2017
Tetezana mitondra any amin’ny fanantenana sy ny fahasitranana
April 2017


Tetezana mitondra any amin’ny fanantenana sy ny fahasitranana

Afaka mahazo fahasitranana izay irin’izy ireo lalina ny olona niharan’ny herisetra ara-nofo amin’ny alalan’ny fanampiana mifanaraka amin’izany.

creating a bridge

Sary nataon’i Cristina Bernazzani

Alaivo sary an-tsaina hoe mijoro eo amoron-tevana iray ianao ary te ho eny amin’ny ilan’ny hadilalana iray izay toerana nolazaina taminao fa misy fifaliana lehibe miandry anao. Rehefa nikaroka fomba hiampitana eny ianao dia nahita antontam-pitaovana izay raha atambatra araka ny tokony ho izy dia hanorina tetezana iray hiampitana ilay hadilalana.

Raha tsy hainao ny manorina ilay tetezana dia tsy hisy ilàna ireo fitaovana ireo ary ho sorena sy ho very fanantenana ianao. Saingy raha mitady fanampiana avy amin’ny olona iray manana traikefa eo amin’ny fanorenana tetezana ianao dia afaka mitombo ny fahalalanao sy ny fahatakaranao sady ho tontosa ilay asa.

Ny asako nandritra ny 18 taona mahery izay dia ny manolotra fitaovana sy fitarihana mba hanampiana ny olona hiampita ilay hantsamben’ny fijaliana ara-pihetsehampo na ara-tsaina. Tao anatin’ireo olona rehetra nomeko torohevitra dia ireo olona mpizaha fanampiana izay niharan’ny herisetra ara-nofo no toa tena maratra rehefa tonga, raha oharina amin’ireo olona mpizaha fanampiana hafa. Efa hitako ny fiantraikan’io olana io eo amin’ny fahafahan’ny olona iray maharitra tsara hatramin’ny farany.

Na izany aza dia lasa nahafantatra koa aho fa azo tanterahina amin’ny alalan’ny Mpamonjy antsika ny fahazoana fahamaivanana maharitra amin’ireo tolontsika sy fijaliantsika. Mampiakatra ny olona hiala amin’ny haizina ho amin’ny hazavana ny fitiavany.

Nahoana no miteraka ratra toy izany ny fanolanana ara-batana?

Ireo olona niharan’ny herisetra dia miresaka amiko mikasika ilay fiainana feno harerahan-tsaina amam-panahy, fiahiahiana ny tena, ary fanaintainana ara-pihetsehampo lalina hafa. Nanampy antsika hahatakatra ny antony mahatonga ny herisetra ara-nofo hiteraka faharatrana lalina toy izany ny Filoha Gordon B. Hinckley (1910–2008):

“Misy ny fanaovana herisetra ara-nofo izay mamohehatra sy ratsy. Tsy takatry ny saina ilay izy. Fanevatevana ny fahamaotinana izay tokony ho hita ao amin’ny lehilahy sy ny vehivavy rehetra izany. Fanimbazimbana ilay zavatra masina izany. Manimba izany eo amin’ny fiainan’ny ankizy. Mendrika ny homena tsiny sy mendrika ny hampiharana sazy faran’izay henjana izany.

“Tokony ho feno henatra izay lehilahy na vehivavy manao herisetra ara-nofo amin’ny ankizy. Rehefa manao izany ilay nahavanona ny herisetra, dia tsy hoe manao karazana fandratrana faran’izay goavana fotsiny, fa meloka eo anoloan’ny Tompo koa izy.”1

Ny hery hamoronana aina dia hery masina izay nomen’ny Ray any An-danitra ho an’ireo zanany. Nampianatra ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe: “Ny hery hamoronana aina dia manan-danja ara-panahy. … Ny Raintsika any An-danitra sy ny Zananilahy Malalany dia mpahary ary nanankina tamintsika tsirairay avy ny ampahany amin’ny hery enti-mamorona nananan’izy ireo.”2 Tsy mahagaga noho izany raha “mendrika ny hampiharana sazy faran’izay henjana” ny fanimbazimbana io hery masina io ary miteraka “karazana ratra faran’izay goavana.”

