Matokia indray
Mitondra ireo fitahian’ny lanitra ny fahatokiana an’ Andriamanitra sy ny fifampatokiana eo amintsika.
Indray mandeha fony mbola tena ankizy aho dia nieritreritra tao anatin’ny fotoana fohy ny handeha handositra hiala ao an-trano. Nahatsapa aho tamin’ny maha-sain-jaza ahy fa tsy nisy na iza na iza tia ahy.
Nihaino ahy ary nanome toky ny fitiavany ahy ilay reniko izay mahay mandinika. Tanatin’ny tokantrano voaaro aho.
Efa nisy fotoana ve ianao nahatsapa ho toy ny nandeha nandositra niala tao an-trano? Matetika ny fandosirana hiala ao an-trano dia midika hoe voatohintohina na rava ilay fahatokiana, dia ny fahatokian-tenantsika izany, sy ny fifampatokiana eo amintsika samy isika ary ny fahatokiana an’ Andriamanitra. Rehefa voakorontana ny fahatokiana dia manontany tena isika hoe ahoana no ahafahana matoky indray.
Ny hafatro androany dia hoe na ho tonga ao an-trano ianao na hody ao an-trano, dia ho avy hihaona amintsika Andriamanitra.1 Afaka mahita finoana ao Aminy isika, sy herim-po ary fahendrena sy fandanjalanjana mba hahatokiana indray. Torak’izany koa, Izy dia mangataka antsika mba hitazona ny jirontsika hirehitra hatrany ho antsika samy isika, sy mba hifamela bebe kokoa ary tsy hitsaratsara loatra ny tenantsika sy tsy hifampitsaratsara, mba hahafahan’ilay Fiangonany ho toerana izay ahatsapana ho toy ny any an-trano, na vao voalohany no anatrehantsika izany na miverina ao indray isika.
Ny fahatokiana dia asa iray maneho finoana. Miaraka mihazona finoana amintsika Andriamanitra. Saingy ny fahatokian’olombelona dia mety ho simba na rava rehefa:
-
Misy namana mpiara-miasa, na olona iray izay ananantsika fahatokisana nefa tsy marin-toetra amintsika na mandratra antsika na manararaotra antsika.2
-
Mivadi-pitokisana ny vady.
-
Mety tsy ampoizina, misy olona tiantsika izay miatrika fahafatesana, na faharatrana na aretina.
-
Manam-panontaniana tsy ampoizina momba ny filazantsara isika izay angamba mikasika ny tantaran’ny Fiangonana na ny fitsipika arahin’ny Fiangonana ary misy olona milaza fa somary manafina ny marina na tsy milaza ny marina ny fiangonantsika.
Mety tsy tena voafaritra mazava ireo toe-javatra hafa saingy mitovy kosa ny fandraisana azy rehetra.
Mety mahatsapa isika hoe tsy toerana natao ho antsika ny Fiangonana, na tsy mahazo aina isika rehefa ao, na mahatsapa ho tsaratsarain’ny hafa isika.
Na koa hoe na dia efa nanao ny zavatra rehetra nangatahina aza isika dia tsy araka ny nantenaina ny vokany. Na dia eo aza ny zavatra iainan’ny tena manokana miaraka amin’ny Fanahy Masina, dia mety mbola tsy mahatsapa isika fa velona Andriamanitra na marina ny filazantsara.
Maro ny olona amin’izao fotoana izao no manana faniriana lehibe hamerina ny fahatokiana eo amin’ny fifandraisan’ny olona sy ao anatin’ny fiarahamonina maoderina.3
Rehefa mandinika ny fahatokiana isika dia mahafantatra fa Andriamanitra dia Andriamanitry ny fahamarinana ary “tsy afaka mandainga.”4 Fantatsika fa ny fahamarinana dia fahalalana ny zavatra araka ny maha-izy azy, sy araka ny naha-izy azy ary araka ny haha-izy azy.5 Fantatsika fa ny fitohizan’ny fanambarana sy ny fitaomam-panahy dia mampifanaraka ny fahamarinana izay tsy miova amin’ny toe-javatra izay miovaova.
Fantatsika fa mahavaky fo ireo fanekempihavanana rava. “Nanao zavatra tsy nety aho,” hoy izy. “Mbola afaka mamela ahy indray ve ianao?” Afaka mifandray tanana ilay mpivady ao anatin’ny fanantenana fa hifampatoky indray. Tao anatin’ny toe-javatra iray hafa dia nisy olona iray voafonja nieritreritra hoe, “Raha nanaja ny Tenin’ny Fahendrena aho, dia tsy ho eto amin’izao fotoana izao.”
