Seminera sy Institiota
Lesona 10 Vavaka sy Fanambarana


Lesona 10

Vavaka sy Fanambarana

Fampidirana

Tombontsoa masina ny vavaka ary didy manome alalana antsika hifandray amin’ny Ray any An-danitra be fitiavana. Maheno sy mamaly ny vavaka ataontsika Izy. Ireo izay mikatsaka amim-pahazotoana ny fitarihan’ny Tompo dia afaka ho voatahy amin’ny fanambarana manokana. Ity lesona ity dia manasongadina ny zavatra afaka ataontsika mba hanomanana ny fontsika sy ny saintsika mba handray valiny amin’ireo vavaka ataontsika.

Vakiteny Enti-mandalina

Sosokevitra Enti-mampianatra

2 Nefia 32:8–9; 3 Nefia 14:7–11

Maheno ny vavaka ataontsika Andriamanitra

Asao ireo mpianatra mba hitanisa ny sasany amin’ireo fomba izay ahafahantsika mampiasa ny teknôlôjia mba hifandraisana amin’ny hafa. Soraty eny amin’ny solaitrabe ny valintenin’ireo mpianatra.

  • Nahoana isika indraindray no manana fahasarotana amin’ny fifandraisana amim-pahombiazana amin’ny Raintsika any An-danitra raha toa kosa ny teknôlôjia manome fahafahana antsika hifandray saika amin’ireo izay safidiantsika hifandraisana?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny 3 Nefia 14:7–11 raha toa ka hikaroka ny zavatra nampianarin’ny Mpamonjy mikasika ny finiavan’ny Ray any An-danitra ny hamaly ny vavaka ataontsika ireo mpianatra ambiny.

  • Inona no fitsipika ampianarin’ny Mpamonjy mikasika ny finiavan’ny Ray any An-danitra hamaly ny vavaka ataontsika? (Tokony ho anisan’ny valintenin’ireo mpianatra ny fitsipika manaraka: Ny Ray any An-danitra dia maheno ary mamaly antsika rehefa mangataka, mikatsaka, ary mandondona isika.)

Mba hampitomboana ny fahatakaran’ireo mpianatra io fitsipika io dia zarao ity fanambarana manaraka nataon’ny Filoha James E. Faust tao amin’ny Fiadidiana Voalohany ity:

Filoha James E. Faust

“Tsy misy fahefana eto an-tany afaka hanasaraka antsika amin’ny fidirana mivantana amin’ilay Mpahary antsika. Tsy afaka hisy na oviana na oviana olana mekanika na elektrônika rehefa mivavaka isika. Tsy misy fetrany ny isan’ny fotoana na ny halavany ahafahantsika mivavaka isan’andro. Tsy misy famerana ny isan’ny filàna hivavahana ao anatin’ny vavaka tsirairay. Tsy mila mandalo ireo mpitan-tsoratra na maka fotoana isika rehefa te-hiantoraka amin’ny seza fiandrianan’ny fahasoavana. Azo tratrarina amin’ny fotoana sy ny toerana rehetra Izy” (“The Lifeline of Prayer,” Ensign, mey 2002, 59).

  • Inona no mety ho lazainao mba hanampiana ny olona tsirairay izay tsy mivavaka matetika satria tsy dia mino izy ireo fa maheno sy mamaly ny vavaka ataon’izy ireo Andriamanitra?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny 2 Nefia 32:8–9 ary asao ny iray kilasy hitady ny zavatra nampianarin’i Nefia mikasika ny vavaka. Azonao atao ny mametraka fanontaniana toy izao manaraka izao:

  • Inona araka ny eritreritrao no dikan’ny hoe “mivavaka foana”?

  • Inona ireo ohatra efa hitanao amin’ny olona iray izay mivavaka matetika? Ahoana no nitahiana io olona io noho izany fomba fanao izany?

  • Midika inona aminao ny hoe “hanamasina” ny ezaka ataontsika ny Tompo ho an’ny tombontsoan’ny fanahinao rehefa mivavaka miandrandra ny fanampiany ianao? (Mety manampy ny milaza fa ny hanamasina zavatra iray dia midika hoe manokana izany ho amin’ny tanjona manokana na masina na manamasina izany.)

Amporisiho ireo mpianatra mba hazoto hivavaka foana. Omeo toky izy ireo fa ny Ray any An-danitra dia maheno ny vavaka ataony sy manana faniriana lehibe hitahy azy ireo.

