2017
Mitohy ny ady
April 2017


Mitohy ny ady

Mitohy hatramin’izao fotoana izao ilay ady izay nanomboka tany an-danitra. Raha ny marina dia mihamangotraka ilay ady noho ny Olomasina miomana hiverina any amin’ny Mpamonjy.

clouds

Sary nataon’i Katarina Stefanovic © iStock/Getty Images; Moment/Getty Images

Izay rehetra manaraka ny vaovao maneran-tany dia hanaiky fa miaina ao anatin’ny fotoana isian’ny “ady sy ny filazana ady” (F&F 45:26) isika. Soa ihany fa efa niatrika ady ny olona rehetra eto an-tany. Efa niady tamin’ireo tafiky ny ratsy isika tao anatin’ny ady iray mbola mitohy izay nanomboka tany amin’ny fiainana talohan’ny nahaterahana talohan’ny nahaterahantsika.

Satria mbola tsy nahazo vatana isika tamin’izany, dia niatrika ilay Ady tany an-danitra tsy nisy sabatra na basy na baomba. Saingy henjana toy ny ady amin’izao fotoana izao ilay ady ka an-tapitrisany maro no naratra.

Teny, hevitra, adihevitra ary fandresen-dahatra no nentina niatrehana ilay ady tany amin’ny fiainana talohan’ny nahaterahana (jereo ny Apokalypsy 12:7–9, 11). Ny hampitahotra ny olona no tetikadin’i Satana. Fantany fa ny tahotra no fomba tsara indrindra handravana ny finoana. Mety nampiasa hevitra toy ireto izy: “Mafy loatra izany.” “Tsy ho vita izany hoe hiverina ho madio izany.” “Be loatra ny zavatra mety hampidi-doza.” “Ahoana no fomba ahafantaranao fa afaka matoky an’i Jesoa Kristy ianao?” Tena nialona ny Mpamonjy izy.

Soa ihany fa nandresy ny drafitr’Andriamanitra teo anatrehan’ny laingan’i Satana. Ny drafitr’Andriamanitra dia ahitana ny fahafahana misafidy ara-pitondrantena sy ny sorona lehibe iray. I Jehovah, izay fantatsika amin’ny anarana hoe Jesoa Kristy dia nanolotra ny tenany mba ho ilay hatao sorona, ka hijaly noho ny fahotantsika rehetra. Vonona ny hamoy ny ainy Izy ho an’ireo rahalahiny sy ireo anabaviny mba hahafahan’ireo izay nibebaka miverina ho madio sy lasa mitovy amin’ny Rainy any An-danitra amin’ny farany. (Jereo ny Mosesy 4:1–4; Abrahama 3:27.)

Ny tombony iray hafa izay nanampy an’i Jehovah hahazo ny fon’ny zanak’Andriamanitra dia ireo fijoroana ho vavolombelona nozarain’ireo mpanohana azy izay notarihin’i Mikaela ilay arikanjely (jereo ny Apokalypsy 12:7, 11; F&F 107:54). Tany amin’ny fiainana talohan’ny nahaterahana dia nantsoina hoe Mikaela i Adama ary nantsoina hoe Losifera i Satana izay midika hoe ilay “mpitondra hazavana.”1 Mety toy ny anarana hafahafa izany ho an’ny printsin’ny haizina (jereo ny Mosesy 7:26), saingy ny soratra masina dia mampianatra fa i Satana dia “anjelin’Andriamanitra iray izay nanana fahefana teo anatrehan’Andriamanitra” talohan’ny nahalavoany (jereo ny F&F 76:25–28).

Ahoana no nahatonga ny fanahy iray izay manam-pahalalana sy traikefa maro dia maro toy izany ho lavo ambany tokoa toy izany? Ny fiavonavonany no anton’izany. Nikomy tamin’ny Raintsika any An-danitra i Losifera satria tiany ho azy ny fanjakan’Andriamanitra.

