Seminera sy Institiota
Lesona 12 Ny ilantsika ateraka ara-panahy indray


Lesona 12

Ny ilantsika ateraka ara-panahy indray

Fampidirana

Mianatra isika avy amin’ny Bokin’i Môrmôna fa “ny olona araky ny nofo dia fahavalon’ Andriamanitra” (Môsià 3:19). Ao anatin’ity lesona ity, hahazo torolalana ireo mpianatra fa amin’ny alalan’ny fibebahana sy ny fanehoana finoana an’i Jesoa Kristy dia afaka handresy ny olombelona araka ny nofo, ho “teraka indray,” ary hiaina fiovam-po mahery. Ilaina amin’ny fidirana ny fanjakan’ Andriamanitra io fiovana io.

Vakiteny Enti-mandalina

Sosokevitra Enti-mampianatra

Môsià 3:19; 16:2–5; Almà 41:10–11

Fanesorana ny olona araka ny nofo

Soraty eo amin’ny solaitrabe ity fanambarana manaraka nataon’ny Filoha Ezra Taft Benson (1899–1994) ity, izay voalaza ao amin’ny “Ho ‘an’ireo taranaka vao misondrotra,’” New Era, Jona 1986, 5:

“Tsy afaka manao zavatra ratsy ianao dia hoe hahatsapa zavatra tsara. Tsy azo heverina izany!” (Filoha Ezra Taft Benson)

  • Nahoana no tsy afaka ny ho faly isika rehefa manao safidy diso?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Almà 41:10-11 ary hikaroka kosa ny vokatry ny faharatsiana ao anatin’izany ireo mpianatra ambiny. (Hamafiso izao fahamarinana manaraka izao: Ny faharatsiana dia tsy fahasambarana na oviana na oviana.)

  • Inona ireo fahadisoam-panantenana sasany izay ampiasain’i Satana mba handresen-dahatra antsika fa ny fandikana ny didy dia mitarika ho any amin’ny fahasambarana?

  • Araka ny andininy faha 11, inona no dikan’ny hoe ao amin’ny “toetra voajanahary”? (Ao amin’ny “toetry ny nofo,” “ao amin’ny ngidin’ny afero sy ny famatoran’ny heloka,” sy “tsy manana an’ Andriamanitra eo amin’izao tontolo izao.”)

  • Ahoana no hanampian’ny Almà 41:10-11 hanazava fa ny fanaovana fahotana dia tsy afaka hitarika any amin’ny fahasambarana? (Mifanohitra amin’ny toetran’ Andriamanitra izany, ary ny “toetran’ Andriamanitra” dia ny “toetry ny fahasambarana.”)

Ampahatsiahivo ireo mpianatra fa isika rehetra dia nandova ny fiantrainkan’ny fahalavoan’i Adama. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Almà 16:2-5 ary ireo mpianatra ambiny kosa hamantatra ireo teny sy andianteny izay mamaritra ny toetra lavon’ny olombelona.

  • Inona avy ireo teny sy sy andianteny nampiasain’i Abinadia hamaritana ilay toetra lavon’ny olombelona?

  • Inona no dikan’ilay teny hoe “naniry” ao amin’ny andininy faha 5? (Fanamarihana: Ny famantarana ireo teny manan-danja dia fahaiza-mandalina soratra masina miavaka izay azonao antitranterina eto.)

  • Ahoana no hahafahantsika ho avotra amin’ireo toetra mpanota sy lavo izay ananantsika?

Asao ireo mpianatra hamaky amim-pahanginana ny Môsià 3:19 sy hamantatra ny fomba ahafahantsika mandresy ny toetra lavo ananantsika.

  • Inona no dikan’ny hoe: “manaiky ny fitaoman’ny Fanahy Masina”?

  • Inona no tsy maintsy ataontsika mba “hanaisotra ny maha-olona araka ny nofo antsika”? (Tokony hahita izao fitsipika manaraka izao ny mpianatra: Rehefa manaraka ny bitsiky ny Fanahy Masina isika ary manatona ny herin’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy, dia afaka manaisotra ny olona araka ny nofo.)

