Fihaonamben’ny Fiangonana Maneran-tany
Aingao ambony ny fahazavanao
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ôktôbra 2021


Aingao ambony ny fahazavanao

Tsotra ny fanasana omeko anio: zarao ny filazantsara. Mitoera amin’ny maha-ianareo anareo ary aingao ambony ny fahazavanareo.

Taona vitsy lasa izay dia tafapetraka teo akaikin’ny olona iray izay nilaza ny tenany ho tsy mpino an’ Andriamanitra aho raha nisidina ho any Peroa. Nanontaniany ahy ny antony inoako an’ Andriamanitra. Nandritra ny resadresaka nahafinaritra naterak’izany dia nilaza taminy aho fa nino an’ Andriamanitra aho satria nahita Azy i Joseph Smith, dia nampiako avy eo fa ny fahafantarako an’ Andriamanitra koa dia avy amin’ny zavatra ara-panahy manokana niainako sy tena nisy. Nozaraiko taminy ny finoako fa “ny zava-drehetra dia maneho fa misy Andriamanitra”1 ary nanontaniako azy ny finoany mikasika ny fomba nampisy ny tany, ity tany lonaka feno fiainana ity ao anatin’ny babangoan’ny habakabaka. Namaly izy, araka ny teniny, fa afaka nitranga tao anatin’ny fotoana tsy hita noanoa izany zavatra “kisendrasendra” izany. Rehefa nohazavaiko taminy ny tsy azo iheverana fa zavatra “kisendrasendra” no hiteraka hatsarana sy lamina toy izao, dia nangiana kely izy ary avy eo dia namaly tamim-pahatsorana hoe: “Voanao aho tamin’iny a!” Nanontaniako izy raha toa ka hamaky ny Bokin’i Môrmôna. Nilaza izy fa hataony izany ary dia nandefasako iray izy.

Taona maro taty aoriana dia nahazo namana vaovao aho raha tao amin’ny seranam-piaramanidina tao Lagos, Nizerià. Lasa nifakafantatra izahay raha teo am-pisavana ny pasipaoroko izy. Nanontany azy momba ny finoany ara-pivavahany aho ary naneho finoana matanjaka an’ Andriamanitra izy. Nozaraiko taminy ny fifaliana sy ny fientanentanana nentin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny ary nanontaniako izy raha toa ka tiany ny hianatra misimisy kokoa amin’ireo misiônera. Eny no navaliny ary nampinarina sy natao batisa izy. Iray na roa taona taty aoriana raha nandalo tao amin’ny seranam-piaramanidina tao Liberia aho dia nahare feo niantsoantso ny anarako. Nitodika aho ary nanatona ahy tamim-pitsikiana io tovolahy io ihany. Nifamihina tamim-kafaliana izahay ary nampahafantariny ahy fa mazoto tao amin’ny Fiangonana izy ary miaraka amin’ireo misiônera mampianatra an’ilay tovovavy sakaizany.

Izao dia tsy fantatro raha toa ka namaky ny Bokin’i Môrmôna sy niditra ho mpikamban’ny Fiangonana ilay namako tsy nino an’ Andriamanitra. Ilay namaka faharoa kosa dia nanao izany. Nitovy ny andraikitro2, ny fahafahana nomena ahy, tamin’izy roa lahy ireo, dia ny manainga ambony ny fahazavan’ny filazantsara: mitia sy mizara ary manasa ny tsirairay amin’izy ireo amin’ny fomba tsotra sy mandeha ho azy.3

Ry Rahalahy sy anabavy, efa niainako ireo fitahiana azo avy amin’ny fizarana ny filazantsara ary tena mahatalanjona izany. Indreto misy vitsivitsy amin’izany:

Mitondra fifaliana sy fanantenana ny fizarana ny filazantsara

Hitanao fa izaho sy ianao dia mahafantatra fa niaina amin’ny maha-zanaky ny ray aman-dreny any an-danitra isika talohan’ny nankanesantsika teto amin’ity tany ity4 ary nohariana ny tany mba hanomezana ny olona tsirairay fahafahana handray vatana, sy hahazo traikefa ary hianatra sy hitombo mba hahazoana ny fiainana mandrakizay, ilay fiainan’ Andriamanitra.5 Fantar’ Andriamanitra fa hijaly sy hanota isika eto ambonin’ny tany noho izany dia nandefa ny Zanakalahiny Izy izay niaina “fiainana tsy manan-tsahala”6 ary nanao Sorompanavotana mandrakizay7 izay manome fahafahana antsika ho voavela ary ho sitrana.8

Ny fahafantarana ireo fahamarinana ireo dia manova ny fiainana! Rehefa mianatra ny tanjona feno voninahitry ny fiainana ny olona iray ary mahatakatra fa i Kristy dia mamonjy ireo izay manara-dia Azy ary misafidy ny hanaraka an’i Kristy ao anatin’ny ranon’ny batisa, dia miova ho tsaratsara kokoa ny fiainana, na dia tsy miova toy izany aza ireo toe-javatra eo amin’ny fiainana.

