Kristy tamin’ny maty sy ny Sorompanavotany, amin’ny filazana fa tsy misy Andriamanitra afaka mamonjy antsika. Notsipahin’izy ireo ny filàna Mpamonjy iray. Raha afohezina dia ireo mpanaratsy ireo dia nanandrana ny hamerina handika ireo fotopampianaran’ny Fiangonana mba hifanaraka amin’ny fomba fijerin’izy ireo izay efa voavolavola mialoha, ary etsy andaniny koa ny fandàvana an’i Kristy sy ny anjara toerany amin’ny maha- Mesia Azy.
“Ireo mpaminany sandoka sy ireo mpampianatra diso ihany koa ireo izay nanandrana ny hanova ny fotopampianarana fototry ny soratra masina izay nomen’ Andriamanitra izay miaro ny fahahamasin’ny fanambadiana, ny toetra masin’ny fianakaviana ary ny fotopampianarana manan-danjan’ny fahadiovam-pitondrantenan’ny olona tsirairay. Miaro ny fanovana ny famaritana ny fitsipiky ny fahadiovam-pitondrantena izy ireo mba hanamarinana ny fijangajangana, ny fanitsakitsaham-bady ary ny fiarahan’ny samy lahy na samy vavy” (“Beware of False Prophets and False Teachers,”Ensign, nôv. 1999, 63-64).
Asao ny mpianatra hikaroka ny 2 Nefia 28:12–15 ary koharoka ny voka-dratsy avy amin’ny finoana ireo fampianaran-diso.
-
Inona ireo voka-dratsy sasantsasany avy amin’ny finoana ireo fampianarana sy hevitra diso?
Asehoy ity fanambarana nataon’ny Loholona Ulisses Soares avy ao amin’ny Fiadidian’ny Fitopololahy ity, ary asao ny mpianatra iray hamaky mafy izany:
“Tsy afaka mamela ny tenantsika isika ho voakorontan’ireo hafatra malaza izay eken’izao tontolo izao mora foana, kanefa mifanohitra amin’ny fotopampianarana sy ireo fitsipika marin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Maro amin’ireo hafatra avy amin’izao tontolo izao ireo no tsy maneho afa-tsy ny fikasan’ny fiaraha-monintsika hanamarina ny fahotana” (“Eny, afaka mandresy isika ary handresy!” Ensign na Liahona, mey 2015, 75).
-
Inona no nolazain’ny Loholona Soares fa tanjon’ireo hafatra malaza rehetra izay mifanohitra ny filazantsaran’i Jesoa Kristy? (Ampio ny mpianatra mba hamantatra izao fahamarinana manaraka izao: Mampiasa fampianarana diso i Satana mba hitaomana antsika hanota. Azonao atao ny mijery ao amin’ny Almà 30:53 ho fanampi-panazava mikasika io fahamarinana io.)
Zarao ho vondrona telo ny mpianatra. Soraty eny amin’ny solaitrabe ireto andalan-tsoratra masina ireto, ary tendreo ny vondrona tsirairay handalina ny iray amin’ireo andalana ireo: Jakôba 7:1–7; Almà 1:2–6; na Almà 30:12–18. Asao ireo mpianatra mba hamantatra ny sasany amin’ireo fampianaran-diso izay nampianarin’i Serema, Nehôra, ary i Kôrihôra sy hanoratra izany eny amin’ny solaitrabe eo ambanin’ny tsanganana izay mifanaraka amin’izany.
Serema (Jakôba 7:1–7) |
Nehôra (Almà 1:2–6) |
Kôrihôra (Almà 30:12-18) |
-
Inona no fiantraikan’ireo fampianarana sy hevi-diso toy ireo voatanisa eny amin’ny solaitrabe eo amin’ny mpikamban’ny Fiangonana ankehitriny araka ny fahitanao azy?
