Banjino ny lalana mbola hodiavina
Ny fifantohana amin’ireo zavatra izay tena manan-danja indrindra, indrindra ireo zavatra “mbola hodiavina,” ireo zavatra mandrakizay, dia tena manan-danja indrindra eo amin’ny fizorana amin’ity fiainana ity.
Fony aho feno 15 taona dia nahazo fahazoan-dalana voafetra hitondrana fiara ho an’ny mpianatra mitondra, izay nahafahako nitondra fiara raha toa ka miaraka amiko ny iray amin’ireo ray aman-dreniko. Rehefa nanontany ahy ny raiko raha te handeha hitondra fiara dia faly izaitsizy aho.
Nitondra nandritra ny kilaometatra vitsivitsy aloha izy hivoaka ny tanàna ho amina lalana lava mahitsy be azo ifanenana izay tsy dia nisy mpampiasa, marihiko fa io ihany angamba no toerana tsy nampitaintaina azy. Naka sisiny tamin’ny toerana nisy nalalaka azo ijanonana izy dia nifamadika toerana izahay. Nanome toromarika izy dia avy teo nilaza hoe “Mitandrema tsara dia mandeha tsikelikely eo amin’ny arabe ary ento mandra-pitenenako hoe mijanòna.”
Narahiko antsakany sy andavany ireo baikony. Saingy afaka 60 segondra dia hoy izy: “Anaka, makà sisiny dia ajanony. Mampisalebolebo ahy ny fitondranao. Mivilivily foana ianao eny an-dalana.” Nanontany izy hoe: “Fa inona no jerenao e?”
Sady somary sorena aho no nilaza hoe: “Ny lalana no jereko fa inona indray.”
Dia hoy izy: “Narahiko ny masonao fa tsy mijery afa-tsy ny eo am-pototry ny lohan’ny fiara ianao. Raha tsy mijery afa-tsy ny eo aloha kelinao eo ianao dia tsy ho mahitsy mihitsy ny fitondranao.” Avy teo izy dia nanantitrantitra hoe: “Banjino ny lalana mbola hodiavina ery aloha. Hanampy anao izany hamily mahitsy tsara.”
Amin’ny maha-15 taona ahy dia nino aho fa lesona tsara mikasika ny fitondrana fiara izany. Tonga saina aho taty aoriana fa lesona tena tsara eo amin’ny fiainana koa izany. Ny fifantohana amin’ireo zavatra izay tena manan-danja indrindra, indrindra ireo zavatra “mbola hodiavina,” ireo zavatra mandrakizay, dia tena manan-danja indrindra eo amin’ny fizorana amin’ity fiainana ity.
Nisy fotoana teo amin’ny fiainan’ny Mpamonjy naniriany ho irery, ka dia “niakatra tao an-tendrombohitra Izy mba hitokana hivavaka.”1 Nirahiny handeha ireo mpianany ka nomeny torolalana hiampita ny ranomasina. Tao anatin’ny haizin’ny alina dia nifanehitra tamina tafio-drivotra mahery ilay sambo nitondra ireo mpianatra. Tonga hanafaka azy ireo i Jesoa saingy tamin’ny fomba tsy nahazatra. Tahaka izao no voarakitry ny soratra masina: “Ary tamin’ny fiambenana fahefatra amin’ny alina dia nankeny amin’ny mpianany i Jesosy, nitsangatsangana teny ambonin’ny ranomasina.”2 Rehefa nahita Azy izy ireo dia nanomboka natahotra, satria noheverin’izy ireo fa karazana matoatoa ilay olona izay nanatona azy ireo. Raha nahatsapa ny horohoron’izy ireo i Jesoa ka naniry hampitony ny sain’izy ireo sy ny fon’izy ireo, dia niantso azy ireo hoe: “Matokia, fa Izaho ihany, aza matahotra.”3
Tsy vitan’ny hoe maivamaivana i Petera fa lasa sahisahy mihitsy. I Petera izay marisika lalandava ary matetika taitaitra, dia nikiakiaka tamin’i Jesoa hoe: “Tompoko, raha Hianao ihany, dia asaovy manatona Anao eny ambonin’ny rano aho.”4 Namaly i Jesoa, tamin’ilay fanasany mahazatra sy tsy tontan’ny ela hoe: “Manatona.”5
I Petera, izay azo antoka fa faly be tamin’ilay hevitra, dia nitsambikina hivoaka an’ilay sambo, tsy nankao anaty rano fa nankeo ambony rano. Raha nifantoka tamin’ny Mpamonjy izy dia nahavita ny tsy azo heverina, eny, nandeha teo ambony rano. Tany amboalohany dia tsy nahakivy an’i Petera ilay tafiotra. Saingy voasarik’ilay rivotra “mahery”6 izy nony farany ka tsy nifantoka intsony. Dia niverina ny tahotra. Ka noho izany dia nihena ny finoany ary nanomboka nilentika izy. “Dia niantso [izy] hoe: Tompo ô, vonjeo aho!”7 Naninjitra ny tanany ny Mpamonjy, izay vonona hamonjy mandrakariva, ary nampiakatra azy amin’ny toerana azo antoka.
