Hadino ireo boky fa tadidy ny fijoroana ho vavolombelona
Monina any Cagayan, Philippines ny mpanoratra.
Nijery ahy daholo ny olona rehetra. Afaka miaro ny Fiangonana amin’ny fijoroana ho vavolombelona ananako fotsiny ve aho?
Indray taona izay aho nanana tanjona hanatsara ny fianarako ara-panahy. Nitondra bokin’ny Fiangonana, kiboky, boky torolalana, ary soratra masina tany amin’izay nalehako rehetra aho, anisan’izany rehefa nankany am-pianarana satria nangetaheta ny tenin’Andriamanitra aho. Saingy nihena ny ezaka nataoko rehefa lasa sahirana nianatra mba hiomanana tamin’ny fitsapam-pahaizana fohy iray ho avy aho.
Indray andro dia nitarika fifanakalozan-kevitra ny mpampianatray, ka nandritra izany izy dia nangataka ny mpianatra rehetra tsy Katôlika tao amin’ilay efitrano mba hitsangana. Izaho no hany Olomasin’ny andro Farany tao amin’ilay kilasy. Nisy mpianatra enina hafa nitsangana ihany koa.
Dia nanontaniana izahay hoe: Ao amin’ny fiangonana inona no misy anao? Iza no nanorina izany? Tamin’ny fomba ahoana no nanorenana ny fiangonanao?
Izaho no namaly farany. Taitaitra aho rehefa nahatsiaro fa tsy nentiko ireo bokin’ny Fiangonana, kanefa niezaka nitadidy ireo zavatra nianarako aho. Nisy andinin-tsoratra masina avy ao amin’ny Baiboly tonga tao an-tsaiko:
“Matokia an’i Jehovah amin’ny fonao rehetra, fa aza miankina amin’ny fahalalanao.
“Maneke Azy amin’ny alehanao rehetra, fa Izy handamina ny lalanao” (Ohabolana 3:5–6).
Nijoro teny aloha tamim-pahasahiana aho ary hadinoko ny tahotro. Natomboko tamin’ny filazana fa mpikambana ao amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany aho. Nizara ny tantaran’i Joseph Smith tovolahikely izay nahita an’Andriamanitra aho. Nahatsapa hafanana tao an-tratrako aho ary nirotsaka ny ranomasoko. Nolazaiko azy ireo fa naorina tamin’ny 6 aprily 1830 ny Fiangonana, ary nijoro ho vavolombelona aho fa nisy mpaminanin’Andriamanitra nantsoina ary naverina tamin’ny laoniny ny fisoronana. Nijoro ho vavolombelona aho fa fantatro fa marina ireo zavatra rehetra ireo.
Tena nilaina ireo ora maro nolaniana tamin’ny fandalinana ny filazantsara. Nanampy ahy hiaro ny finoako sy hizara ny filazantsara izany. Tena faly aho rehefa nandeha nivavaka niaraka tamiko ny efatra tamin’ireo mpiara-mianatra tamiko afaka herinandro maromaro taty aoriana.
Nampianatra ahy ny maha-zava-dehibe ny fijoroana ho vavolombelona izany zavatra niainana izany. Tamin’ny voalohany aho dia nanontany tena hoe nahoana ny Tompo no tsy nibitsika tamiko mba hitondra ny bokiko tamin’io andro io. Mety ho nanampy ahy hamaly araka ny tokony ho izy ireo fanontaniana napetraka izy ireo. Kanefa fantatro tamin’izay fa tsy mila mahatadidy ny zavatra rehetra mikasika ny Fiangonana isika na miantehitra amin’ireo boky fanovozan-kevitra, fa tokony handalina, hiaina ary hizara ny filazantsara isika ary hiantehitra amin’ny Fanahy Masina. Mety hoe tsy nanana ireo bokiko aho kanefa nanana ny fijoroako ho vavolombelona.