Fihaonamben’ny Fiangonana Maneran-tany
Ny tempoly sy ny fototra ara-panahinao
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ôktôbra 2021


18:59

Ny tempoly sy ny fototra ara-panahinao

Na oviana na oviana misy korontana mitranga eo amin’ny fiainanareo, ny toerana hahatsapan-tena ho voaro ara-panahy indrindra dia ny miaina ao anatin’ireo fanekempihavanana nataonareo tany amin’ny tempoly!

Ry rahalahy sy anabavy malalako, maha-velom-pankasitrahana ahy ny miaraka aminareo amin’izao maraina izao hizara ireo fahatsapana ao am-poko.

Araka ny efa fantatrareo dia eo am-panaovana fanavaozana lehibe amin’ny Tempoly manan-tantaran’i Salt Lake isika ankehitriny. Io tetikasa goavana io dia ahitana fanamafisana lehibe eo anivon’ny fotony voalohany, izay nahavita ny asany nandritra ny zato taona mahery. Saingy tsy maintsy mijoro ela kokoa io tempoly io. Nanara-maso ny fivoaran’io tetikasa makadiry io aho tamin’ny faran’ny volana mey. Nieritreritra aho hoe hahafinaritra anareo ny hahita ny zavatra hitanay sy i Wendy vadiko. Ho hitanareo hoe nahoana ilay fihirana “Fototra mafy orina”1no lasa nanana dikany vaovao taminay.

2:4

Horonantsarin’ny fanavaozana ny Tempolin’i Salt Lake: “Mijery ny fototra voalohan’ny tempolin’i Salt Lake isika izao. Mijoro eto amin’ny faritra ambanin’ny Efitranon’ny Saha fahiny aho. Raha mandinika ny rafitra manontolon’ity trano ity aho dia talanjona amin’ny zava-bitan’ireo mpamakilay. Mitolagaga tanteraka aho rehefa mandinika fa tamin’ny alalan’ny fitaovana sy haitao nisy teo amin’izy ireo monja, taon-jato mahery lasa izay, no nananganan’izy ireo ity trano mahavariana ity.

“Rehefa lasana ny taona maro anefa, raha jerentsika akaiky ny fototra, dia hitantsika ny fiantraikan’ny riaka, sy ireo banga eo anivon’ny rary vato voalohany, sy ireo tsy fahatomombanana teo amin’ny fandatsahana ny vato.

“Talanjona tokoa aho ankehitriny manoloana ny zava-bitan’ireo injeniera, sy mpahay mari-trano, ary matihanina amin’ny fananganana trano mba hanamafisana ny fototra voalohany. Mahazendana ny asan’izy ireo!

“Ny fototra-na trano rehetra, indrindra raha lehibe toa ity iray ity, dia tsy maintsy mafy sy matanjaka tsara mba hahatohitra ny horohoron-tany, ny fikaohana, sy ny rivo-mahery, ary ny filetsena tsy azo ialana izay manjo ny trano rehetra. Ny asa fanarenana goavana eo an-dalam-pandrosoana ankehitriny dia hampamafy orina ny fototr’ity tempoly masina ity ka hijoro hahasetra ny fotoana.”

Manao ny aintsika tsy ho zavatra isika ankehitriny mba hanomezana ity tempoly nihamarefo ity, fototra izay hahatohitra ny herin’ny natiora ka haharitra hatramin’ny Arivotaona. Toraka izany koa, fotoana ho antsika izao mba handraisana fepetra tsy mahazatra, angamba fepetra mbola tsy noraisintsika mihitsy taloha, entina hanamafisana orina ireo fototra ara-panahintsika. Mitaky fepetra tsy manam-paharoa ny fanamby tsy manam-paharoa.

Ry rahalahy sy anabavy malalako, andro farany izao. Raha tiantsika ny hahatohitra ireo fahasarotana sy ireo fampahoriana ho avy, dia tsy maintsy manana fototra ara-panahy mafy orina miorina eo amin’ny vatolampin’ny Mpanavotra antsika, Jesoa Kristy2, isika.

Koa manontany ny tsirairay aminareo aho hoe mafy orina toy ny ahoana ny fototrareo? Ary inona avy ny fanamafisana orina ilaina ho an’ny fijoroanareo ho vavolombelona anananareo sy ny fahatakaranareo ny filazantsara?

