“Ny hazon’aina,” Namana, Jan. 2024, 26–27.
Tantara ao amin’ny soratra masina
Ny Hazon’aina
Mpaminany i Lehia. Nilaza taminy Andriamanitra mba hitondrany ny fianakaviany ho any amin’ny tany nampanantenaina. Rehefa nandeha izy ireo dia nanofy hazo tsara be iray izy. Antsoina hoe ny hazon’aina izany.
Io hazo io dia namoa voa fotsy tsara. Nahatsapa ho sambatra ery i Lehia rehefa nihinana izany! Tiany koa raha mba nanandrana izany ny fianakaviany.
Nahita anja-by ihany koa i Lehia izay mitarika mankeny amin’ny hazon’aina. Ny olona dia nitazona tamin’ilay vy mba hahafahana ho tonga eny amin’ilay hazo ka hihinana amin’ilay voankazo.
Ilay hazo tamin’ny nofin’i Lehia dia toy ny fitiavan’ Andriamanitra. Ary ny anja-by dia toy ny soratra masina. Rehefa mamaky ny soratra masina isika dia lasa manakaiky kokoa ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.