Famerenana amin’ny laoniny isan’andro
Mila mampiditra ny fahazavana avy any an-danitra mitohy isan’andro isika. Mila “andro famelombelomana” isika. Fotoana hamerenana ny tenantsika amin’ny laoniny.
Miangona isika amin’izao Sabata maraina mahafinaritra izao mba hiresaka momba an’i Kristy sy hifaly amin’ny filazantsarany ary hifanampy sy hifanohana eo am-pandehanantsika eo amin’ “ilay lalana” izay an’ny Mpamonjintsika.1
Amin’ny maha-mpikamban’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany antsika dia miangona isaky ny Andro Sabata isika ho amin’io tanjona io mandritra ny taona. Raha toa ka tsy mpikamban’ny Fiangonana ianao dia mandray anao amin-kafanana izahay ary misaotra anao miaraka aminay hitsaoka ny Mpamonjy sy hianatra Aminy. Tahaka anao dia miezaka izahay, na dia tsy lavorary aza, ho lasa namana sy mpiara-belona ary olombelona tsara kokoa,2 ary mikatsaka ny hanao izany izahay amin’ny alalan’ny fanarahana an’i Jesoa Kristy ilay Ohatra ho antsika.
Manantena izahay fa tsapanao ny maha avy amin’ny fo ny fijoroanay ho vavolombelona. Velona i Jesoa Kristy! Izy no Zanak’ilay Andriamanitra velona, ary Izy no mitarika ireo mpaminany eto an-tany amin’izao androntsika izao. Manasa ny rehetra izahay hanatona ka handre ny tenin’ Andriamanitra ary handray amin’ny hatsarany! Zaraiko ny fijoroana ho vavolombelona ananako manokana fa eto anivontsika Andriamanitra ary hanatona tokoa ireo rehetra izay manatona Azy Izy.3
Raisinay ho voninahitra ny miaraka mandeha aminareo eo amin’ilay lalan’ny maha-mpianatry ny Tompo izay ety sy tery.
Ny fahaizana mandeha amin’ny lalana mahitsy
Misy fomba fihevitra miverimberina izay hoe ny olona rehefa very dia mihodinkodina fotsiny. Vao tsy ela izay ireo manampahaizana ao amin’ny Max Planck Institute for Biological Cybernetics no nanandrana io fomba fihevitra io. Nentin’izy tany anaty ala matevina ireo mpandray anjara ary nomeny torolalana tsotra hoe: “Mandeha amin’ny lalana mahitsy.” Tsy nisy mari-toerana azo nojerena. Tsy nisy azon’ireo mpandray anjara amin’ilay andrana ianteherana afa-tsy ny fahaizan’izy ireo mamantatra lalana.
Inona hoy ianareo no nataon’izy ireo?
Toy izao no fehin-kevitr’ireo siantifika: “Tena mihodinkodina fotsiny marina ny olona rehefa tsy manana mari-pamantarana azo ianteherana momba ny lalan-kalehany.”4 Rehefa nanontaniana ny mpandray anjara sasany taorian’izay dia nanamafy tamin-patokian-tena ny sasany fa tsy mba nivily lalana velively izy ireo. Na dia teo aza izany fatokian-tenan’izy ireo izany dia naneho ny angon-kevitra tamin’ny GPS fa izy ireo dia nihodinkodina tao anaty faribola sahabo ho 20 metatra teo ny savaivony.
Nahoana no sarotra amintsika toy izany ny mandeha amin’ny lalana mahitsy? Milaza ny mpikaroka sasany fa fivilian-dalana kely tsy misy dikany akory dia efa manova zavatra. Ny sasany indray nanazava fa isika rehetra dia manana tongotra ilany izay somary matanjaka kokoa noho ilay iray hafa. Kanefa “raha ny tena marina,” dia sahirana isika mandeha mahitsy “[satria] mihamitombo ny tsy fatokian-tena amin’ny hoe aiza izany mahitsy izany.”5
Na inona na inona ny antony dia efa toetran’ny olombelona ilay hoe: rehefa tsy misy mari-toerana azo ianteherana dia miala lalana isika.
Miala lalana
Tsy mahaliana ve izany hoe antony kely toa tsy misy dikany akory dia afaka mitondra fiovana lehibe eo amin’ny fiainantsika?
Fantatro izany avy amin’ny zavatra niainako manokana amin’ny maha mpanamory fiaramanidina ahy. Isaky ny manomboka manatona seranam-piaramanidina iray aho dia fantatro fa ny ankamaroan’ny asa sisa hataoko dia ny fanitsiana kely tsy tapaka ny lalan-kizorana mba hitondrana an’ilay fiaramanidina ho eo amin’ny lalana tiana hidinanay.
Mety efa niaina zavatra toy izany ianao rehefa mitondra fiara. Ny rivotra, ny tsy fahatomombanan’ny lalana, ny tsy fahitsian’ny kodiarana, ny tsy fitandremana, raha tsy ilaza ireo zavatra hafa ataon’ny mpamily, ireo rehetra ireo dia afaka manosika anao hiala amin’ny lalana nokasainao haleha. Ny tsy firaharahiana ireo antony ireo dia mety hiafara amin’ny andro ratsinao.6
Mihatra amintsika ara-batana izany.
