Seminera sy Institiota
Lesona 6 Nosoratana ho an’ izao androntsika izao ny Bokin’i Môrmôna


Lesona 6

Nosoratana ho an’ izao androntsika izao ny Bokin’i Môrmôna

Fampidirana

Ny Bokin’i Môrmôna sy ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny dia anisan’ny “ zava-mahagaga sy mahatalanjona” nataon’ Andriamanitra amin’izao andro farany izao (2 Nefia 25:17). Koa satria mirakitra ny fahafenoan’ny filazantsara ny Bokin’i Môrmôna , noho izany dia mitana anjara asa lehibe amin’ny fialana amin’ny apôstazia izany ary eo amin’ny fitondrana ireo fanahy ho eo amin’i Kristy. Ity lesona ity dia manamafy fa ity rakitsoratra masina ity dia nosoratan’ireo mpanoratra nentanim-panahy izay nahita ny androntsika.

Vakiteny Enti-mandalina

  • Jeffrey R. Holland, “Fiarovana ho an’ny fanahy,” Ensign na Liahona, nôv. 2009, 88–90.

  • “Famenoana ny tany sy ny fiainantsika amin’ny Bokin’i Môrmôna,” Toko faha 10 ao amin’ny Enseignements des Présidents de l’Eglise: Ezra Taft Benson (2014), 137-45.

Sosokevitra Enti-mampianatra

2 Nefia 27:6, 29–30, 35; 3 Nefia 29:1–2; Mosesy 7:62; Joseph Smith—Tantara 1:34

Ny asan’ny Bokin’i Môrmôna amin’ny andro farany

Hazavao amin’ireo mpianatra fa ny Bokin’i Môrmôna dia mirakitra ireo faminaniana fa hisy ny faharatsiana sy ny apôstazia eto an-tany amin’ny andro farany (jereo 2 Nefia 27:1, 4-5). Mirakitra ihany koa ny vahaolana naroson’ny Tompo mahakasika ireo olana ireo ny Bokin’i Môrmôna. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny 2 Nefia 27:6, 29-30, 35 ary ireo mpianatra ambiny kosa hikaroka ny vahaolana naroson’ny Tompo.

  • Araka ireo andininy ireo, inona no ho ataon’ny Tompo amin’ny andro farany mba hanoherana ny faharatsiana sy ny apôstazia?

  • Amin’ny fomba ahoana no hanoloran’ny Bokin’i Môrmôna vahaolana amin’ny faharatsiana amin’ny andro farany?

Lazao ireo mpianatra fa i Môrmôna dia nandrakitra faminaniana iray mikasika ny asa iray fanampiny izay hazonin’ny Bokin’i Môrmôna amin’ny andro farany. Omeo minitra vitsivitsy ireo mpianatra mba handalinany ny 3 Nefia 29:1–2 sy hikaroka izany faminaniana izany. Azonao atao ny milaza fa ny andianteny hoe “ ireto filazana ireto” dia milaza ireo soratra ao amin’ny Bokin’i Môrmôna.

  • Inona no asa manan-danja izay manomboka hatramin’ny fivoahan’ny Bokin’i Môrmôna? (Ny fanangonana an’Isiraely.)

Hazavao fa ny Filoha Ezra Taft Benson (1899-1994) dia namaritra fa ny asa fototry ny Bokin’i Môrmôna dia ny famerenana amin’ny laoniny ny filazantsara sy ny fiatombohan’ny asan’ny Tompo amin’ny andro farany. Asao ny mpianatra iray hamaky izao fanambarana manaraka izao:

Sary
Filoha Ezra Taft Benson

“Navoaka andro vitsivitsy talohan’ny nanorenana ny Fiangonana ny [Bokin’i Môrmôna]. Nomena ny Olomasina mba hovakian’izy ireo ny Bokin’i Môrmôna talohan’ny nanomezana ireo fanambarana manazava ny fotopampianarana lehibe toy ny fanjakam-boninahitra telo, ny fanambadiana selestialy na ny asa atao ho an’ireo nodimandry. Tonga talohan’ny kôlejin’ny fisoronana sy ny fanorenana ny Fiangonana izany. Moa ve izany tsy maneho amintsika ny fanomezan’ny Tompo lanja ity asa masina ity?” (“Ny Bokin’i Môrmôna—Vato ifaharan’ny finoantsika,”Ensign, nôv. 1986, 4).

