Ny Fitsanganan’ i Jesoa Kristy tamin’ny maty ary ireo fahamarinana mikasika ny vatana
Nampianatra antsika fahamarinana manan-danja mikasika ny vatana ny Fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty.
“[Hoy Izy] hoe: Vita; dia nanondrika ny lohany Izy ka nanolotra ny fanahiny” (Jaona 19:30). Nandao ny vatan’i Jesoa Kristy tamin’io fotoana io ny fanahiny, ilay vatana izay nizaka fijaliana mba hahafahany manonitra ny fahotan’ny olona rehetra sy manampy azy ireo arakaraka ny rofiny (jereo ny Almà 7:12–13). Nesorina avy teny amin’ny hazofijaliana io vatana izay foana io, dia nofonosina hariry ary napetraka tao am-pasana tamin’ny farany. Ny andro fahatelo dia tonga nanatona ny fasana ireo vehivavy mba hanatanteraka ny fanomanana ny fandevenana ilay vatana.
Saingy tsy tao ilay vatana.
Fanombohana ihany ny fahitana ilay fasana foana. Nahita zavatra mahagaga i Maria Magdalena, sy ireo Apôstôly ary ireo olona maro hafa taty aoriana: i Jesoa Kristy nitsangana tamin’ny maty sy lasa tonga lafatra, izay azo tsapain-tanana ary miendrika olombelona.
Nataon’ny Mpamonjy izay nahatakaran’ireo nahita Azy taorian’ny Fitsanganany tamin’ny maty tanteraka hoe, karazana vatana toy ny inona no nananany. Ohatra, nasainy ireo Apôstôly hikasika ny vatany mba hananan’izy ireo toky fa tena azo tsapain-tanana Izy fa tsy fisehoana fotsiny ihany (jereo ny Lioka 24:36–40).1 Niara-nisakafo tamin’izy ireo mihitsy aza Izy (jereo ny Lioka 24:42–43).
Rehefa nanatanteraka ny iraka nampanaovina azy ireo mba hitory ny filazantsaran’i Jesoa Kristy ireo Apôstôly dia niatrika fanoherana sy fanenjehana izy ireo. Ny sasany tamin’izany dia noho izy ireo nampianatra fa nitsangana tamin’ny maty i Jesoa Kristy ary hitsangana amin’ny maty ny olombelona rehetra vokatr’izany (jereo ny Asan’ny Apostoly 4:1–3).
Ankehitriny dia mbola ny Fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty no fototry ny hafatra zarain’ny Fiangonany amin’izao tontolo izao toy ny tamin’izany fotoana izany ihany. Hoy ny Mpaminany Joseph Smith hoe: “Ny fitsipika fototry ny finoantsika dia ny fijoroana ho vavolombelona ananan’ny Apôstôly sy ny Mpaminany mikasika an’i Kristy, izay milaza fa maty sy nalevina Izy ary nitsangana tamin’ny maty ny andro fahatelo ary niakatra any an-danitra. Ireo zavatra hafa mikasika ny finoantsika dia fanampin’izany fotsiny ihany.”2
Ny Fitsanganana amin’ny maty dia manampy amin’ny famaliana fanontaniana mikasika ny endrik’Andriamanitra, ny endritsika sy ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra, ny tanjon’ity fiainana ity ary ny fanantenana ananantsika ao amin’i Jesoa Kristy. Ireto ny vitsivitsy amin’ireo fahamarinana notsindrina mikasika ny Fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty.
Manana vatana feno voninahitra ny Ray any An-danitra
Ilay hevitra hoe miendrika olombelona Andriamanitra dia azo antoka fa hita ao amin’ny Baiboly,3 ary heverin’ny ankamaroan’ny olona ho toy izany, saingy nolavin’ireo fisainana ara-teôlojia sy ireo fisainana ara-pilôzôfian’ny fivavahana izany, fa Andriamanitra “tsy manana vatana, na rantsam-batana na filana,”4 no nekeny satria raha amin’io fomba fijery io dia ratsy na toy ny tsy misy ny vatana (sy ny zaka amin’ny ankapobeny), fa ny fanahy na ny saina na ny hevitra kosa no tena mandrafitra marina ilay izy faratampony na ny fisiana.