Ny tempoly no ivon’ny fanamafisana orina ny finoana sy ny tanjaka ara-panahy satria ny Mpamonjy sy ny fotopampianarany no ampahany manan-danja indrindra amin’ny tempoly. Ny zavatra rehetra ianarana any amin’ny tempoly, amin’ny alalan’ny zavatra rehetra ampianarina any sy amin’ny alalan’ny Fanahy, dia mampitombo ny fahatakarantsika momba an’i Jesoa Kristy. Ireo ôrdônansy ilaina omeny dia mampifamatotra antsika Aminy amin’ny alalan’ny fanekempihavanan’ny fisoronana. Avy eo, rehefa mitandrina ireo fanekempihavanantsika isika dia hotafiany amin’ny heriny manasitrana sy mampatanjaka.3 Ary endrey fa ho ilaintsika ny heriny amin’ireo andro ho avy.

Nampanantenaina isika fa “raha efa miomana [isika] dia tsy hatahotra.”4 Misy dikany lalina io fanomezan-toky io amin’izao fotoana izao. Nanambara ny Tompo fa na dia eo aza ireo fanamby tsy manam-paharoan’izao andro izao, dia tsy mila mikoa eo anatrehan’ireo fanahiana amin’izao vanim-potoana izao ireo izay manorina ny fotony eo amin’i Jesoa Kristy, sy nianatra ny fomba fisintonana ny heriny.

Efa hatry ny ela no nisian’ireo ôrdônansy sy fanekempihavanan’ny tempoly. Nampianarin’ny Tompo hivavaka, sy hanao fanekempihavanana, ary hanatitra fanatitra5 i Adama sy i Eva. Marina tokoa fa “isaky ny manana vahoaka izay mpankatò ny teniny ny Tompo, dia nodidiana izy ireo hanangana tempoly.”6 Feno andinin-tsoratra masina milaza momba ireo fampianarana, fitafy, sy fiteny, ary ny maro hafa atao any amin’ny tempoly7 ao amin’ireo soratra masina ankatoavin’ny Fiangonana. Ny zava-drehetra inoantsika sy ny fampanantenana rehetra nataon’ Andriamanitra tamin’ireo zanany nanao olon’ny fanekempihavanany dia mifantoka any amin’ny tempoly. Tamin’ny vanim-potoana rehetra, ny tempoly dia nanantitrantitra ny fahamarinana sarobidy fa ireo izay manao fanekempihavanana amin’ Andriamanitra sy mitandrina azy ireo dia zanaky ny fanekempihavanana.

Noho izany, afaka manao ireo fanekempihavanana amin’ Andriamanitra mitovy amin’ny nataon’i Abrahama, sy Isaka, ary Jakôba, ao amin’ny tranon’ny Tompo, isika. Ary afaka ny handray ireo fitahiana mitovy amin’ny noraisin’izy ireo isika.

Tempolin’i Kirtland sy i Nauvoo

Nisy hatrany am-piandohan’ity fotoam-pitantanana ity ny tempoly.8 Nomen’i Elia an’i Joseph Smith tao amin’ny Tempolin’i Kirtland ireo fanalahidin’ny herin’ny famehezana. Naverina tamin’ny laoniny tao amin’ny tempolin’i Nauvoo ny fahafenoan’ny fisoronana.9

Mandra-paha-faty martiora an’i Joseph Smith dia nanohy nandray fanambarana izay nampandroso ny famerenana amin’ny laoniny ireo ôrdônansin’ny fanafiana masina sy ny famehezana izy.10 Tsapany anefa fa nisy fanatsarana nilaina. Taorian’ny fanatontosana ny fanafiana masina an’i Brigham Young tamin’ny mey 1842, dia toy izao no nolazain’i Joseph tamin’i Brigham: “Tsy mbola tomombana tsara izao, saingy nataontsika izay tsara indrindra azontsika natao araka ny toe-javatra misy antsika ary antenaiko fa horaisinao an-tanana ity raharaha ity ka harindranao sy hanaovanao lamina ireto fombafomba ireto.”11