  • Nahoana araka ny eritreritrao no nialoha ireo tranga manan-danja maro hafa ao amin’ny famerenana amin’ny laoniny ny fivoahan’ny Bokin’i Môrmôna ary tena ivon’ny asan’ny Tompo amin’ny fanangonana an’Isiraely sy ny fanoherana ny faharatsiana amin’ny andro farany?

Mba hanampiana ny mpianatra hamaly io fanotaniana io diaasao hamaky mafy ny Joseph Smith—Tantara 1:34 ny mpianatra iray. Asao ny mpianatra rehetra hikaroka ny zavatra raketin’ny Bokin’i Môrmôna.

  • Inona no raketin’ny Bokin’i Môrmôna? (Ampio ny mpianatra mba hamantatra izao fahamarinana manaraka izao: Ny Bokin’iMôrmôna dia mirakitra ny fahafenoan’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.)

  • Inona no dikan’ny fanambaran’i Môrônia fa ny Bokin’i Môrmôna dia mirakitra ny “fahafenoan’ny filazantsara mandrakizay”?

Mba hanampiana amin’ny famaliana ity fanontaniana ity dia asehoy izao fanambarana nataon’ny Filoha Ezra Taft Benson manaraka izao, ary asao ny mpianatra iray hamaky izany:

Sary
Filoha Ezra Taft Benson

“Araky ny efa voalaza teo aloha dia ny Tompo Tenany mihitsy no nilaza fa ny Bokin’i Môrmôna dia mitahiry ny “fahafenoan’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy” (F&F 20:9). Tsy midika izany hoe mitahiry ny fampianarana rehetra, na ny fotopampianarana nambara rehetra izany. Fa midika kosa fa ao amin’ny Bokin’i Môrmôna no hahitantsika ny fahafenoan’ireo fotopampianarana takiana amin’ny famonjena antsika. Ary nampianarina amin’ny fomba mazava tsara sy tsotra izy ireo” (Enseignements des Présidents de l’Eglise: Ezra Taft Benson [2014], 131).

  • Inona no sasany amin’ireo “fotopampianarana takian’ny famonjena antsika” raketin’ny Bokin’i Môrmôna? (Anisan’ireo fotopampianarana ireo ny Sorompanavotana, ny finoana an’i Jesoa Kristy, ny fibebahana, ny batisa, ary ny fanomezana ny Fanahy Masina.)

Hazavao fa ny Tompo dia nampianatra ny mpaminany Enôka mikasika ny dikan’ny Bokin’i Môrmôna amin’ny andro farany. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Mosesy 7:62. (azonao atao ny manoratra eny amin’ny solaitrabe fa ny “fahamarinana [nalefa] nidina avy any an-danitra” dia milaza ireo fanambarana izay mamela ny famerenana amin’ny laoniny ho tanteraka ary ny “marina [nirahina] ety an-tany” dia milaza ny Bokin’i Môrmôna. Amporisiho ireo mpianatra hanoratra ireo famaritana eo amin’ny sisin’ny soratra masin’izy ireo na mamorona naoty ao anatin’ny soratra masina elektrônikany.)

  • Araka ny voasoratra ao amin’ireo andininy ireo, ahoana no fomba ampiasana ny Bokin’i Môrmôna any amin’ny andro farany? (Mba entina hanampy amin’ny fanangonana ireo nofinidin’ Andriamanitra avy amin’ny vazan-tany efatra.)

  • Oviana ianao no nahita ny Bokin’i Môrmôna nanampy olona iray hiova fo tamin’ny filazantsara ary niditra ho mpikamban’ny Fiangonan’ny Tompo?

  • Inona avy ireo fomba sasany izay afaka “hanondrahantsika ny tany” amin’ny fahamarinana sy ny hafatra ao amin’ny Bokin’i Môrmôna “toy ny tondra-drano”?

