Ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy: Fototra iorenan’ny maha-kristianina marina
Avy amin’ny lahateny iray hoe “The Atonement,” (Ny Sorompanavotana) izay natao nandritra ny seminera ho an’ny filohan’ny misiôna vaovao tao amin’ny Ivontoerana fanofanana misiônera tamin’ny 24 jona 2008.
Hitsangana amin’ny maty isika rehetra ary ho lasa tsy mety maty noho ny sorompanavotana nataon’i Jesoa Kristy.
Nanontaniana ny Mpaminany Joseph Smith (1805–44) hoe: “Inona avy ireo fitsipika fototry ny finoanareo?” Hoy izy hoe: “Ny fitsipika fototry ny finoanay dia ny fijoroana ho vavolombelona ananan’ny Apôstôly sy ny Mpaminany mikasika an’i Jesoa Kristy, izay milaza fa maty sy nalevina Izy, nitsangana tamin’ny maty ny andro fahatelo, niakatra any an-danitra, ary ireo zavatra hafa mikasika ny finoanay dia fanampin’izany fotsiny ihany.”1
Te hijoro ho vavolombelona mikasika ny zavatra nambaran’ny Mpaminany Joseph aho. Ny ivon’ny zavatra rehetra inoantsika dia ny Mpamonjy antsika sy ny sorompanavotany, “ilay fiambanian’Andriamanitra” (1 Nefia 11:16) ka tamin’ny alalan’izany no nandefasan’ny Ray ny Zananilahy tety an-tany mba hanatanteraka ny Sorompanavotana. Ny tanjona fototry ny fiainan’i Jesoa Kristy dia ny hanatanteraka ny sorompanavotana. Ny Sorompanavotana no fototra iorenan’ny maha-kristianina marina.
Nahoana ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy no fitsipika fototry ny filazantsara ao amin’ny Fiangonana sy eo amin’ny fiainantsika?
Fanekem-pinoana 1:3
Manambara an’izao ny fanekem-pinoana fahatelo: “Mino isika fa noho ny Sorompanavotana nataon’i Kristy, dia azo vonjena ny olombelona rehetra amin’ny fankatoavana ireo lalàna sy ôrdônansin’ny filazantsara.”
Ny hoe “vonjena” ao amin’ity sahan-kevitra ity dia ilazana ny fahazoana ny ambaratonga avo indrindra amin’ny voninahitra ao amin’ny fanjakana selestialy. Omena ny olona rehetra tonga eto an-tany ny Fitsanganana amin’ny maty, saingy mba hahazoana ny fiainana mandrakizay, ilay fitahiana fenon’ny fivoarana mandrakizay, dia tsy maintsy mankatò ny lalàna, mandray ireo ôrdônansy ary manao ireo fanekempihavanan’ny filazantsara ny olona tsirairay.
Nahoana no i Jesoa Kristy irery ihany no afaka nanonitra ny fahotan’izao tontolo izao? Izy no nahafeno ny fepetra rehetra.
Nitia sy natoky Azy Andriamanitra
Nateraky ny Ray aman-dreny any an-danitra i Jesoa tany amin’ny tontolo talohan’ny nahaterahana. Izy no Voalohan-teraky ny Raintsika any an-danitra. Voafidy hatrany am-boalohany Izy. Nankatò ny sitrapon’ny Rainy Izy. Matetika ny soratra masina no miresaka mikasika ny fifaliana tsapan’ny Ray any An-danitra momba ilay Zananilahy.
Hitantsika ao amin’ny Matio ny hoe: “Ary, injao! nisy feo avy tany an-danitra nanao hoe: Ity no Zanako malalako Izay sitrako.” (Matio 3:17).
I Lioka dia nirakitra an-tsoratra ny hoe: “Ary nisy feo avy tao amin’ny rahona nanao hoe: Ity no Zanako voafidiko; Izy no henoy” (Lioka 9:35).
Ary tao amin’ny tempoly tany an-tanin’i Soafeno taorian’ny Fitsanganan’ny Mpamonjy tamin’ny maty dia naheno ny feon’ny Ray ny vahoaka: “Indro ny Zanako Malalako izay ao Aminy no tena ifaliako” (3 Nefia 11:7).
Tohina tokoa ny foko rehefa mamaky hoe nandritra ny fijalian’i Jesoa tao amin’ny Sahan’i Getsemane, dia nandefa anjely iray mba hankahery sy hampatanjaka Azy ny Ray noho ny fitiavany lehibe sy ny fangorahany an’ilay Zanany Lahitokana (jereo ny Lioka 22:43).