Tena tsotra sy nanova tanteraka tamin’ny fomba mahagaga tamin’izany fotoana izany ny fanambarana ny endrik’Andriamanitra tamin’ny alalan’ny Zanany, Jesoa Kristy.
Nandritra ny asa fanompoany dia nilaza ny Mpamonjy hoe: “Izay nahita Ahy dia nahita ny Ray” (Jaona 14:9). Marina kokoa aza izany taorian’ny Fitsanganany tamin’ny maty niaraka tamin’ilay vatana tonga lafatra sy tsy mety maty izay nampiseho fa “ny Ray dia manana vatana nofo sy taolana azo tsapaina toy ny an’ny olona; ny Zanaka koa” (F&F 130:22).
Voaboraka izany ny endrika ara-batan’ny Ray any An-danitra. Araka izay nohazavain’i Joseph Smith taty aoriana hoe: “Toy ny tsy misy ny zavatra tsy misy vatana na rantsana. Tsy misy Andriamanitra hafa afa-tsy ilay Andriamanitra manana nofo sy taolana ihany any an-danitra.”5
Izao no nolazain’ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôtsôly Roambinifolo: “Raha toa ka hoe sady tsy ilaina no tsy irin’Andriamanitra ny fananana vatana, dia nahoana ilay Mpanavotra ny olombelona no nanavotra ny vatany, ka nanavotra izany tamin’ny fambaboan’ny fahafatesana sy ny fasana, ary nanome antoka fa tsy hisaraka velively intsony amin’ny fanahiny izany mandritra izao fiainana izao na mandrakizay? Izay mandà ilay hevitra hoe manana vatana Andriamanitra dia sady mandà ilay Kristy nanana vatana mety maty no mandà ilay Kristy nitsangana tamin’ny maty.”6
Manana hery tsy misy fetra sy mahalala ny zava-drehetra ary be fitiavana ny Ray any An-danitra
Ireo toetra tsy manan-tsahala ananan’ny Ray any An-danitra dia niseho koa tao anatin’ilay tena zava-nisy mikasika ny Fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty. Hoy ny Loholona D. Todd Christofferson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe: “Noho ny fisian’ny Fitsanganan’i Kristy tamin’ny maty dia tsy mitombina ireo ahiahy momba ny maha-be fahefana an’ Andriamanitra sy ny fahaizan’ Andriamanitra ny zava-drehetra ary ny hatsaram-pon’ Andriamanitra, izay nanolotra ny Zanany Lahitokana mba ho fanavotana izao tontolo izao.”7
Voaporofo tamin’ny alalan’ny Fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty ny hery sy ny fahalalana ary ny hatsaram-panahy ananan’Andriamanitra izay manaporofo ilay fahendrena sy fitiavana ao amin’ny drafitry ny Ray any An-danitra ary ny fahafahany (sy ny fahafahan’ny Zanany) manatanteraka izany.
Zanak’ Andriamanitra isika
Mampianatra antsika ny Baiboly fa nohariana “tahaka ny endrik’Andriamanitra [isika] … lahy sy vavy” (Genesisy 1:27). Nanamafy izany fahamarinana izany ny Fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty. Raha ny marina tamin’ny ora nitrangan’io Fitsanganany tamin’ny maty io mihitsy no nanamafisan’i Jesoa Kristy ny fifandraisantsika amin’ny Ray any An-danitra izay nilazany hoe: “Miakatra ho any amin’ny Raiko, sy ny Rainareo aho; ary ho any amin’Andriamanitro sy Andriamanitrareo” (Jaona 20:17; nampiana fanamafisana).
