Seminera sy Institiota
Lesona 5 Ny Sorompanavotana tsy manam-petran’i Jesoa Kristy


Lesona 5

Ny Sorompanavotana tsy manam-petran’i Jesoa Kristy

Fampidirana

Ny orompanavotan’i Jesoa Kristy—izay zava-nitranga lehibe tsy nisy toy izany—dia nanome fahafahana ny olona ho voavela amin’ny heloka sy hitoetra miaraka amin’ny Ray any An-danitra sy iS Jesoa Kristy mandrakizay. Amin’ny alalan’ny Sorompanavotana dia hitsangana amin’ny maty daholo ny rehetra ary hiverina eo anoloan’ Andriamanitra mba ho tsaraina. Koa atria ny Sorompanavotana nitaky ny fijalian’i Jesoa Kristy tamin’ny fomba maro tsy voatanisa, dia manana fahatakarana amin’ny fahaiza-miory tonga lafatra amintsika Izy.

Vakiteny Enti-mandalina

Sosokevitra Enti-mampianatra

Mosià 3:5–11; Alma 34:8–12

I Jesoa Kristy irery ihany no afaka nanatontosa ny Sorompanavotana tsy manam-petra

Asehoy ary asao ny mpianatra iray hamaky mafy ity fanambarana manaraka nataon’ny Filoha James E. Faust (1920-2007) tao amin’ny Fiadidiana Voalohany ity:

Sary
Filoha James E. Faust

“Te hireska mikasika ny zavatra lehibe indrindra nitranga teo amin’ny tantara rehetra aho. Izany zava-nitranga iray izany dia ny Sorompanavotana tsy manan-tsahala nataon’ny Tompo sy Mpamonjy, Jesoa Kristy. Izany dia ny asa tsara indrindra izay tsy mbola nisy hatrizay” (“The Atonement: Our Greatest Hope,” Ensign, nôv. 2001, 18).

Asao ny mpianatra roa na telo hifanesy hamaky mafy ny Almà 34:8-12 raha toa kosa ireo mpianatra ambiny hanisy marika ny teny manan-danja sy andianteny izay mampiseho hoe nahoana ny Sorompanavotana no zavatra nitranga lehibe indrindra teo amin’ny tantara.

  • Nahoana ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy no zava-nitranga lehibe indrindra hatrizay? (Hamafiso ity fahamarinana ity: Ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy dia mandrakizay sy tsy misy farany, ary manome fahafahana ny olona rehetra hahazo famonjena.)

Zarao izao teny manaraka izao izay nataon’ny Filoha Russell M. Nelson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

Sary
Filoha Russell M. Nelson

“Notakiana ny sorompanavotana tsy manam-petra iray mba hamonjena an’i Adama, i Eva, sy ny taranak’izy ireo rehetra. … Araka ny lalàna mandrakizay dia mitaky ny fanaovana sorona manokana ataon’ny olona iray tsy mety maty izany sorompanavotana izany. Tsy maintsy maty Izy ary mamerina indray ny vatany. Ny Mpamonjy irery ihany no afaka nanatanteraka izany. Nandova ny hery mba ho faty avy amin’ny reniny Izy. Nahazo hery handresena ny fahafatesana avy amin’ny Rainy Izy” (“Constancy amid Change,”Ensign, nôv. 1993,34

  • Nahoana no i Jesoa Kristy no ilay hany afaka nanavotra ny olon-drehetra? (Olona tsy mety maty tsy iharam-pahafatesana izy.)

  • Amin’ny fomba ahoana no maha--tsy manam-petra sy mandrakizay ny sorona fahafoizan-tena nataon’i Jesoa Kristy?