Mihatra amintsika ara-panahy ihany koa izany.
Ny ankamaroan’ireo fiovana eo amin’ny fiainantsika ara-panahy, na amin’ny tsara na amin’ny ratsy, dia mitranga tsikelikely, dingana iray isaky ny mandeha. Tahaka ireo mpandray anjara tamin’ilay fandalinana natao tao Max Planck dia mety tsy ho tsikaritsika hoe mivily lalana isika. Mety hanana fatokian-tena be aza isika hoe mandeha mahitsy. Fa ny zava-misy dia rehefa tsy misy mari-toerana hitarika antsika dia tsy azo ihodivirana fa hivily lalana isika ka hiafara amin’ny toerana tsy neritreretintsika hisy antsika mihitsy.
Marina izany ho an’ny isam-batan’olona. Marina ihany koa izany ho an’ny mpiara-monina sy ny firenena. Feno ohatra amin’izany ny soratra masina.
Ny bokin’ny Mpitsara dia mirakitra fa taorian’ny nahafatesan’i Josoa dia nisy “taranaka hafa, izay tsy nahalala an’i Jehovah na ny asa efa nataony.”7
Na dia teo aza ireo fidiran’ Andriamanitra an-tsehatra, fisehoana, fanavotana, ary fandresena mahagaga hitan’ny vahoakan’i Isiraely nandritra ny androm-piainan’i Mosesy sy i Josoa, tao anatin’ny taranaka iray izy ireo dia efa nandao ilay lalana ary nanomboka nandeha araka fanirian’ny tenany. Ary mazava ho azy fa tsy ela izy ireo dia nizaka ny voka-dratsin’izany fitondran-tena izany.
Indraindray io fivilian-dalana io dia mitranga afaka taranaka maro. Indraindray izany dia mitranga aman-taona na volana mihitsy.8 Saingy afaka ny ho tratrany avokoa isika rehetra. Na mafy toy ny ahoana ny zavatra ara-panahy niainantsika tany amin’ny lasa, amin’ny maha olombelona antsika dia mitady ho very foana isika. Toy izany foana no nitranga nanomboka tamin’ny andron’i Adama mandraka ankehitriny.
Ity no vaovao tsara
Saingy tsy very akory ny fanantenana. Tsy tahaka ireo olona natao andrana izay very, isika dia manana mari-toerana azo ianteherana sy hita maso izay azontsika ampiasaina hanombanana ny diantsika.
Ary inona ary ireo mari-toerana ireo?
Azo antoka fa tafiditra ao anatin’izany ny vavaka isan’andro sy ny fisaintsainana ny soratra masina ary ny fampiasana fitaovana nentanim-panahy toy ny Avia, hanaraka Ahy. Isan’andro isika dia afaka manatona ny seza fiandrianan’ Andriamanitra amim-panetrentena sy amim-pahamarinan-toetra. Afaka misaintsaina ny zavatra vitantsika isika ary mijery ireo fotoana amin’ny androntsika, mampifanaraka ny sitrapontsika sy ny faniriantsika amin’ny Azy. Raha toa ka nivily lalana isika dia afaka mitalaho amin’ Andriamanitra mba hamerina antsika amin’ny laoniny, ary manolo-tena ny hanao tsaratsara kokoa.
Io fotoana fandinihan-tena io dia fotoana ahafahana mamerina manitsy indray. Fotoana hisaintsainana lalina izay ahafahantsika miara-dia amin’ny Tompo sy hoampianarina sy hampiorenina ary hodiovin’ny tenin’ny Raintsika any An-danitra izay voasoratra sy nambaran’ny fanahy. Fotoana masina izay ahatsiarovantsika ireo fanakempihavanantsika masina ny hanaraka an’i Kristy malemy fanahy izany, fotoana izay hanombatombanantsika ny fivoarantsika sy hampifanarahantsika ny diantsika amin’ireo mari-toerana ara-panahy nomen’ Andriamanitra an’ireo zanany.
Eritrereto ho toy ny famerenana amin’ny laoniny isan’andro anao sy ho anao manokana izany. Mandritra ny diantsika amin’ny maha mpivahiny antsika eo amin’ilay lalan’ny voninahitra dia fantatsika fa mora lavo isika. Fa tsy misy hafa amin’ny ahafahan’ny fiviliana kely mampihataka antsika amin’ny lalan’ny Mpamonjy no ahafahan’ny fihetsika fanitsiana kely sy tsotra ihany koa mitarika antsika miverina. Rehefa misoko mangina ao amin’ny fiainantsika ny haizina, toy ny fanaony, dia ny famerenana antsika amin’ny laoniny isan’andro no manokatra ny fontsika ho amin’ny hazavana avy any an-danitra, izay manazava ny fanahintsika sy mandroaka ireo aloka sy tahotra ary ahiahy.
