Seminera sy Institiota
Lesona 25: Miaina am-pahamarinana amin’ny andron’ny faharatsiana


Lesona 25

Miaina am-pahamarinana amin’ny andron’ny faharatsiana

Fampidirana

Mirakitra ny faharavan’ireo olona sy fiaraha-monina izay mitoetra ao amin’ny faharatsiana sy mamela ny tsikombakomba miafina hahazo laka ny Bokin’i Môrmôna. Etsy andanin’izany, mampianatra koa anefa io boky io fa afaka miaina am-pahamarinana isika na dia anatin’ny tontolo rakotry ny faharatsiana aza. Hianatra ny zavatra afaka ataon’izy ireo mba hijanona ho olo-marina amin’izao tontolo ankehitriny izao ireo mpianatra ato amin’ity lesona ity.

Vakiteny Enti-mandalina

  • Quentin L. Cook, “Reaping the Rewards of Righteousness,” Ensign, jolay 2015, 33–39.

  • Dennis B. Neuenschwander, “Iray eo anivon’ny valalabemandry,” Ensign na Liahona, mey 2008, 101–3.

Sosokevitra Enti-mampianatra

Almà 37:21–22, 25–27; Helamàna 6:20–26, 37–40; Etera 8:18–26

Afaka mandrava ny fahafahana sy ny fiaraha-monina ireo tsikombakomba miafina

Soraty eo amin’ny solaitrabe ny hoe tanin’ny fahavalo ary asaivo hazavain’ireo mpianatra ny dikany.

Asehoy ity teny nolazain’ny Filoha Boyd K. Packer (1924–2015) tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity, ary miangavia mpianatra iray hamaky izany mafy:

Sary
Filoha Boyd K. Packer

“Mitombo ao anatin’ ny tanin’ ny fahavalo ianareo ry tanora. Fantatsika avy amin’ ny soratra masina fa nisy ady tany an-danitra ary nikomy i Losifera sy ny mpanara-dia azy ka ‘nazera tamin’ ny tany’ [Apokalypsy 12:9]. Vonona ny hanakorontana ny drafitry ny Raintsika any An-danitra izy ary mikatsaka ny hifehy ny saina sy ny fihetsiky ny rehetra” (“Torohevitra ho an’ireo tanora,” Ensign na Liahona, nôv. 2011, 16).

  • Nahoana no lazaina fa toy ny miaina ao anatin’ny tanin’ny fahavalo ny miaina amin’izao fotoana izao?

Hazavao fa ity lesona ity dia handalina ny famariparitan’ny Bokin’i Môrmôna ny tontolo rakotra faharatsiana izay hiainan’ny olo-marina sasantsasany. Asao ireo mpianatra hikaroka ireo fitsipika sy fotopampianarana izay afaka hampihariny eo am-pandalinana ny ohatr’ireo olona izay nijanona ho mahatoky na dia teo aza ny faharatsiana nanodidina azy ireo.

Ampahatsiahivo ireo mpianatra fa vavolombelona nanatri-maso ny faharavan’ny sivilizasiôna iray manontolon’ny Nefita i Môrônia. Namariparitra ireo faharatsiana izay nitarika ny Nefita sy ny Jaredita tamin’ny faharavana izy. Manasà mpianatra iray hamaky amin’ny feo avo ny Etera 8:18 sy 21 raha toa ka hikaroka ny anton’ity faharavana ity kosa ireo mpianatra ambiny. Asao ny mpianatra hizara ny zavatra hitany.

Soraty eny amin’ny solaitrabe ireto toko sy andinin-tsoratra masina sy fanontaniana ireto:

Almà 37:21–22, 25–27

Helamàna 6:20–26

Etera 8:18–26

Inona izany hoe tsikombakomba miafina izany?

Inona no tanjona sy zava-kinasan’izy ireo?

Ahoana no ataony mba hisiany hatrany?

