Namana
Manara-dia an’i Jesoa any Papouasie-Nouvelle-Guinée
martsa 2024


“Manara-dia an’i Jesoa any Papouasie-Nouvelle-Guinée,” Namana, martsa 2024, 6–7.

Manara-dia an’i Jesoa any Papouasie-Nouvelle-Guinée

Mombamomba an’i Erwin

Sary
alt text

Taona: 7

Avy any: Province centrale, Papouasie-Nouvelle-Guinée

Fiteny: Anglisy sy Tok Pisin

Tanjona: 1) Hanamory fiaramanidina. 2) Ho misionera.

Fialam-boly: Mandihy sy manjono

Fianakaviana: Neny, Dada, zokilahy telo ary zokivavy iray

Ahoana no fomba hanarahan’i Erwin an’i Jesoa

Sary
alt text

Manara-dia an’i Jesoa amin’ny alalan’ny fanampiana ireo zokiolona tao an-tanànany i Erwin. Manampy amin’ny fanadiovana ny tokotanin’izy ireo izy ary mitondra sakafo ho azy ireo. “Faly aho rehefa manampy azy ireo. Te hanampy bebe kokoa aho, ”hoy izy.

Manara-dia an’i Jesoa amin’ny alalan’ny vavaka amin’ny Ray any An-danitra ihany koa i Erwin. “Rehefa mivavaka aho, dia tsapako fa toa miaraka amiko Andriamanitra,” hoy izy.

Nivavaka i Erwin mba hangataka ny Ray any An-danitra hanampy ny fianakaviany hiaraka mandrakizay. Nandeha tany amin’ny tempoly tany Tonga i Erwin sy ny fianakaviany mba hofehezina miaraka. Hoy izy hoe: “Nahatsapa ny Fanahy aho tao anatin’ny tempoly. Tena nilamina sy nangina tokoa.”

Ireo zavatra tena ankafizin’i Erwin

Tantara ao amin’ny Bokin’i Môrmôna: Ny fotoana nanamboaran’i Nefia sambo (jereo ao amin’ny 1 Nefia 17–18)

Fomba fanaon’ny fianakaviana: Famoriana ny fianakaviana rehetra ao an-tanàna hiara-misakafo

Voankazo: Paoma

Loko: Mena

Hira ao amin’ny Kilonga: “Zanaky ny Ray aho” (Bokin-kiran’ny ankizy, 2.)

Sary
alt text

I Erwin sy ny fianakaviany tao amin’ny Tempolin’i Nuku’alofa Tonga.

Sary
Tantara amin’ny endrika PDF

Sary nataon’i Mina Price

Hamoaka printy