Nanambara ny Mpamonjy fa tsy misy an’izany hoe tsy misy itovizana tanteraka izany Andriamanitra sy ny olombelona eo amin’ireo zavatra fototra mandrafitra ny maha-olombelona azy. Ny endrika fototry ny vatantsika dia mitovy amin’ny an’ny fanahintsika,8 ary ny fanahintsika dia nohariana araka ny endrik’ Andriamanitra satria izay no endriky ny fifandraisan’ny ray aman-dreny sy ny zanaka.
Fanomezana izay manome hery manampy sy maha-olom-banona ny vatana
Nasehon’ny Mpamonjy antsika tamin’ny alalan’ny Fitsanganany tamin’ny maty fa ny fisiana ao anatin’ny vatana azo tsapain-tanana dia ampahan-javatra tanteraka manorina ny maha-olombelona mandrakizay an’ Andriamanitra sy ny zanany. Nambaran’ny Tompo tamin’i Joseph Smith hoe: “Ireo singa dia mandrakizay, ka ny fanahy sy ny singa mifamatotra tsy azo sarahina dia mandray ny fahafenoan’ ny fifaliana” (F&F 93:33). Io fifandraisana tsy azo sarahina io dia mampitambatra ny zavatra ara-panahy sy ara-batana hiaraka mba hahatonga izany ho vatana tsy mety maty sy lo ary feno voninahitra sy tonga lafatra; ilay hany karazana vatana izay afaka mandray ny fahafenoan’ny fifaliana izay ananan’ Andriamanitra.
Etsy an-kilan’izay, rehefa avy nahazo vatana dia nosarahina tamin’izany mba hidirana ny tontolon’ny fanahy, “dia [mihevitra] ny … fisarahana eo amin’ny fanahiny sy ny vatany ho toy ny fatorana ny [maty]” (F&F 138:50; jereo koa ny F&F 45:17).
Na ny vatantsika mety maty aza dia ampahany tena manan-danja ao amin’ny drafitry ny famonjen’ny Ray any An-danitra ary fanomezana masina. Rehefa tonga etý amin’ny fiainana an-tany ny fanahintsika tany amin’ny fiainana talohan’ny nahaterahana, dia “omena fanampiny” (Abrahama 3:26) dia vatana iray izy. Nampianatra ny Mpaminany Joseph Smith hoe: “Tonga teto an-tany isika mba hanana vatana sy hanolotra izany amin’ny endriny madio eo anatrehan’ Andriamanitra ao amin’ny fanjakana selestialy. Ny fitsipika lehiben’ny fahasambarana dia mifototra amin’ny fananana vatana. Tsy manana vatana ny devoly ary izay no fanasaziana azy.”9
Nampianatra ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe: “Ny vatantsika dia manome fahafahana hahazo traikefa lalina sy mahery vaika, izay tsy afaka ny ho azo mihitsy nandritra ny fisiantsika tany amin’ny fiainana talohan’ny nahaterahana. Noho izany, ny fifandraisantsika amin’ny olona hafa, ny hery ananantsika mba hanekena sy hanaovana zavatra mifanaraka amin’ny fahamarinana, ary ny fahafahantsika mankatò ireo fitsipika sy ôrdônansin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy dia mihamitombo amin’ny alalan’ny vatantsika. Mandritra ny fiainana ety an-tany isika dia miaina halemem-panahy, fitiavana, hatsaram-panahy, fahasambarana, alahelo, fahadisoam-panantenana, fanaintainana, eny fa na dia ireo zava-tsarotra avy amin’ny sakana ara-batana aza, izay manomana antsika amin’ny mandrakizay. Raha lazaina amin’ny fomba tsotra dia misy ireo lesona tsy maintsy ianarantsika sy ireo traikefa tsy maintsy ananantsika araka izay faritan’ny soratra masina hoe—araka ny maha-nofo—(1 Nefia 19:6; Almà 7:12–13).”10
Ankoatra izany dia nampianatra ny Mpaminany Joseph Smith hoe: “Manana fahefana amin’ireo izay tsy manam-batana ireo olombelona rehetra manam-batana.”11 Afaka maka fanahy antsika i Satana, saingy tsy afaka manery antsika. “Tsy manana fahefana amintsika ny devoly raha tsy hoe mamela azy isika.”12
Farany, ny fanomezana vatana tonga lafatra sy nitsangana tamin’ny maty dia manampy antsika hihoatra ny herin’i Satana mandrakizay. Raha tsy misy ny Fitsanganana amin’ny maty, “ny fanahintsika dia tsy maintsy ho efa nofehezin’ny … devoly ka tsy hitsangana intsony. Ary ny fanahintsika dia tsy maintsy ho efa tonga toa azy, ary dia ho lasa devoly isika, anjelin’ny devoly ka dia ho nohidiana tany ivelan’ny fitoeran’ Andriamanitra ka dia ho niara-nitoetra tamin’ny rain’ny lainga, nijaly toa azy” (2 Nefia 9:8–9).
