Miomana amin’ilay dia vaovao
Mipetraka ao Paraná Brésil ny mpanoratra.
Tahaka an’i Nefia izay nandeha sambo nankany amin’ny toerana tsy fantatra dia nila nampihatra finoana ny Tompo mikasika ny fanorenana fianakaviana aho.
Tao anatin’ireo herinandro ankatoky ny fanambadiako sy ny famehezana tany amin’ny tempoly dia nanomboka ho kirikirina kely aho ny amin’ireo zavatra nilaiko natao mialoha ny hanorenako ny fianakaviako vaovao. Na dia teo aza ny fifaliana tsapako tamin’izany fotoana izany dia nahatsapa rarin-tsaina aho mikasika ny fandaminana araka ny tokony ho izy ny volanay, ny fitadiavana toerana hametrahana ny entanay, ary ireo andraikitro vaovao rehetra amin’ny maha-vady ahy. Te hahazo antoka aho fa hatombokay araka ny tokony ho izy ny fanambadianay amin’ny alalan’ny fanokanana fotoana ao anatin’ny zavatra ataonay ho an’ireo zavatra manan-danja toy ny fitandremana ny didy sy ny fanokanana fotoana hiarahanay mivady na dia be atao be aza izahay eo amin’ny fiainanay.
Rehefa nihananakaiky ilay andro hanambadiana dia notampohan’ny nofy ratsy nisesy aho ka tafiditra tao anatin’izany ireo karazana olana rehetra izay mety hanimba ny fianakaviana. Noho izaho avy amin’ny fianakaviana mifankatia nefa mandalo zava-tsarotra ihany koa, notandindomin’ny fifandirana tsy tapaka sy nahery vaika ary ny ratram-po, dia vao mainka nisy fiantraikany bebe kokoa teo amiko mihoatra ny tokony ho izy ireo nofy ratsy. Ka noho izany indray alina, taorian’ny alina maromaro toy izany, dia nifoha sady tsembo-dratsy aho ary nanapa-kevitra ny hanaraka ny torohevitra nomen-drahavavy Neill F. Marriot, Mpanolotsaina Faharoa ao amin’ny Fiadidian’ny Zatovovavy maneran-tany tao amin’ny lahateniny hoe “Manolotra ny fontsika ho an’Andriamanitra” (Liahona, nôv. 2015, 30–32). Nakimpiko ny masoko dia nivavaka aho hoe: “Ray any An-danitra malala ô! inona no azoko atao mba hanakanana ireo zavatra ratsy ireo tsy hahazo ny fianakaviako?”
Tonga tampoka tao an-tsaiko ny valiny izay haingana sy mahery vaika tahaka ny hoe nisy olona iray nanokatra varavarana nankao an-tsaiko ka nametraka ilay eritreritra tao. Nibitsika tamiko ilay feo tony sy malefaka hoe: “Ataovy fotsiny izay tokony hataonao. Aoka ianao ho mahatoky amin’ny dingana rehetra.” Nibitsika torohevitra vitsivitsy manokana ny Fanahy, ary izaho dia nahatsapa fa raha manao ireo zavatra ireo aho dia ho tsara avokoa ny zavatra rehetra.
Nitsiky aho ary nahatsapa fa feno hafanana tao amin’ny tratrako. Hadino tampoka teo ireo ahiahy satria fantatro fa marina ilay torohevitra. Efa nahatsapa ny Fanahy masina aho teo aloha, saingy tsy mbola nisy nahery vaika tahaka izay tsapako tamin’izay alina izay. Tsapako nanemitra ahy manodidina ny fitiavan’ny Raintsika any An-danitra sy ny Mpamonjintsika, ary fantatro fa tena nanan-danja tamin’ny fianakaviako tahaka ny naha-nanan-danja izany tamiko ny fiadanam-piainana sy ny famonjena ny fianakaviako.
Ho fanomezan-toky fanampiny dia tadidiko ny tantara iray ao amin’ny soratra masina, ilay fotoana izay nandidin’ny Tompo an’i Nefia hanamboatra sambo: “Ary ny zava-nitranga dia niteny tamiko ny Tompo, nanao hoe: Hanamboatra sambo iray ianao araka ny toromarika izay hasehoko anao mba hahazoako mitondra ny olonao mita ireo rano ireo” (1 Nefia 17:8; nampiana fanamafisana).