1 Nefia 10:17–19; 15:1–3, 7–11; Jakôba 4:6; Almà 26:22

Ny mpanara-dia an’i Jesoa Kristy rehetra dia afaka handray fanambarana manokana

Asao ireo mpianatra hitanisa fanontaniana sasantsasany na toe-javatra izay mety hanirian’ireo tanora fanambarana avy amin’ Andriamanitra.

Ampahatsiahivo ireo mpianatra ny nofin’i Lehia mikasika ny hazon’ny fiainana ary tsindrio manokana fa taorian’ny nandrenesan’i Nefia izany nofy mifono fitaomam-panahy izany dia naniry ny hianatra bebe kokoa mikasika izany izy. Asao ny mpianatra maromaro hifandimby hamaky mafy ny 1 Nefia 10:17-19. Asao ireo mpianatra mba hikaroka ny zavatra ampianarin’ireo andininy ireo mikasika ny fanambarana, ary anatin’izany ireo izay mendrika ny handray izany fanambarana izany.

  • Inona no ampianarin’ireo andininy ireo momba ny fanambarana ho an’ny tena manokana? (Alaivo antoka fa takatra izao fotopampianarana manaraka izao: Andriamanitra dia manambara ny fahamarinana amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina amin’ireo izay mikatsaka amim-pahazotoana ny hahafantatra.)

Asehoy ity teny nambaran’ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity, ary miangavia mpianatra iray hamaky izany mafy:

Loholona David A. Bednar

“[Ny fanahin’ny fanambarana] dia tsy voatokana ho an’ny manam-pahefana miahin’ny Fiangonana fotsiny; fa tokony hahazo sy hiasa eo amin’ny fiainan’ireo lehilahy sy vehivavy ary ankizy tsirairay koa izany izay efa amin’ny taona maha--tompon’andraikitra azy ary nirotsaka tanatin’ny fanekempihavanana masina. Ny faniriana amin-kitsim-po sy ny fahamendrehana dia manasa ny fanahin’ny fanambarana ho eo amin’ny fiainantsika” (“Ny fanahin’ny fanambarana,” Ensign na Liahona, mey 2011, 87).

  • Nahoana no mitondra risi-po ho anao io hevi-baovao avy amin’ny Loholona Bednar io?

Hazavao fa noho ny fanirian’i Nefia, ny fahamendrehany, ary ny finoany dia naseho azy koa ny fahitana momba ny hazon’aina (jereo ny 1 Nefia 11-14). Lazao ihany koa fa ny valintenin’i Lamàna sy i Lemoela tamin’ny fahitan’ny rain’izy ireo dia tena samihafa tamin’ny an’i Nefia. Asao ny mpianatra roa hamaky mafy ny 1 Nefia 15:1-3; 7-9 ary asao hanaraka ny vakinteny ireo ambiny ay handinika izay zavatra nianarany avy amin’ireo andininy ireo.

  • Inona no manan-danja indrindra aminao ao amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo?

Asao ny mpianatra iray hafa mba hamaky mafy ny 1 Nefia 15:10-11. Azonao tsindriana manaokana ho an’ireo mpianatra fa ny andininy faha 11 dia ohatra iray amin’ny “raha (izao)-dia (izao)” ao amin’ny soratra masina. Soraty eny amin’ny solaitrabe izao manaraka izao ary angataho hameno ny banga ireo mpianatra, mifototra amin’izay novakiany tao amin’ny andininy faha 10–11:

Raha , dia .

Asao ireo mpianatra hampifandray ny andininy faha 11 amin’ny Almà 26:22, ary avy eo anontanio izy ireo hoe:

  • Ahoana no mety hampiasanao izay nampianarina tao amin’ny 1 Nefia15:10-11 sy Almà 26:22 mba hampianaranao olona iray ny fomba fikatsahana valiny amin’ireo vavaka ataony?

Asao ny mpianatra iray mba hamaky mafy ny Jakôba 4:6 ary ireo mpianatra ambiny kosa hikaroka ny zavatra nataon’ny vahoakan’i Jakôba, ho fanampin’ny fangatahana amim-pinoana, mba handraisana fanambarana. Azonao atao ny manazava fa ny hoe “manadihady ny mpaminany [isika]” dia milaza ny famakiana ireo tenin’ny mpaminany ao amin’ny soratra masina.

