2017
Sehatra ho Antsika
April 2017


Sehatra ho Antsika

Sary
uncle making ship in a bottle

Sary nataon’i Dan Burr

Manome fitaovana antsika Andriamanitra

Mpahaikanto ny dadatoako ary manao sambo kely vita amin’ny hazo ao anaty tavoahangy izy. Mila fotoana sy fifantohana ary ezaka be dia be ny manao azy ireo.

Indray andro aho dia nahita ny fitaovana fampiasany ary nahatsikaritra ny fomba fampiasana ny fitaovana tsirairay amin’ny singa na ampahany iray manokana eo amin’ilay sambo. Rehefa nijery azy niasa aho dia nahatalanjona ahy ny fomba nampiasany ireo fitaovana mba hanaovana ireo sambo ireo. Tadidiko ny tantaran’i Nefia nanamboatra sambo iray (jereo ny 1 Nefia 17–18). Namboariny araka ny fomban’ny Tompo izany fa tsy araka ny fomban’olombelona. Manome antsika fitaovana hanamboarana ny sambontsika araka ny fombany Andriamanitra. Ny soratra masina, ny finoana ary ny fitiavan’Andriamanitra dia fitaovana tsy maintsy ampiasaiko eo amin’ny fiainako manokana mba hanamboarako amim-pitandremana ny samboko izay tsy ahitana triatra mihitsy. Mianatra ny ho mpianatry ny Tompo isan’andro aho.

María Mercedes G., Monagas, Venezuela

Mahatsapa ho irery

Lohataona nangatsiaka tao Danemark tamin’izay. Vao nanomboka ny asa fitoriana tamin’ny fotoana feno nataoko aho ary tsy tena mbola nanana fijoroana ho vavolombelona aho. Vao 19 volana no naha-mpikambana vao niova fo ahy ary tena natahotra tokoa aho ny hipetraka any amin’ny firenen-kafa sy hampiasa fiteny tsy haiko tenenina ary hitady ny lalana halehako ao anatin’ny lala-mifampidipiditra izay tsy azoko an-tsaina akory hoe azoko handehanana. Ny vavaka nataoko izay feno fankasitrahana teo aloha dia nanjary fanomezan-tsiny lehibe manao hoe: “Andriamanitra ô! Fa nahoana aho no navelanao ho irery?”

Indray maraina dia nitalaho taminy tamim-bavaka aho. Saingy raha tokony hanontany tamim-pahatezerana tao am-poko aho hoe “nahoana” dia naleoko nangataka fijoroana ho vavolombelona momba ny fahamarinan’ny filazantsara sy fanaisorana ny ahiahiko.

Rehefa avy nivavaka aho dia nanokatra ny soratra masiko tao amin’izay pejy sendra ahy. Tao amin’ny Deoteronomia 31:6 no voasokatro an-kisendrasendra: “Mahereza sy matanjaha; aza matahotra na manahy azy; fa Jehovah Andriamanitrao no miara-mandeha aminao; tsy handao anao na hahafoy anao Izy.”

Feno fifaliana ny foko rehefa nahafantatra ny valin’ilay vavako aho hoe: Niaraka tamiko teo foana Andriamanitra. Niandry vavaka tamin-kitsimpo fotsiny Izy fa tsy fanomezan-tsiny hoe namela ahy irery Izy.

Tsy handao ahy mihitsy Andriamanitra na dia rehefa toa tsy misy azo antenaina avokoa aza ny zavatra rehetra. Ary afaka mahatsapa ny fitiavany amin’ny alalan’ny vavaka sy ny soratra masiny isika.

Clayton E., Texas, Etazonia

Hamoaka printy