Mahatakatra ilay faharatrana ara-pihetsehampo sy ara-batana

looking out a window

Sary © nuvolanevicata/iStock/Getty Images

Ny herisetra ara-nofo dia izay mety ho fifandraisana tsy ifanarahana ahitana fihetsika mikasikasika vatana na tsy mikasikasika vatana, ka ahitana fampiasana olona iray mba hanome fahafinaretana ara-nofo olona iray hafa. Matetika loatra ireo niharan’ny herisetra ara-nofo no tavela miaraka amin’ny eritreritra misafotofoto ary koa fahatsapana tsy fahamendrehana sy fahamenarana izay mety mavesatra loatra ka mila tsy ho zaka. Ny fanaintainana sy ny fijaliana iainan’ireo niharan’ny herisetra dia matetika ampitomboin’ny fanamarihana ataon’ny hafa izay avy amin’ny tsy fahatakarana ny atao hoe herisetra ara-nofo sy ny vokany. Ireo olona sasany niharan’ny herisetra dia endrikendrehina ho mandainga na lazaina fa hadisoan’izy ireo ihany raha niharan’ny herisetra izy ireo. Ny sasany voatarika amim-pahadisoana mba hino hoe tsy maintsy mibebaka izy ireo toy ireny hoe nanota tamin’ny fomba tsy fantatra ireny tamin’ny alalan’ny fampiharana herisetra tamin’izy ireo.

Maro tamin’ireo mpizaha fanampiana nokarakaraiko izay niharan’ny herisetra ara-nofo tamin’ny fahazazany na fahatanorany no nasaina “nandresy izany,” na nasaina “namela izany ho an’ny lasa,” na nasaina “namela heloka sy nanadino izany fotsiny.” Ireo fomba fiteny ireo, indrindra hoe avy amin’ny namana akaiky, na olona ao amin’ny fianakaviana na mpitarika ao amin’ny Fiangonana, dia mety hiteraka fitomboan’ny fihazonana tsiambaratelo sy fahamenarana eo amin’ilay niharan’ny herisetra fa tsy fahasitranana sy fiadanana. Ireo ratra ara-pihetsehampo ireo tahaka ny ratra goavana ara-batana dia tsy hoe manjavona fotsiny rehefa tsy raharahiana. Vao mainka mitombo ny fisafotofotoan-tsaina izay nanomboka nandritra ilay herisetra, miaraka amin’ny fanaintainana ara-pihetsehampo aterak’izany, ary mety lasa miova ny fomba fisainan’ny olona iray izay hitarika any amin’ny fananana fitondrantena tsy mahasoa amin’ny farany. Mahalana izany hoe olona niharan’ny herisetra tsy mahatsapa fa feno herisetra ny zavatra nitranga tamin’izy ireo izany, kanefa mety lasa manana fitondrantena tsy mahasoa sy fihetsehampo mampijaly ihany izy ireo.

I Hannah (novaina ny anarana) dia nianjadian’ny herisetra ara-nofo fony mbola ankizy kely. Toy ireo olona hafa niharan’ny herisetra, dia lehibe niaraka tamin’ny fahatsapana ho toy ny olona mahatsiravina tsy manana ny maha-izy azy izy. Nanokana ny ankamaroan’ny fotoana teo amin’ny fiainany tamin’ny fiezahana nanompo ny hafa izy, ka ampy nanova ilay fahatsapany ho “tsy ampy fahatsarana” mba hotiavin’ny Ray any An-danitra na ny olon-kafa izany. Natahotra izy tao anatin’ny fifandraisany tamin’ny olona sao misy tena mahafantatra azy ka hieritreritra azy toy ny olona mahatsiravina araka ny fiheverany ny tenany izy ireo. Niaina ny tahotra goavana ho tratran’ny fandavana izy izay nitarika azy tany amin’ny fahatahorana hanandrana zavatra vaovao eo amin’ny fiainana na hanao zavatra tsotra toy ny miantso olona amin’ny telefaonina. Nanana talenta teo amin’ny lafin’ny haikanto izy saingy nanajanona izany noho ny fahatahorana tsy hahazaka fanakianana.