  • Nahoana araka ny eritreritrao no afaka hitarika amin’ny fandraisana fanambarana avy any amin’ny Tompo ny fandalinana ireo tenin’ireo mpaminany taloha sy ny amin’ny andro farany?

Asehoy ary vakio ity fanambarana avy amin’ny Loholona Robert D. Hales ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity:

Loholona Robert D. Hales

“Rehefa te-hiresaka amin’ Andriamanitra isika dia mivavaka. Ary rehefa tiantsika hiresaka amintsika Izy dia mandalina ny soratra masina isika, satria ny teniny dia nolazainy tamin’ny alalan’ireo mpaminaniny. Ary hampianatra antsika Izy rehefa mihaino ny bitsiky ny Fanahy Masina isika.

“Raha toa ka tsy nandre ny Feony ianao tato ho ato dia miverena aty am-piangonana ary mamerena mamaky soratra masina indray. Izy ireo no tadim-piarovana amin’ny ara-panahintsika” (“Soratra masina: Ny herin’Andriamanitra ho amin’ny famonjena antsika,” Ensign na Liahona, nôv. 2006, 26–27).

Asao ireo mpianatra hieritreritra fanamby na fanapahan-kevitra iray izay atrehan’izy ireo. Asao izy ireo handinika raha nanontany ny Tompo tamin’ny vavaka sy nitodika tamin’ny soratra masina mba hahazoana valiny.

Mba hanampiana ireo mpianatra dia jereo ireo ohatra tamin’ny fomba hanomezan’ny Tompo ny fanambarana antsika. Soraty eny amin’ny solaitrabe ireto soratra masina manaraka ireto.

1 Nefia 4:6

1 Nefia 8:2

Jakôba 7:5

Enôsa 1:10

Helamàna 13:5

3 Nefia 11:3

Ampandraiketo andalanana tsirairay avy ny mpianatra vitsivitsy. Asao izy ireo hamaky ny andinintsoratra masina nomena azy ary hitady fomba iray hanomezan’ Andriamanitra fanambarana ho an’ny tena manokana ho an’ny zanany ao amin’izany. Asao ny mpianatra hizara ny zavatra hitany. Eo am-pifantohanao amin’ireo zavatra ilain’ny mpianatrao dia azonao atao ny mizara ity fanambarana manaraka ity izay nataon’ny Filoha Boyd K. Packer (1924-2015) tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

Filoha Boyd K. Packer

“Tsy misarika ny saintsika amin’ny fitenenana mafy na fanifikifihina mafy amin’ny tànana ny Fanahy. Fa kosa mibitsibitsika izy. Manafosafo mora dia mora tokoa Izy, ka raha be zavatra eritreretina isika, dia mazava ho azy fa mety tsy hahatsapa Azy mihitsy. …

“Indraindray izy dia manery antsika mafy fotsiny mba hampandry sofina aminy. Fa matetika rehefa tsy mampandry sofina amin’ilay fahatsapana malefaka isika, dia hiala ny Fanahy ary hiandry mandra-pikatsahantsika sy hihainoantsika ary hitenenantsika amin’ny fomba fanehoantsika izany, araka ny nataon’i Samoela tamin’ny andro fahiny hoe: ‘Mitenena Tompo ô, fa mihaino ny mpanomponao.’ (1 Sam. 3:10.)” (“The Candle of the Lord,”Ensign, Jan. 1983,53

Loholona Richard G. Scott

“Ho mahalana ny fahatongavan’ny valiny omeny mandritra ny fotoana fandohalihanao iny, eny fa na dia miangavy valiny eo no eo aza ianao. Hibitsika aminao amin’ny fotoana mangina kosa anefa Izy amin’ny alalan’ny fikasihan’ny Fanahy ny sainao sy ny fonao amim-pahombiazana. Noho izany, tokony hitady fotoana ahatsapana fahanginana ianao mba hahafantarana fa mahazo torolalana ary hampaherezina ianao” (“Using the Supernal Gift of Prayer,” Ensign na Liahona, mey 2007, 9).

Ampahatsiahivo ireo mpianatra fa tsy misafidy ny fomba hanambaran’ Andriamanitra ny fahamarinana amintsika isika, fa rehefa miasa am-pinoana isika, dia manomana tsaratsara kokoa ny fontsika sy ny saintsika handray fanambarana. Asao ny mpianatra vitsivitsy hizara ny fomba nandraisan’izy ireo fanambarana ho an’ny tenany manokana, raha toa ka azo zaraina amin’ny hafa izany fa manokana na masina loatra.