Asao ireo mpianatra handinika ny porofo izay hitan’izy ireo fa ny Mpamonjy dia afaka manova antsika ho lasa vahoaka tsaratsara kokoa mihoatra noho izay mety hahatongavantsika amin’ny herintsika manokana. Asao ny mpianatra vitsivitsy hizara ny hevi-baovao nitsiry avy amin’izy ireo.

Asao ny mpianatra hamaly amim-pahanginana ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona no azonao atao mba [hanekena] feno kokoa ny “fitaoman’ny Fanahy Masina”?

  • Iza amin’ireo toetran’ny ankizy voatanisa ao amin’ny Môsià 3:19 no tena ilainao ampitomboina?

Môsià 5:1–5, 7–8; 27:24–26

Nateraka Indray

Asaivo mitanisa ireo anaran’olona ao amin’ny Bokin’i Môrmôna ny mpianatra izay niaina fiovana ny toetrany noho ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy.

Ampahatsiahivo ireo mpianatra fa i Almà zanany sy ny zanakalahin’i Môsià dia nisy fotoana anisan’ireo tsy mpino tao Zarahemlà izay nanenjika ny mpikamban’ny Fiangonana (jereo ny Môsià 27:8). Tao aorian’ny famangian’ny anjely dia tavela tsy nanana hery sady tsy afaka niteny i Almà. Afaka hateloana, dia niverina tamin’ny laoniny ny herin’i Almà ary nijoro ho vavolombelona mikasika ny fiovana mahagaga izay nitranga tao anatiny izy (jereo ny Môsià 27:11-24).

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Môsià 27:24, -26 ary ireo mpianatra ambiny kosa hikaroka ny fomba namaritan’i Almà izany fiovana mahagaga izany.

  • Inona ireo teny na andianteny ao amin’ireo andininy ireo izay manampy hamaritra ny dikan’ny hoe ho ateraka indray?

  • Ahoana no hanampian’ny andininy 26 hanazava ny antony ilantsika ny ho ateraka indray? (Ataovy izay hahatakaran’ny mpianatra izao fahamarinana izao: Amin’ny fahatongavana ho zavaboary vaovaon’i Kristy ihany no ahafahantsika handova ny fanjakan’ Andriamanitra.)

Mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra ny zava-mitranga rehefa ateraka ara-panahy indray isika, dia asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Môsià 5:1–5, 8. Asao ny iray kilasy mba hitady ireo teny na andian-teny izay mampiseho fa ny vahoakan’ny Mpanjaka Benjamina dia niaina fahaterahana indray ara-panahy.

  • Inona no porofo hitanao fa ny vahoakan’ny Mpanjaka Benjamina dia niaina fiovana ara-panahy? (Ireo valiny dia tokony ahitana ireto manaraka ireto: Tsy nanana toetra hanao ny ratsy intsony izy ireo, naniry ny hanohy hanao ny tsara hatrany, nohazavaina ny sain’izy ireo, ary feno hafaliana izy ireo sy maniry ny hanao fanekempihavanana amin’ny Tompo.)

  • Araka ny ao amin’ny andininy faha 2 sy 4, inona no takiana mba handraisana ny “fiovam-po mahery vaika”? (Tokony hahita izao fitsipika manaraka izao ny mpianatra: Rehefa mino an’i Jesoa Kristy isika sy mandray ny Fanahy Masina dia afaka miaina fiovam-po mahery vaika.)

Asehoy ity fanambarana nataon’ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity: Asao ny mpianatra iray hamaky mafy izany raha ireo mpianatra ambiny kosa hikaroka ny fomba namaritan’ny Loholona Bednar ny fiovam-po mahery vaika.

Loholona David A. Bednar

“Mariho azafady fa ny fiovam-po ao amin’ny [Môsià 5] dia mahery vaika, fa tsy kely—fahaterahana ara-panahy indray ary fiovana fototra amin’ny zavatra tsapa sy iriana, ary amin’izay eritreretitsika sy atantsika ary ny maha-izy antsika. Amin’ny fomba fiteny hafa dia hoe ny fototra ijoroan’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy dia mitarika amin’ny fiovana manan-danja sy maharitra eo amin’ny toetsika, izay tanteraka amin’ny alalan’ny fianteherantsika amin’ny ‘fahamendrehana sy ny famindrampo ary ny fahasoavan’ny Mesia Masina’ (2 Nefia 2:8)” (“Tsy maintsy ateraka indray ianareo,” Ensign na Liahona, mey 2007, 20).

