Namana
Ilay bitsiky ny chips ovy
Janoary 2024


“Ilay bitsiky ny chips ovy,” Namana, Jan. 2024, 14–15.

Ilay bitsiky ny chips ovy

Nanana fahatsapana lalina ny hamaky ireo laron-tsakafo i Maya.

Tany Etazonia no nitrangan’ity tantara ity.

Sary
alt text

Nitetika frezy i Maya ary nandraraka an’izany tanaty baolina nisy saladim-boakazo. Ny voankazo no sakafo tena tiany indrindra. Tiany ny loko marevaka rehetra. Ary tsy nila natahotra mihitsy izy rehefa mihinana izany!

Betsaka ny sakafo tsy zakan’i Maya. Mila mitandrina izy satria ny fihinanana sakafo tsy mety aminy dia mety hamparary mafy azy. Fony izy mbola kely dia nisotro rononon’omby tsy nahy ary lasa sempotra. Nila nandeha tany amin’ny hôpitaly izy. Tsy tiany hoe mbola hitranga indray izany.

Indraindray tena sarotra ny mihinana zavatra hafa samy hafa amin’izay hohanin’ny fianakaviana sy ny namana. Saingy fantany fa zava-dehibe ny miaro tena.

Nentin’i Maya ho eo ambony latabatra ny saladim-boankazo. “Vonona ny voankazo.”

Nitraka avy teo amin’ilay vilany naharoharoiny i Dada. “Tsara be! Efa ho avy izay ny vahinintsika.”

Naheno olona nandondòna i Maya ary nihazakazaka namoha varavarana. Nitsikitsiky taminy avy teo an-davaranagana ny fianakaviana Johnson sy ireo misiônera. Naman’ny fianakaviana ry Johnson. Faly i Maya nahita azy ireo indray. Novohany nidanadana ny varavarana hahafahan’ny rehetra hiditra.

Mandra-piandry ny sakafo hariva dia nanehoan’ny anankiray tamin’ireo misiônera kilalao mazika i Maya. Tsy azony an’eritreritra hoe ahoana ny fomba nangalan’ilay misiônera ilay vola madinika avy tao anaty sofiny.

Vetivety dia tonga ny fotoana hisakafoanana. Nivavaka Rahalahy Johnson. Dia nilahatra nandoatra izy rehetra.

Rehefa tonga ny anjaran’i Maya dia saladim-boankazo mitafotafo no nalainy. Nodinganiny ireo sakafo sasantsasany izay fantany hoe nisy ronono.

Ary avy eo izy dia naka fonosana chips be iray ary nandraraka vitsivitsy tanatin’ny loviany. Nitovy karazana tamin’ireo chips fihinany teo aloha izany. Nanisy iray tao am-bavany izy.

Saingy raha vao nanomboka nitsako izy dia nanana fahatsapana mahery vaika. Vakio hoe inona avy ny laron-tsakafo, hoy ny feo tonga tao an-tsainy.

Sary
alt text

Nijanona tsy nitsako intsony i Maya. Nojereny ny lisitr’ireo laron-tsakafo teo amin’ny fonosana. Tena nisy ronono ilay chips!

Naka famafana vava i Maya ary naloany haingana arak’izay tratrany ilay chips. Vonton-dranomaso ny masony. Tsy nahavoatelina tamin’izany izy. Saingy moa ve hisy zavatra ratsy hitranga?

“Neny ô! Dada!” Niihazakazaka namonjy ny ray aman-dreniny i Maya. “Tafahinana chips iray nisy ronono aho!”

“Tsy maninona izany!” hoy i Neny. “Andao isika hihinana fanafody.” Nitelina pilina iray nomen’i Neny i Maya ary niaina lalina. Notrotroin’i Dada i Maya mandram-piandry ny fiasan’ilay fanafody.

Afaka minitra vitsy dia hoy i Neny nanontany, “Manao ahoana indry izay?”

Mbola natahotra i Maya. Saingy tsy nisy zavatra ratsy tsapany teny amin’ny vatany. “Angamba tsy maninona aho. Fa afaka mahazo tsodrano ve aho?”

“Tena mety,” hoy i Dada. “Andao hiangaviantsika ireo misiônera hanampy.”

Sary
alt text

Nipetraka teo amin’ny seza i Maya ary nametra-tanana teo ambony lohany i Dada sy ny misiônera. Nomen’izy ireo tsodrano izy mba tsy haninona. Nahatsapa tony i Maya. Nisinda daholo ireo fahatsapana ratsy rehetra nananany.

“Ahoana no nahatonga anao nijery an’ireo laron-tsakafo teo amin’ny fonosana?” Hoy i Neny nanontany.

“Nahatsapa fampitandremana avy tamin’ny Fanahy Masina aho!”

Namihina azy mafy i dada. “Faly aho fa nihaino ianao.”

Nihatokatoka nanaiky i Maya. Fantany hoe tia azy ny Ray any An-danitra ary niraharaha azy.

Sary
Tantara amin’ny endrika PDF

Sary nataon’i Chrisanne Serafin

Hamoaka printy