Fantatsika fa ny fifaliana eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanan’ny Tompo sy ireo antso mba hanompo ao amin’ny Fiangonany dia fanasana natao hahatsapana ilay fahatokian’ Andriamanitra sy ny fitiavany antsika ary ny fitiavana eo amintsika samy isika. Ny mpikamban’ny Fiangonana, tafiditra ao anatin’izany ireo olon-dehibe tokan-tena, dia manompo tsy tapaka ao amin’ny Fiangonana sy eo anivon’ny fiarahamonina misy antsika.
Niantso mpivady vao herotrerony iray ny episkôpà rehefa nahazo fitaomam-panahy mba hanompo ao amin’ny kilasin’ny zaza madinika ao amin’ny paroasy. Nipetraka teny an-joron-trano ilay lehilahy tamin’ny voalohany, ka tsy niraharaha na iza na iza ary nihatakataka. Nanomboka nitsiky tsikelikely tamin’ny ankizy izy. Taty aoriana dia naneho fankasitrahana ilay mpivady. Teo aloha araka ny filazan’izy ireo, dia naniry ny hanan-janaka ilay vehivavy saingy tsy naniry izany ilay lehilahy. Nanova azy ireo ankehitriny ny fanompoana ary nampiray azy ireo. Nitondra ilay fifaliana avy amin’ny fananan-janaka tao anatin’ny fanambadian’izy ireo sy ny tokantranon’izy ireo koa izany.
Tany amin’ny tanàna iray hafa dia taitra sy sahiran-tsaina ny renim-pianakaviana vao herotrerony iray nanan-janaka kely sy ny vadiny rehefa voantso mba ho filohan’ny Fikambanana Ifanampiana eo anivon’ny paroasy izy. Fotoana fohy taorian’izay dia notapahin’ny tafiotran-dranomandry ny herinaratra, ka nanjary foana ireo talantalantana tany amin’ireo toeram-pivarotana ary nangatsiaka toy ireny vata fampangatsiahana ireny ireo trano fonenana. Noho izy ireo nanana herinaratra sy hafanana, dia nosokafan’ity fianakaviana kely ity tamim-pahalalahan-tanana ny tokantranony mba handraisana fianakaviana maro sy olona manokana mba hiaretana ilay tafiotra.
Lasa tena misy ny fahatokiana rehefa manao zavatra sarotra amim-pinoana isika. Mampitombo ny fahaiza-manao ary manatsara ny fo ny asa fanompoana sy ny fahafoizan-tena. Mitondra ireo fitahian’ny lanitra ny fahatokiana an’ Andriamanitra sy ny fifampatokiana eo amintsika samy isika.
Rehefa tafavoaka velona tamin’ny homamiadana ilay rahalahy mahatoky iray dia nodomin’ny fiara iray. Raha tokony ho ontsa amin’ny tenany izy dia niteny ombam-bavaka hoe, “Inona no azoko ianarana avy amin’ity zavatra niseho ity?” Tany amin’ny toeram-pitsaboana ireo marary mafy izay nisy azy dia nisy zavatra nanosika azy mba hahatsikaritra mpanampy mpitsabo iray izay niahiahy mikasika ny vadiny sy ny zanany. Nahita valiny ilay olona narary rehefa natoky an’ Andriamanitra sy nanolo-tanana ny hafa.
Rehefa niandry tao ivelan’ny biraon’ny filohan’ny tsatòkany ny rahalahy iray izay nanana olana momba ny pôrnôgrafia dia nivavaka ilay filohan’ny tsatòka mba hahafantarana ny fomba hanampiana. Nisy fahatsapana mazava tonga nanao hoe, “Sokafy ny varavarana ary avelao hiditra ilay rahalahy.” Hanampy Andriamanitra rehefa manana finoana sy fahatokiana, ka nosokafan’ilay mpihazona ny fisoronana ny varavarana ary nofihininy ilay rahalahy. Samy nahatsapa fitiavana nitondra fanovana sy fahatokiana an’ Andriamanitra ary fifampatokiana ny tsirairay. Afaka nanomboka nibebaka sy niova ilay rahalahy rehefa avy nahazo fampaherezana.
Na dia tena an’ny tena manokana aza ireo toe-javatra iainantsika tsirairay, dia afaka manampy antsika ireo fitsipiky ny filazantsara sy ny Fanahy Masina mba hahafantatra ny fomba sy ny fotoana hiverenantsika hatoky ny hafa indray. Rehefa rava na nivadihana ilay fahatokiana dia tena misy ny fahakiviana sy ny fahadisoam-panantenana, ka ilaina ny fahaiza-manavaka mba hahafantarana ny fotoana mety hampiasana ny finoana sy ny herim-po mba hananana fahatokiana indray eo amin’ny fifandraisana amin’ny olona.