Tany an-tany foana nandritra ny taona maro i Nefia sy ny fianakaviany, niaritra ireo karazana fahoriana rehetra. Afaka nahatsapa ho natahotra izy tamin’ny fanombohana hanao dia hiampita ilay ranomasina ka namela ny tahony ho mafy kokoa noho ny finoany. Saingy tsy nanao izany izy. Nanaiky izy dia nankatò ireo toromarika avy tamin’Andriamanitra. Nino izy fa ho tanteraka ny fampanantenana nomeny. Tsy niteny tamin’i Nefia na oviana na oviana ny Tompo fa tsy hisy oram-baratra na tsy hamely ilay sambo ny onja. Saingy nilaza tamin’i Nefia Izy fa raha manaraka ny toromarika nomeny izy dia ho afaka ny hitarika ny fianakaviany tsy ho azon-doza hiampita ny ranomasimbe mankany amin’ny tany nampanantenaina i Nefia.
Tonga saina aho fa nandeha tany an-tany foana ihany koa nandritra ny taona maro, saingy ankehitriny aho dia toy ny mijoro eo anoloan’ny ranomasina mba hiomana hanao dia vaovao: ny fanambadiana. Nantsoina aho, ary raha ny fiheverako azy dia toy izany koa ho an’ny fianakaviana Olomasin’ny andro Farany rehetra, mba hanamboatra sambo araka ny toromarika avy amin’Andriamanitra.
Taorian’ny nivadianay mivady dia tonga tokoa ireo olana. Narary aho ary sahirana izahay tamin’ny fampifandanjana ny fampiasana ny volanay sy ny fampiharana ireo fahazarana tsara notapahanay fa harahinay.
Fa ilay torohevitra voaraiko tamin’izay alina izay dia nitoetra tato am-poko. Niezaka isan’andro ny hianatra sy hirakitra ao am-ponay ny tenin’Andriamanitra izahay, ny hanaraka ny ohatra tsara nasehon’ireo mpitarika malalanay, anisan’izany i Kristy, ary ny hanatsara ny fitondrantenanay manokana. Nahazo fijoroana ho vavolombelona matanjaka momba ny vavaka aho ary tena nahatsapa ny fitiavan’ny Ray antsika. Nanomboka nahatoky bebe kokoa aho ary nihena ny tahotro. Hitanay fa lasa dingana mankany amin’ny fahatsarana ireo fahasarotana natrehanay. Ankehitriny dia toy ny sombin-danitra ny tokantranonay.
Mbola eo am-panombohana ny dianay izahay, kanefa ny fanambadiana sy ny fanorenana fianakaviana no safidy tsara indrindra nataoko teo amin’ny fiainako. Feno fifaliana ny foko rehefa mieritreritra ny ôrdônansin’ny tempoly noraisinay sy mahafantatra fa nofehezina tamin’ny fahefan’Andriamanitra izany. Arakaraka ny hahatakarako ny lanjan’ny fianakaviana ao anatin’ny drafitry ny Ray any An-danitra sy ny fahamasinan’ny fanekempihavanana nataonay no haniriko bebe kokoa hanampy ireo fianakaviana hafa handray izany ôrdônansy izany.
Nianatra aho fa tsy mila manahy momba izay hitranga isika satria “‘Tsy nomen’ Andriamanitra fanahy osa isika, fa fanahy mahery sy fitiavana ary fahononan-tena” (2 Timoty 1:7). Mila mankatò fotsiny isika, manaraka ny torohevitra nomena tamin’ny alalan’ny soratra masina sy ny tenin’ireo mpaminanin’ny andro maoderina, ary mangataka amin’ny alalan’ny vavaka mba hahazo torolalana bebe kokoa ho an’ny tena manokana. Raha manao ireo zavatra ireo isika dia afaka miampita ny ranomasimbe an’izao andro farany izao amim-pahatokian-tena fa na inona na inona karazana olana mamely antsika dia ho voaro ireo olo-malalantsika.