Asao hamaky iray amin’ireo andinin-tsoratra masina eo amin’ny solaitrabe ireo mpianatra ary hikaroka ny valin’ireo fanontaniana voatanisa ireo? Lazao ireo mpianatra fa mety tsy hahavaly ireo fanontaniana telo ireo ny andinin-tsoratra masina nosafidin’izy ireo, saingy tokony hiezaka hikaroka izay vitany izy ireo. Ifanakalozy hevitra miaraka ireo fanontaniana eo amin’ny solaitrabe ireo, rehefa avy nomena fotoana ampy izy ireo. Avy eo dia diniho izao manaraka izao:

  • Araka ny zavatra novakianareo, inona avy ny voka-dratsy amin’ny famelana ny fisiana sy firoboroboa’ny tsikombakomba miafina? (Tokony hahatakatra izao fitsipika manaraka izao ny mpianatra: Afaka mandrava ny fahafahana, governemanta ary ny fiaraha-monina ny tsikombakomba miafina.)

  • Inona araka ny eritreritrareo no endrikendriky ny tsikombakomba miafina amin’izao androntsika izao?

Mba hahafahana mamaly izany fanontaniana izany dia asehoy ireto fanambarana manaraka nataon’ny Loholona M. Russell Ballard ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo sy Filoha Ezra Taft Benson (1899–1994). Asao ny mpianatra iray hamaky mafy izany.

Sary
Loholona M. Russell Ballard

“Anisan’ireo tsikombakomba miafina ankehitriny ireo andian-jiolahy, ireo tambazotran’ny zava-mahadomelina, ary ireo fianakaviamben’ny mpikotrika heloka bebe vava. Ireo tsikombakomba miafina amin’izao androntsika izao dia mitovy fomba fiasa amin’ireo jirik’i Gadiantôna tamin’ny fotoan’ny Bokin’i Môrmôna. … Tafiditra ao amin’ny tanjon’izy ireo ny ‘mamono sy mandroba ary mangalatra ary manao fijangajangana sy ny fomban’ ny faharatsiana rehetra’ [Helamàna 6:23]” (M. Russell Ballard, “Standing for Truth and Right,” Ensign, nôv. 1997, 38).

Sary
Filoha Ezra Taft Benson

“Mijoro ho vavolombelona aho fa mihanaka haingana dia haingana amin’ny lafiny rehetra eto amin’ny fiaraha-monintsika ny faharatsiana. (Jereo ny F&F 1:14–16; 84:49–53.) Miseho amin’ny endriny mirindra tokoa izany, endrika manafin-javatra manintona kokoa ary atao doka be dia be tokoa mihoatra noho ny teo aloha. Miroborobo izaitsizy ireo tsikombakomba miafina mitsiriritra fahefana, tombony ary voninahitra. … (Jereo ny Etera 8:18–25.)” (Ezra Taft Benson, “I Testify,” Ensign, nôv. 1988, 87).

  • Nahoana araka ny eritreritrareo no nampidirin’ireo mpaminany ao amin’ny Bokin’i Môrmôna tanatin’ny rakitsorany ny fampahalalana mikasika ny tsikombakomba miafina?

Asao ny mpianatra hamaky mafy ny Helamàna 6:20, 37–40. Asaivo manaraka ny vakiteny ireo mpianatra ary hikaroka ny fiavahana teo amin’ireo Lamanita sy Nefita. (Fanamarihana: Azonao antitranterina ao amin’ity lesona ity fa fahaiza-mandalina ny soratra masina ny fampitahana sy fampiavahana [jereo ny Fampianarana sy Fianarana ny Filazantsara: Boky torolalana ho an’ireo mpampianatra sy mpitarika ao amin’ny Seminera sy Institiota fianarana ny Filazantsara [2012], 22].)

  • Inona no azontsika ianarana avy amin’ireo andininy ireo mikasika ny fomba hanafoanana ny faharatsiana sy ny tsikombakomba miafina?

Almà 62:41; 4 Nefia 1:42; Môrmôna 1:13–17, 19; 2:8, 14–15, 18–19; 3:2–3, 12, 22; Môrônia 9:6, 22, 25–26

Mijanona ho marina na dia voahodidin’ny faharatsiana aza

Lazao ireo mpianatra fa teraka tanatin’ny tontolo izay nanjakan’ny faharatsiana nentin’ny fisian’ny tsikombakomba miafina ny mpaminany Môrmôna. Asaivo mandalina ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto ireo mpianatra ary hikaroka sy hanoratra ny famaritany ny tontolo niainan’i Môrmôna: Môrmôna 1:13–14, 16–17, 19; 2:8, 14–15, 18. Asaivo zarain’ireo mpianatra ny zavatra hitany ary anontanio avy eo hoe:

  • Inona ireo tebiteby anananao raha toa ianao miaina amin’ny tontolo toy izany?

