2017
Fanovozan-kevitra ho an’ny takarivan’ny mpianakavy
April 2017


Fanovozan-kevitra ho an’ny takarivan’ny mpianakavy

Ity laharana ity dia ahitana lahatsoratra sy zavatra atao azo ampiasaina mandritra ny takarivan’ny mpianakavy. Ireto manaraka ireto misy ohatra anankiroa.

Sary
Christ with Thomas

“Nahita Azy izy ireo,” pejy 58: Rehefa avy namaky ilay lahatsoratra ny fianakaviana dia azonareo atao ny mifanakalo hevitra mikasika ireo fomba ahafahanareo ho vavolombelon’i Kristy na dia tsy mahita Azy mivantana aza. Afaka mieritreritra hevitra hanakaikezana kokoa ny Mpamonjy ianareo toy ny fitadiavana fahafahana manompo ireo mpitsoa-ponenana ao amin’ny fiaraha-monina misy anao, fianarana mikasika ny fiainan’ny Mpamonjy mandritra ny fandalinana ny soratra masina, fiambenana ny zanaky mpivady iray mba hahafahan’izy ireo mandeha mankany amin’ny tempoly. Afaka mijery ilay horonan-tsary hita ao amin’ny mormon.org/easter.

Sary
family at the temple

“Miomana isan’andro ny hiditra ny tempoly,” pejy 69: Afaka mieritreritra ny hanao “takarivan’ny tantaram-pianakaviana sy ny tempoly” ianareo ho an’ny takarivan’ny mpianakavy. Afaka mianatra ny fomba fanaovana lisitra anarana manaraka ny abidia sy mikaroka ny firaketana momba ny fianakaviana ianareo na mifanakalo hevitra momba ny maha-zava-dehibe ireo ôrdônansin’ny tempoly ary mijery ny sarin’ireo tempoly manerana an’izao tontolo izao. Raha mipetraka any akaikin’ny tempoly ianareo dia afaka mitsidika ny toerana manodidina ny tempoly ary mifanakalo hevitra mikasika ny fomba ahafahan’ny tempoly mampanakaiky antsika amin’ny Ray any An-danitra sy manampy antsika hahatsapa ny fitiavany.

Hamoaka printy