Nampiasa ny fahafahany misafidy mba hankatò i Jesoa
Tsy maintsy nanolotra an-tsitrapo ny ainy ho antsika i Jesoa.
Hoy i Losifera “zanaky ny maraina” (Isaia 14:12; F&F 76:26–27) nandritra ny Filankevitra lehibe tany an-danitra hoe:
“Indro, inty aho, iraho aho, ho zanakalahinao aho ary havotako ny olombelona rehetra ka tsy hisy olona iray ho very, ary hataoko marina tokoa izany; koa omeo ahy ny voninahitrao.
“Nefa indro, ny Zanaka Malalako, izay Malalako sy nofidiko hatrany am-piandohana, dia niteny Tamiko hoe: Ray ô, hatao anie ny sitraponao ary ho Anao ny voninahitra mandrakizay” (Mosesy 4:1–2; jereo koa ny Abrahama 3:27).
Noho ny fananan’ny Zanaka fitiavana lehibe ho an’ny Ray sy ny fananany fitiavana lehibe ho antsika tsirairay dia hoy izy hoe: “Iraho Aho.” Nampiasa ny fahafahany misafidy Izy rehefa nilaza hoe “iraho aho.”
“Tahaka ny ahafantaran’ny Ray Ahy sy ny ahafantarako ny Ray; ary Izaho manolotra ny aiko hamonjy ny ondry. …
“Ary izany no itiavan’ny Raiko Ahy, satria Izaho manolotra ny aiko mba handraisako azy indray.
“Tsy misy manaisotra ny aiko Amiko, fa ny tenako ihany no manolotra azy. Manana fahefana hanolotra azy Aho, ary manana fahefana haka azy indray. Izany didy izany dia azoko tamin’ny Raiko” (Jaona 10:15, 17–18).
Raha ny fanirian’ny Mpamonjy dia afaka nanala Azy teo amin’ny hazofijaliana ka nitondra Azy mivantana nody tany amin’ny Rainy ny andian’anjely. Saingy nampiasainy ny fahafahany misafidy mba hanao sorona ny tenany ho antsika, hanatanteraka ny asa nanirahana azy teto an-tany, sy haharitra hatramin’ny farany mba hanatontosa ilay sorompanavotana.
Naniry ny ho tonga tety an-tany i Jesoa ary mendrika izany Izy. Ary rehefa tonga tety Izy dia nilaza hoe: “Fa tsy nidina avy tany an-danitra Aho mba hanao ny sitrapoko, fa ny sitrapon’izay naniraka Ahy” (Jaona 6:38).
Voatendry mialoha i Jesoa
Nampianatra i Petera fa i Jesoa dia “voaomana hatrany amin’ny fanorenana izao tontolo izao” (jereo ny 1 Petera 1:19–21).
Ireo mpaminany tao anatin’ny fotoampitantanana rehetra dia nilaza mialoha mikasika ny fiavian’i Jesoa Kristy sy ny votoatin’ny asa hanirahana Azy. Tamin’ny alalan’ny finoana lehibe nananany dia nampisehoana an’i Enôka ny fahitana mahagaga ny fahaterahan’ny Mpamonjy, ny fahafatesany, ny Fiakarany tany an-danitra ary ny Fiaviany Fanindroany:
“Ary indro, hitan’i Enoka ny andron’ny fiavian’ny Zanak’Olona tao amin’ny nofo ary niravoravo ny fanahiny, nanao hoe: Voasandratra ny Marina ary voavono ny [Zanak’ondry] hatry ny fanorenana izao tontolo izao. …
“Ary hoy ny Tompo tamin’i Enoka: Jereo, dia nijery izy ka nahatazana ny Zanak’Olona nasandratra teo amin’ ny hazofijaliana, araka ny fomban’ olombelona;
“Ary nandre feo mahery izy; ary nosaronana ny lanitra; ary nitomany ny voarin’ Andriamanitra rehetra; ary nitaraina ny tany; ary nitresaka ny vatolampy; ary nitsangana ireo olomasina ka nosatrohina satroboninahitra teo an-tanana ankavanan’ ny Zanak’Olona. …
“Ary i Enoka nahatazana ny Zanak’Olona niakatra ho any amin’ ny Ray. …
“Ary ny zava-nitranga dia hitan’i Enoka ny andron’ny fiavian’ny Zanak’olona amin’ ny andro farany, mba hitoetra eto an-tany amim-pahamarinana mandritra ny arivo taona” (Mosesy 7:47, 55–56, 59, 65).