Lesona maro no azo hianarana avy amin’io fitantarana fahagagana io, fa telo no horesahiko.
Mifantoha amin’i Kristy
Ny lesona voalohany: mifantoha amin’i Jesoa Kristy. Rehefa nampifantoka ny masony tamin’i Jesoa i Petera, dia afaka nandeha tambony rano. Tsy misy afaka nanakana azy ny tafiotra sy ny onja ary ny rivotra, raha mbola nampifantoka ny fifantohany tamin’ny Mpamonjy koa izy.
Ny fahatakarana ny tanjontsika fara-tampony dia manampy antsika hamaritra izay tokony hifantohantsika. Tsy afaka manao lalao mahomby isika raha tsy mahafantatra ny tanjona, ary tsy afaka manana fiainana misy dikany raha tsy mahafantatra ny tanjony. Anisan’ny fitahiana lehibe entin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny ilay izy mamaly an’ilay fanontaniana hoe “Inona no tanjon’ny fiainana?” “Ny tanjontsika amin’ity fiainana ity dia ny ho sambatra sy hiomana hiverina eo anatrehan’ Andriamanitra.”8 Ny fahatsiarovana fa ny ahatongavantsika eto an-tany dia ny hiomana hiverina hiara-hiaina amin’ Andriamanitra dia manampy antsika hifantoka amin’ireo zavatra izay mitarika antsika ho any amin’i Kristy.
Mitaky fifehezan-tena ny fifantohana amin’i Kristy, indrindra indrindra mikasika ireo fahazarana ara-panahy madinika sy tsotra izay manampy antsika ho tonga mpianatra tsara kokoa. Tsy misy maha-mpianatra raha tsy misy ny fifehezan-tena.
Mihamazava ny fifantohantsika amin’i Kristy rehefa mibanjina ny lalana mbola hodiavina isika, amin’izay tiantsika hitoerana sy izay olona tiantsika hahatongavana ary avy eo manokana fotoana isan’andro hanaovana ireo zavatra izay hanampy antsika ho tonga any. Afaka manatsotra ny fanapahantsika hevitra ny fifantohana amin’i Kristy, ary manolotra taridalana mikasika izay fomba tsara indrindra ahafahantsika mandany ny fotoantsika sy ny fananantsika.
Na dia maro aza ny zavatra mendrika ny hifantohantsika, ianarantsika tamin’ny ohatr’i Petera ny maha-zava-dehibe ny fihazonana mandrakariva an’i Kristy ho ivon’ny zavatra ifantohantsika. Amin’ny alalan’i Kristy ihany no ahafahantsika miverina miara-miaina amin’ Andriamanitra. Miantehitra amin’ny fahasoavan’i Kristy isika eo am-piezahantsika ny ho tonga tahaka Azy sy eo am-pikatsahantsika ny famelany sy ny heriny mankahery rehefa tsy mahomby isika.
Mitandrema amin’ireo fandrebirebena
Ny lesona faharoa: mitandrema amin’ireo fandrebirebena. Rehefa namily ny fifantohany i Petera hiala amin’i Jesoa hankamin’ilay tafio-drivotra sy ireo onja izay nitopatopa teo an-tongony, dia nanomboka nilentika.
