Seminera sy Institiota
Lesona 13 Ny fanekempihavanan’ny batisa, ny Sabata ary ny Fanasan’ny Tompo


Lesona 13

Ny fanekempihavanan’ny batisa, ny Sabata ary ny Fanasan’ny Tompo

Fampidirana

Ireo mpanara-dia an’i Jesoa Kristy dia manao fanekena ny hitondra ny anarany eo amin’izy ireo amin’ny alalan’ny ôrdônansin’ny batisa. Ireo mpianatra dia hianatra fa ny Bokin’i Môrmôna dia mampianatra fa ny mpikamban’ny Fiangonan’i Kristy dia hiangona miaraka amin’ny andro Sabata ary hifaly amin’ny tombontsoa masin’ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo. Rehefa mandray ny fanasan’ny Tompo isika dia manavao ny fanekempihavanan’ny batisantsika ary manasa ny Fanahy masina mba hiaraka amintsika.

Vakiteny Enti-mandalina

Sosokevitra Enti-mampianatra

Môsià 18:8–10; 25:23–24

Mitondra ny anaran’i Jesoa Kristy eo amintsika

Asao ny mpianatra vitsivitsy hamaritra zava-manan-danja izay tsaroan’izy ireo mikasika ny batisany—ohatra, ny fotoam-batisa, ilay ôrdônansy mihitsy, na eritreritra sy fahatsapana izay nananan’izy ireo. Avy eo dia omeo fotoana ireo mpianatra hisaintsaina ny ny fomba nihazonany ny fanekempihavanan’ny batisany.

Ampahatsiahivo ny mpianatra fa i Almà dia nampianatra mikasika ny fanekempihavanan’ny batisa tany amin’ny Reniranon’i Môrmôna ary asao ny mpianatra iray avy eo hamaky mafy ny Môsià 18:8--10. Asao ny iray kilasy hanaraka ny vakiteny ary hitady ny fanekempihavanana ataontsika rehefa atao batisa isika.

Soraty eny amin’ny solaitrabe izao manaraka izao:

Rehefa atao batisa isika dia manao fanekempihavanana ny …

  • Inona no fanekempihavanana ataontsika rehefa atao batisa isika? (Eo am-pamalian’ireo mpianatra izany dia tanisao eny amin’ny solaitrabe ireo valinteny mba hamenoana ilay voalazan’ny fotopampianarana: Rehefa atao batisa isika dia manao fanekempihavanana ny hifampitondra ny enta-mavesatra, hijoro ho vavolomben’ Andriamanitra, hanompo azy, ary hitandrina ny didiny.)

Ampio ireo mpianatra hahatakatra ny teny manodidina ny andalan-tsoratra masina manaraka fa rehefa niaraka tamin’ny mpino tao Zarahemlàa i Almà sy ny vahoakany dia nanorina fiaraha-mivavaka maro ho an’ny mpino izy. Asao ny mpianatra vitsivitsy hifandimby hamaky mafy ny avy ao amin’ny Môsià 25:23-24 ary ireo mpianatra ambiny kosa hikaroka ny hevi-baovao fanampiny amin’ny fanekempihavanan’ny batisantsika. Rehefa mifanakalo hevitra ny zavatra fantany ny mpianatra dia anontanio hoe:

  • Tamin’ny fomba ahoana no nitahiana ireo vahoaka vokatry ny nanaovana batisa azy ireo sy ny fidirany ho mpikamban’ny Fiangonan’ Andriamanitra? (Ampio ny mpianatra mba hahita izao fitsipika manaraka izao: Rehefa mitondra eo amintsika ny anaran’i Jesoa Kristy sy miaina mifanaraka amin’izany isika, dia handrotsaka ny Fanahiny amintsika ny Tompo.

  • Rehefa niaina araka ny fanekempihavanan’ny batisanao ianao, dia inona no fiantraikan’izany teo amin’ny fiainanao tamin’ny alalan’ny fananana ny fanahin’ny Tompo nirotsaka taminao?