Fanamoriana kely, sambo lehibe
Rehefa katsahintsika izany dia azo antoka fa “Homen’ Andriamanitra [antsika] amin’ny alalan’ny Fanahy Masiny, eny, amin’ny alalan’ny fanomezana tsy hay lazaina ny Fanahy Masina, ny fahalalana.”9 Isaky ny mangataka isika dia mampianatra antsika ilay lalana Izy ary manampy antsika hanaraka izany.
Mazava ho azy fa mitaky ezaka maharitra avy amintsika izany. Tsy afaka mionona amin’ny zavatra ara-panahy niainana taloha isika. Mila mizotra hatrany isika.
Tsy afaka miantehitra mandrakizay amin’ny fijoroana ho vavolombelona ananan’ny hafa isika. Fa tsy maintsy manorina ny antsika manokana.
Mila mampiditra ny fahazavana avy any an-danitra mitohy isan’andro isika.
Mila “andro famelombelomana”10 isika. Fotoana hamerenana ny tenantsika amin’ny laoniny.
Tsy afaka “mijanona ho tsy madio” amin’ny fotoana maharitra “ny rano mikoriana.”11 Mba hihazonana ny eritreritsika sy ny asantsika ho madio dia mila mitozo hatrany isika!
Sady ny famerenana amin’ny laoniny ny filazantsara sy ny Fiangonana dia tsy zavatra nitranga indray mandeha dia vita. Fa dingana mitohy izany, andro iray isaky ny mandeha, fo iray isaky ny mandeha.
Arakaraka ny fandehan’ny fotoana no hampandroso ihany koa ny fiainantsika. Misy mpanoratra iray nanazava izany toy izao: “Ny andro iray dia toy ny fiainana manontolo. Manomboka manao zavatra iray ianao kanefa miafara amin’ny fanaovana zavatra iray hafa, mikasa ny hanatanteraka zavatra iray ianao kanefa tsy tonga any mihitsy. Ary amin’ny faran’ny fiainanao dia manana io toetra kisendrasendra io ihany koa ny fisianao iray manontolo. Mitovy amin’ny endriky ny andro iray ihany ny fiainanao manontolo.”12
Tianao hovaina ve ny endriky ny fiainanao?
Ovao ny endriky ny tontolo andronao.
Tianao hovaina ve ny tontolo andronao?
Miovà amin’izao ora izao.
Ovao izay eritreritinao sy tsapanao ary ataonao amin’izao ankehitriny izao.
Afaka mamily sambo lehibe ny fanamoriana kely.13
Afaka ho tonga trano mahavariana ireo biriky kely.
Afaka ho tonga hazo sequoïa mijoalajoala ireo voa kely.
Ireo minitra sy ora nolaniana tsara no manorina fiainana niainana tsara. Afaka mitaona amin’ny hatsarana izany, mampiarina antsika avy ao amin’ny gejan’ny tsy fahalavorariana, ary mitarika antsika hiakatra eo amin’ny lalana manavotry ny famelan-keloka sy ny fanamasinana.
Ilay Andriamanitry ny fanombohana vaovao
Manandratra ny foko amim-pankasitrahana miaraka aminareo aho noho ny fanomezana lehibe hananana fahafahana vaovao, fiainana vaovao, fanantenana vaovao.
Manandratra ny feontsika amim-piderana an’ilay Andriamanitsika be famindram-po sy mpamela heloka isika. Marina tokoa fa Andriamanitry ny fanombohana vaovao Izy. Ny tanjona faratampon’ny asany rehetra dia ny hanampy antsika zanany hahomby amin’ny fikatsahantsika ny tsy fahafatesana sy ny fiainana mandrakizay.14
Afaka ny ho lasa olona vaovao ao amin’i Kristy isika satria Andriamanitra efa nampanantena hoe: “Isaky ny mibebaka ny oloko dia Izaho hamela ny fahadisoany Tamiko”15 ary “tsy mahatsiaro izany intsony.”16
Ry rahalahy sy anabavy malalako, ry namana malalako, samy mivily lalana avokoa isika rehetra indraindray.
Saingy afaka miverina mankeo amin’ny lalana isika. Afaka mamakivaky ny haizina sy ireo fitsapana amin’ity fiainana ity isika ary hahita ny lalana miverina any amin’ny Raintsika any An-danitra be fitiavana rehefa mikatsaka sy manaiky ireo mari-toerana nomeny, sy mandray ny fanambarana ho an’ny tenatsika manokana ary miezaka mahazo famerenana amin’ny laoniny isan’andro. Izany no hahatongavantsika ho tena mpianatr’i Jesoa Kristy, ilay Mpanavotra mamintsika.
Rehefa manao izany isika, dia ho faly amintsika Andriamanitra. “Hitahy anao Izy any amin’ny tany izay omen’i Jehovah Andriamanitrao anao. Hanandratra anao ho firenena masina ho Azy Jehovah.”17
Ny vavaka ataoko dia enga anie isika hikatsaka ny famerenana amin’ny laoniny isan’andro ary hiezaka handeha amin’ilay Lalan’i Jesoa Kristy. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.