“Miara-manara-dia an’i Jesoa,” Namana, Jan. 2024, 20–21.
Miara-manara-dia an’i Jesoa
Willow R., 7 taona, Queensland, Aostralia
Tyrone M., 11 taona, Mashonaland, Zimbabwe
Clayton sy Thea F., 8 sy 4 taona, Texas, Etazonia
Davide P., 8 taona, Emilia-Romagna, Italy
Andrew Z., 9 taona, Alberta, Kanadà
Mahay ny zavatra rehetra aho ao amin’i Kristy!
Brieanna J., 9 taona, South Carolina, Etazonia
Tia mizara ny fijoroana ho vavolombelona ananako ao am-piangonana aho amin’ny alahady fifadian-kanina. Mahatonga ahy hanana fahatsapana tsara ao anatiko izany. Fantatro fa izany dia hampitombo ny fijoroana ho vavolombelona ananako.
Ruby B., 10 taona, Massachusetts, Etazonia
Tia manao mofo izahay sy ireo namako ary mizara izany amin’ireo mpiara-monina aminay. Mametraka hafatra kely mankahery azy ireo izahay. Avy eo dia ampanenoinay ny kiririom-baravarana dia mandositra haingana!
Alexis M., 10 taona, Maryland, Etazonia
Nianjera teo ambony savily ny rahalahiko ary nanomboka nitomany. Nanampy azy hitsangana aho. Nandeha nividy gilasy izahay ary nipetraka teo amina dabilio iray mba hiara-hihinana izany. Mahatsapa ho falifaly aho rehefa manampy ny hafa.
Ethan M., 8 taona, Coahuila, Meksika
Voasa tamina fety milomano tamin’ny andro alahady aho saingy nisafidy ny tsy handeha. Nahatsapa fifaliana aho satria nitandrina ny Sabata ho masina.
Dez Z., 11 taona, Texas, Etazonia
Voadona ny lohako ary narary ny masoko. Nangataka tamin’ny zokivaviko aho mba hivavaka ho ahy ary nahatsapa tony aho taorian’ilay vavaka. Fantatro fa fanomezana avy amin’ny Ray any An-danitra ny vavaka.
Lydie O., 6 taona, Fort-de-France, Martinique
Tian’ny fianakaviako ny mitsidika ireo toerana miavaka izay noharian’ Andriamanitra teo akaikin’ny tranonay!
Flor R., 9 taona, Mendoza, Argentina