Namana
Tafatafa niarahana tamin’i Will momba ny fanampiana ireo mpitsoa-ponenana
martsa 2024


“Tafatafa niarahana tamin’i Will momba ny fanampiana ireo mpitsoa-ponenana,” Namana, martsa 2024, 40–41.

Tafatafa niarahana tamin’i Will momba ny fanampiana ireo mpitsoa-ponenana

I Will dia avy any Pennsylvania, Etazonia. Nametraka fanontaniana vitsivitsy taminy momba ny tetikasa iray izay nataony hanampiana ny hafa izahay.

Lazao aminay ny mombamomba anao.

Sary
alt text
Sary
alt text

11 taona aho. Tiako ny milalao baolina kitra sy lacrosse, mahandro mofomamy, milomano, manao ski, ary manao patins à roulettes. Mitendry piano sy mitendry lokanga ihany koa aho. Ny loko tiako indrindra dia manga antitra, ary ny sakafo tiako indrindra dia ny atody (nopotipotehina, nendasina, nandrahoina amin’ny akorany—tiako izy rehetra!). Te ho dokotera tahaka ny dadako aho rehefa lehibe.

Inona no nanome hevitra anao mba hanampy?

Reko fa fianakaviana maro avy any amin’ny firenen-kafa no nandositra mba hiarovany ny tenany. Ny sasany tamin’izy ireo dia nifindra tany amin’ny faritra akaiky azy. Nieritreritra avy hatrany aho hoe: “ahoana no ahafahako manampy azy ireo?”

Nivavaka aho mba hahalalako ny fomba ahafahako manampy. Avy eo dia nahazo email avy amin’ny Fikambanana Ifanampiana eo anivon’ny tsatòka ny reniko. Nangataka ny olona izy ireo mba hanome zavatra ho an’ireo fianakaviana mpitsoa-ponenana. Fantatro fa novaliana ny vavaka nataoko!

Ahoana ny fomba nanampianao?

Sary
alt text

Tiako ny manao mofo (ny cookies no tena haiko) ka nanapa-kevitra ny hivarotra cookies aho mba hahazoana vola ho an’ireo fianakaviana ireo. Nanao fliers aho ary nitaingina patins à roulettes nitety ny manodidina mba hanatitra azy ireo. Tonga koa i Coco alikako.

Maro tamin’ireo mpifanolobodirindrina tamiko no nientanentana nividy ny cookies-ko. Tamin’ny vola azoko dia nividy vilany sy lapoaly aho mba hatolotra.

Inona no zavatra tsapanao tamin’izany?

Sary
alt text
Sary
alt text

Nahafinaritra ahy ny nahafantatra fa ho afaka mahandro amin’ny alalan’ireo vilany sy lapoaly ireo fianakaviana ireo. Azoko sary an-tsaina fotsiny hoe tena tsara ery izao ny tsiron’ny sakafo vita an-trano rehefa any amin’ny firenena vaovao ianao.

Nianatra tao amin’ny Kilonga aho fa: “Rehefa eo amin’ny fanompoana ny mpiara-belona aminareo ianareo, dia tsy manao afa-tsy ny fanompoana an’ Andriamanitrareo ianareo” (Môzià 2:17). Nahatsapa ny fitiavan’ny Ray any An-danitra ahy sy ireo olona nifindra tany amin’ny faritra nisy ahy aho.

Inona no torohevitra omenao ny olona iray manana faniriana ny hanampy?

Sary
alt text

Mitadiava fomba hanompoana ao amin’ny paroasy na tsatòka misy anao. Azonao atao koa ny manampy toerana iray ho an’ny tsy manan-kialofana ao amin’ny faritra misy anao. Maro ny fomba azo hanampiana ny manodidina!

Sary
Tantara amin’ny endrika PDF

Sary nataon’i Dave Williams

Hamoaka printy