Asao ireo mpianatra hisaintsaina ny fomba ahafahan’ny fanekempihavanan’ny batisa nataony hampatanjaka ny fanolorantenany ho mpanara-dia an’i Jesoa Kristy eo amin’ny fanapahan-kevitra raisiny sy ny asa ataony.

Eksôdôsy 31:13, 16–17; Môsià 18:17, 23–25; Môrôni 6:4–6

Fitsaohana amin’ny andro Sabata

Hazavao fa ny Bokin’i Môrmôna dia maneho ireo fomba sasantsasany izay hitandrovan’ireo mpikamban’ny Fiangonan’i Kristy ny fanekempihavanan’ny batisa.

Tendreo ny antsasak’ireo mpianatra handalina ny Môsià 18:17, 23–25 ary ny antsasany hafa handalina ny Môrônia 6:4–6. Rosoy hevitra ireo mpianatra mba hanisy marika ireo teny na fehezan-teny izay mamaritra ny fomba fitsaohana izay nampiharin’ireo mpanara-dia an’i Kristy. Asao izy ireo hizara ny zavatra hitany.

  • Inona ireo antony sasany izay hiangonan’ny mpikambana miaraka matetika? (Tokony hahita izao fahamarinana manaraka izao ny mpianatra: Rehefa tonga mpikamban’ny Fiangonan’i Kristy isika, dia didiana mba hanaja ny andro Sabata ary hitandrina izany ho masina. Amin’ny maha-mpikambana Fiangonana antsika, dia mila mihaona miaraka matetika isika mba ho fahanana amin’ny teny soa an’ Andriamanitra, mba hifady hanina, ary hifanamafy orina, sy handray ny fanasan’ny Tompo.)

Vakio ity fanambarana manaraka nataon’ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity:

Loholona Jeffrey R. Holland

“Ny ankamaroan’ny olona dia tsy mandeha any am-piangonana mba hikaroka fahamarinana vitsy fotsiny ihany ao amin’ny filazantsara sy hihaona amin’ireo namana efa hatry ny ela, na dia manan-danja aza izany rehetra izany. Tonga mba hikatsaka traikefa ara-panahy izy ireo. Mila fiadanana izy ireo. Ilain’izy ireo ho mafy ny finoan’izy ireo ary hihavao ny fanantenan’izy ireo. Maniry izy ireo, raha tsorina, ny hofahanana amin’ny alalan’ny tenin’ Andriamanitra, ny ho hampahatanjahana amin’ny alalan’ireo herin’ny lanitra” (“Ny mpampianatra dia avy amin’ Andriamanitra,” Ensign, mey 1998, 26).

  • Ahoana no hanampian’ny fihaonana miaraka amin’ireo mpikamban’ny Fiangonana hafa amin’ny Sabata anao hahatsapa “hampatanjahana amin’ny alalan’ireo herin’ny lanitra”?

  • Inona no ataonao any am-piangonana mba hanatonanao akaiky sy hitsaohanao araka ny tokony ho izy ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy?

Mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra bebe kokoa hoe nahoana ny mpikamban’ny Fiangonana no nodidiana hanaja ny andro Sabata sy hitandrina izany ho masina dia asao izy ireo hamaky ny Eksôdôsy 31:13, 16–17 ary ampifandray izany amin’ny Môsià 18:23.

  • Inona no dikan’ny hoe ny Sabata dia “famantarana” eo amintsika sy ny Tompo?