Nilaza tamiko ny rahavavy miramirana iray nihaona tamiko tany Onitasha, Nizeria fa nanomboka tamin’ny fotoana nianarany ny filazantsara sy nahavitan’ny batisany dia izao no teny nolazainy: “soa avokoa ny zava-drehetra. Faly aho. Toy ny hoe any an-danitra aho.”9 Ny fizarana ny filazantsara dia mampitsiry fifaliana sy fanantenana ao amin’ny fanahin’ilay mpanome sy ilay mpandray. Marina tokoa fa “akory ny halehiben’ny fifalianareo”11 rehefa mizara ny filazantsara ianareo! Fifaliana miampy fifaliana, fanantenana miampy fanantenana ny fizarana ny filazantsara.11

Mitondra ny herin’ Andriamanitra eo amin’ny fiainantsika ny fizarana ny filazantsara

Tamin’ny natao batisa isika dia niditra amin’ny fanekempihavanana maharitra mandrakizay12 tamin’ Andriamanitra fa “hanompo Azy sy hitandrina ny didiny,”13 ary tafiditra anatin’izany ny hoe “hijoro ho vavolombelony amin’ny fotoana rehetra sy amin’ny zava-drehetra ary amin’ny toerana rehetra.”14 Rehefa “mitoetra ao” Aminy isika amin’ny alalan’ny fitandremana ity fanekempihavanana ity dia mikoriana eo amin’ny fiainantsika avy amin’i Kristy ny herin’ny toetra araka an’ Andriamanitra, tahaka ny sampana kolokoloan’ny vatam-boaloboka.15

Miaro antsika amin’ny fakam-panahy ny fizarana ny filazantsara

Mandidy ny Tompo hoe:

“Aingao ambony ny fahazavanareo mba hamirapiratany eo amin’ izao tontolo izao. Indro, Izaho no fahazavana izay haingainareo ambony—izay efa hitanareo fa nataoko. …

“… nandidy Aho mba … hankanesanareo aty Amiko ka hahazoanareo mitsapa sy mahita; dia toy izany koa no hataonareo amin’izao tontolo izao; ary na zovy na zovy no mandika izao didy izao dia mamela ny tenany ho azon’ny fakam-panahy.”16

Ny fisafidianana ny tsy hanainga ambony ny hazavan’ny filazantsara dia mitondra antsika amin’ny aloka izay toerana hahazoan’ny fakam-panahy kokoa antsika. Fa ny zava-dehibe dia marina ny mifanohitra amin’izany: ny fisafidianana hanainga ambony ny fahazavan’ny filazantsara dia mitondra antsika hanatona kokoa izany fahazavana izany sy ny fiarovana amin’ny fakam-panahy entin’izany. Fitahiana goavana ho an’izao tontolo ankehitriny izao izany!

Mitondra fanasitranana ny fizarana ny Filazantsara

Nanaiky ny fanasana mba hanampy ireo misiônera Rahavavy Tiffany Myloan na dia teo aza ireo fahasarotana tena navesatra nianjady taminy, anisan’izany ireo fanontaniana nananany momba ny finoany. Nilaza tamiko izy vao tsy ela fa nanavao ny finoany sy ny fahafaham-po tsapany ny fiarahany nanompo tamin’ireo misiônera. Araka ny teniny hoe: “Tena manasitrana tokoa ny asa fitoriana ny filazantsara.”17

Fifaliana. Fanantenana. Hery manohana avy amin’ Andriamanitra. Fiarovana amin’ny fakam-panahy. Fahasitranana. Ireo rehetra ireo, miampy maro hafa (anisan’izany ny famelana ny fahotana)18, dia mirotsaka ao amin’ny fanahintsika toy ny fitahiana avy any an-danitra rehefa mizara ny filazantsara isika.