Saingy raha eo anatrehan’ Andriamanitra sy ny fanambarana ho an’ny tena manokana, dia nanome toky ny Filoha Russell M. Nelson hoe: “Tsy mila manontany tena ianareo hoe iza no azonareo itokiana.”6 Afaka matoky an’ Andriamanitra foana isika. Mahafantatra antsika tsara kokoa sy tia antsika bebe kokoa noho ny fahafantarantsika ny tenantsika sy ny fitiavantsika ny tenantsika ny Tompo. Ny fitiavany tsy manam-petra ary ny fahafantarany tonga lafatra ny lasa sy ny ankehitriny ary ny hoavy dia mahatonga ireo fanekempihavanany sy ireo fampanantenany ho tsy miova sy azo antoka.
Matokia ilay antsoin’ny soratra masina hoe: “rehefa afaka elaela.”7 Afaka mahita vahaolana sy fiadanana isika miaraka amin’ny fitahian’ Andriamanitra sy rehefa afaka elaela ary ao anatin’ny finoana sy fankatoavana hatrany.
Nampahery ny Tompo hoe:
“Amin’ny hariva dia misy fitomaniana tonga hivahiny miloaka alina; fa nony maraina kosa dia misy fihobiana.”8
“Apetraho eo amin’ny Tompo ny enta-mavesatrao ary matokia an’ilay fiahiany tsy tapaka.”9
“Tsy misy fahoriana an-tany, izay tsy ho sitran’ny Tsitoha.”10
Matokia an’ Andriamanitra11 sy ny fahagagany. Afaka miova isika sy ireo fifandraisantsika amin’olona. Amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Kristy Tompo dia afaka manaisotra ilay maha-olona araka ny nofo feno fitiavan-tena isika ary ho lasa zanak’ Andriamanitra, malemy paika, manetry tena,12 feno finoana sy fahatokiana tsara. Rehefa mibebaka isika, rehefa mibaboka ny fahotantsika ary mahafoy izany isika dia nilaza ny Tompo fa tsy hahatsiaro izany intsony.13 Tsy hoe hadinony izany fa kosa toa amin’ny fomba mahagaga no isafidianany ny tsy hahatsiaro izany ary tsy ilaintsika tsaroana koa izany.
Matokia ny fitaomam-panahy avy amin’ Andriamanitra mba hahaizana manavaka amim-pahendrena. Afaka mamela ny hafa isika amin’ny fotoana sy amin’ny fomba mahamety izany satria nilaza ny Tompo fa tsy maintsy manao izany isika,14 no sady tokony ho “hendry tahaka ny menarana, ary mora tahaka ny voromailala.”15
Matetika rehefa tena torotoro sy manenina ny fontsika, no tena misokatra amin’ny fandraisana fampaherezana sy fitarihana avy amin’ny Fanahy Masina isika.16 Samy manomboka amin’ny fahafantarana ny tsy mety natao ny fanamelohana sy ny famelana. Matetika mifantoka amin’ny lasa ny fanamelohana. Ny fibebahana dia mijery malalaka ny hoavy. “Fa Andriamanitra tsy naniraka ny Zanaka ho amin’izao tontolo izao hanameloka izao tontolo izao, fa mba hamonjeny izao tontolo izao.”17
Nanontany ny Apôstôly Paoly hoe: “Iza no hahasaraka antsika amin’ny fitiavan’i Kristy?” Namaly izy hoe: “Na fahafatesana, na fiainana, … na ny ambony, na ny ambany … dia tsy hahasaraka antsika amin’ny fitiavan’ Andriamanitra izay ao amin’i Kristy [Jesoa] Tompontsika.”18 Saingy misy olona iray afaka manasaraka antsika amin’ Andriamanitra sy amin’i Jesoa Kristy, tsy iza izany fa isika, ny tenantsika. Hoy i Isaia hoe: “Ny fahotanareo no mampiafina ny tavany aminareo.”19
Tompon’andraikitra amin’ny safidintsika sy ny vokany isika amin’ny alalan’ny fitiavana avy amin’ Andriamanitra sy ny lalàn’ Andriamanitra. Saingy “tsy manam-petra sy mandrakizay” ny fitiavana manavotry ny Mpamonjy antsika.20 Rehefa vonona ny hody isika na dia “mbola lavitra”21 aza, dia vonona ny handray antsika amim-pangorahana lehibe Andriamanitra, sy hanolotra amim-pifaliana izay tsara indrindra ananany.22