Asao ireo mpianatra mba hanolo-tena hanao zavatra mba hanondrahan’izy ireo ny fony sy ny tokantranony ary ny tany amin’ny hafatry ny Bokin’i Môrmôna mandritra ny herinandro ho avy.

3 Nefia 21:9-11

Ny fahamarinana ao amin’ny Bokin’i Môrmôna dia mahatohitra ny fanoherana

Asao ireo mpianatra handinika fotoana iray izay niarovan’izy ireo ny Bokin’i Môrmôna na ny hafatry ny famerenana amin’ny laoniny ny filazantsara nanoloana ny fanoherana.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny 3 Nefia 21:9-11. Alohan’ny hamakian’ireo mpianatra dia hazavao fa ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia namaritra fa ilay “mpanompo” ao amin’ireo andininy ireo hoe Joseph Smith (jereo ny Christ and the New Covenant [1997], 287–88).

  • Ahoana no mampifanaraka ireo famaritana hita ao amin’ireo andininy ireo amin’ny Mpaminany Joseph Smith ?

  • Araka ny voasoratra ao amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo, inona no zavatra hasehon’ny Mpamonjy ireo olona izay manohitra an’i Joseph Smith sy ny Bokin’i Môrmôna amin’ny andro farany? (Ampio ny mpianatra mba hahita izao fotopampianarana manaraka izao: Ny fahendren’ Andriamanitra dia lehibe noho ny hafetsen’ny devoly.)

  • Ahoana no hanampian’ny Bokin’i Môrmôna haneho fa “ny fahendren’ Andriamanitra dia lehibe noho ny hafetsen’ny devoly”?

Asehoy ary vakio izao fanambarana nataon’ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo manaraka izao:

Sary
Loholona Jeffrey R. Holland

“Efa ho [mihoatra ny 180] taona angamba izay no nandinihina sy nanenjehana, nandavana sy namotehina, natao lasibatra sy norotondrotehina an’ity boky ity tsy mba toy ny boky hafa teo amin’ny tantaram-pinoana maoderina—angamba tsy mba toy ny boky hafa amin’ny tantaram-pinoana misy . Ary mbola mijoro nefa izany. Ireo hevi-diso mikasika ny amin’ny fiaviany izay nitsiry, nohirahiraina kanefa avy eo dia nangina . … Tsy misy amin’ireo valiny amim-pahatsorana mahazatra mahakasika ity boky ity no nahatohitra ny fandinihina satria tsy misy valiny hafa mihoatra noho ilay valiny izay nomen’i Joseph kely mpandika teny tsy nandalo fianarana. Mijoro miaraka amin’ny filzan’ny rain’ny raiben’ny raibeko tany am-piandohan’ny Famerenana tamin’ny laoniny aho hoe: “Tsy misy olona ratsy toetra afaka nanoratra boky toy ity; ary tsy misy olona tsara toetra hanoratra azy raha tsy hoe marina izany ary hoe nodidian’ Andriamanitra izy mba hanao izany” (“Fiarovana ireo fanahy,” Ensign na Liahona, nôv. 2009, 89).

  • Nahoana araka ny eritreritrao no misy fanoherana marobe momba ny Bokin’i Môrmôna?

  • Inona ireo traikefa izay nampianatra anao fa ny Bokin’i Môrmôna dia afaka hahatohitra ireo fanoherana azo avy aminy?

  • Inona no tsapanao ary inona no nianaranao raha nampianatra ny hafa mikasika ny Bokin’i Môrmôna na niaro ny fahamarinany?

Môrmôna 8:1–5, 26–35

Nosoratana ho an’ izao androntsika izao ny Bokin’i Môrmôna.

Ampahatsiahivo ny mpianatra fa i Môrônia dia vavolombelona nahita maso ny fahasimban’ny sivilizasiôniny. Asao ireo mpianatra hamaky ny Môrmôna 8:1–5 ary diniho hoe inona no mety notakiana tsy maintsy nataon’i Môrônia mba hiarovany ny takela-bolamena.