Tokony ho 75 taona talohan’ny nahaterahan’i Kristy dia nijoro ho vavolombelona i Amioleka hoe: “Indro, lazaiko aminareo satria fantratro fa ho tonga eo anivon’ny zanak’olombelona i Kristy mba handray eo Aminy ny fandikan-dalàn’ny olony, ary hanonitra ny fahotan’izao tontolo izao; fa ny Tompo Andriamanitra no efa niteny izany” (Almà 34:8).
Nanana zavatra niavaka i Jesoa
I Jesoa Kristy ihany no afaka nanananteraka ny sorompanavotana. Izy ilay nateraky ny reny mety maty iray izay i Maria ary nandray ny herin’ny fiainana avy amin’ny Rainy (jereo ny Jaona 5:26). Noho io herin’ny fiainana io dia nandresy ny fahafatesana Izy, tsy nisy vokany ny herin’ny fasana ary lasa Mpamonjy sy Mpanalalana antsika ary Tompon’ny Fitsanganana amin’ny maty Izy, ka amin’ny alalan’izany no hanomezana ny famonjena sy ny tsy fahafatesana antsika rehetra. Hitsangana amin’ny maty isika rehetra ary ho lasa tsy mety maty noho ny sorompanavotana nataon’i Jesoa Kristy.
Nanao sorona an-tsitrapo ho an’ny fahotana fototra i Jesoa
Ny fanekem-pinoana faharoa dia milaza hoe: “Mino isika fa hofaizina noho ny fahotany ihany ny olona fa tsy noho ny fandikan-dalàna nataon’i Adama.”
Amin’ny alalan’ny fampiasana ny fahafahantsika misafidy dia misafidy ny hampihatra finoana isika. Afaka mibebaka amim-pahazotoana isika nefa tsy afaka manao izany raha tsy eo ny Sorompanavotana.
Ampianarina isika ao amin’i Mosesy hoe: “Avy amin’izany no nielezan’ny filazana tany anivon’ny vahoaka fa ny Zanak’Andriamanitra dia efa nanonitra ny fahotana fototra ka ny fahotan’ny ray aman-dreny dia tsy azo valina eo ambonin’ny lohan’ireo zanaka, fa madio ireo hatry ny fanorenana izao tontolo izao.” (Mosesy 6:54).
Misy fampianarana lehibe ho antsika ao amin’ny 2 Nefia:
“Fa satria efa nahatratra ny olon-drehetra ny fahafatesana mba hahatanteraka ny drafitra feno famindram-pon’Ilay Mpahary lehibe, dia tsy maintsy ilaina ny hisian’ny herin’ny fitsanganana amin’ny maty, ary ny fitsanganana amin’ny maty dia tsy maintsy ilaina ho tonga amin’ny olona noho ny fahalavoana; ary ny fahalavoana dia vokatry ny fandikana lalàna; ary satria efa lavo ny olona dia nesorina teo anatrehan’ny Tompo izy.
“Noho izany dia tsy maintsy ilaina ny sorompanavotana tsisy fetra—fa raha toa ka tsy sorompanavotana tsisy fetra izany, dia tsy ho afaka hitafy ny tsy fahalovana ity fahalovana ity. Noho izany, ny famaizana voalohany izay nihatra tamin’ny olona dia tsy maintsy ilaina ho tafajanona naharitra tsy nanam-piafarana. Ary raha izany no nitranga, ity nofo ity dia tsy maintsy ho nampandriana mba ho lò sy hiverina ho vovo-tany ka tsy hitsangana intsony” (2 Nefia 9:6–7).
I Jesoa no hany olona tonga lafatra
Hoy ny Mpamonjy ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: “Ray ô, indro ny fijaliana sy ny fahafatesan’Ilay tsy nanota, izay nankasitrahanao tokoa; indro ny ran’ny Zanakao izay nalatsaka, ny ran’Ilay nomenao mba hahazoana mankalaza Anao” (F&F 45:4).
I Jesoa no hany olona tonga lafatra ary tsy nanam-pahotana. Ilay sorona ao amin’ny Testamenta Taloha dia nidika hoe fanaovan-tsorona ra, izay tandindon’ny sorona nataon’ny Tompontsika sy Mpamonjy antsika teo amin’ny hazofijaliana mba hanatanterahana ny sorompanavotana. Rehefa notanterahina ny fanavaon-tsorona ra tany amin’ireo tempoly fahiny dia zanak’ondry lahy tsy misy kilema ary tonga lafatra amin’ny endriny rehetra no nataon’ireo mpisorona sorona. Antsoina matetika hoe “Zanak’ondrin’Andriamanitra” ny Mpamonjy ao amin’ny soratra masina noho ny fahadiovany (jereo mba hahitana ohatra ny Jaona 1:29, 36; 1 Nefia 12:6; 14:10; F&F 88:106).