Asao hamaky amin’ny feo avo ny Môrmôna 1:15 sy 2:19 ny mpianatra iray.

  • Inona no azontsika ianarana avy amin’ny ohatr’i Môrmôna nandritra izany fotoan’ny faharatsiana izany? (Rehefa mamaly ny mpianatra dia soraty eo amin’ny solaitrabe ity fahamarinana manaraka ity: Afaka miaina am-pahamarinana isika na dia voahodidin’ny faharatsiana aza.)

Omeo fotoana hamakiana ny Môrmôna 3:2–3, 12, 22 ireo mpianatra hikarohany ny zavatra hafa azon’izy rieo ianarana avy tamin’ny fomba nahafahan’i Môrmôna niaina tamim-pahamarinana tanatin’ny fotoan’ny faharatsiana. Rehefa avy nizara izay zavatra hitany ireo mpianatra dia apetraho ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Iza ihany koa no ohatry ny fiainana tamim-pahamarinana ao amin’ny Bokin’i Môrmôna na dia nohodidinin’ny faharatsiana aza? (Mety ho voatonona amin’izany i Etera, Môrônia, Abisa, ary ireo vahoaka izay nino fa i Kristy dia ho teraka, araka ny voarakitra ao amin’ny 3 Nefia 1.)

  • Inona ireo fanamby atrehintsika eo am-piezahantsika hiaina am-pahamarinana anatin’ny tontolo feno faharatsiana?

Ampahatsiahivo ireo mpianatra fa ny zanakalahin’i Môrmôna, i Môrônia dia niaina nandritra ny izany fotoana izay nihanahan’ny faharatsiana izany. Talohan’ny nahafatesany dia nanoratra taratasy tamin’i Môrônia i Môrmôna izay voarakitra ao amin’ny Môrônia 9. Asao hamaky ny Môrônia 9:6, 22, 25–26 ny mpianatra iray. Asao ireo mpianatra hieritreritra ny fomba ahafahan’ny torohevitr’i Môrmôna hanampy azy ireo hiaina am-pahamarinana ao anatin’ny tontolo feno faharatsiana.

  • Inona no azontsika ianarana avy amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo izay hanampy antsika hiaina am-pahamarinana amin’izao tontolo ankehitriny izao? (Ampio ny mpianatra mba hahatakatra izao fitsipika manaraka izao: Raha toa ka manana finoana an’i Kristy sy amin’ny Sorompanavotany isika dia hanana tanjaka hiainana am-pahamarinana na dia voahodidin’ny faharatsiana aza.)

  • Inona ireo ohatra hitanao tamin’ny fiainan’ny olona tam-pahamarinana teo anivon’ny faharatsiana ankehitriny?

  • Nahoana no nanampy anao handresy ny faharatsiana na toe-javatra sarotra ny fifantohana amin’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany?

Zarao ity teny nambaran’ny Rahavavy Virginia U. Jensen, mpanolotsaina taloha tao amin’ny fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany, ity mba hanampiana ireo mpianatra hieritreritra ny zavatra hafa mety azon’izy ireo hatao hihazonana mafy amin’ny finoana sy iainana am-pahamarinana:

Sary
Virginia U. Jensen

“Mba hahafahana mijoro tsy ho voahozongozona amin’ny foto-kevitra ijoroan’ny tena sy hanampiana ny hafa mafy orina koa dia tsy maintsy miorim-paka lalina ao am-pontsika sy am-pianarina ao an-tokantranontsika ny hafatry ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny. … Ampianaro ireo olon-tianao ny fomba hisarihana ny herin’ny lanitra amin’ny alalan’ny fifadiankana. Ampianaro azy ireo fa hiaro azy ireo amin’izao tontolo izao ny fitandremana ny andro Sabata ho masina. Ampianaro hankato izy ireo. Ampianaro hikatsaka ny sitrapon’ Andriamanitra fa tsy an’olombelona izy ireo. Ampianaro azy ireo fa ny hany lalana iverenana indray any amin’ny tokantrano any an-danitra dia amin’ny alalan’ny fitiavana sy fanarahana ny Mpamonjy ary amin’ny fanaovana sy fitandremana ireo fanekempihavanana masina sy ireo didy. Fitaovam-piadiana afaka ampiasain’ny olona ao amin’ny fianakavianao handresena ny hery ratsin’i Satana ireo fahamarinan’ny filazantsara sy ny fahalalana amin’ny drafitry ny famonjena” (“Stand Firm,” Ensign, nôv. 2001, 94).

  • Inona no nanome anao fanapahan-kevitra sy tanjaka ny hankato ny Tompo ao anatin’izao tontolo tsy mitsaha-miharatsy izao?

Hazavao fa ny ady lavareny teo amin’ireo Nefita sy Lamanita izay voarakitra ao amin’ny bokin’i Almà dia nahitana ireo olona izay tsy maintsy nijoro hanohitra ny herin’ny ratsy mba hahafahany miaro ny ainy. Asao handalina ny Almà 62:41 ireo mpianatra ary hikaroka ireo fomba mampiavaka ny tsirairay amin’ny fiatrehany ny fahoriana sy ny faharatsiana. Asao hizara ny zavatra hitany izay afaka ny hanampy azy hiaina am-pahamarinana ao anatin’izao tontolo feno faharatsiana izao ireo mpianatra.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ity fanambarana manaraka nataon’ny Filoha James E. Faust (1920–2007) tao amin’ny Fiadidiana Voalohany ity mikasika io andinin-tsoratra masina io:

Sary
Filoha James E. Faust

“Ao anatin’ity tontolo tsy mitsaha-miharatsy ity dia tsy maintsy mijoro tsy amim-pihambahambana miaraka amin’ny Tompo isika mba hahafahana miaina sy mahita fahasambarana sy fifaliana mihitsy, na inona na inona mitranga. Mila miezaka ny ho mahatoky amin’ny fotoana rehetra eo amin’ny androntsika rehetra isika ka tsy hihozongozona ny fototry ny fahatokiantsika ny Tompo. …

“Tsy dia ny zavatra mitranga amintsika loatra no zava-dehibe fa ny fomba hiatrehantsika ny zavatra izay mitranga amintsika. Mampahatsiahy ahy ny andinin-tsoratra masina ao amin’i Almà izany. Taorian’ny ady izaitsizy dia ‘maro no efa nanjary nihamafy fo,’ raha toa ka ‘maro [koa] no efa nihanalefaka noho ny fahoriany’ [Almà 62:41]. Niteraka vokany mifanohitra ny toe-java-nitranga mitovy iray. … Mila manana trano fanobiana finoana avy isika tsirairay mba hanampy antsika hihoatra ireo korontana izay ampahany eto amin’ity fiainana fisedrana ity” (“Where Do I Make My Stand?” Ensign na Liahona, nôv. 2004, 1820).

Angataho izy ireo haka minitra vitsivitsy hanoratany ny valinteniny amin’ity fanontaniana ity:

  • Inona no fanoloran-tena noraisinao mba hijoroanao “tsy amim-pihambahambana miaraka amin’ny Tompo”?

Avy eo dia asaivo misaintsaina ireto fanontaniana manaraka ireto izy ireo:

  • Inona ireo bitsika voarainao avy amin’ny Fanahy mikasika ny fomba ahafahanao hanolo tena bebe kokoa amin’ny Tompo?

  • Inona no azonao atao mba hanampy ireo olona ao amin’ny fianakavianao hanolo tena bebe kokoa amin’ny Tompo?

Mijoro ho vavolombelona fa rehefa maharitra amin’ny finoana isika dia hitahy antsika sy hanampy antsika hiaina am-pahamarinana eo anivon’ny hotakotaky ny faharatsiana ny Tompo.

Vakitenin’ny Mpianatra

Hamoaka printy