Tao anatin’ilay lahateniny tena tsara mitondra ny lohateny hoe “Beware of Pride,” (Mitandrema amin’ny fiavonavonana) dia nampianatra ny Filoha Ezra Taft Benson (1899–1994) fa i Losifera dia “naniry ny homem-boninahitra mihoatra ireo hafa” ary “ny faniriana mifono avonavona nananany dia ny hanongana an’Andriamanitra.”2 Efa henonareo koa hoe te handrava ilay fahafahana misafidin’ny olona i Satana, saingy tsy izay ihany akory ny antony nandavana azy. Noroahina hivoaka ny lanitra izy noho ny fikomiany tamin’ny Ray sy ny Zanaka (jereo ny F&F 76:25; Mosesy 4:3).

Nahoana izaho sy ianao no niady tamin’ny devoly? Niady noho ny fahatokiana isika. Tiantsika sy notohanantsika ny Raintsika any An-danitra. Te ho lasa tahaka Azy isika. Nanana tanjona hafa i Losifera. Te hanolo ny Ray izy (jereo ny Isaia 14:12–14; 2 Nefia 24:12–14). Alaivo sary an-tsaina ny fomba nandratran’ny famadihana nataon’i Satana an’ireo Ray aman-drenintsika any an-danitra. Hitantsika ao amin’ny soratra masina fa “nitomany azy ny lanitra” (F&F 76:26).

Taorian’ny tolona henjana dia naharesy i Mikaela sy ny tafiny. Nisafidy ny hanaraka ny Ray ny roa ampahatelon’ny miaramilan’ny lanitra (jereo ny F&F 29:36). Noroahina hivoaka ny lanitra i Satana sy ny mpanara-dia azy, saingy tsy tonga dia nalefa tany amin’ny haizina ivelany izy ireo. Voalohany dia nalefa tety an-tany izy ireo (jereo ny Apokalypsy 12:7–9), izay toerana hahaterahan’i Jesoa Kristy sy hahatanterahan’ny sorompanavotany.

Nahoana no navela ho tonga tety an-tany ny miaramilan’i Satana? Tonga mba hanolotra fifanoherana ho an’ireo izay sedraina ety izy ireo (jereo ny 2 Nefia 2:11). Moa ve izy ireo hatsipy any amin’ny haizina ivelany amin’ny farany? Eny. Aorian’ny Arivotaona dia horoahina mandrakizay i Satana sy ny mpanara-dia azy.

Fantatr’i Satana fa voaisa ny androny. Hofatorana mandritra ny 1000 taona i Satana sy ny anjeliny amin’ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany (jereo ny Apokalypsy 20:1–3; 1 Nefia 22:26; F&F 101:28). Noho ny fanakaikezan’io fe-potoana io dia miady mafy ny tafiky ny ratsy mba hisambotra fanahy faran’izay maro araka izay vitany.

Naseho an’i Jaona Mpanambara tao anatin’ny fahitana lehibe iray ny Ady tany an-danitra. Naseho Azy ny fomba nanjerana an’i Satana eto an-tany mba haka fanahy ny olombelona. Izao no valiny nomen’i Jaona: “Lozan’ ny mponin’ny tany, eny, sy ireo izay monina eo amin’ireo nosin-dranomasina! fa nidina ho eo aminareo ny devoly izay manana fisafoahana lehibe, satria fantany fa tsy manana afa-tsy fotoana fohy izy” (Apokalypsy 12:12).

Noho izany inona no handanian’i Satana ny androny rehefa fantany fa tsy afaka mandanindany fotoana izy? Nanoratra ny Apôstôly Paoly hoe: “Ny devoly fahavalonareo mandehandeha tahaka ny liona mierona mitady izay harapany” (1 Petera 5:8).

family kneeling in prayer

Inona no mandrisika an’i Satana? Tsy hanana vatana velively izy, tsy hanana vady na fianakaviana velively izy ary tsy hanana fahafenoan’ny fifaliana velively izy ka dia tiany “ho ory tahaka azy” (2 Nefia 2:27) ny lehilahy sy ny vehivavy rehetra.

Ny olona rehetra no kendren’ny devoly, indrindra fa ireo izay tena manana fahafahana ny hahazo fifaliana mandrakizay. Tena mialona an’izay olona eo amin’ilay lalana mitondra any amin’ny fisandratana izy. Mampianatra ny soratra masina fa i Satana dia “miady amin’ny olomasin’ Andriamanitra … ary manemitra azy manodidina” (F&F 76:29).