Mba hanampiana amin’ny famaliana ity fanontaniana ity dia asehoy izao fanambarana nataon’ny Filoha Russell M. Nelson manaraka izao, ary asao ny mpianatra iray hamaky mafy izany:

Sary
Filoha Russell M. Nelson

“Tsy manam-petra—tsy manam-piafarana ny Sorompanavotan’i [Jesoa Kristy]. Tsy manam-petra ihany koa izany amin’ny hoe hovonjena amin’ny fahafatesana tsy manam-piafarana ny olombelona rehetra. Tsy manam-petra izany raha ny fijaliany lehibe no resahina. … Tsy manam-petra amin’ny halehibeazany izany—zavatra izay natao indray mandeha ary ho an’ny rehetra. Ary tsy natao ho an’ny olona tsy tambo ho isaina fotsiny ihany ny famindram-pon’ny Sorompanavotana fa natao ho an’ny tontolo tsy tambo ho isaina izay noforoniny ihany koa. Tsy manam-petra izany mihoatra ny fitaovam-pandrefesana rehetra nataon’ny olombelona na mihoatra ny fahatakaran’olombelona” (“The Atonement,” Ensign, nôv. 1996, 35).

Hazavao fa tamin’ny faran’ny fanjakany, ny Mpanjaka Benjamina dia nampianatra ny olony fa nisy anjely iray nanambara taminy ny hafatry ny “vaovao mahafaly sy fifaliana lehibe” izay mety hahatonga ny olona ho “feno hafaliana” (Môsià 3:2-4). Asao ny mpianatra vitsivitsy hifanesy hamaky mafy ao amin’ny Môsia 3:5-11 ary ny mpianatra ambiny kosa manaraka ny vakiteny ary hikaroka ireo “vaovao mahafaly” izay nofaritan’ny Mpanjaka Benjamina.

  • Inona amin’ireo hafatra ao amin’ireo andininy ireo araka ny hevitrao no mety nahatonga ny vahoakan’ny Mpanjaka Benjamina ho feno hafaliana? (Rehefa avy mamaly ny mpianatra dia hamafiso fa nahatonga ny famonjena ho tanteraka i Jesoa Kristy.)

  • Inona ireo teny na andianteny izay mamaritra ny vidin’ny famonjena antsika izay naloan’i Jesoa Kristy?

Asao ny mpianatra iray hamaky ity teny nambara manaraka ity izay nataon’ny Loholona James E. Talmage (1862-1933) ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

Sary
Loholona James E. Talmage

“Ny fijalian’i Kristy tao amin’ilay saha dia tsy takatry ny sain’olombelona, na ny hamafiny na ny antony. … Nitolona sy nitaraina Izy teo ambanin’ny zioga iray izay tsy vitan’ny olona hafa efa niaina teto an-tany akory ny misaintsaina izany. Tsy fanaintainana ara-batana izany, na fahorian-tsaina fotsiny, izay nahatonga azy hiaritra fijalijaliana toy izany izay nampivoa-dra ny mason-kodiny rehetra; fa fijaliana ara-panahy izay tsy azon’iza na iza niaretana afa-tsy Andriamanitra irery ihany. Tsy misy olona hafa, na dia manana hery goavana ara-nofo sy faharetany ara-tsaina aza, no afaka hijaly toy izany” (Jesus le Christ,3ème ed. [1916], 613)

  • Inona ireo fahatsapana sy eritreritra izay tsapanao rehefa misaintsaina ny halehibean’ny fijalijalian’i Jesoa Kristy ho antsika?

2 Nefia 9:6–12, 20–22

Nandresy ny fahafatesana ara-batana sy ara-panahy i Jesoa Kristy

Asao ireo mpianatra haka sary an-tsaina ny mety hitranga raha toa ka tsy nisy Sorompanavotana. Mba hanampiana ireo mpianatra haka sary an-tsaina ny mety hitranga eo amin’ny olombelona raha toa ka tsy nisy Sorompanavotana dia asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny 2 Nefia 9:6–9. Asao ny iray kilasy hanaraka ny vakiteny ary hikaroka ireo andianteny izay mamaritra ny mety ho fiafarantsika raha toa ka tsy nisy Sorompanavotana.

  • Araka ny mpaminany Jakôba, inona no mety ho zava-nitranga tamin’ny vatantsika raha toa ka tsy nisy Ssorompanavotana? Inona no mety hitranga tamin’ny fanahintsika?

Ampahatsiahivo ireo mpianatra fa ny ivon’ny hafatry ny filazantsara dia ny mampahafantatra fa tsy mila mandalo izany zava-nitranga mahatsiravina izany isika noho ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy.

Asao ny mpianatra roa hifanesy hamaky mafy ao amin’ny 2 Nefia 9:10–12, 20–22 ary ireo mpianatra ambiny kosa hikaroka ireo fomba izay hanafahana antsika amin’ny fahafatesana ara-nofo sy ara-panahy.