Tsy mpifahavalo ny fanahy sy ny vatana
Na dia tsy mitovy aza ny fanahy sy ny vatana dia tsy avy amina fisiana roa samy hafa izay tsy afaka miara-miasa mihitsy akory izy ireo. Nianatra i Joseph Smith hoe: “Tsy misy na inona na inona tsy avy amin’ny tamba-tsinga. Ny fanahy rehetra dia tamba-tsinga, saingy madio sy malefaka kokoa ary tsy hay avahana raha tsy amin’ ny maso madio kokoa; tsy haintsika jerena izany; fa rehefa voadio ny vatantsika dia ho hitantsika fa tamban-tsinga avokoa izany” (F&F 131:7–8).
Ilay toetry ny tenan’i Jesoa Kristy izay feno voninahitra sy nitsangana tamin’ny maty dia maneho ny fitambarana tonga lafatry ny fanahy sy ny vatana, izay mampiseho antsika fa “ny fanahy sy ny vatana no atao hoe velona” (F&F 88:15). Eto amin’ity fiainana ity isika dia miezaka ny hanana “fiheverana ny zava-panahy” toy izay hanana “fiheverana ny zavatry ny nofo” (2 Nefia 9:39), sy “[hanaisotra] ny maha-nofo” (Môsià 3:19), ary “[mifehy ny filantsika] rehetra” (Almà 38:12). Saingy tsy midika akory izany fa mpifahavalo ny fanahy sy ny vatana. Araka ny nasehon’i Jesoa antsika dia tsy natao hankahalaina na hapetraka ambony dia ambony ny vatana fa natao hofehezina sy hovaina.
Manana tanjona manan-danja ny fiainana ao anatin’ny vatana mety maty
Misy dikany kokoa ilay fahalalana hoe fisedrana ity fiainana ity rehefa mieritreritra ny zavatra fantatsika mikasika ny fiainantsika alohan’izany sy aorian’izany isika. Niaina tamin’ny endrika fanahy isika talohan’ny nahatongavana teto an-tany ary ny hahatongavantsika tahaka Azy sy ny hiainantsika mandrakizay miaraka amin’ny vatana tsy mety maty no kasain’ny Ray any An-danitra. Ireo fahamarinana ireo dia midika fa ny fotoam-pisedrana antsika ao anatin’izany vatana mety maty izany dia tsy jadona fa misy dikany sy tanjona marina.
Nanazava ny Loholona Christofferson hoe: “Hasehontsika amin’ny alalan’ny safidintsika amin’ Andriamanitra (sy amin’ny tenantsika) ilay fanoloran-tenantsika sy ny fahaizantsika miaina ny lalàna selestialiny rehefa tsy eo anatrehany sy ao anatin’ny vatana iray miaraka amin’ny heriny sy ny filany ary ny faniriany isika. Afaka nifehy ny nofo ve isika mba hahatongavan’izany ho fitaovana fa tsy ho tompon’ny fanahy? Azo nankinina tamintsika nandritra izao fiainana izao sy mandrakizay ve ireo hery masina, ka tafiditra ao anatin’izany ny hery ahafahana mamorona aina? Nandresy manokana ny ratsy ve isika? Ireo izay nahavita izany dia—hanana voninahitra anampy eo ambony lohany mandrakizay mandrakizay [Abrahama 3:26]—ny endrika iray tena mampiavaka an’io voninahitra io dia ilay vatana nitsangana tamin’ny maty sy tsy mety maty ary feno voninahitra.”13
Manan-danja ireo zavatra iainantsika ao anatin’ny vatantsika amin’izao fotoana izao, tafiditra ao anatin’izany ny fifandraisana eo amintsika samy isika, satria ireo dia mitovy amin’ny zavatra ho avy. Nianatra i Joseph Smith hoe: “Ary ny fiaraha-miaina izay misy etoana eo anivontsika ihany no hisy eo amintsika any, saingy izany dia homban’ny voninahitra mandrakizay, dia voninahitra izay tsy ananantsika ankehitriny” (F&F 130:2).
