Seminera sy Institiota
Lesona 15: Ho fitaovana eo am-pelatanan’ Andriamanitra


Lesona 15

Ho fitaovana eo am-pelatanan’ Andriamanitra

Fampidirana

Hafatra mitondra fiadanana anatin’ny tontolo feno korontana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Afaka mizara ny filazantsara sy manampy ny hafa hiova fo ireo izay fitaovana eo am-pelatanan’ Andriamanitra. Handalina sy hampihatra ireo fitsipika avy amin’ny tantaran’ireo misiônera ao amin’ny Bokin’i Môrmôna, izay tonga fitaovana teo am-pelatanan’ Andriamanitra sy nanampmy ny hafa hahazo ny fiainana mandrakizay ireo mpianatra ato amin’ity lesona ity.

Vakiteny Enti-mandalina

  • M. Russell Ballard, “Matokia an’i Jehovah,” Ensign na Liahona, nôv. 2013, 43-45.

  • Don R. Clarke, “Becoming Instruments in the Hands of God,” Ensign na Liahona, nôv. 2006, 97–99.

Sosokevitra Enti-mampianatra

1 Nefia 13:37; Môsià 15:14–19, 26–28

Ampanantenaina fitahiana ireo izay mizara ny filazantsara

Soraty eo amin’ny solaitrabe ny teny nambaran’ny Mpaminany Joseph Smith (1805–44) manaraka ity avy ao amin’ny Teachings of Presidents of the Church: Joseph Smith (2007), 330:

“Ankoatr’izay rehetra efa voalaza dia ny andraikitra lehibe sy manan-danja indrindra dia ny mitory ny filazantsara.” (Ny Mpaminany Joseph Smith)

Asao hamaky mangina izany teny izany ireo mpianatra. Manontania avy eo hoe:

  • Nahoana no andraikitra lehibe ho antsika ny mizara ny filazantsara amin’ny hafa?

  • Inona ireo fitahiana noraisinao avy tamin’ny fanekena sy fanantanterahana ity andraikitra ity?

Hazavao fa efa hitan’i Nefia mialoha ny Famerenana ny filazantsara amin’ny laoniny sy ny fivoahan’ny Bokin’i Môrmôna (jereo ny 1 Nefia 13:34–36). Namaritra ireo fitahiana voaomana ho an’ireo izay mitory ny filazantsara sy manampy ny hafa hanatona an’i Kristy koa izy.

Asao hamaky am-pahanginana ny 1 Nefia 13:37 ireo mpianatra ary entano izy ireo hanisy marika na hanipika ireo fitahiana nampanantenaina ho an’ireo izay mikatsaka ny hizara ny filazantsara amin’ny andro farany.

  • Inona ireo fitahiana hirotsaka amin’ireo izay mikatsaka hitory an’i Ziona sy hanambara fiadanana? (Tokony hahatakatra izao fitsipika manaraka izao ny mpianatra: Voatahy amin’ny Fanahy Masina sy afaka ny voavonjy ao amin’ny fanjakan’ Andriamanitra isika raha toa ka mikatsaka ny hitory ny filazantsara.)

Lazao ireo mpianatra fa nanambara ny tenin’Isaia i Abinadia ary nanazava ny dikan’ny hoe manambara fiadanana sy ny antony tokony hikatsahana hizara ny filazantsara (jereo ny Isaia 52:7). Manasà mpianatra vitsivitsy hifandimby hamaky mafy ny Môsià 15:14–19, 26–28 raha toa ka hijery ny zavatra nampianarin’i Abinadia kosa ireo ambiny.

  • Inona no dikan’ny hoe nanambara fiadanana sy famonjena? (Jereo ny andininy 14.)

  • Nahoana no ilaina toriana amin’ny firenena, foko, fiteny ary olon-drehetra ny famonjena?

Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra bebe kokoa ity tenin’i Abinadia ity dia asao ny mpianatra iray hamaky ity fanambarana manaraka nataon’ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity:

Sary
Loholona Jeffrey R. Holland

“Fiadanana sy teny soa mahafaly; teny soa mahafaly sy fiadanana. Ireo dia anisan’ireo fitahiana faratampony izay entin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy eto amin’ity tontolo mikorontana sy vahoaka sahiran-tsaina izay miaina eto aminy ity, vahaolana amin’ireo olana atrehan’ny tena manokana sy ny fahotan’ny olombelona, loharanon’ny tanjaka amin’ny andron’ny fahatrotrahana sy fotoan’ny fahakiviana tsy hita pesipesenina. … Ilay Hany Zanakalahitokan’ Andriamanitra mihitsy no manome antsika ity fanampiana sy fanantenana ity. …

“Ny fahazoana ny fiadanana no fikatsahana tsy misy fiafarana ataon’ny olombelona. … Misy fotoana eo amin’ny fiainantsika manontolo izay mahatonga antsika hikatsaka fiadanana avy amin’ny alahelo na fijaliana na tahotra na ny fanirery lalina, izay Andriamanitra irery ihany no afaka manome azy. Fotoan’ny hanoanana lalina ara-panahy izany ka na ny namana lalaina indrindra aza dia tsy mahafeno ilay fanampiana feno ilaina” (“The Peaceable Things of the Kingdom,” Ensign, nôv. 1996, 82).

  • Amin’ny lafiny ahoana no maha-hafatry ny fiadanana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy?

Mba hanampiana amin’ny famaliana ity fanontaniana ity dia hevero ny hidinika ny teny nambaran’ny Filoha Marion G. Romney (1897--1988) tao amin’ny Fiadidiana Voalohany ity:

Sary
Filoha Marion G. Romney

“Mitaky ny fanafoanana ny fisarihan’i Satana ny fahazoana ny fiadanana. Izay misy azy dia tsy hahitana fiadanana velively. Raha ambara lalindalina kokoa dia hoe tsy misy afaka miara-mitoetra am-piadanana aminy. … Tsy mamporisika afa-tsy ny asan’ny nofo izy. …

“Ho fialohavan’ny fiadanana, noho izany, dia tsy maintsy voafehy tanteraka ny fitaoman’i Satana. …

“Satria mihatra manerana ny tontolo rehetra ny asan’ny nofo dia toy izany koa ny filazantsaran’ny fiadanana. Raha miaina izany ny olona iray doa manana fiadanana ao anatiny izy. Raha miaina izany ny olona roa dia samy manana fiadanana ao anatiny izy tsirairay avy ary eo amin’izy ireo koa izany. Raha miaina izany ny olom-pirenena rehetra dia hisy fiadanana anatin’ny firenena iray. Rehafa misy maro ireo firenena miaina ny vokatry ny Fanahy mba hifehezana ny raharaha eto amin’izao tontolo izao, dia amin’izay ary izay ihany, vao hangina ny akon’ireo ady maro” (“The Price of Peace,” Ensign, Ôkt. 1983, 4, 6).

  • Oviana ianao no nahita ny filazantsara nitondra fiadanana teo amin’ny fiainan’ny olona iray?

  • Ahoana avy ireo fomba izay azontsika hizarana ny filazantsara amim-pahombiazana?

Amporisiho ireo mpianatra hieritreritra olom-pantatra izay afaka ampiany hiaina ny fiadanana izay avy amin’ny filazantsara. Asao hanomboka hanao drafitra entina hizarana ny filazantsara amin’izany olona izany izy ireo ary amporisiho hieritreritra ny fomba ampiharana ireo fitsipika nianarany nandritra ny fizotran’ity lesona ity.