  • Inona ireo fomba izay natolotra antsika mba hahafahantsika miala amin’ny fahafatesana ara-panahy sy ara-nofo? (Ampio ny mpianatra mba hamintina izao fotopampianarana izao: I Jesoa Kristy dia nandresy ny vokatry ny fahafatesana ara-nofo sy ara-panahy tamin’ny alalan’ny Sorompanavotany.)

  • Inona no ampianarin’ireo andinin-tsoratra masina ireo mikasika ireo fitahian’ny Fitsanganana amin’ny maty? (Ny vatantsika ara-nofo sy ny fanahintsika dia hatambatra mandrakizay. Entina miverina eo anatrehan’ Andriamanitra isika mba hotsaraina.)

Asehoy ity fanambarana nataon’ny Loholona D. Todd Christofferson avy ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity, ary asao ny mpianatra iray hamaky izany mafy:

Sary
Loholona D. Todd Christofferson

“Tamin’ny alalan’ny Sorompanavotany sy ny Fitsanganany tamin’ny maty no nandresen’i Jesoa Kristy ny lafiny rehetra amin’ny Fahalavoana. Ho fotoana fohy ihany ny fahafatesan’ny vatana, ary na dia ny fahafatesam-panahy aza dia hanam-petra satria ny rehetra dia hiverina ho eo anatrehan’ Andriamanitra, farafahakeliny mandritra ny fotoana fohy, mba ho tsaraina” (“Ny fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty,” Ensign na Liahona, mey 2014, 112).

  • Oviana ianao no nahatsapa fankasitrahana fa i Jesoa Kristy dia nandresy ny fahafatesana ara-nofo sy ara-panahy?

Môsià 3:11, 16; 15:7–9; Almà 7:11–13; Môrônia 8:8–12; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 137:7–9

Manolotra fanavotana ho an’ny olona rehetra i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny Sorompanavotany.

Ampahatsiahivo ny mpianatra fa ankoatra ny famonjena ny olona rehetra amin’ny fahafatesan’ny vatana sy fahafatesana ara-panahy nateraky ny Fahalavoana, dia afaka manavotra antsika amin’ny fahafatesana ara-panahy nateraky ny fahotantsika manokana i Jesoa Kristy. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Môsià 15:7-9, ary mandritra izany ny iray kilasy hikaroka ny fomba nataon’i Kristy mba hahatanteraka ny fanavotana antsika amin’ny otantsika.

  • Inona no ampianarin’ireo andinin-tsoratra masina ireo mikasika ny fomba nataon’i Kristy mba hahatanteraka ny fanavotana antsika tamin’ny otantsika? (Hamafiso ity fotopampianarana ity: Nanapaka ny fatotry ny fahafatesana i Jesoa Kristy ary nitondra manokana teo Aminy ny helotsika mba hanonerana ny fitakian’ny fahamarinana ary mba hahazoana hery hanao ny fanalalanana ho antsika.)

  • Inona no dikan’ny teny hoe: fanalalanana? (Ny fanalalanana dia ny fidirana an-tsehatra eo anelanelan’ny antokon’olona roa mba hanampiana azy ireo hihavana amin’ny tsy fitovian-kevitra misy. Eto dia i Jesoa no ho mpanalalana antsika sy Andriamanitra mba hampihavanana antsika tamin’ny fifandraisana izay tapaka noho ny otantsika.)

Hazavao fa ny Bokin’i Môrmôna dia manampy antsika ahatakatra ny fomba hamonjen’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy ireo zazakely sy ireo olona izay efa nodimandry tsy nandray ny filazantsara na tsy vita batisa.

Asao ny ampahany amin’ireo mpianatra mba hamaky mangina ny Môsià 3:16,ary ampifandray izany amin’ny soratra masina ao amin’ny Môrônia 8:8-12. Ary ny ampahany hafa amin’ireo mpianatra hamaky mangina ny Môsià 3:11 ary ampifandray izany amin’ny soratra masina ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 137:7–9.

  • Inona no ampianarin’ireo andininy ireo mikasika ny famonjena ny zaza izay nodimandry ka tsy vita batisa?