Asao ireo mpianatra mba hampitaha ny Jakôba 7:5, 8-12 sy Almà 30:39-44 mba hijerena ny fomba nahamafy orina an’i Jakôba sy i Almà nanoloana ny fampianaran-dison’i Serema sy i Kôrihôra. (Fanamarihana: Ny fampitahana dia fahaiza-mandalina ny soratra masina. Ny fijerena ny fitoviana “eo amin’ireo fampianarana, na olona, na zava-miseho dia afaka manome lanja bebe kokoa ny fahamarinan’ny filazantsara” [Fianarana sy fampianarana filazantsara: Boky torolalana ho an’ireo mpampianatra sy mpitarika ao amin’ny Seminera sy Institiota fianarana ny filazantsara (2012), 22].)
-
Inona no nahamafy orina an’i Jakôba sy i Almà nanoloana ny fampianaran-diso? (Tokony ahitana izao manaraka izao ny valinteny: traikefa ara-panahy teo aloha, fahalalana ny soratra masina, fahalalana azo avy amin’ny Fanahy Masina, ary fijoroana ho vavolombelona an’i Kristy.)
-
Inona no fitsipika mety ianarantsika avy amin’ny valintenin’i Jakôba sy i Almà momba ireo fampianaran-diso ireo? (Ampio ireo mpianatra hahita ity fitsipika ity: Rehefa miantehitra amin’ny fijoroantsika ho vavolombelona an’i Kristy isika dia mikatsaka ny fitarihan’ny Fanahy Masina dia afaka mandresy ireo fanamby amin’ny finoantsika.)
-
Ahoana no nanatanjahan’ny fijoroanao ho vavolombelona anao tamin’ireo fampianaran-diso sy ireo fitsikerana ny finoanao?
Amporisiho ireo mpianatra hizara izay zavatra nataony mba hiarovany ny tenany tamin’ny fampianaran-diso izay afaka hampihozongozona ny finoan’izy ireo an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany naverina tamin’ny laoniny.
2 Nefia 26:29; 3 Nefia 18:24; 27:27
Fahafantarana ny loza ateraky ny komiberaky ny mpisorona
Lazao ireo mpianatra fa ireo loza ara-panahy manambana ny Fiangonana dia avy amin’ireo mpikambana ao am-piangonana ihany. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny 2 Nefia 26:29 raha hikaroka ireo loza ara-panahy nofaritan’i Nefia kosa ireo mpianatra hafa.
-
Araka ireo andalana ireo, inona izany hoe komiberaky ny mpisorona izany? (Rehefa mitory ny filazantsara mba hitondra laza manokana na harena ho azy mihoatra noho ny mahasoa ireo zanak’ Andriamanitra ny olona.)
-
Amin’ny fomba ahoana no maha-zava-doza ireo loza ara-panahy avy amin’ny komiberaky ny mpisorona ireo ho an’ny mpikamban’ny Fiangonana?
Mba hanampiana azy ireo hamaly izany fanontaniana izany dia manasà mpianatra iray hamaky ny zavatra manaraka nolazain’ny Loholona M. Russell Ballard ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity.
“Aoka isika hitandrina amin’ireo mpaminany sy mpampianatra sandoka, na lehilahy na vehivavy, izay milaza ny tenany ho mpanambara fotopampianaran’ny Fiangonana ary mikatsaka ny hanaparitaka ny fotopampianarany izay diso sy hisarika olona hanara-dia azy ireo, amin’ny fanohanana ny fivorian’ny manam-pahaizana, boky, ary ireo gazetiboky mivoaka matetika izay ny hanohitra ireo fotopampianarana fototry ny Fiangonana ny votoatiny. Tandremo ireo izay miresaka sy manaparitaka zavatra manohitra ny mpaminanin’ Andriamanitra marina ary mitory ny hafa amim-pahavitrihana amin’ny fahasahian-dratsy sy ny tsy firaharahiana ny zava-mahasoa mandrakizain’ireo izay taomin’izy ireo” (“Beware of False Prophets and False Teachers,” Ensign, nôv. 1999, 63).
-
Ahoana no ahafahanao miaro ny tenanao sy ireo hafa amin’ny komiberaky ny mpisorona?
-
Ahoana no ahafahanao miaro ny fotopampianaran’ny Fiangonana rehefa miteny amim-panoherana ny mpaminanin’ Andriamanitra amin’ny andro farany ny hafa?