Mitohy hatramin’izao fotoana izao ilay ady izay nanomboka tany an-danitra. Raha ny marina dia mihamangotraka ilay ady noho ny Olomasina miomana hiverina any amin’ny Mpamonjy.

Naminany ny Filoha Brigham Young (1801–77) hoe: “fa hiely patrana, hiroborobo sy hitombo ary hivelatra ny Fiangonana, ary hifanentana amin’ny fielezan’ny Filazantsara eo anivon’ireo firenen’ny tany ny ho fitomboan’ny herin’i Satana.”3

Mihevitra aho hoe manaiky isika fa eo am-pahatanterahana io faminaniana io noho ny fahitantsika ny fidiran’ny ratsy eo amin’ny fiaraha-monin’izao tontolo izao. Nampianatra ny Filoha Young fa mila mandalina ireo tetiky ny fahavalo isika mba handresena azy. Tetikady efatra voaporofo fa an’i Satana sy hevitra sasantsany hanoherana azy no zaraiko.

Tetikadin’i Satana

1. Fakam-panahy. Tena sahy ny devoly rehefa hoe hametraka hevitra ratsy ao an-tsaintsika izay. Ny Bokin’i Môrmôna dia mampianatra fa mibitsibitsika eritreritra maloto sy mamohehatra ary mamafy eritreritra feno ahiahy i Satana. Mamporisika antsika foana mba hihetsika eo anatrehan’ireo filana mampiankin-doha sy hanome fahafaham-po ny fitiavan-tena sy ny fahalianana amin-javatra diso tafahoatra izy. Tsy tiany ho fantatsika hoe avy aiza ireo hevitra ireo ka dia mibitsibitsika izy hoe: “Tsy devoly izany aho, satria tsy misy izany” (2 Nefia 28:22).

Ahoana no ahafahantsika manohitra io fakam-panahy mivantana io? Ny iray amin’ireo fitaovana tena mahomby dia ny mandroaka an’i Satana. Izay no hataon’i Jesoa.

Manome fampianarana tsara ny tantaran’ny Mpamonjy tany amin’ny tendrombohitry ny fakam-panahy izay hita ao amin’ny Testamenta Vaovao. Isaky ny avy nanolotra fakam-panahy iray an’i Jesoa ny devoly dia nampiasa fomba fiarovana misy dingana roa izy: voalohany, nodidiny i Satana mba hiala, dia nampiasa soratra masina izy avy eo.

Mamelà ahy ianareo hanome ohatra iray: “Mandehana hianao, ry Satana,” hoy ny didy nomen’i Jesoa, “fa voasoratra hoe; Jehovah Andriamanitrao no hiankohofanao ary izy irery ihany no hotompoinao” (Matio 4:10). Ny andininy manaraka dia mirakitra ny hoe: “Dia nandao Azy ny devoly, ary indreo, nisy anjely tonga ka nanompo Azy” (Matio 4:11). Tena nahomby ny fiarovan-tenan’ny Mpamonjy!

Ny tantaram-piainan’ny Filoha Heber J. Grant (1856–1945) dia manome hevitra mikasika ny fomba nanoheran’ny Filoha Grant ny devoly. Rehefa fantatry ny Filoha Grant fa nibitsibitsika taminy i Satana, nanandrana namboly ahiahy tao am-pony, dia niteny mafy tsotra fotsiny izy hoe: “Mangina ianao Ramose Devoly!”4

Manana zo hiteny an’i Satana mba hiala ianao rehefa eo anatrehan’ny fakam-panahy. Mampianatra ny soratra masina hoe: “Manohera ny devoly, dia handositra anareo izy” (Jakoba 4:7).

Ilay dingana iray hafa nentin’ny Mpamonjy niaro tena dia ny fampiasana soratra masina. Misy hery lehibe ao anatin’ny fitadidiana ny soratra masina toy ny nataon’i Jesoa. Ireo andinin-tsoratra masina dia afaka ny ho tobin’ny fitaovam-piarovana ara-panahy.

