Namana
Miara-manara-dia an’i Jesoa
martsa 2024


“Miara-manara-dia an’i Jesoa,” Namana, martsa 2024, 20–21.

Miara-manara-dia an’i Jesoa

Sary
alt text

Nianatra momba ny tantaram-pianakaviany ny ankizy ao amin’ny Kilonga any Shefa, Vanuatu. Nanao peta-drindrina ny hazon’ny tetiaram-pianakaviany izy ireo ary nizara ny zavatra nianarany nandritra ny fiaraha-mientana iray tao amin’ny Kilonga.

Sary
alt text

“Ny Sahan’i Getsemane,” Mitchell H., 10 taona, Arizona, Etazonia

Sary
alt text

“Tsy ato Izy fa efa nitsangana” Rachel O., 7 taona, Arkansas, Etazonia

Sary
alt text

Clara sy Brighton S., 5 sy 7 taona, Bavaria, Alemaina

Sary
alt text

Adelyn B., 12 taona, Texas, Etazonia

Sary
alt text

Tia mandoko atody sy manao haza atodin’ny Paska izahay. Misy foana atody plastika iray izay foana. Mampahatsiahy anay ilay fasana foana taorian’ny nitsanganan’i Jesoa tamin’ny maty izany!

Eli W., 6 taona, Californie, Etazonia

Sary
alt text

Ny marainan’ny Paska dia mandeha miangona izahay ary miverina mody mba hianatra bebe kokoa momba ny Mpamonjy antsika. Manana atodin’ny Paska miisa 12 izay maneho ireo zavatra nataony izahay. Tsy misy na inona na inona foana ilay atody farany satria maneho fa nitsangana i Jesoa!

Scarlet A., 10 taona, Nouveau Mexique, Etazonia

Sary
alt text

Fantatro fa tia antsika ny Ray any An-danitra ary nanome ny Zanany mba hamonjy antsika. Tiako ny mandeha miangona miaraka amin’ny fianakaviako sy mihaona amin’ireo namako ao amin’ny Kilonga. Tiako ny mpampianatro ao amin’ny Kilonga satria miara-mihira aminay izy ireo ao am-pianarana!

Melanie C., 6 taona, Blantyre, Malawi

Sary
alt text

Efa hatramin’ny fahadimy taonako aho no nitendry piano, ary nanao fanazaran-tena be dia be. Faly aho rehefa mitendry piano. Tena tiako ny mitendry ho an’ireo namako amin’ny batisany.

Julián G., 7 taona, Maule, Chili

Sary
alt text

Nianatra ny Fanekem-pinoana aho mba hiomanako amin’ny batisako. Nanampy ahy ny ray aman-dreniko hianatra momba ireo fanekempihavanana izay hataoko amin’ny batisako.

Logan M., 9 taona, Coahuila, Mexique

Sary
alt text

Mifindrafindra toerana be ny fianakaviako. Nianatra ny fomba hahazoana namana vaovao any amin’ireo toerana vaovao aho. Manontany ny olona aho raha afaka mipetraka eo akaikin’izy ireo rehefa misakafo antoandro. Mahazo namana aho rehefa mametraka fanontaniana sy miresaka amin’ny hafa.

Annie W., 11 taona, Gouvernorat de la capitale, Bahrain

Hamoaka printy