Nitarika ireo fanapahan-kevitra noraisiny isan’andro nandritra ny 50 taona mahery ny fahatsapany tsy fananan-kery, tahotra, hatezerana, fisafotofotoan-tsaina, fahamenarana, sy fanirery, ary ny fahatsapany ho tokana.

Manolo ny fanaintainana amin’ny fiadanana

Ny Mpamonjy dia niaritra “fanaintainana sy fahoriana ary fakam-panahy isan-karazany.” Nataony izany mba “hahafantarany araka ny nofo ny fomba hanampiana ny vahoakany” (Almà 7:11–12). Ny fijaliany dia tsy natao ho an’ny fahotantsika fotsiny fa ho an’ny fahasitranantsika koa rehefa miteraka fijaliana ho antsika ny fahotan’ny olona hafa.

Raha teto Izy amin’izao fotoana izao dia azoko sary an-tsaina ny Mpamonjy mitomany miaraka amin’ireo niharan’ny herisetra ara-nofo ary manome tsodrano azy ireo toy ny nitomaniany niaraka tamin’ny Nefita sy nitsofany rano azy ireo (jereo ny 3 Nefia 17). Na dia tsy eto ara-batana aza Izy, dia afaka miaraka amintsika ny Fanahiny ary efa nanome antsika fomba mba hahasitranana sy hahatsapana fiadanana ary hamelana Izy.

reaching through a ladder

Ho an’ny ankamaroan’ny olona voaratra dia toy ny tsy azo inoana izany ilay hevitra hoe azo ovaina fiadanana ilay fanaintainana zakain’izy ireo. Matetika ny ratran’ilay niharan’ny herisetra dia tsy tsikaritry ny hafa sy tsy tsapan’ny hafa mandritra ny taona maro. Ilay ratra dia saron’ny endrika mitsikitsiky sy fahavononana hanampy ny hafa ary ny fiainana toy ny tsy misy olana, kanefa eo foana ilay fanaintainana.

Ndeha ampitahaintsika ny dingana arahina eo amin’ny fanasitranana ara-pihetsehampo sy ny fikarakarana sy fitsaboana ny ratra ara-batana. Eritrereto hoe fony ianao tanora dia tapaka ny tongotrao. Raha tokony handeha ho any amin’ny dokotera ianao mba hamerina izany amin’ny laoniny dia naleonao nandringa teny mandra-pijanon’ilay fanaintainana lalina, saingy misy fanaintainana kely foana isaky ny mamindra ianao. Taona maro taty aoriana dia tianao ho afaka ilay fanaintainana ka dia nankany amin’ny dokotera ianao. Tsy maintsy haverin’ny dokotera amin’ny laoniny ilay taolana, dia hodioviny izay faharatrana nihanitombo tao, ary hataony anaty plâtre dia halefany manaraka fitsaboana ara-batana mba hampatanjahana ny tongotrao ianao.

Mitovy amin’izany ihany ny dingana arahina amin’ny fanasitranana ny takaitran’ny herisetra satria tsy maintsy mahatsapa aloha ilay niharan’ny herisetra fa misy ilay fanaintainana ary misy zavatra azo atao mikasika an’izany. Ilay dingana arahina dia ahitana ny fanekena ny zavatra nitranga sy ny famelana ilay fahatsapana faharatrana, tahotra, alahelo mba ho tsapa sy ho ekena ary homena lanja. Matetika no manampy ny miara-miasa amin’ny manam-pahaizana manokana izay manan-traikefa eo amin’io dingana arahina amin’ny fanasitranana io. (Tadiavo miaraka amin’ny mpitarika anao ao amin’ny fisoronana raha toa ka misy Sampan-draharaha misahana ny Fianakaviana OAF [LDS Family Services] any amin’ny faritra misy anao.)