Nampianatra i Petera fa isika dia avotana amin’ny alalan’ny “ra soan’i Kristy, toy ny ran’ny zanak’ondry tsy misy kilema ary tsy misy pentimpentina” (1 Petera 1:19).
Nanaisotra ny fahotan’izao tontolo izao i Jesoa Kristy
Ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto dia manazava tsara fa tamin’ny alalan’ny Sorompanavotany no nanefan’ny Mpamonjy ny saran’ny fahotantsika:
“Isika rehetra dia samy efa naniasia tahaka ny ondry; samy efa nivily tamin’ ny làlany avy isika rehetra; ary efa nampihatra Taminy ny helotsika rehetra ny Tompo” (Môsià 14:6).
“Fa Andriamanitra mampiseho ny fitiavany antsika, fa fony mbola mpanota isika, dia maty hamonjy antsika Kristy. …
“Fa raha fony mbola fahavalo aza isika no nampihavanina tamin’Andriamanitra tamin’ny fahafatesan’ny Zanany, mainka ny hamonjena antsika amin’ny fahavelomany ankehitriny, rehefa nampihavanina.
“Ary tsy izany ihany koa, fa mifaly amin’Andriamanitra isika amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Tompontsika, Izay nahazoantsika ny fihavanana ankehitriny. …
“Fa tahaka ny nanaovana ny maro ho mpanota noho ny [tsy] fanarahan’ny olona iray, no hanaovana ny maro ho marina kosa noho ny fanarahan’ny Anankiray” (Romana 5:8, 10–11, 19).
“Mba hahatanteraka izay nampilazaina an’i Isaia mpaminany hoe: Izy naka ny rofintsika sy nitondra ny aretintsika” (Matio 8:17).
“Nefa Andriamanitra dia tsy mitsahatra ny ho Andriamanitra, ary ny famindram-po dia mitaky ny olona hivalo, ary ny famindram-po dia tonga noho ny sorompanavotana; ary ny sorompanavotana dia manatanteraka ny fitsanganan’ny nodimandry amin’ny maty; ary ny fitsanganan’ny nodimandry amin’ny maty dia mitondra ny olona hiverina eo anatrehan’ Andriamanitra; ary dia toy izany no amerenana azy eo anatrehany, mba hotsaraina araka ny asany, araka ny lalàna sy ny fahamarinana. …
“Ary dia toy izany no anatanterahan’ Andriamanitra ny fikasany lehibe sy mandrakizay, izay efa voaomana hatry ny fanorenana izao tontolo izao. Ary dia toy izany no ahatongavan’ny famonjena sy ny fanavotana ny olona, ary koa ny faharavany sy ny fahoriany” (Almà 42:23, 26).
Naharitra hatramin’ny farany i Jesoa
Niaritra ireo fitsapana, fijaliana, sy fihafiana ary fahoriana tao Getsemane i Jesoa Kristy ary koa ny fijaliana tao Golgota teo amin’ny hazofijaliana. Avy eo dia afaka niteny ihany izy tamin’ny farany hoe: “Vita” (Jaona 19:30). Nahatanteraka ny asany teto an-tany Izy ary naharitra hatramin’ny farany ka dia tontonsany ilay sorompanavotana.
Hoy Izy tao amin’ny sahan’i Getsemane hoe: “Raiko ô, raha azo atao, dia aoka hesorina amiko ity kapoaka ity; nefa aoka tsy ny sitrapoko anie no hatao, fa ny Anao” (Matio 26:39).
Ampianarina isika ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana hoe:
“Fijaliana izay nahatonga ny Tenako, Ilay Andriamanitra, Ilay lehibe indrindra noho ny rehetra, hangovitra noho ny fangirifiriana sy hivoa-dra amin’ny mason-koditra rehetra ary hijaly na vatana na fanahy—ary niriko ny mba tsy hisotroako ilay kapoaka mangidy sy hitakemotra—
“Kanefa, voninahitra anie ho an’ny Ray, ary nosotroiko izany ary novitaiko izay efa nomaniko ho an’ny zanak’olombelona” (F&F 19:15–19).
Hoy i Jesoa tamin’ny Rainy hoe: “Izaho efa nankalaza Anao tety ambonin’ny tany: Vitako ny asa nomenao Ahy hataoko.” (Jaona 17:4).