Vakio ity filazana manaraka ity izay nataon’ny Filoha Russell M. Nelson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinfolo:

Filoha Russell M. Nelson

“Ahoana no hanamasinantsika ny andro Sabata? Nandalina ireo lisitra nataon’ny olona hafa mikasika ireo zavatra atao na ireo zavatra tsy atao amin’ny andro Sabata aho tamin’ny fahatanorako. Taty aoriana ao vao nianatra avy tamin’ny soratra masina fa ny fitondrantenako sy ny fihetsiko amin’ny sabata dia nandrafitra famantarana teo amiko sy ny Raiko any An-danitra. Tsy nila ireo lisitry ny zavatra atao sy zavatra tsy atao intsony aho niaraka tamin’izany fahatakarana izany. Rehefa nila nandray fanapahan-kevitra aho momba ny hoe mety sa tsy mety amin’ny Sabata ny zavatra atao iray dia nanontany tsotra aho hoe: ‘inona no famantarana tiako homena an’ Andriamanitra?’ Izany fanontaniana izany dia nampisafidy ahy mazava tsara mikasika ny andro Sabata” (“Fahafinaretana ny andro Sabata,”Ensign na Liahona mey 2015, 130).

  • Ahoana no ahafahan’ny fametrahana fanontaniana amin’ny tenantsika manao hoe “Inona no famantarana tiako homena an’ Andriamanitra?” hanampy antsika hanao safidy tsara kokoa mikasika ny zavatra ataontsika amin’ny andro Sabata?

  • Ahoana araka ny eritreritrao ny ezaka ataonao amin’ny fitandremana ny andro Sabata ho masina no hisy fiatrainkany amin’ireo andro hafa mandritra ny herinandro?

Asao ireo mpianatra mba hanombantombana ny ezak’izy ireo manokana manoloana ny fitandroana ny andro Sabata ho masina. Asao izy ireo handinika raha mampiseho fitsaohana ny Ray amin-kitsim-po ny eritreritra sy ny asan’izy ireo amin’io andro io. Asao ireo mpianatra hametraka tanjona manokana mba hampivoarana ny fitsaohan’izy ireo amin’ny andro Sabata.

3 Nefia 18:1–11; 20:3–9; Môrônia 4:3; 5:2

Fandraisana ny Fanasan’ny Tompo

Soraty eny amin’ny solaitrabe ity teny manaraka nambaran’ny Loholona L. Tom Perry (1922–2015) avy ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity (avy amin’ny “Raha mandray ny fanasan’ny Tompo isika izao,” Ensign na Liahona, mey 2006, 39):

“Ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo dia manolotra antsika fotoana masina ao amin’ny toerana masina.” (Loholona L. Tom Perry)

  • Ahoana no mety hitaoman’izany hevitra izany hoe “ fotoana masina” sy “toerana masina” izany ny eritreritra sy ny fihetsitsika rehefa mandray ny fanasan’ny Tompo isika?

Ampahatsiahivo ireo mpianatra fa nanorina ny fanasan’ny Tompo i Jesoa Kristy efa nitsangana tamin’ny maty rehefa nitsidika ireo Nefita tao Soafeno. Asao ny mpianatra vitsivitsy hifanesy hamaky mafy ny 3 Nefia 18:1-11 raha mandritra izany kosa ireo mpianatra ambiny hikaroka ny zavatra nampianarin’ny Mpamonjy mikasika ny tanjon’ny fanasan’ny Tompo.

  • Inona no fitsipika nampianarin’ny Mpamonjy mikasika ny tanjon’ny fanasan’ny Tompo? (Rehefa mamaly ny mpianatra dia soraty eo amin’ny solaitrabe izao fitsipika manaraka izao: Rehefa mandray ny fanasan’ny Tompo isika sy mahatsiaro mandrakariva an’i Jesoa Kristy dia hanana ny Fanahiny miaraka amintsika.)

  • Inona no azontsika hatao mba hahatsiarovana mandrakariva ny Mpamonjy rehefa mandray ny fanasan’ny Tompo isika sy mandritra ny andro sisa amin’ny herinandro?

Ampahatsiahivo ireo mpianatra fa i Môrônia dia nirakitra ny teny nampiasain’ireo mpanara-dia an’i Jesoa Kristy rehefa manamasina ny fanasan’ny Tompo. Asao ireo mpianatra hanopy maso ny vavaky ny fanasan’ny Tompo ao amin’ny Môrônia 4:3 sy 5:2 ary hanipika ireo teny izay mifandraika amin’ny fitsipika voasoratra eny amin’ny solaitrabe.

