Namana
Afaka mamaky ny soratra masina aho
Janoary 2024


“Afaka mamaky ny soratra masina aho,” Namana, Jan. 2024, 12.

Handeha ary Hanao

Afaka mamaky ny soratra masina aho

Tahaka an’i Nefia, ianao dia afaka mandeha sy manao izay nandidian’ny Tompo. (Jereo ny 1 Nefia 3:7.)

Sary
alt text

Sary nataon’i Corey Egbert

Afaka mianatra avy ao amin’ ny soratra masina amin’ny fomba maro samihafa ianao. Andramo ny iray na roa amin’ireto hevitra eto ambany ireto. Na soraty ny hevitrao manokana!

  • Mijereva horonantsary momba ny soratra masina.

  • Lalaovy an-tsehatra ny tantara ao amin’ny soratra masina.

  • Mihainoa soratra masina ao amin’ny application Médiathèque de l’Évangile.

  • Mijereva sary ao amina bokin-tsarin’ny soratra masina.

Sary
alt text

Rehefa mankany am-piangonana aho dia miezaka mitady efitrano mangingina hamakiako soratra masina. Mahatsapa fifaliana ao anatiko aho rehefa mamaky ny soratra masina. Ny tantara ao amin’ny soratra masina tiako indrindra dia ny nahaterahan’i Jesoa satria mahatsapa be ny Fanahy Masina aho rehefa mamaky izany.

Jack W., 10 taona, Bratislava, Slovaquie

Mivavaha ary manaova drafitra iray momba ny fomba handalinanao ny soratra masina. Soraty eo ambany ny drafitrao.

Hamoaka printy