  • Alaivo sary an-tsaina hoe i Môrônia ianao. Inona ireo antony sasany izay hitiavanao ny hafa hamaky ny firaketanao?

Asao ireo mpianatra hamaky ny Môrmôna 8:26–35 ary hikaroka ireo faminanian’i Môrônia mikasika ireo toe-java-nitranga tamin’ny fotoana niavian’ny Bokin’i Môrmôna. Azonao atao ny mamporisika ireo mpianatra hanisy marika ny zavatra hitany.

  • Ahoana no fomba namaritan’i Môrônia ny fotoana izay ahatongavan’ny Bokin’i Môrmôna? (Ho amin’ny andron’ny apôstazia sy ny faharatsiana izany.)

  • Inona no fehin-kevitra azonao sintonina avy amin’io andininy 35 io? (Afaka marihinao fa ho fanampin’i Môrônia, ireo mpaminany hafa, anisan’izany i Nefia, Jakôba, ary i Môrmôna dia nanambara fa nanoratra ho an’ny taranaka hoavy izy ireo. Azon’ireo mpianatra atao ny mampifandray ny andininy faha 35 amin’ny 2 Nefia 25:21–22 sy Môrmôna 7:1.)

  • Nahoana no zava-dehibe ny fahalalana fa nahafantatra ireo olana atrehintsika ankehitriny i Môrônia sy ireo mpanoratra ny Bokin’i Môrmôna? (Rehefa mifanakalo hevitra mikasika ity fanotaniana ity ianareo, dia hamafiso izao fahamarinana manaraka izao: Ireo fampianarana ao amin’ny Bokin’i Môrmôna dia manan-danja indrindra ho antsika ankehitriny satria ireo mpanoratra dia nahafantatra ireo olana izay ho atrehintsika.)

Mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra ity fahamarinana ity, dia asao ny iray amin’izy ireo hamaky ity fanambarana manaraka nataon’ny Filoha Ezra Taft Benson ity:

Sary
Filoha Ezra Taft Benson

“Nosoratana ho an’ izao androntsika izao … ny Bokin’i Môrmôna. Tsy nanana izany boky izany na oviana na oviana ny Nefita, na koa ireo Lamanita tamin’ny andro fahiny. Natao ho antsika izany. Taty amin’ny faramparan’ny sivilizasiôna Nefita no nanoratra i Môrmôna. Nanambatra ireo rakitsoratra tao anatin’ny taonjato maro izy, nisafidy ireo tantara, lahateny ary zava-nitranga izay hanampy antsika bebe kokoa, teo ambany fitaomam-panahin’ Andriamanitra, izay mahita ny zava-drehetra hatrany am-piandohana.

“Ireo mpanoratra lehibe tsirairain’ny Bokin’i Môrmôna dia nijoro ho vavolombelona fa nanoratra ho an’ny taranaka ho avy izy ireo. … Raha toa ka nahita ny androntsika izy ireo ary nisafidy ireo zavatra izay hanan-danja kokoa ho antsika, moa ve tsy izany no antony tokony handalinantsika ny Bokin’i Môrmôna? Tokony hanontany tena tsy tapaka isika hoe: “Inona no antony nitaoman’ny Tompo fanahy an’i Môrmôna (na Môrônia na Almà) hampiditra izany ao amin’ny rakitsorany? Inona no lesona azoko ianarana avy amin’izany izay hanampy ahy eo amin’ny fiainako amin’izao andro izao sy amin’izao vanimpotoana izao?” (Fampianarana: Ezra Taft Benson, 140).

  • Ahoana no mety hanovan’ny fahatsiarovana fa ny Bokin’i Môrmôna dia nosoratana ho an’ny androntsika ny fomba famakiantsika azy?

Asao ireo mpianatra hanome ohatra hoe ahoana no nanomezan’ny Bokin’i Môrmôna azy ireo fitarihana, tanjaka, valiny amin’ireo fanontaniana nananany, na vahaolana amin’ireo olana.

Vakitenin’ny Mpianatra

Hamoaka printy