Ankehitriny, indro ilay fahafahana lehibe ananantsika

Ry rahalahy sy anabavy, maro ireo eo anivon’ireo “antokom-pivavahana, vondrona ary fiangonana rehetra, no … [voasakana] tsy hahita ny fahamarinana dia noho ny tsy fahafantarany izay ahitana izany fotsiny.”19 Tsy mbola nisy nilàna ny fanaingana ambony ny fahazavan’ny filazantsaran’i Kristy naverina tamin’ny laoniny mihoatra noho ny amin’izao teo amin’ny tantaran’ny zanak’olombelona hatramin’izay. Tsy mbola mora azo toy izao ny fahamarinana.

I Jimmy Ton izay lehibe tao amin’ny finoana Bodista dia variana tamin’ny fizaran’ny fianakaviana iray momba ny fiainan’izy ireo tamin’ny Youtube. Rehefa nahafantatra izy fa mpikamban’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany izy ireo dia nianatra samirery ny filazantsara en ligne izy, namaky ny Bokin’i Môrmôna tamin’ny application ary natao batisa rehefa avy nihaona tamin’ireo misiônera tamin’izy teny amin’ny oniversite.20 Ankehitriny dia mpitory ny filazantsara amin’ny fotoana feno i Elder Ton.

Araka ny tenin’ny mpaminanintsika dia izy sy ny mpiara-mitory ny filazantsara aminy no tafiky ny Tompo.21 Manohitra ny fironana misy eto amin’izao tontolo izao ireo misiônera ireo: raha mitatitra ireo fanadihadiana natao fa manalavitra an’ Andriamanitra ny taranaka Z (Génération Z),22 ireo misiônera lahy sy vavy zatovo miaramilantsika23 ireo kosa dia manampy ny olona hitodika amin’ Andriamanitra. Ary mitombo hatrany ny isan’ireo mpikamban’ny Fiangonana miray hina amin’ireo misiônera amin’ny fizarana ny filazantsara, ary manampy namana misimisy kokoa mba hanatona an’i Kristy sy ny Fiangonany.

Ireo Olomasin’ny Andro Farany malalantsika mpikambana any Liberia dia nanampy namana miisa 507 hiditra ny ranon’ny batisa nandritra ireo 10 volana tsy nisian’ny mpitory ny filazantsara amin’ny fotoana feno nanompo tao amin’ny firenen’izy ireo. Rehefa naheno ny iray tamin’ireo filohan’ny tsatòka any Liberia fa afaka miverina ireo mpitory ny filazantsara amin’ny fotoana feno dia nanamarika hoe: “Tsara kosa izany, afaka manampy anay amin’ny asanay izany izy ireo izao.”

Tena marina ny voalazany: ny fanangonana an’i Isiraely, ilay asa lehibe indrindra eto amin’ity tany ity24 dia ilay andraikitsika noho ny fanekempihavanana. Ary fotoantsika izao! Tsotra ny fanasana omeko anio: zarao ny filazantsara. Mitoera amin’ny maha-ianareo anareo ary aingao ambony ny fahazavanareo. Mivavaha mba handraisanareo ny fanampian’ny lanitra ary araho ireo fitaomana ara-panahy. Zarao amin’ny fomba tsotra sy mandeha ho azy ny fiainanareo ary manasà olona iray hafa mba ho avy ka hahita, ho avy ka hanampy ary ho avy ka hiombona.25 Ary mifalia raha mandray ireo fitahiana nampanantenaina ianareo sy ireo olona lalainareo.

Fantatro fa ao amin’i Kristy no hitoriana teny soa mahafaly amin’ny mpandefitra; ao amin’i Kristy no hanasitranana ireo fo torotoro; ao amin’i Kristy no hitoriana fanafahana amin’ireo babo; ary ao amin’i Kristy, ao amin’i Kristy irery ihany no hanomezana hamama ho solon’ny lavenona ho an’ireo malahelo. 26 Noho izany, dia manan-danja lehibe ery ny fampahafantarana ireo zavatra ireo amin’ny rehetra manodidina antsika!27

Mijoro ho vavolombelona aho fa i Jesoa Kristy no tompony sy mpanefy ny finoantsika.28 Izy no hamarana, Izy no hameno ny fampiharantsika finoana, na manao ahoana na manao ahoana ny tsy fahatanterahany, amin’ny fanaingana ambony ny fahazavan’ny filazantsara. Hanao fahagagana eo amin’ny fiainantsika sy eo amin’ny fiainan’ireo rehetra hangoniny Izy satria Andriamanitry ny fahagagana Izy.29 Amin’ny anarana mahagagan’i Jesoa Kristy, amena.

Hamoaka printy