Avy eo, teny amin’ny hazofijaliana, “rehefa nanandrana ny vinaingitra [i Jesoa], dia nanao hoe: Vita; dia nanondrika ny lohany Izy ka nanolotra ny fanahiny” (Jaona 19:30).
Tonga teto an-tany i Jesoa, dia nihazona ny maha-Andriamanitra Azy mba hahafahany manatanteraka ilay sorompanavotana ary naharitra hatramin’ny farany.
Tsarovy amin’ny alalan’ny fanasan’ny Tompo Izy
Amin’izao fotoana izao dia mahatsiaro ny sorompanavotan’ny Mpamonjy isika ka mampiasa mofo sy rano, izay tandindon’ny vatana sy ny rany, toy ny nampidirana izany nandritra ny Fisakafoana Hariva Farany niarahan’ny Tompo tamin’ny Apôstôliny.
“Ary nandray mofo Izy, ary rehefa nisaotra, dia novakiny ka natolony azy sady nataony hoe: Ity no tenako izay omena ho anareo; izao no ataovinareo ho fahatsiarovana Ahy.
“Ary araka izany koa ny kapoaka, rehefa vita ny sakafo, dia hoy Izy: Ity kapoaka ity no fanekena vaovao amin’ny rako, izay aidina ho anareo” (Lioka 22:19–20).
Hitantsika ao amin’ny Jaona 11:25–26 ny hoe:
“Izaho no fananganana ny maty sy ny fiainana; izay mino Ahy, na dia maty aza, dia ho velona indray:
“Ary izay rehetra velona ka mino Ahy dia tsy ho faty mandrakizay.”
Hitantsika koa ny hoe: “Izaho no mofo velona izay nidina avy tany an-danitra; raha misy mihinana ity mofo ity, dia ho velona mandrakizay izy; ary ny mofo izay homeko dia ny nofoko ho fiainan’izao tontolo izao” (Jaona 6:51).
Ny hoe “fiainan’izao tontolo izao” dia midika hoe fiainana mandrakizay.
Mila manomana ny tenantsika sy ny fianakaviantsika isika isan-kerinandro mba ho mendrika ny handray ny fanasan’ny Tompo sy hanavao ny fanekempihavanantsika amin’ny fo mibebaka.
Tia antsika ny Ray sy ny Zanaka
Nalefan’ny Ray tety an-tany ny zanany, ilay fiambanian’Andriamanitra, mba hanomezana fahafahana Azy hohomboina sy handalo ny zavatra rehetra izay tokony holalovany. Hitantsika ao amin’ny Jaona ny hoe:
“Hoy [i Jesoa] … : Izaho no làlana sy fahamarinana ary fiainana; tsy misy olona mankany amin’ny Ray, afa-tsy amin’ny alalako.”
“Raha nahafantatra Ahy hianareo, dia ho nahafantatra ny Raiko koa; ary hatramin’izao dia mahafantatra Azy hianareo sady efa nahita Azy” (Jaona 14:6–7).
“Izao no fitiavana: tsy ny nitiavantsika an’Andriamanitra, fa ny nitiavany antsika, ka nirahiny ny Zanany ho avotra noho ny fahotantsika” (1 Jaona 4:10).
Famaranana
Ny olona rehetra izay tonga ety an-tany sy mandray vatana mety maty dia hitsangana amin’ny maty, kanefa mila miasa isika mba hahazoana ny fitahian’ny fisandratana amin’ny alalan’ny fahatokiantsika, ny fahafahantsika misafidy sy ny fankatoavantsika ary ny fibebahantsika. Homena araka ny fahamarinana ny famindram-po izay manome fahafahana mba hibebaka.
Noho isika nisafidy ny hanaraka sy hanaiky an’i Jesoa Kristy ho toy ny Mpanavotra antsika dia mitondra ny anarany eo amintsika isika rehefa atao batisa. Manaiky ny lalàn’ny fankatoavana isika. Mampanantena isika fa hahatsiaro Azy mandrakariva sy hitandrina ny didiny. Manavao ny fanekempihavanantsika isika rehefa mandray ny fanasan’ny Tompo.
Rehefa manavao ny fanekempihavanantsika isika dia omena ilay fampanantenana fa hanana mandrakariva ny Fanahiny miaraka amintsika isika. Rehefa avelantsika hiditra ao amin’ny fiainantsika sy hitantana ny fiainantsika ny Fanahiny dia afaka miverina eo anatrehan’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy Zanany isika, ary izay ilay drafitry ny fahasambaran’izy ireo ho antsika, dia ny drafitry ny famonjena izany.