Hoy ny Filoha J. Reuben Clark hoe: “Mino aho fa ny Raintsika any An-danitra dia maniry ny hamonjy ny tsirairay amin’ireo zanany, … ka hanome antsika ny valisoa lehibe indrindra noho ireo asa nataontsika Izy ao anatin’ilay fahamarinany sy ny famindrampony, sy hanome antsika ny zavatra rehetra azony atolotra antsika, ary etsy ankilany anefa dia mino aho fa hampihatra fanasaziana faran’izay kely azony ampiharina amintsika Izy.”23
Teo amin’ny hazofijaliana, na dia ilay fitalahoan’ny Mpamonjy tamin’ny Rainy izay mifono famindrampo aza dia tsy fitalahoana tsy misy fepetra hoe “Raiko ô, mamelà ny helony” akory, fa hoe “Raiko ô, mamelà ny helony, fa tsy fantany izay ataony.”24 Manan-danja ny fahafahantsika misafidy sy ny fahalalahana ananantsika satria tompon’andraikitra eo anatrehan’ Andriamanitra sy ny tenantsika isika mahakasika ny maha-izy azy antsika sy ny zavatra fantatsika ary ataontsika. Soa ihany isika fa afaka matoky ny fahamarinan’ Andriamanitra sy ny famindrampony izay tonga lafatra mba hitsara amin’ny fomba tonga lafatra ireo zavatra kinasantsika sy nataontsika.
Andeha hofaranantsika tahaka ny nanombohantsika ihany miaraka amin’ny famindrampon’ Andriamanitra rehefa miverina mody any Aminy isika tsirairay avy, sy mifamerina eo amintsika samy isika.
Tsaroanareo ve ilay fanoharana nataon’i Jesoa Kristy mikasika ny lehilahy iray izay nanana zanakalahy anankiroa?25 Nandao ny trano fonenana ilay zanakalahy iray ary nandany ny lovany. Rehefa tonga saina io zanakalahy io dia naniry ny hiverina hody izy. Ilay zanakalahy iray hafa izay nahatsapa fa nitandrina ny didy “izay ela izay,” 26 dia tsy naniry ny handray ny rahalahiny ao an-tranony indray.
Ry rahalahy sy anabavy, mangataka anareo aho mba handinika fa i Jesoa dia mangataka antsika mba hampisokatra ny fontsika sy haneho ny fahatakarantsika an-tsaina, ny fangorahantsika sy ny fanentrentenansika ary hametraka ny tenantsika eo amin’ireo toerana anankiroa ireo.
Tahaka ilay zanakalahy na zanakavavy voalohany, dia mety mirenireny isika ary maniry ny hody any aoriana. Miandry hitsena antsika Andriamanitra.
Ary tahaka ilay zanakalahy na zanakavavy iray hafa dia nasain’ Andriamanitra amin-katsaram-panahy isika mba hiaraka hifaly rehefa miverina mody any Aminy isika tsirairay. Manasa antsika Izy mba hanao ireo toeram-piangonantsika, ireo kôlejintsika, sy ireo kilasintsika ary ireo fiaraha-mientantsika ho toerana misokatra ho an’ny rehetra, mifanaraka amin’ny tokony ho izy, ary azo antoka, izany hoe ho toy ny toeram-ponenana ho an’ny tsirairay. Ao anatin’ny hatsaram-panahy sy ny fahatakarana an-tsaina ary ny fifanajana no hikatsahantsika amim-panentrentena ny Tompo sy hivavahantsika ary handraisantsika ireo fitahiana avy amin’ny filazantsarany naverina tamin’ny laoniny ho an’ny rehetra.
An’ny tena manokana ny diantsika eto an-tany, saingy afaka miverina any amin’ Andriamanitra Raintsika sy ny Zanany Malalany isika amin’ny alalan’ny fahatokiana an’ Andriamanitra sy ny fifampatokiantsika samy isika, ary ny fahatokiana ny tenantsika.27 Hoy i Jesoa hoe: “Aza matahotra, minoa fotsiny ihany.”28 Enga anie isika tahaka ny nataon’ny Mpaminany Joseph mba tsy hatahotra ny hatoky ny fiahian’ny Raintsika any An-danitra.29 Ry rahalahy malala, ry rahavavy malala, ry namana malala, aoka ianareo hikatsaka finoana sy fahatokiana indray fa hisy fahagagana iray izay ampanantenainy anao amin’izao fotoana izao. Amin’ny anarana masin’i Jesoa Kristy, amena.