Taorian’ny nahafatesan’ny Mpaminany dia ny Filoha Young no niahy ny famitana ny Tempolin’i Nauvoo12 ary taty aoriana dia nanorina tempoly teo amin’ny Faritanin’i Utah. Tamin’ny fanokanana ny rihana ambanin’ny Tempolin’i St. George i Brigham Young dia nanambara tamin-kery ny hamehan’ny fanatontosana ny asan’ny tempoly isoloana tena ho an’ireo maty raha niteny izy hoe: “Rehefa mieritreritra ity lohahevitra ity aho dia te hampiasa teny mahery vaika hanairana ny olona.”13

Hatramin’io fotoana io dia nihatsara niandalana ny fanatanterahana ireo ôrdônansin’ny tempoly. Nohazavain’ny Filoha Harold B. Lee hoe nahoana ireo fomba fanatanterahana, sy ireo fitsipika mifehy, eny fa na dia ny fanatanterahana ireo ôrdônansin’ny tempoly aza no tsy mitsaha-miova ao amin’ny Fiangonana naverina tamin’ny laoniny an’ny Mpamonjy. Hoy izy: “Masina ireo fitsipiky ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Tsy misy olona manova ireo fitsipika sy [fotopampianaran’] ny Fiangonana ankoatra ny Tompo amin’ny alalan’ny fanambarana. Saingy ireo fomba fanatanterahana kosa dia miova arakaraka ny fitarihana entanim-panahy tonga amin’ireo izay miahy amin’ny fotoana iray voafaritra.”14

Saintsaino ny niovaovan’ny fanatanterahana ny fanasan’ny Tompo nandritra ireo taona maro. Fahiny dia tanatina kaopy lehibe iray no nanolorana ny ranon’ny fanasan’ny Tompo. Nisotro avy tamin’izany ny rehetra. Ankehitriny isika dia mampiasa kaopy kely fanary ho an’ny isam-batan’olona. Niova ny fomba fanatanterahana izany kanefa tsy niova ny fanekempihavanana.

Saintsaino ireto fahamarinana telo ireto:

  1. Ny Famerenana amin’ny laoniny dia dingana fa tsy tranga iray, ary hitohy izany mandra-piverin’ny Tompo indray.

  2. Ny tanjona fara-tampon’ny fanangonana an’i Isiraely15 dia ny mitondra fitahian’ny tempoly amin’ireo zanak’ Andriamanitra izay mahatoky.

  3. Rehefa mikatsaka ny fomba hanatrarana izany tanjona izany amim-pahombiazana kokoa isika dia hanambara hevi-baovao misimisy kokoa ny Tompo. Ny Famerenana amin’ny laoniny eo an-dalam-pitohizana dia mila fanambarana mitohy.

Matetika ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo no manontany ny Tompo raha misy fomba tsaratsara kokoa hitondrana ireo fitahian’ny tempoly mankamin’ireo zanany mahatoky. Mikatsaka fitarihana tsy tapaka izahay ny amin’ny fomba hakana antoka fa marina tsara sy mitovy ireo fampianarana sy ireo fanekempihavanana ary ireo ôrdônansy tanterahina any amin’ny tempoly na dia eo aza ny fahasamihafan’ny fiteny sy ny kolontsaina.

Teo ambanin’ny fitarihan’ny Tompo sy ho valin’ireo vavaka nataonay dia nisy fanatsarana natao teo amin’ny lafiny fanatanterahana ireo ôrdônansy. Izy no ilay Tokana maniry ny hahatakaranao amin’ny fomba mazava tsara tokoa ny zavatra ataonao rehefa manao fanekempihavanana. Izy no ilay Tokana maniry ny hiainanao amin’ny fahafenoany ireo ôrdônansiny masina. Izy dia maniry anao hahatakatra ireo tombontsoanao, sy ireo fampanantenana omena anao, ary ireo andraikitrao. Izy dia maniry ny hananao fahatakarana sy fifohazana ara-panahy izay tsy mbola nanananao mihitsy taloha. Izany no faniriany ho an’ireo mpivahiny any amin’ny tempoly rehetra na aiza na aiza onenan’izy ireo.

