Fihaonamben’ny Fiangonana Maneran-tany
Ny fananana lehibe indrindra
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ôktôbra 2021


Ny fananana lehibe indrindra

Samy takina hanatona an’i Kristy isika tsirairay avy ao anatin’ny fanoloran-tena tsy azo hozongozonina amin’ny filazantsarany.

Ny soratra masina dia miresaka momba ny mpanapaka tanora mpanan-karena iray izay nihazakazaka nanatona an’i Jesoa, nandohalika teo an-tongony ary nanontany ny Mpampianatra tamin-kitsim-po tokoa hoe: “Inona no hataoko handovako fiainana mandrakizay?” Rehefa nitanisa didy maro izay notandreman’ity lehilahy ity tamim-pahatokiana i Jesoa dia niteny an’ilay lehilahy mba hivarotra ny fananany rehetra, hanome ny vola azo amin’izany ho an’ny mahantra, handray ny hazofijaliany, ary hanaraka Azy. Nahatonga ity mpanapaka tanora ity hangatsiaka hatrany amin’ny tongony mihitsy ny fahasahiana nofonosin’io torolalana io, na dia ireny kiraro lafo vidy ireny aza no teny an-tongony, ka dia niala tamin’ alahelo izy satria, hoy ny soratra masina, “nanana fananana be.”1

Mazava ho azy fa tantara manan-danja ho fampitandremana momba ny fampiasana ny harena sy ny filan’ny mahantra izy io. Fa raha ny tena marina, tantara momba ny fanoloran-tena amin’ny fo manontolo sy tsy misy fepetra amina andraikitra avy amin’ Andriamanitra izy io. Na manan-karena na tsy manan-karena dia samy takina hanatona an’i Kristy isika tsirairay avy ao anatin’ny fanoloran-tena tsy azo hozongozonina amin’ny filazantsarany tahaka ny nandrasana tamin’io lehilahy tanora io. Amin’ny fitenin’ny tanora ankehitriny isika dia tokony hilaza ny tenantsika hoe “efa ao daholo.”2

Tao anatin’ilay tononkalo tsy hay hadinoina nataony i C. S. Lewis dia naka sary an-tsaina ny Tompo ho nilaza zavatra toy izao tamintsika: “Tsy dia ny fotoanao loatra … [na] ny volanao … [na] ny asanao no ilaiko fa ianao [mihitsy]. [Raha iny hazo rantsananao iny.] Tsy rantsana iray etsy na rantsana iray eroa no tiako hotapahana, fa tiako hotapahana daholo izy iray manontolo. [Ary io nify io.] Tsy te hanamboatra an’ [io] aho, na hanisy “couronne” aminy, na hanampina azy. Fa [tiako] hoesorina izy io. [Raha ny marina, tiako ianao] hanolotra [ahy] ny toetra maha olona araka ny nofo [anao] manontolo. [Dia] homeko toetra vaovao ianao. Eny, ny tenako mihitsy no homeko anao: ny sitrapoko … no ho lasa [sitraponao].”3

Ireo rehetra izay hanao lahateny mandritra ity fihaonambe ity dia samy hilaza amin’ny fomba samihafa ny zavatra izay nolazain’i Kristy tamin’io lehilahy manan-karena io hoe: “Manatòna ny Mpamonjinao. Manatòna tanteraka ary amin’ny fo manontolo. Ento ny hazo fijalianao, na mavesatra manao ahoana aza izany, ary manaraha Azy.”4 Izany no holazain’izy ireo ao anatin’ny fahafantarana fa ao amin’ny fanjakan’ Andriamanitra dia tsy misy zavatra atao tapany izany, tsy misy hoe atomboka dia atsahatra indray, tsy misy hoe miverin-dalana izany. Ho an’ireo izay nitaky fanomezan-dalana handevina ny rainy efa maty na hanao veloma ny fianakaviany dia hentitra ary tsy azo ihodivirana ny valintenin’i Jesoa. “Avelao izany ho an’ny hafa,” hoy Izy. “Tsy misy olona mitana fangady tarihina ary miherika ka mendrika ho ao amin’ny fanjakan’ Andriamanitra.”5 Raha toa angatahina hanao zavatra sarotra isika, na dia zavatra mifanohitra amin’ny hetahetan’ny fontsika aza, dia tsarovy fa ny tsy fivadiham-pitokisana ampanantenaintsika noho i Kristy dia ny fanoloran-tena faratampony ny fiainantsika. Na dia nanome toky antsika aza Isaia fa misy “tsy amim-bola, na amin-karena”6 izany, ary izay mihitsy, dia tsy maintsy mivonona isika, araka ny tenin’i T. S. Eliot, ny hanao izany ho “tsy ambanin’ny zava-drehetra.”7