Môsià 28:3; Almà 17:2–3, 6, 9–12, 16, 25; 18:10; 21:16; 22:1, 12–14; 26:11–12, 26–29; 31:30–34

Ho fitaovana eo am-pelatanan’ Andriamanitra

Sary
vehivavy iray mitendry lokanga
Sary
clef à molette maromaro
Sary
fitaovana fizaham-pahasalamana

Hevero ny hampisehoana amin’ireo mpianatra iray na ireo sary voalaza etsy ambony rehetra (lokanga, fitaovana amidy, fitaovana amin’ny lafiny fahasalamana) na sary mitovitovy amin’izany. Manontania avy eo hoe:

  • Inona no afaka ataon’ireo fitaovana ireo raha eny am-pelatanan’ireo mahay mampiasa azy?

  • Inona no dikan’ny hoe fitaovana eo am-pelatanan’ Andriamanitra?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Almà 17:2–3, 9–11. Asaivo karohin’ireo mpianatra ny zavatra nataon’ny zanakalahin’i Môsià izay nahatonga azy ireo ho fitaovana teo am-pelatanan’ Andriamanitra.

  • Inona no azontsika ianarana avy amin’ny ohatr’ireo zanakalahin’i Môsià mikasika ny fomba nahatongavany ho fitaovana teo am-pelatanan’ Andriamanitra? (Eo am-pamalian’ny mpianatra izany dia soraty eo amin’ny solaitrabe izao fitsipika manaraka izao: Afaka ny ho tonga fitaovana eo am-pelatanan’ Andriamanitra isika rehefa mivavaka, mifady hanina, mandalina ny soratra masina ary maneho ohatra tsara ho an’ny hafa.)

Hazavao fa ny Bokin’i Môrmôna dia mirakitra ohatra maro hafa an’ireo zavatra nataon’i Almà sy ireo zanakalahin’i Môsià ka nahatonga azy ireo ho fitaovana mahomby teo am-pelatanan’ Andriamanitra. Soraty eo amin’ny solaitrabe ireto andian-tsoratra masina manaraka ireto (tsy asiana ny famintinana miaraka aminy anaty fonon-teny). Omeo andininy iray na mihoatra avy ny mpianatra tsirairay. Asaivo jeren’ireo mpianatra ny zavatra nataon’ireo mpanompon’ny Tompo izay nitondra fahombiazana teo amin’ny fizaran’izy ireo ny filazantsara.

Môsià 28:3 (Naniry hanambara ny famonjena ka tsy hisy fanahy ho very.)

Almà 17:6 (Nahafoy an-tsitrapo ny voninahitr’izao tontolo izao mba hahafahana mitory ny filazantsara.)

Almà 17:11–12 (Naharitra, be herimpo ary ohatra tsara.)

Almà 17:16 (Naniry hanampy ny hafa hibebaka sy hianatra ny drafitry ny fanavotana.)

Almà 17:25; 18:10 (Naniry ny ho tonga mpanompo.)

Almà 21:16; 22:1 (Notarihan’ny Fanahy.)

Almà 22:12–14 (Nampianatra mikasika an’i Kristy sy ny drafitry ny fanavotana avy tao amin’ny soratra masina.)

Almà 26:11–12 (Nanetry tena, nanaiky fa Andriamanitra no loharanon-kerin’izy ireo.)

Almà 26:26–29 (Tsy nilavo lefona nandritra ny fahakiviany. Nanolotra an-tsitrapo ny ainy mba hijaly noho ny asan’i Kristy. Nampianatra ny filazantsara tanatin’ny toe-javatra maro.)

Almà 31:30–34 (Nivavaka mba hahazo fanampiana entina hitarihana ny hafa hanatona an’i Kristy.)

Rehefa avy nanome fotoana ampy ho azy ireo dia asao ireo mpianatra hizara izay zavatra nianarany. Azo atao ny mamintina ny valintenin’ireo mpianatra amin’ny alalan’ny fanoratana ny famintinana ny andinin-tsoratra masina eo amin’ny solaitrabe. Afaka mamporisika ireo mpianatra hanoratra ireo andinin-tsoratra masina ianao, ary aorian’ny fotoam-pianarana dia hanao lisi-tsoratra masina ampitondraina ny anarana hoe “Singa manan-danja amin’ny fizarana ny filazantsara.”