Ireo fanatsarana natao amin’ny fanatanterahana ireo fombafomba any amin’ny tempoly, sy ireo zavatra hafa aorian’izany dia manaporofo tsy tapaka fa ny Tompo dia tsy mitsaha-mitarika ny Fiangonany. Manome fahafahana ho an’ny tsirairay avy amintsika Izy hanamafy orina ireo fototra ara-panahintsika amin’ny fomba mahomby kokoa amin’ny alalan’ny fampifantohana ny fiainantsika eo Aminy sy amin’ireo ôrdônansy sy fanekempihavanan’ny tempoliny. Rehefa mitondra ny fahazoandalanao hidirana ny tempoly, amin’ny fo torotoro, sy omban’ny faniriana hianatra fahamarinana vaovao ianao rehefa mankany amin’ny trano fianaran’ny Tompo, dia hampianatra anao Izy.

Raha toa ka ny halavirana, na fahasalamana, na sakana hafa no manakana anao tsy hankany amin’ny tempoly mandritra ny fotoana tsy voafaritra dia manasa anao aho hanokana fotoana hamerenana ao an-tsainao ireo fanekempihavanana nataonao.

Raha toa ka mbola tsy tianao ny manatrika ny tempoly dia mandehana any matetika fa aza ahena. Avelao ny Tompo, amin’ny alalan’ny Fanahiny, hampianatra sy hanentana ny fanahinao rehefa any. Mampanantena anao aho fa rehefa mandeha ny fotoana dia ho lasa toeram-piarovana, sy fahazoana fampiononana, ary fanambarana ho anao ny tempoly.

Raha azoko natao ny niresaka mivantana tsindraindray amin’ny tanora, dia ho nitalahoako ianareo hikatsaka vady izay afaka ny hofehezina aminareo any amin’ny tempoly. Mety hanontany tena ianareo hoe manova inona eo amin’ny fiainanareo izany. Mampanantena anareo aho fa hanova ny zava-drehetra izany! Rehefa manambady any amin’ny tempoly ianareo ary miverina matetika any dia hampatanjahana sy hotarihana ianareo amin’ireo fanapahan-kevitrareo.

Raha afaka niteny tamin’ireo mpivady izay mbola tsy voafehy tany amin’ny tempoly aho, dia ho nitalaho taminareo mba hanao ireo dingana ilaina handraisana izany ôrdônansy faratampony sy manova fiainana izany.16 Hanova zavatra ve izany? Raha toa ka te hiara-hivoatra mandrakizay sy hiaraka mandrakizay ianareo. Ny faniriana ny hiaraka mandrakizay dia hahatanteraka izany. Tsy misy fankalazana na fifanarahana hahatanteraka izany.17

Raha azoko natao ny niresaka tamin’ny lehilahy na vehivavy tsirairay izay maniry fatratra ny hanambady kanefa mbola tsy nahita ilay namany mandrakizay, dia ho namporisihiko ianareo tsy hiandry mandra-pahatongan’ny fanambadiana izay hanafiana masina anareo ao an-tranon’ny Tompo. Atombohy dieny izao ny fianarana sy ny fiainana ny dikan’ny hoe mitondra ny herin’ny fisoronana ho fiadiana.

Ary ho anareo tsirairay izay efa nanao fanekempihavanana tany amin’ny tempoly, miangavy anareo aho hikatsaka amim-bavaka sy tsy tapaka ny hahatakatra ireo fanekempihavanana sy ôrdônansy.18 Handray fahamarinana ara-panahy fanampiny ianareo. Hianatra ny fomba hanokafana ny voaly manasaraka ny lanitra sy ny tany, sy ny fomba fangatahana ny fanampian’ny anjelin’ Andriamanitra, ary ny fomba tsaratsara kokoa mba handraisana fitarihana avy any an-danitra. Hanamafy orina sy hampatanjaka ny fototra ara-panahinareo ireo ezaka feno fahazotoana hanaovana toy izany.

Ry rahalahy sy anabavy malalako, rehefa vita ny fanaovazana ny tempolin’i Salt Lake, dia tsy hisy toerana hahatsapan-tena ho voaro kokoa amin’ny horohoron-tany eto amin’ny Lemak’i Salt Lake ankoatra ny ao anatin’izany tempoly izany.

Toraka izany koa, na oviana na oviana misy korontana mitranga eo amin’ny fiainanareo, ny toerana hahatsapan-tena ho voaro ara-panahy indrindra dia ny miaina ao anatin’ ireo fanekempihavanana nataonareo tany amin’ny tempoly!

