Hafatra avy amin’ny Fiadidiana Voalohany
Ny marina amin’ny finoana no ho velona
Ilay rabbin sy ilay mpanamboatra savony
Misy angano Jiosy fahiny iray mikasika ny mpanamboatra savony iray izay tsy nino an’Andriamanitra. Indray andro raha niara-nandeha an-tongotra tamin’ny rabbin iray izy dia nilaza hoe: “Misy zavatra tsy azoko ity. Efa an’arivon-taonany maro no nisian’ny fivavahana. Kanefa na aiza na aiza jerenao dia ahitana faharatsiana, kolikoly, tsy fahamarinan-toetra, tsy rariny, fijaliana, hanoanana ary herisetra. Toa tsy nampivoatra an’izao tontolo izao mihitsy ny fivavahana na dia kely aza. Noho izany dia manontany anao aho hoe: inona ary no soa entin’izany?”
Tsy namaly aloha ilay rabbin fa nanohy nandeha an-tongotra niaraka tamin’ilay mpanamboatra savony. Farany dia nanakaiky toeram-pilalaovana iray izy ireo izay nahitana ankizy feno vovoka nilalao tao anatin’ny loto.
“Misy zavatra tsy azoko ity,” hoy ilay rabbin. “Jereo ireto ankizy ireto. Efa an’arivon-taonany no nisian’ny savony kanefa mbola maloto ihany ireto ankizy ireto. Inona ary no soa entin’ny savony?”
Namaly ilay mpanamboatra savony hoe: “Tsy rariny kosa ry rabbin ny fanomezana tsiny ny savony noho ireto ankizy maloto ireto. Tsy maintsy ampiasaina ny savony alohan’ny hahafahan’izany manatanteraka ny tanjony.”
Nitsiky ilay rabbin ary niteny hoe: “Marina izany.”
Ahoana no fomba tokony hiainantsika?
Nofintinin’ny Apôstôly Paoly tamin’ny alalan’ny findramana ny tenin’ny mpaminany iray tao amin’ny Testamenta Taloha ny dikan’ny hoe mpino rehefa nanoratra izy hoe: “Ny marina amin’ny finoana no ho velona” (Romana 1:17).
Takatsika ao anatin’io fanambarana tsotra io angamba ny fahasamihafana misy eo amin’ny fivavahana iray izay marefo sy tsy misy fiantraikany sy ilay anankiray izay manana hery hanovana fiainana.
Tsy maintsy takatsika anefa ny atao hoe finoana mba hahatakarana ny dikan’ny hoe miaina amin’ny alalan’ny finoana.
Ny fananana finoana dia lehibe lavitra noho ny hoe zavatra inoana. Fitokiana tanteraka amin’Andriamanitra arahina asa izany.
Mihoatra lavitra ny fananana faniriana izany.
Mihoatra lavitra ny fipetrahana fotsiny izany, dia manetsika ny lohantsika ary milaza hoe manaiky isika. Rehefa miteny isika hoe: “Ny marina amin’ny finoana, no ho velona” dia midika izany fa tarihin’ny finoantsika sy tantanan’izany isika. Mandray andraikitra amin’ny fomba izay mifanaraka amin’ny finoantsika isika. Tsy hoe noho ny fankatoavana tsy am-piheverana akory fa noho ilay fitiavana an’Andriamanitra izay feno fahasahiana sy amin-kitsimpo ary noho ilay fahendrena sarobidy izay nasehony an’ireo zanany.
Tsy maintsy arahina asa ny finoana raha tsy izany dia maty (jereo ny Jakoba 2:17). Tsy finoana mihitsy izany. Tsy manana hery hanovana na dia olona iray aza izany, mainka fa hoe izao tontolo izao.
Ny lehilahy sy ny vehivavin’ny finoana dia matoky ilay Rainy any An-danitra be famindram-po, na dia mandritra ny fotoana isian’ny fisalasalana aza, na mandritra ny fotoana isian’ny fiahiahiana sy ny alahelo aza izay mety tsy hahitan’izy ireo tsara na tsy hahatakaran’izy ireo mazava tsara.
Ny lehilahy sy ny vehivavin’ny finoana dia mandeha amim-pahavitrihana eo amin’ny lalan’ny maha-mpianatra ary miezaka manaraka ny ohatra nasehon’i Jesoa Kristy Mpamonjy malalany. Ny finoana dia manome famporisihana antsika ary tena manosika antsika hampirona ny fontsika any an-danitra, hanolo-tanana amim-pahavitrihana sy hampitraka ary hitahy ireo mpiara-belona amintsika.
Toy ny savony mijanona ao anaty baoritra ny finoana tsy arahina asa. Mety manana hery mampitolagaga izany, kanefa raha ny marina dia zara raha manana hery hitondrana fiovana izany rehefa tsy mahatanteraka ilay tena tanjony. Ny filazantsaran’i Jesoa Kristy dia filazantsara arahina asa. Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy dia mampianatra fivavahana marina izay miendrika hafatra mitondra fanantenana, finoana ary fiantrana, ka tafiditra ao anatin’izany ny fanampiana ny mpiara-belona amintsika amin’ny fomba ara-panahy sy ara-batana.
Volana vitsivitsy lasa izay, izaho sy i Harriet vadiko dia nanao dian’ny mpianakavy niaraka tamin’ny sasany tamin’ireo zanakay tany amin’ny faritra Mediteraneana. Nitsidika ny sasany tamin’ireo tobin’ny mpitsoa-ponenana izahay ary nihaona tamin’ireo fianakaviana avy any amin’ny firenena rotidrotiky ny ady. Tsy avy amin’ny finoana misy antsika ireo olona ireo saingy rahalahintsika sy anabavintsika ary nila fanampiana haingana dia haingana izy ireo. Nanohina lalina ny fonay ny nahita mivantana ny fomba nitondran’ilay finoana mavitrika an’ireo mpikambana ato amin’ny Fiangonantsika fanampiana sy fanamaivanana ary fanantenana ho an’ireo mpiara-belona amintsika izay sahirana, na inona na inona finoany na fiaviany na fari-pahaizany.
Ny finoana arahina asa tsy tapaka dia mameno hatsaram-panahy ny fo, mameno fahendrena sy fahatakarana ny saina ary mameno fiadanana sy fitiavana ny fanahy.
Ny finoantsika dia afaka mitahy sy mitarika amim-pahamarinana ireo olona manodidina antsika sy ny tenantsika.
Afaka mameno hatsarana sy fiadanana an’izao tontolo izao ny finoantsika.
Afaka manova ny fankahalana ho fitiavana ny finoantsika ary manova ny fahavalontsika ho lasa namantsika.
Dia miaina amin’ny alalan’ny fanaovana asa arahina finoana izany ny marina. Miaina amin’ny alalan’ny fahatokiany an’Andriamanitra sy ny fandehanana eo amin’ny lalany izy ireo.
Ary izany no karazana finoana izay afaka manova ny olona tsirairay, ny fianakaviana sy ny firenena ary izao tontolo izao.