Manana fanantenana ao amin’i Jesoa Kristy isika
Hatramin’izay nahitana ilay fasana foana izay dia nitondra fanantenana ny Fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty satria tsapantsika ao anatin’ny Fitsanganany tamin’ny maty ny mety tena hitrangan’izany amin’ny tenantsika, ka “haverina [amintsika] ireo zavatra rehetra nafoi[ntsika] … , raha toa [isika] ka mahatoky hatrany.”14
Afaka nizara fijoroana ho vavolombelona feno fahasahiana mikasika ny Fitsanganany tamin’ny maty ireo Apôstôlin’ny Mpamonjy tany am-boalohany satria nahita sy nitsapa ny vatany izy ireo. Saingy nisy zavatra bebe kokoa noho izany. Toy ny nanasitranan’i Jesoa Kristy ireo rofy ara-batana mba hampisehoana fa manana hery hamelana fahotana Izy (jereo ny Lioka 5:23–25) no nahatonga ny Fitsanganany tamin’ny maty, ilay porofo azo tsapain-tanana maneho ny fananany hery handresena ny fahafatesan’ny vatana, ho lasa antoka ho an’ny mpanara-dia Azy mikasika ny fananany hery handresena ny fahafatesana ara-panahy. Ireo fampanantenana nomeny tao anatin’ny fampianarany, dia ny famelana ny fahotana, ny fiadanana eto amin’ity fiainana ity ary ny fiainana mandrakizay any amin’ny fanjakan’ny Ray, dia lasa zavatra tena misy ary lasa tsy voahozongozona ny finoany.
“Raha tsy nitsangana Kristy, dia foana ny finoa[ntsika]” (1 Korintiana 15:17). Saingy noho Izy tena nitsangana tamin’ny maty dia afaka “[manana] fanantenana [isika] amin’ny alalan’ny sorompanavotan’i Kristy sy ny herin’ny fitsanganany amin’ny maty mba hatsangana ho amin’ny fiainana mandrakizay, ary izany dia noho ny finoa[ntsika] Azy araka ny fampanantenana” (Môrônia 7:41).
Nanasa ny olona hanaraka Azy i Jesoa Kristy nandritra ny fiainany teto an-tany. Lasa mbola nazava kokoa ny toeran-kaleha taorian’ny fahafatesany sy ny Fitsanganany tamin’ny maty. Raha toa ka mamboly “toe-tsaina amam-panahy selestialy” ao anatintsika isika amin’ny alalan’ny fankatoavana ireo lalàna sy ôrdônansin’ny filazantsara, dia afaka “[m]andray vatana izay, ilay vatana voajanahary ihany” sy “hovelomin’ny ampahany amin’ny voninahitra selestialy [ary] amin’izay dia handray izany ihany, saingy amin’ny fahafenoany” (F&F 88:28–29). Nasehony ny lalana. Izy no Lalana. Amin’ny alalan’ilay heriny, izany hoe amin’ny alalan’ny Sorompanavotany sy ny Fitsanganany tamin’ny maty, no hahatanterahan’io fahafenoana selestialy io, izay ahitana fahafenoan’ny fifaliana ao anatin’ny vatana nitsangana tamin’ny maty.