  • Raha efa nanana fahafahana nizara ny filazantsara tamin’ny hafa ianao dia azonao zaraina ve nytraikefanao na ny fijoroana ho vavolombelona anananao amin’ireo singa nampiasainao ka nahitanao fahombiazana?

  • Ahoana no fomba ampiharana ireo fitsipika voarakitra ao amin’ireo andian-tsoratra masina ireo amin’ny antso hafa na eo amin’ny maha-namana na mpifanolobodirindrina tsara?

  • Oviana ianao no nanana fahafahana ho fitaovana teo am-pelatanan’ Andriamanitra nentina nanampiana ny hafa?

Almà 18:33–35; 23:5–6; 26:2–5, 15; 29:9–10

Manampy ireo hafa hiova fo

Ampahatsiahivo ireo mpianatra fa ankoatra ny fampianarana antsika fa afaka ny ho tonga fitaovana eo am-pelatanan’ Andriamanitra isika dia mampianatra antsika ny vokatra mety entintsika eo amin’ny hafa amin’ny maha-fitaovana antsika koa ny Bokin’i Môrmôna.

Asao hamaky mafy ny Almà 18:33–35 ny mpianatra iray ary ireo ambiny kosa hikaroka ny zava-bitan’i Amôna tamin’ny naha-fitaovana teo am-pelatanan’ Andriamanitra azy. Asao hamintina ny zavatra hitany ao anatin’ny teny mifono fitsipika ireo mpianatra. (Ampio ny mpianatra mba hahita ity fitsipika manaraka ity: Mampanantena antsika hery entina hanampiana ny hafa hahafantatra ny fahamarinana Andriamanitra rehefa tonga fitaovana eo am-pelatanany isika.)

Mba hanampiana ireo mpianatra hahita ny vokatry ny fanampiana ny hafa hahafantatra ny fahamarinana dia asao hamaky amim-pahanginana ny Almà 23:5–6 izy ireo. Asaivo mikaroka ny zavatra nitranga tamin’ireo Lamanita tamin’ny nahafantarany ny fahamarinana ireo mpianatra.

  • Inona ireo teny na andianteny mamariparitra ny vokatry ny fitoriana ny filazantsara teo amin’ireo Lamanita?

  • Inona no fitsipika azontsika ianarana avy amin’ny zava-nitranga rehefa nitondra ny hafa teo amin’ny fahafantarana ny faharimanana isika? (Tokony hahita izao fahamarinana manaraka izao ny mpianatra: Manampy azy ireo hiova fo ao amin’ny Tompo isika rehefa mitondra ny hafa amin’ny fahafantarana ny fahamarinana.)

Hazavao fa samy nijoro ho vavolombelona ny amin’ireo fahamarinana ireo na i Almà na i Amôna. Asaivo mamaky mafy ny Almà 26:2–5, 15 sy ny Almà 29:9–10 ireo mpianatra vitsivitsy raha toa ka hikaroka ny vokatra afaka entintsika amin’ireo hafa rehefa mizara ny filazantsara amin’ny maha-fitaovana eo am-pelatanan’ Andriamanitra antsika kosa ireo mpianatra ambiny.

  • Inona no nanaitra anao tamin’ny fahatsapana novoamboasan’i Amôna sy i Almà?

Asao hizara ny zavatra niainany teo am-pizaran’izy ireo ny filazantsara tamin’ny hafa ireo mpianatra.

Entano hisaintsaina ireo fahafahana ananany hanampy ny hafa hianatra ny filazantsara sy hiova fo ireo mpianatra. Asao izy ireo handinika ny fomba hampifandraisana ireo fitsipika sy fampiharana nianaran’izy ireo tato amin’ity lesona ity eo amin’ny ezaka isan’andro ataon’izy ireo hizara ny filazantsara.

Vakitenin’ny Mpianatra

Hamoaka printy