1 Nefia 18:1–3; 2 Nefia 28:30; Almà 12:9–11

Fandraisana sy fanarahana ny fanambarana amin’ny asa

Asao ireo mpianatra hampitaha mangina ny 2 Nefia 28:30 sy ny Almà 12:9–11 ary hamantatra ireo fitsipika izay afaka hanampy azy ireo handray fanambarana mitombo hatrany ho an’ny tenany.

  • Inona no ampianarin’ireo andalana ireo izay manampy antsika handray fanambarana mitombo hatrany ho an’ny tenantsika? (Na dia mety hampiasa teny hafa aza ny mpianatra dia tokony hahita izao fitsipika manaraka izao izy ireo: Manambara amintsika ny fahamarinana araka ny fahazotoantsika mampandry ny sofintsika amin’ny teniny ny Tompo. Ny fanambarana dia tonga andalan-tsoratra anampy andalan-tsoratra amintsika matetika.)

  • Nahoana araka ny eritreritrao no mitaky ny fankatoavantsika amin’ireo izay efa nambarany tamintsika ny Tompo alohan’ny hanambarany fahalalana fanampiny?

  • Midika inona izany hoe ny fanambarana dia tonga amintsika “andalan-tsoratra anampy andalan-tsoratra” ?

Raha mbola misy ny fotoana dia azonao atao ny mifanakalo hevitra amin’ireo mpianatra amin’ny 1 Nefia 18:1-3 mba hanehoana ny fomba nandraisan’i Nefia fanambarana mitombo miandalana mba hianarana ny fomba fanamboarana sambo.

Asehoy ary asao ny mpianatra iray hamaky izao teny manaraka izao izay nolazain’ny Loholona David A. Bednar:

Loholona David A. Bednar

“Ny fanambarana raha ny tena matetika dia mitombo tsikelikely rehefa mandeha ny fotoana ary atolotra arakaraka ny faniriantsika sy ny famendrehantsika ary ny fiomanantsika. Ny fifandraisana tahaka izany avy amin’ny Ray any An-danitra dia ‘hitsika’ tsikelikely sy tsimoramora ‘amin’ny fanahin[tsika] toy ny ando avy any an-danitra’ (F&F 121:45). Io lamin’ny fanambarana io no toa mateti-pitranga” (“Ny Fanahin’ny fanambarana,” Ensign na Liahona, mey 2011, 88).

  • Raha manao jery todika ny fiainanao ianao, dia ahoana no nitarihan’ny Tompo anao miandalana tamin’ny fandraisana fanapahan-kevitra na ny fikatsahana fahatakarana avy Aminy?

Farano amin’ny fampisehoana sy fangatahana mpianatra iray hamaky ity teny manaraka nolazain’ny Filoha Thomas S. Monson ity ny lesona:

Filoha Thomas S. Monson

“Raha misy amintsika no tsy dia taitra loatra tamin’ny fanarahana ilay torohevitra hoe mivavaka lalandava dia tsy misy fotoana tsara kokoa azo hanombohana izany mihoatra noho izao ankehitriny izao. I William Cowper dia nanambara fa, i ‘Satana dia mangovitra rehefa mahita ny marefo indrindra amin’ny olomasina mandohalika’ [‘Exhortation to Prayer,’ in Olney Hymns]” (“A Royal Priesthood,” Ensign na Liahona, nôv. 2007, 61).

Asao ireo mpianatra hisaintsaina ireo ezaka izay ataony amin’izao fotoana izao amin’ny vavaka amin’ny fiainan’izy ireo isan’andro. Amporisiho izy ireo hanaraka ireo fitsipika izay noresahina tamin’ity lesona ity mba hanasana ny fanambarana mitomb o hatrany ho an’ny tenany amin’ny alalan’ny vavaka sy ny fandalinana soratra masina. Asao ireo mpianatra hizara ny fomba ahafantaran’izy ireo fa mamaly vavaka ny Ray any An-danitra. Zarao ny fijoroanao ho vavolombelona fa ny Ray any An-danitra be fitiavana dia hanome fitaomam-panahy antsika miaraka amin’ny fahatakarana sy fitarihana raha manomana ny tenantsika manokana handray izany isika.

Vakitenin’ny Mpianatra