Na mahazo fanampiana avy amin’ny manam-pahaizana manokana na tsia ilay niharan’ny herisetra dia tena tsara ny mivavaka, sy mandalina ny fiainan’ny Mpamonjy sy ny Sorompanavotany ary mihaona tsy tapaka amin’ny mpihazona fisoronana iray. Afaka manamaivana ilay enta-mavesatra izy ary mandray fanentanam-panahy hanampiana ilay niharan’ny herisetra hahatakatra ilay fananany hasina sy hahatakatra ny fifandraisany amin’ny Ray any An-danitra sy ny Mpamonjy. Nampianatra vao haingana ny Rahavavy Carole M. Stephens, mpanolotsaina voalohany ao amin’ny fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany hoe: “Mety ho dingana lavitra ezaka ny fanasitranana. Izany dia hitaky ny hikatsahanao fitarihana sy fanampiana sahaza amim-bavaka, anisan’izany ny fakana torohevitra avy amin’ireo mpihazona ny fisoronana izay voatendry araka ny tokony ho izy. Rehefa mianatra misokatra amin’ny hafa ianao dia asio fetrany ny zavatra resahina, ary azonao atao koa angamba ny mitady torohevitra avy amin’ny manam-pahaizana manokana. Zava-dehibe ny mihazona tanjaka ara-panahy mandritra ny dingana rehetra lalovana!”3

Ho an’i Hannah dia lasa tena tsy nampahazo aina ny fiainany ka nikatsaka fanampiana izy. Nahafantatra avy tamin’ny fijoroana ho vavolombelona nananany izy fa afaka mahatsapa fiadanana sy fifaliana eo amin’ny fiainana kanefa tsy nahatsapa izany mihitsy izy. Tamin’ny alalan’ny vavaka sy ny firesahana tamin’ny evekany dia notarihana mba haka torohevitra any amin’ny manam-pahaizana manokana izy izay nahafahany nahazo ireo fitaovana nilainy mba hamoahana ny fahamarinana avy ao anatin’ny haizina ary hizarana ilay enta-mavesatra mahatsiravina izay nolanjainy irery. Rehefa nanao izany izy dia afaka nanala ilay fanaintainana sy nahita ilay fiadanana nampanantenain’ny Mpamonjy (jereo ny Jaona 14:27). Tonga niaraka tamin’io fiadanana sy fampaherezana io ilay faniriana sy fahafahana mamela.

Ny filàna mamela

Ilay hevitra hoe mamela dia matetika sarotra ho an’ny olona niharan’ny herisetra ny mihaino azy ary matetika tsy takany tsara. Raha eritreretin’izy ireo fa ny hoe famelana dia mamela ilay nahavanona ny herisetra hiala maina na miteny hoe tsy mampaninona intsony ny zavatra nataony, dia hahatsapa ho tsy nomena hasina ilay niharan’ny herisetra. Na dia didina mba hamela aza isika (jereo ny F&F 64:10), ny fanasitranana dia tsy maintsy manomboka, raha ny mahazatra, mialoha ny ahafahan’ilay niharan’ny herisetra mamela tanteraka ilay nahavanona ny herisetra, ao anatin’ireo toe-javatra izay ahitana fa latsa-paka ilay faharatrana.

