“Nisy misiônera vavy iray niarahaba ahy sy nitsiky tamiko. Noheveriko fa anjely izy. Niova ny fiainako nanomboka tamin’io andro io. Efa 17 taona lasa izay, ary efa nanjavona avokoa ny eritreritra rehetra hanapitra ny aiko. Ankehitriny aho dia manantena zavatra tsara. Rehefa manana enta-mavesatra aho dia apetrako eo amin’Andriamanitra izany. Nianatra niantehitra taminy tamin’ny zavatra rehetra aho. Kanto ny fiainana ho ahy.”