Lazao amin’ny mpianatra fa ny Mpamonjy dia nampianatra ireo mpianany ny fomba tokony entin’ireo izay misolo tena Azy mampianatra sy mitaona ny hafa. Asao ireo mpianatra hamaky mangina ny 3 Nefia 18:24 sy 3 Nefia 27:27 ary hikaroka ny fahasamihafana eo amin’ny fampianarana ny filazantsara marina amin’ny komiberaky ny mpisorona.
-
Ahoana ny mahasamihafa ny antony manosika ireo mpampianatra sy mpitarika marina ary ny asany amin’ny an’ireo izay voamarina fa mampihatra ny komiberaky ny mpisorona? (Tokony hahita izao fahamarinana manaraka izao ny mpianatra: Ireo mpianatr’i Jesoa Kristy dia mikatsaka ny hanompo sy hitahy ny hafa amin’ny alalan’ny fanoloran-tenan’izy ireo Aminy.)
Môrônia 7:12–17; Etera 4:11–12
Fanavahana ny marina sy ny diso
Asao ireo mpianatra mba hieritreritra fotoana iray izay nanaovan’ny olona iray fanamaby na nitsikerany ny finoan’izy ireo. Asao ny mpianatra iray na roa hizara fohy ny zavatra efa niainany.
Asao ny mpianatra maromaro hifandimby hamaky mafy ny Môrônia 7:12–17 sy ny Etera 4:11–12 raha ireo mpianatra ambiny kosa manaraka ny vakiteny ary hitady ny fomba hamantarana na avy amin’ny Tompo ny zavatra iray na avy amin’ny devoly.
-
Inona no zavatra nianaranao avy amin’io andalana io mikasika ny fomba ahafahantsika mandanjalanja hoe inona no tsara ary inona no ratsy? (Alaivo antoka fa takatr’ireo mpianatra izao fitsipika manaraka izao: Ny zavatra rehetra avy amin’ Andriamanitra dia manasa antsika hanao ny tsara, hino an’i Jesoa Kristy, ary ho tia sy hanompo an’ Andriamanitra.)
Asao hamaky mafy ity teny nambaran’ny Filoha Ezra Taft Benson manaraka ity ny mpianatra iray:
“Mamela ahy hanolotra fomba telo hialana amin’ny fitaka. …
“1. Inona avy no lazain’ireo Soratra Masina ankatoavin’ny Fiangonana mikasika izany? …
“2. Ny torolalana faharoa dia hoe: inona no voalazan’ireo Filohan’ny Fiangonana amin’ny andro farany mikasika io resaka io—indrindra fa ny Filoha velona? …
“3. Ny fomba fahatelo sady farany dia ny Fanahy Masina—ny fomba famantarana amin’ny alalan’ny Fanahy. …Tsy afaka ny hahomby tanteraka ity fomba ity raha tsy madio sy feno hatsaran-toetra ary tsy voatohintohin’ny fahotana ny lalam-pifandraisana amin’ Andriamanitra” (Ao amin’ny Conference Report, Ôkt. 1963, 16–17).
Ho famaranana, dia asao ireo mpianatra hisaintsaina ny fomba ahafahantsika mampiasa tsaratsara kokoa ny soratra masina, ny tenin’ny mpaminany, ary ny Fanahy Masina mba hamantarana ireo fampianaran-diso sy hialana amin’ny fitaka. Azonao atao ny mandrisika azy ireo handalina ny Jakôba 7, Almà 1, sy Almà 30 amin’ny antsipiriany bebe kokoa ary handalina ny fomba ahafahan’ireo toko ireo manampy azy ireo hamantatra amin’ny fomba tsaratsara kokoa ny marina amin’ny diso.
Vakitenin’ny Mpianatra
-
2 Nefia 26:29; 28:3–9, 12–15; Jakôba 7:1–12; Almà 1:2–6; 30:12–18, 39–44; 3 Nefia 18:24; 27:27; Etera 4:11–12; Môrônia 7:12–17; Joseph Smith—Matio 1:22.
-
Neil L. Andersen, “Tadio ara-panahy,” Ensign na Liahona, mey. 2014, 18-21.