Mazava ho azy fa samy manana fahazarana na kilema na tantara manokana daholo isika rehetra, izay mety hanakana antsika tsy hirotsaka tanteraka ao amin’io asa io. Saingy Raintsika Andriamanitra ary havanana aok’izany amin’ny famelana heloka sy ny fanadinoana ireo fahotana nafointsika, satria angamba ampanaovintsika izany imbetsaka tokoa Izy. Na ahoana na ahoana dia misy ny fanampian’ Andriamanitra ho antsika tsirairay amin’ny fotoana rehetra izay haniriantsika hanovana ny fitondran-tenantsika. Nomen’ Andriamanitra “fo vaovao”8 i Saoly. Nangataka ireo Isiraely fahiny rehetra i Ezekiela mba hanary ny lasa ary hanao “fo vaovao sy fanahy vaovao.”9 Niantsoantso “fiovana mahery vaika”10 i Almà izay hampiravoravo ny fanahy, ary i Jesoa mihitsy no nampianatra hoe “raha tsy ateraka indray ny olona, dia tsy mahazo mahita ny fanjakan’ Andriamanitra.”11 Mazava izany fa ny fahafahana miova sy miaina amin’ny fomba masina kokoa dia efa isan’ireo fanomezan’ Andriamanitra foana ho an’ireo izay mikatsaka izany.

Ry namako, amin’izao fotoana izao isika dia mahita izao karazana fizarazarana rehetra izao, sokajin’olona sy zana-tsokajy, ny foko nomerika sy firehana ara-politika, izay feno fankahalana mihoatra noho ny ampy. Tokony hanontany tena ve isika raha toa ka zavatra azontsika katsahina ny fiainana “avo sy masina kokoa”12 araka ny tenin’ny Filoha Russell M Nelson? Rehefa manao izany isika dia tsara raha tsaroantsika ilay fotoana mahavariana ao amin’ny Bokin’i Môrmôna izay nametrahan’ireo vahoaka ireo izany fanontaniana izany sy ny namaliany azy tamim-panekena tokoa hoe:

“Ary ny zava-nitranga dia tsy nisy fifandirana teo anivon’ny vahoaka rehetra, teo amin’ny tany manontolo; … noho ny fitiavan’ Andriamanitra, izay nitoetra tao am-pon’ny vahoaka.

“Ary tsy nisy fialonana, na adiady, … na izay mety ho fomban’ny fahalotoam-pitondratena; ary marina tokoa fa tsy ho nety nisy vahoaka sambatra kokoa toa azy teo anivon’ ny vahoaka rehetra izay noharian’ny tànan’ Andriamanitra.

“Tsy nisy mpandroba, na mpamono olona, tsy nisy koa Lamanita, na izay mety ho fombafomban’ny -ita; fa izy kosa dia iray, zanak’i Kristy ary mpandovan’ny fanjakan’ Andriamanitra.

Ary notahiana ery izy!13

Inona no fanalahidin’ity fivoarana amin’ny fiainana milamina sy feno fifaliana ity? Voarakitra ao anatin’ireo teny ao amin’ny fehezan-teny iray izany manao hoe: “Ny fitiavan’ Andriamanitra, izay nitoetra tao am-pon’ny vahoaka.”14 Rehefa ny fitiavan’ Andriamanitra no mandrindra ny fiainantsika sy ny fifandraisantsika ary ny zavara tsapantsika ho an’ny zanak’olombelona rehetra dia ho manjavona ireo fanavahana taloha sy ireo anarana napetaka tsy mampivoatra, sy ireo fizarazarana ka hitombo ny fiadanana. Izany indrindra no niseho tamin’ilay ohatra noresahantsika ao amin’ny Bokin’i Môrmôna. Tsy misy Lamanita na Jakôbita na Josefita na Zôramita intsony. Tsy misy “-ita” izany intsony mihitsy. Nisalotra anarana vaovao tokana mampiray kokoa ny vahoaka. Voalaza ao fa fantatra tamin’ny hoe “zanak’i Kristy”15 avokoa izy rehetra.