  • Inona no hitanao miavaka amin’ny famaritan’ny Loholona Bednar ny atao hoe fiovam-po mahery vaika?

Asao ireo mpianatra hifanakalo hevitra ny zavatra azony atao mba hanohizany miaina ny fiovam-po mahery vaika.

Asao ireo mpianatra hamaky mangina ny Môsià 5:7 ary hikaroka ny fomba hanovan’ny fifandraisantsika amin’i Jesoa Kristy rehefa teraka indray isika.

  • Ahoana no fomba ahatongavantsika ho zanak’i Jesoa Kristy?

Asao ny mpianatra hieritreritra mikasika ny lanjan’ny fahatongavana ho “zanak’i Jesoa Kristy,” ary asao izy ireo mba hizara ny fomba tokony hahatonga izany ho hery hamporiiska antsika eo am-pikatsahantsika ny ho teraka indray.

Almà 5:14, 26–27; Etera 12:27

Ny fahaterahana indray ara-panahy dia mitaky fotoana sy ezaka

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy izao teny manaraka izao, izay nataon’ny Loholona D. Todd Christofferson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo raha ireo mpianatra ambiny kosa mandritra izany hihaino ny fomba namaritany ny dingan’ny fandraisana fiovam-po:

Loholona D. Todd Christofferson

“Mety hanontany ianao hoe nahoana no tsy haingana kokoa noho izao ny fitrangan’ity fiovana mahery vaika ity amiko? Tokony hotsaroanao fa ny ohatra niavaka an’ny vahoakan’ny Mpanjaka Benjamina, an’i Almà, sy ny hafa ao amin’ny soratra masina dia izao fotsiny— miavaka fa tsy zava-misy mahazatra. Mandeha tsikelikely kokoa sy miandalana ny fiovana ho an’ny ankamaroantsika. Ny ateraka indray, izay tsy mitovy amin’ny fahaterahantsika ara-batana, dia dingana fa tsy zava-mitranga amin’ny fotoana iray. Ary ny fidirana ao amin’izany dingana miandalana izany no ivon’ny tanjon’ny fiainana an-tany.

“Ary mandraitra izany dia aoka isika tsy hanamarina ny tenantsika amin’ny ezaka mitsitapitapy ataontsika. Aoka isika tsy ho faly hihazona toetra sasany izay tia manaony ratsy. Aoka isika handray ny fanasan’ny Tompo am-pahamendrehana isan-kerinandro ary hanohy hisintona ny Fanahy Masina mba hanongotra avy ao anatintsika ireo fakampakan’ny fahaloatoana sisa tavela ao. Izaho dia mijoro ho vavolombelona fa raha manohy ao amin’ny lalan’ny fahaterahana ara-panahy indray ianao dia hanaisotra ny fahotanao sy ny pentimpetin’ireny fahotana ireny ao aminao ny sorona manavotr’i Jesoa Kristy , aty tsy hahasarika intsony ireo fakampanahy, ary amin’ny alalan’i Kristy dia ho masina ianao, ho toa Azy sy ny Rainy izay masina” (“Ateraka indray,”Ensign na Liahona, mey 2008,78).

  • Araka ny voalazan’ny Loholona Christofferson, nahoana no miendrika ho dingana mihoatra ny zava-mitranga indray mandeha monja ny fahaterahana indray?

  • Ahoana no hanampian’ny dingan’ny fahaterahana indray ara-panahy antsika ho tonga tahaka ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy, Zanakalahiny? (Ampio ny mpianatra mba hamantatra izao fahamarinana manaraka izao: Amin’ny alalan’ny fahasoavan’i Kristy dia afaka ho voavela sy handray fanampiana tsy tapaka amin’ny lalan’ny fahaterahana indray ara-panahy isika.)

Mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra ny dikan’ny fahalavoana, dia eritrereto ny hizara ity fanambarana ity izay ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina:

“Amin’ny alalan’ny … fahasoavan’ny Tompo no handraisan’ny olona tsirairay, amin’ny alalan’ny finoana ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy sy ny fibebahana amin’ny otany, hery sy fanampiana mba hanao asa tsara izay tsy afaka ny ho ataony raha avela irery miaraka amin’izay hery ananany eo fotsiny izy. Io fahasoavana io dia hery manampy izay manome fahafahana ny lehilahy sy ny vehivavy mba hahazo ny fiainana mandrakizay sy ny fisandratana rehefa nanao ezaka tsara indrindra avy aminy izy ireo” (Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “fahasoavana”).

Asao ireo mpianatra hamaky mangina ny Almà 5:14, 26–27 ary hitady izay nampianarin’i Almà ireo izay efa nanomboka ny dingan’ny fahaterahana indray ara-panahy ary efa niaina fiovam-po. Asao ireo mpianatra hisaintsaina ny ho mety hamalian’izy ireo ny fanontanian’i Almà.

  • Araka ny andininy faha 27, inona no tsy maintsy ataontsika ao aorian’ny fandraisantsika fiovam-po? (Tsy maintsy manohy mandeha tsy manan-tsiny eo anoloan’ Andriamanitra isika, hanetry tena, ary hikatsaka famelana ny fahotantsika.)

  • Nahoana araka ny eritreritrao no nampianaran’i Almà fa ny fanetrentena dia toy ny ampahany manan-danja amin’ny fihazonana ny fiovam-pontsika?

Lazao ireo mpianatra fa ny ny Tompo dia nampianatra an’i Etera ny maha-manan-danja ny herin’ny fanetrentena rehefa mikatsaka ny hanana fiovam-po isika. Ampahatsiahivo ireo mpianatra fa ireo soratra masina maneho fitsipika maro dia mampiasa matetika ireo teny hoe raha (izao) sy dia (izao), ary asao izy ireo avy eo hamerina hijery amim-pahanginana ny Etera 12:27 ary hikaroka ireo fitsipiky “raha (izao)-dia (izao)” ireo. Mifanakaloza hevitra amin’ireto fitsipika manaraka ireto rehefa hitan’ny mpianatra izy ireo: Raha toa ka manatona an’i Jesoa Kristy isika dia hasehony antsika ny fahalementsika. Raha toa ka manetry ny tenantsika sy manana finoana an’ny Tompo isika dia hanao izay hampatanjaka ireo zavatra malemy amintsika Izy.

  • Nahoana araka ny eritreritrareo no zava-dehibe ho antsika ny mahafantatra ireo fahalementsika?

  • Inona araka ny eritreritrareo ny dikan’ilay andian-teny hoe “ampy ho an’ny olon-drehetra [izay] … [m]anetry ny tenany eo anoloako [ny fahasoavako]”?

Asehoy ity fanambarana nataon’ny Loholona Bruce C. Hafen avy ao amin’ny Fitopololahy ity, ary asao ny mpianatra iray hamaky mafy izany.

Loholona Bruce C. Hafen

“Ka raha toa manana olana ianao eo amin’ny fiainanao dia aza mieritreritra hoe nisy zavatra tsy mety nataonao. Tena ivon’ny tanjon’ny fiainana tanteraka ny fiezahana hamaha ireo olana ireo. Rehefa manatona an’ Andriamanitra isika dia hampiseho antsika ny fahalementsika Izy ary hahatonga antsika ho matotra sy matanjaka kokoa izy ireny. Raha toa mihamahatsikaritra ny fahalemenao ianao dia mety hidika izany fa mihamanatona an’ Andriamanitra akaikikaiky kokoa ianao, fa tsy manalavitra akory” (“Ny Sorompanavotana: Ho an’ny rehetra ny zava-drehetra,” Ensign na Liahona, mey 2004, 97).

  • Inona no mety ho ataontsika mba hisorohana ny hakiviana rehefa mahafantatra ny fahalementsika isika?

Zarao ny fijoroanao ho vavolombelona fa ny fahasoavan’i Jesoa Kristy dia hanampy antsika handresy ireo fahalementsika rehefa mikatsaka ny ho teraka indray ara-panahy isika.

Vakitenin’ny Mpianatra