Namana
Iza moa i Isaia?
martsa 2024


“Iza moa i Isaia?” Namana, martsa 2024, 24–25.

Fantaro ny momba ny Bokin’i Môrmôna

Iza moa i Isaia?

Ao amin’ny Bokin’i Môrmôna dia mamaky ny tenin’ny lehilahy iray antsoina hoe Isaia isika. Mpaminany ao amin’ny Testamenta Taloha i Isaia. Niaina ela be talohan’ny nahaterahan’i Jesoa Kristy izy.

Sary
alt text

Nampianatra momba ny fiainan’i Jesoa Kristy i Isaia. Nilaza izy fa hitondra fiadanana ho an’izao tontolo izao i Jesoa. Nampianatra izy fa ho faty sy hitsangana amin’ny maty ary hiverina eto an-tany indray i Jesoa indray andro any.

Sary
alt text

An-jato taonany taty aoriana dia nanoratra ny tenin’i Isaia tao amin’ny Bokin’i Môrmôna i Nefia mba hampianarana antsika momba an’i Jesoa Kristy. Rehefa nitsidika ny Nefita i Jesoa dia nizara ny tenin’i Isaia Izy. Nanasa antsika handalina azy ireny Izy. Rehefa mandalina ny tenin’i Isaia isika dia afaka mahatsapa ny fitiavan’ny Mpamonjy sy manatona Azy kokoa.

Fanamby momba ny Soratra Masina

  • Vakio ny 2 Nefia 19:6. Firy ny anarana nomena an’i Jesoa ao amin’io andininy io?

  • Biby inona no niseho mba hanehoana fa tao amin’ny batisan’ny Mpamonjy ny Fanahy Masina? Toro: 2 Nephi 31:8

  • Iza no hitsangana amin’ny maty? Toro: Almà 11:44

Afaka mamaky ny Bokin’i Môrmôna aho!

Rehefa avy mamaky ianao dia lokoy ny ampahany amin’ilay sary. Azonao atao ny mamaky ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto miaraka amin’ny famakian-teny isan-kerinandro ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy:

Sary
Tantara amin’ny endrika PDF

Sary nataon‘i Ben Simonsen

Hamoaka printy