Mazava ho azy fa ilay didy lehibe voalohany nomena ny fianakaviamben’ny zanak’olombelona no resahintsika eto, dia ny hitia an’ Andriamanitra amin’ny fo manontolo tsy misy fepetra na tsy azo hozongozonina, dia amin’ ny fontsika rehetra sy ny herintsika sy ny saintsika rehetra ary ny tanjatsika rehetra.16 Io fitiavana an’ Andriamanitra io no didy lehibe voalohany manerana izao rehetra izao. Saingy ny fahamarinana lehibe indrindra manerana izao rehetra izao dia ny hoe Tia antsika Andriamanitra amin’izany fomba izany mihitsy, dia amin’ny fo manontolo tsy misy fepetra na tsy azo hozongozonina, dia amin’ny fony rehetra sy ny heriny sy ny sainy rehetra ary ny tanjany rehetra. Ary rehefa tafahaona tsy misy sakantsakana ireo hery lehiben’ny fony sy ny antsika ireo dia hisy fipoahan-kery ara-panahy sy ara-pitondrantena mahery vaika. Avy eo, araka ny nosoratan’i Teilhard de Chardin hoe: “fanindroany teo amin’ny tantaran’izao tontolo izao no nahitan’ ny olona ny afo.”17

Amin’izay, ary tena amin’izay ihany, vao afaka mitandrina tsara ilay didy lehibe faharoa isika amin’ny fomba tena lalina sy manan-danja. Rehefa tena tia an’ Andriamanitra isika ka miezaka ny ho mahatoky tanteraka Aminy dia Izy no hanome antsika ny fahafahana, ny fahaizana, ny fahavononana, ary ny fomba hitiavana ny namantsika sy ny tenantsika. Ary angamba amin’izay isika dia ho afaka hiteny indray hoe: “Tsy ho nety nisy vahoaka sambatra kokoa toa azy teo anivon’ny vahoaka rehetra izay noharian’ny tànan’ Andriamanitra.”18

Ry rahalahay sy anabavy, mivavaka aho mba hahomby amin’izay tsy nahombiazan’io lehilahy manan-karena io isika, mba hitondrantsika ny hazo fijalian’i kristy, na dia mitaky ezaka aza izany, na inona na inona vokatr’izany ary na inona na inona vidin’izany. Mijoro ho vavolombelona aho fa rehefa mampanantena ny hanaraka Azy isika dia tsy maintsy hisy fotoana ilay lalana no handalo amin’ny lalana misy satroboninahitra tsilo sy hazo fijaliana romana henjana. Na manan-karena toy ny ahoana aza ilay mpanapaka tanora mpanan-karena dia tsy ampy hividianany ny fahatakarana ireo tandindona ireo izany, ary isika koa torak’izany. Noho ny fitahian’ny fandraisana ilay fananana lehibe indrindra amin’ny fananana rehetra, dia ny fiainana mandrakizay, dia kely tokoa ny fangatahana antsika hijanona eo amin’ny lalan’ny fanarahana ilay Mpisoronaben’ny fananantsika, ilay Fitarik’andro, sy Mpisolovava ary Mpanjakantsika. Mijoro ho vavolombelona aho miaraka amin’i Amalekia mpaminany taloha izay tsy dia fanta-daza fa isika tsirairay avy dia tokony “[hanolotra] ho toy ny fanatitra ho Azy ny fanahi[ntsika] manontolo.”19 Mihira momba izany fanoloran-tena feno fahazotoana sy tsy miovaova izany isika manao hoe:

Dera ho an’ilay tendrombohitra; Eo aho no miorina:

Ilay tendrombohitry ny fitiavanao manavotra. …

Indro ny foko, raiso ka fehezo;

Fehezo ho ao amin’ny fanjakanao.20

Amin’ny anarana masin’i Jesoa Kristy, amena.