Miangavy anareo aho hino ahy fa rehefa miteny aho hoe rehefa ny fototra ara-panahinareo no miorina mafy eo amin’i Jesoa Kristy dia tsy mila matahotra ianareo. Rehefa mahatoky amin’ireo fanekempihavanana nataonareo tany amin’ny tempoly ianareo dia hampatanjahan’ny heriny. Avy eo rehefa mitranga ireo horohoron-tany, dia ho afaka ny hijoro tsy hikoa ianareo satria mafy orina sy tsy voahozongozona ny fototra ara-panahinareo.

Tiako ianareo ry rahalahy sy ranabavy. Ireto no fahamarinana fantatro: Andriamanitra Raintsika any An-danitra dia maniry anareo hisafidy ny hody any Aminy. Tsy sarotra ny drafiny ho an’ny fivoarana mandrakizay ary manaja ny fahafahana misafidy izany. Afaka ianareo ny hifidy izay olona tianareo hahatongavana, sy ny olona tianareo hiara-mitoetra, any amin’ny tontolo ho avy!

Velona Andriamanitra! I Jesoa no Kristy! Ity no Fiangonany izay naverina tamin’ny laoniny mba hanampiana anao hanatratra ny anjaranao mandrakizay. Mijoro ho vavolombelona ny amin’izany aho amin’ny anarana masin’i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. Jereo ny “Fototra mafy orina,” Fihirana sy hiran’ny ankizy, p. 12.

  2. Koa “rehefa [mandefa] ny [rivotra] maheriny ny devoly … dia tsy hanan-kery [amintsika] … noho ilay vatolampy izay iorenan[tsika] eo amboniny, izay fototra azo antoka dia fototra izay tsy ahafahan’ny olona mianjera raha miorina eo amboniny izy” (Helamàna 5:12; nampiana fanamafisana).

  3. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 109:15, 22.

  4. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 38:30; jereo ihany koa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 10:55.

  5. Jereo ny Mosesy 5:5–6.

  6. Bible Dictionary, “Temple.”

  7. Mba hahitana ohatra dia jereo ny Eksodosy 28; 29; Levitikosy 8. Ilay tabernakelin’i Mosesy dia fantatra amin’ny hoe “ny trano-lain’ny Vavolombelona” (Nomery 9:15) sy ny hoe “tabernakelin’ny Vavolombelona” (Eksodosy 38:21). Ny tempolin’i Solomona dia rava tamin’ny 587 talohan’ i Kristy, taona vitsy taorian’ny nandaozan’ny fianakavian’i Lehia an’i Jerosalema. Tokony ho 70 taona taty aoriana no namerenan’i Zerobabela tamin’ny laoniny io tempoly io. Simban’ny afo izany avy eo tamin’ny 37 talohan’i Kristy. Nitqrin’i Heroda ny tempoly tokony ho tamin’ny 16 talohan’i Kristy. Avy eo io tempoly io, izay hitan’i Jesoa, dia rava tamin’ny 70 taorian’i Kristy. I Nefia dia niaina zavatra mitovy amin’ny any amin’ny tempoly tamin’ny alalan’ny fandehanana any “an-tendrombohitra […] matetika” mba hivavaka (1 Nefia 18:3) ary taty aoriana, tany Amerika, dia nanorina tempoly iray “mitovy amin’ny tempolin’i Solomona,” na dia tsy maro loatra aza ny zava-tsarobidy nanorenana izany (jereo ny 2 Nefia 5:16).

  8. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:119; 124:31.

  9. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 110:13–16; 124:28. Ny vatofehizoron’ny Tempolin’i Nauvoo dia nalatsaka ny 6 aprily 1841, volana vitsy monja taorian’ny nandraisan’i Joseph Smith fanambarana ny amin’ny hanorenana izany. Nitombo ny fampiasana ny Tempolin’i Nauvoo. Ohatra, nanazava ny Tompo fa nila dobo fanaovana batisa mba hahafahan’ny Olomasina hatao batisa ho an’ireo izay efa maty (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 124:29, 30).

  10. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 131 sy 132. Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 128 dia mirakitra ny taratasy nosoratan’i Joseph Smith ho an’ny Olomasina mikasika ny batisa ho an’ny maty. Nambarany tao fa ny famonjena ny maty “dia ilaina sady zava-dehibe ho an’ny famonjena antsika, … [satria] tsy hatao tanteraka izy ireo raha tsy eo isika—isika koa dia tsy hatao tanteraka raha tsy eo ny maty eo amintsika” (andininy 15).