  • Inona no ampianarin’ireo andininy ireo mikasika ny famonjena ireo izay “efa maty tsy nahalala ny sitrapon’ Andriamanitra”? (Môsià 3:11).

Lazao ny mpianatra fa tamin’ny alalan’ny Sorompanavotana, ny Mpamonjy dia nahazo fahamoram-po tonga lafatra mba hahatakarany ny momba antsika sy hanampiany antsika amin’ireo fanambin’ny fiainana mety maty. Asao ireo mpianatra hikaroka ny Almà 7:11–13 ary hitady ireo teny izay mamaritra ny fanambin’ny fiainana mety maty izay niainan’i Jesoa Kristy izay ampahan’ny Sorompanavotana. Eo am-pizaran’ireo mpianatra ireo zavatra hitany dia soraty eny amin’ny solaitrabe ireto teny manaraka ireto: fanaintainana, fahoriana, fakam-panahy, aretina, fahafatesana, rofy (fahalemena na tsy fahaiza-manao), ary fahotana. Mariho fa ny andianteny hoe “isan-karazany” ao amin’ny Almà 7:11, ary asao ireo mpianatra mba hizara ireo ohatra amin’ireo zavatra isan-karazany voatanisa eny amin’ny solaitrabe.

Tondroy fa ilay andian-teny hoe “nitondra teo aminy” dia miverina im-betsaka ao amin’ny andininy 11-13. (Fanamarihana: Ny famantarana ny fiverimberenana dia fahaiza-mandalina soratra masina izay azonao antitranterina eto. Ny fahitana ireo fiverimberenan-tsoratra masina dia afaka manampy ireo mpianatra hamantatra ireo hevi-dehibe ao anatin’ny zavatra izay asongadina.)

  • Araka ny andininy 11-12, nahoana i Jesoa Kristy no nitondra teo aminy ny fanaintainantsika, ny aretintsika, ny rofintsika sy ireo zavatra hafa voatanisa eo amin’ny solaitrabe? (Ampio ireo mpianatra hahita ity fitsipika ity: Ny Mpamonjy dia nitondra teo Aminy ny fanaintainantsika, ny aretintsika, ary ny rofintsika mba hahafahany manampy antsika rehefa miatrika ireo fanambin’ny fiainana mety maty isika.)

Asehoy ity fanambarana nataon’ny Loholona Jeffrey R. Holland avy ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo manaraka ity, ary miangavia mpianatra iray hamaky mafy izany:

Sary
Loholona Jeffrey R. Holland

“Mijoro ho vavolombelona aho fa tsy manaisotra fotsiny ihany ny enta-mavesatry ny fahotantsika ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy, fa ny enta-mavesatry ny fahadisoam-panantenantsika sy ny alahelontsika, ary ny aretim-pontsika na ny fahakiviantsika koa [jereo ny Almà 7:11–12]. Hatrany am-piandohana, ny fahatokiana ny fanampiana toy izany dia natao hanome antsika antony iray sy hanome antsika lalana iray hivoarana, zavatra mamporisika antsika hanaisotra ny enta-mavesatsika ka hiasa ho amin’ny fanavotana antsika” (“Broken Things to Mend,” Ensign na Liahona, mey 2006, 70–71).

  • Ahoana no afaka mitondra fiantraikany eo amin’ny fihetsikao sy ny fomba fijerinao mandrakizay ny fahatokiana amin’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy?

  • Ahoana no ahafahan’ny fahatakarana ireo fahamarinana ao amin’ny Almà 7:11–13 ireo hanampy anao rehefa miatrika fanamby ianao?

Asao ireo mpianatra mba hizara ireo traikefan’izy ireo izay nahatsapany ny herin’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy teo amin’ny fiainan’izy ireo (ampitandremo izy ireo tsy hizara zavatra izay masina indrindra na tsy fizara amin’ny rehetra).

Asao ireo mpianatra hanoratra izay afaka ataony mba hahafahany hampihatra tsara kokoa ny hery fanasitranana sy fankaherezan’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy eo amin’ny fiainan’izy ireo. Asao izy ireo hanatanteraka ireo fahatsapany nosoratany.

Vakitenin’ny Mpianatra

Hamoaka printy