Maro ireo zavatra izay “eo am-pototry ny lohan’ny fiara” izay afaka mandrebireby antsika tsy hifantoka amin’i Kristy sy ireo zavatra mandrakizay izay “mbola hodiavina.” Ny devoly no mpandrebireby lehibe. Ianarantsika avy tamin’ny nofin’i Lehia, fa ireo feo avy ao amin’ilay trano mijoalajoala sy malalaka dia mikendry ny hisarika antsika ho amin’ireo zavatra izay mitaona antsika hiala ny lalana hiomanana hiverina hiara-hiaina amin’ Andriamanitra.9
Saingy misy ny fandrebirebena hafa tsy mivandravandra tahaka izany izay mety hampidi-doza tahaka ireny ihany. Araka ilay fomba fiteny hoe : “Ny hany zavatra ilaina hahombiazan’ny ratsy dia ny tsy fanaovan’ny olona tsara na inona na inona.” Toa tapa-kevitra ilay fahavalo hanao izay hahatonga ny olona tsara tsy hanao na inona na inona, na farafaharatsiny handany ny fotoan’izy ireo amin’ny zavatra izay handrebireby azy ireo tsy hifantoka amin’ny tanjona sy tarigetra tsara ananan’izy ireo. Ohatra, ireo zavatra sasany izay fialam-boly mahasoa raha atao kely ihany dia mety ho lasa fandrebirebena tsy mahasoa raha tsy misy fifehezan-tena. Takatry ny fahavalo fa tsy voatery ho ratsy na maloto ny fialam-boly mandrebireby vao hahomby.
Azo afahana isika
Ny lesona fahatelo: azo afahana isika. Raha vao nanomboka nilentika i Petera dia niantso hoe: “Tompo ô, vonjeo aho! Ary naninjitra ny tanany niaraka tamin’izay Jeso[a], dia nandray azy.”10 Rehefa hitantsika rendrika isika, na rehefa miatrika fahoriana, na rehefa mihozongozona, dia afaka manafaka antsika koa Izy.
Rehefa miatrika fahoriana na fitsapana ianao, dia mety ho tahaka ahy ka manantena fa hoe eo noho eo ny fanafahana. Saingy tsarovy fa tamin’ny fiambenana fahefatra amin’ny alina no tonga nanavotra an’ireo Apôstôly ny Mpamonjy, rehefa avy nandany saika ny alina manontolo nifofotra tao anaty tafio-drivotra.11 Afaka mivavaka isika hoe raha tsy tonga eo noho eo ny fanampiana, dia farafaharatsiny tonga amin’ny fiambenana faharoa, na ny fahatelo mihitsy, amin’ilay alina mangidy. Raha tsy maintsy miandry isika, dia aoka hahazo antoka fa mijery mandrakariva ny Mpamonjy, miantoka fa tsy ho voatery hizaka mihoatra noho izay azontsika zakaina.12 Ho an’ireo izay eo am-piandrasana ao anatin’ny fiambenana fahefatra, angamba mbola ao anatin’ny fijaliana, dia aza manary toky. Tsy maintsy tonga amin’izay mahatoky ny fanafahana, na amin’ny fiainana an-tany, na any amin’ny mandrakizay.
Indraindray ny filentehantsika dia tonga noho ny fahadisoantsika sy ny fahotantsika. Raha toa ka rendrika noho ireo antony ireo ianao dia raiso ilay safidy mahafaly ny hibebaka.13 Mino aho fa vitsy ny zavatra izay nanome fifaliana kokoa ny Mpamonjy mihoatra noho ny mamonjy ireo izay mitodika na miverina ho any Aminy.14 Ny soratra masina dia feno tantaran’olona izay taloha lavo sy nanan-tsiny, kanefa nibebaka ary lasa niorina tamin’ny finoana an’i Kristy. Mino aho fa natao tao amin’ny soratra masina ireny tantara ireny mba hampahatsiahy antsika fa tsy manam-petra ny fitiavan’ny Mpamonjy antsika sy ny heriny hamonjena antsika. Tsy vitan’ny hoe faly ny Mpamonjy rehefa mibebaka isika, fa mahazo fifaliam-be ihany koa isika.
Famaranana
Manasa anao aho ho feno finiavana “mibanjina ny lalana mbola hodiavina” ary hampitombo ny fifantohanao amin’ireo zavatra izay tena manan-danja. Enga anie isika hametraka hatrany an’i Kristy ho ivon’ny fifantohantsika. Eo anivon’ny zava-drehetra mandrebireby, ireo zavatra “eo am-pototry ny lohan’ny fiara,” sy ireo tadio izay manemitra antsika, dia mijoro ho vavolombelona aho fa Jesoa no Mpamonjy sy Mpanavotra ary Mpanafaka antsika. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.