  • Inona no mety ho vokany raha toa ka tsy “mahatsiaro Azy mandrakariva isika”? (Môrônia 4:3; 5:2).

Ampahatsiahivo ireo mpianatra fa rehefa namangy ireo Nefita tamin’ny andro tao aorian’ny nanorenany ny fanasan’ny Tompo i Jesoa dia nitantana izany ôrdônansy izany indray teo anivon’izy ireo Izy. Asao ny mpianatra vitsivitsy hifandimby hamaky mafy ny 3 Nefia 20:3-9. Asao ny ireo mpianatra mba hikaroka ireo fitahiana fanampiny izay mirotsaka avy amin’ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo.

  • Inona no dikan’ny hoe “fa tsy ho noana na hangetaheta na oviana na oviana ny fanahiny fa hovokisana kosa”?

  • Tamin’ny fomba ahoana no nanomezan’ny fandraisana ny Fanasan’ny Tompo anao fahafaham-po teo amin’ny hanoanana sy ny hetahetanao ara-panahy?

  • Ahoana no mety hanampian’ny fandraisana ny fanasan’ny tompo amim-panetrentena sy amim-pankasitrahana antsika mba hahatsiaro kokoa ny Mpamonjy mandritra ny andro sisa amin’ny herinandro?

Asao ny mpianatra handinika ny fitondratenan’izy ireo mandritra ny fizarana ny fanasan’ny Tompo rehefa izany ny mpianatra iray hamaky mafy ity teny manaraka nataon’ny Loholona Dallin H. Oaks ity:

Loholona Dallin H. Oaks

“Mandritra ny fivoriana fanasan’ny Tompo—ary indrindra mandritra ny fizarana ny fanasan’ny Tompo—dia tokony hifantoka amin’ny fivavahana sy tsy hanao zavatra hafa isika, indrindra amin’ny fitondrantena izay mety hanelingelina amin’ny fitsaohan’ny hafa. … Ny fivoriana fanasan’ny Tompo dia tsy fotoana famakiana boky na gazetiboky. Ry tanora, tsy fotoana fibitsibitsihana amin’ny finday na fandefasana hafatra any amin’olona any amin’ny toerana hafa izany. Rehefa mandray ny fanasan’ny Tompo isika dia manao fanekempihavanana masina fa hahatsiaro mandrakariva ny Mpamonjy. Tena mampalahelo ny mahita ireo olona izay mandika tsy amim-pihambahambana izany fanekempihavanana izany ao anatin’izany fivoriana indrindra izany izay hanaovan’izy ireo izany” (“Fivoriana fanasan’ny Tompo sy ny Fanasan’ny Tompo,” Ensign na Liahona, nôv. 2008, 18–19).

Rehefa mandinika ny filàn’ireo mpianatrao sy ny bitsiky ny Fanahy ianao, dia azonao atao ny mamaky ny Marka 14:37 miaraka amin’izy ireo ary milaza fa ny fampiharana iray an’io andininy io ho antsika dia ny hialana amin’ireo fieritreretana zavatra hafa rehetra ary hifantoka amin’ny Tompo tanteraka isaky ny herinandro rehefa mivavaka ao amin’ny fivoriana fanasan’ny Tompo isika.

Asao ireo mpianatra handinika ny zavatra afaka ataony mba hananany traikefa masina kokoa rehefa mandray ny fanasan’ny Tompo. Anontanio raha misy amin’izy ireo te hizara ny fijoroan’izy ireo ho vavolombelona momba ny maha-manan-danja ny andro Sabata sy ny fanasan’ny Tompo. Zarao ny fijoroanao ho vavolombelona fa ny Tompo dia hitahy antsika amin’ny Fanahiny rehefa manaja ny fanekempihavanan’ny batisantska isika ary miezaka ny hahatsiaro azy mandrakariva.

Vakitenin’ny Mpianatra