Ireo izay ianjadian’ny fanaintainana noho ny herisetra dia afaka mahazo fampaherezana ao amin’ity torohevitra avy ao amin’ny Bokin’i Môrmôna ity: “Izaho Jakôba dia te hiresaka aminareo izay madio am-po. Miandrandra an’ Andriamanitra amin’ny fiorenan’ny sainareo ary mivavaha Aminy amin’ny finoana fatratra, ary hampiononiny amin’ny fahorianareo ianareo, ary harovany ny tombontsoanareo, ary hampidininy amin’ireo izay mitady handrava anareo ny famaliana” (Jakôba 3:1). Azo alefa any amin’ny Tompo ny filàna ny rariny sy ny zo hahazoana fanarenana mba hahafahany manolo ilay ratra amin’ny fiadanana.

Hitan’i Hannah tamin’ny farany fa azony alefa any amin’ny Mpamonjy ilay filàna ny rariny ary ho valin’izany dia mahazo fahatsapana fiadanana eo amin’ny fiainany izay mbola tsy niainany velively teo aloha izy. Natahotra nanatrika fivoriam-pianakaviana izy taloha satria hanatrika ao ilay nahavanona ny herisetra. Ankehitriny noho ny fahavononany hiatrika ireo ratra sarotra ara-pihetsehampo izay eo andalam-pahasitranana dia tsy matahotra ny mahita ilay olona intsony izy ary afaka manana fangorahana ho azy aza noho ny fahanterany.

Afaka amin’ilay enta-mavesatra tsy ilaina

reaching up

Nilaza ny Loholona Richard G. Scott (1928–2015) ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo fa “ho tonga ny fahasitranana tanteraka amin’ny alalan’ny finoanao an’i Jesoa Kristy sy ny heriny ary ny fahavitany zavatra, sy amin’ny alalan’ny Sorompanavotany, mba hanasitrana ny ferin’ny zavatra izay tsy ara-drariny sy tsy mendrika. …

“Tiany ianao. Nanolotra ny ainy Izy mba ho afaka amin’ilay enta-mavesatra tsy ilaina ianao. Hanampy anao hanao izany Izy. Fantatro fa manana hery hanasitranana anao Izy.”4

Tian’ny fahavalo ny hihazona ny olona ho voagejan’ny fanaintainana sy ny fijaliana satria fadiranovana izy (jereo ny 2 Nefia 2:27). Miaraka amin’ny fanampian’i Jesoa Kristy Mpamonjy antsika dia tena azo soloina fiadanana ilay fanaintainana amin’ny fomba izay ny Mpamonjy ihany no afaka manome azy. Dia afaka miaina amim-pifaliana isika. “Lavo i Adama mba hisian’ny olona; ary misy ny olona mba hahazo fifaliana” (2 Nefia 2:25). Ny fiainana amim-pifaliana dia hahatonga ny fotoam-pitsapana ho azo zakaina ary hanome fahafahana antsika mba hianatra sy hivoatra ary hitovy bebe kokoa amin’ny Raintsika any An-danitra.

Feno fanetrentena aho noho ny fitahiana azoko teo amin’ny fiainako tamin’ny fiarahana nipetraka tamin’ireo izay voaratran’ny herisetra sy ny fahitana ny fahasitranana tamin’ny fomba mahagaga izay tena tsy tonga raha tsy amin’ny alalan’ny Mpamonjy ihany. Raha mijaly ianao dia aoka mba hitady fanampiana ombam-bavaka. Tsy mila milanja irery ilay enta-mavesatra ianao. Fantatro fa manasitrana Izy satria nahita izany im-betsaka aho.

Fanamarihana

  1. Gordon B. Hinckley, “Save the Children,” Ensign, nôv. 1994, 54; nampiana fanamafisana.

  2. David A. Bednar, “Mino Isika fa Tokony Hadio fitondrantena,” Liahona, mey 2013, 42.

  3. Carole M.Stephens, “Ilay Mpanasitrana lehibe,” Liahona, nôv 2016, 11.

  4. Richard G. Scott, “To Be Free of Heavy Burdens,” Liahona, nôv. 2002, 88.