Namana
Karatra misy sarina tempoly
Janoary 2024


“Karatra misy sarina tempoly,” Namana, Jan 2024, 22.

Karatra misy sarina tempoly

Inona no atao hoe Tempoly?

Sary
Tantara amin’ny endrika PDF

Sary nataon’i Bailey Rees

Ny Tempoly dia trano lehibe mahafinaritra izay hahatsapantsika ho akaiky kokoa ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Ny tempoly tsirairay dia ahitana ny teny hoe “Ny Tranon’ny Tompo” misoratra eo aminy. Mampahatsiahy antsika izany fa ny tempoly dia masina ary miavaka amin’ny trano hafa eo amin’izao tontolo izao. Mampanantena ireo mpaminany fa afaka mahatsapa fiadanam-po isika ao anatin’ny tempoly.

Ny Tempolin’i Bangkok Thaïlande

  • Io no tempoly voalohany tany Thaïlande.

  • Misy rihana enina izy io ary tilikambo sivy.

  • Nandritra ny fananganana ny tempoly dia nisy orambaratra efa saika nandifotra izany. Saingy nampian’ny Fanahy Masina ilay mpitarika ny asa mba hahafantatra izay tokony hatao.

Tempolin’i San José Costa Rica

  • Io no tempoly faharoa naorina tany Amerika Afovoany.

  • Izy io dia natao tamin’ny marbra fotsy avy any Meksika.

  • Eo ho eo amin’ny lalana adiny iray misy ny vôlkano mbola tsy maty eo no misy ny Tempoly.

Hamoaka printy