  11. Joseph Smith, ao amin’ny Saints: The Story of the Church of Jesus Christ in the Latter Days, vol. 1, The Standard of Truth, 1815–1846 (2018), 454.

  12. “Araka i George A. Smith mpahay tantaran’ny Fiangonana, dia 5634 no isan’ireo rahalahy sy rahavavy nandray ny fanafiana masina tao amin’ny Tempolin’i Nauvoo izay vita tamin’ny ampahany tamin’ny desambra 1845 sy ny janoary 1846. Nitohy ny famehezana mpivady hatramin’ny 7 feb. [1846] izay nahavitana nampiray ho amin’ny fotoana sy ny mandrakizay mpivady mihoatra ny 2.000 tamin’ny alalan’ny fisoronana” (Bruce A. Van Orden, “Temple Finished before Exodus,” Deseret News, Dec. 9, 1995, deseret.com; jereo ihany koa ny Richard O. Cowan, “Endowments Bless the Living and Dead,” Church News, Aug. 27, 1988, thechurchnews.com).

  13. “Inona araka ny hevitra no mety holazain’ireo razambentsika raha toa ka miteny avy amin’ny maty izy ireo? Moa va izy ireo tsy hiteny hoe: Efa an’arivo taonany no nandrianay taty, aty amin’ity trano maizina izy, miandry izay higadonan’ity fotoampitantanana ity? … Fa nahoana moa! Raha toa izy ireo ka nanana ny hery dia ho niteny mafy nirefotra teo an-tsofintsika tahaka ny varatra avy any an-danitra; raha mba afaka ny ho takatsika mantsy ny lanjan’ny asa izay irotsahantsika. Ireo anjely any an-danitra dia mibanjina ireo olona vitsy an’isa ireo, ary mitaona azy ireo ho amin’ny famonjena ny ny fianakaviamben’ny olombelona.… Rehefa mieritreritra ity lohahevitra ity aho dia te hampiasa teny mahery vaika hanairana ny olona” (Discourses of Brigham Young, sel. John A. Widtsoe [1954], 403–4).

  14. Harold B. Lee, “God’s Kingdom—a Kingdom of Order,” Ensign, Jan. 1971, 10. Jereo ihany koa ny teny nambaran’ny filoha Wilford Woodruff tamin’ny 1896. Hoy ny nambarany: “Te hiteny aho, amin’ny maha filohan’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany ahy fa mila mandroso sy mivoatra isika. Tsy tapitra hatreto ny fandraisantsika fanambarana. … Ny Filoha [Brigham] Young, izay nandimby ny Filoha Joseph Smith no nitarika antsika hatreto. Izy no nandrindra ireo tempoly ireo sy nanohy ny tanjony sy ny anjara fanompoany. … Tsy naharay ireo fanambarana rehetra mahakasika ity asa ity na izy, na ny Filoha Taylor, na koa Wilford Woodruff. Tsy hisy fiafarany ity asa ity mandra-pahatonga izany ho tonga lafatra” (The Discourses of Wilford Woodruff, sel. G. Homer Durham [1946], 153–54).

  15. Jereo ny 3 Nefia 29:8–9.

  16. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 131:2, 4.

  17. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 132:7.

  18. Toy izao no nosoratan’i John A. Widtsoe: “Ho an’ny lehilahy na vehivavy izay miditra ny tempoly, sokafy tsara ny masonareo, henoy tsara ireo tandindona sy ireo fanekempihavanana, ary manaova ezaka tsy tapaka sy mitohy mba hahatakarana ny dikany feno. Milaza ny teniny Andriamanitra ary tonga ny fanambarana. Feno tandindona ny fanafiana masina ka ny adala ihany no miezaka ny hamariparitra izany; feno fanambarana tokoa izany ho an’ireo izay mampihatra ny herin’izy ireo hikatsahana sy hahitana, fa tsy misy tenin’olombelona afaka manazava na mahalaza ireo mety ho hevitr’ireo zava-mitranga mandritra ny asa atao any amin’ny tempoly. Amin’ny alalan’ny fanambarana no hahafahana mahatakatra tsara indrindra ny fanafiana masina izay nomena tamin’ny alalan’ny fanambarana” (ao amin’ny Archibald F. Bennett, Saviors on Mount Zion [Sunday School manual, 1950], 168).