Rehefa tratran’ny fakam-panahy ianao dia afaka mitanisa didy toy ny hoe “Mahatsiarova ny andro sabata hanamasinana azy,” “Tiava ny fahavalonareo,” na “Aoka handravaka tsy an-kijanona ny eritreritrao ny hatsaram-panahy” (Eksodosy 20:8; Lioka 6:27; F&F 121:45). Tsy hoe mampitahotra an’i Satana fotsiny ny herin’ny soratra masina fa mitondra ny Fanahy ao am-ponao sy manome toky anao ary mampatanjaka anao eo anatrehan’ny fakam-panahy koa izany.

2. Lainga sy famitahana. Ny soratra masina dia manambara fa i Satana dia “rain’ny lainga” (2 Nefia 9:9). Aza mino azy rehefa mibitsibitsika hafatra toy ny hoe “Tsy hahavita zavatra araka ny tokony ho izy velively ianao,” “Be loatra ny fahotanao ka tsy hahazo famelana ianao,” “Tsy hiova velively ianao,” “Tsy misy miraharaha anao izany,” ary “Tsy manan-talenta ianao.”

Ny lainga iray hafa ampiasainy matetika dia ity manaraka ity: “Mila manandrana ny zavatra rehetra ianao farafaharatsiny indray mandeha mba hahazoana traikefa. Tsy maninona izay indray mandeha.” Ny tsiambaratelo ratsy izay tsy tiany ho fantatrao dia ny hoe mampiankin-doha ny fahotana.

Ny lainga iray hafa mahomby izay handraman’i Satana aminao dia ity: “Manao izany daholo ny olona rehetra. Tsy maninona izany.” Tsy marina izany! Noho izany dia teneno ny devoly fa tsy te ho any amin’ny fanjakana telestialy ianao, na dia hankany daholo aza ny olona rehetra.

father teaching his family

Na dia handainga aminao aza i Satana dia afaka miantehitra amin’ny Fanahy ianao mba hilaza aminao ny fahamarinana. Izany no mahatonga ny fanomezana ny Fanahy Masina ho tena manan-danja.

Ny devoly dia nantsoina hoe “ilay mpamitaka lehibe”5 Miezaka ny maka tahaka ny fitsipika marina rehetra atolotry ny Tompo izy.

Tsarovy fa tsy mitovy ny hala-tahaka sy ny mifanohitra. Ny mifanohitra amin’ny fotsy dia ny mainty saingy ny fotsy nalaina tahaka dia mety ho manakaiky ny fotsy na mivolombatolalaka. Ny hala-tahaka dia manana fitoviana amin’ilay tena izy mba hamitahana olona izay tsy mahita zavatra mampiahiahy. Tahadika namboamboarina hitovy amin’ny zavatra tsara iray izy ireo, ary toy ny vola sandoka dia tsy misy lanjany izy ireo. Ndeha hazavaiko izany.

Ny iray amin’ireo zavatra entin’i Satana hakana tahaka ny finoana dia ny finoanoam-poana. Ny entiny hakana tahaka ny fitiavana dia ny filan-javatra mafy. Maka tahaka ny fisoronana amin’ny alalan’ny fampidirana ny komiberaky ny mpisorona izy ary maka tahaka ireo fahagagana ataon’Andriamanitra amin’ny alalan’ny famosaviana.

Ny fanambadiana eo amin’ny lehilahy sy ny vehivavy dia tendrin’ Andriamanitra, saingy ny fanambadiana eo amin’ny samy lahy na ny samy vavy dia hala-tahaka ihany. Sady tsy mitondra taranaka izany no tsy mitondra fisandratana. Na dia mahasodoka olona maro aza ny hala-tahany dia tsy ilay zavatra tena izy ireny. Tsy afaka ny hitondra fahasambarana maharitra izy ireny.

Nampitandrina mikasika ny hala-tahaka Andriamanitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana. Hoy izy hoe: “Ary izay tsy mankahery dia tsy avy amin’ Andriamanitra, sady haizina” (F&F 50:23).

3. Fifandirana. Rain’ny fifandirana i Satana. Nampianatra ny Mpamonjy hoe: “Mamoky ny fon’ny olona izy mba hifanditra amim-pahatezerana izy samy izy” (3 Nefia 11:29).

Ny devoly dia nianatra avy tamin’ny zavatra niainany tao anatin’ny taonjato maro hoe rehefa misy fifandirana eo amin’ny toerana iray dia lasa ny Fanahin’ny Tompo. Nanomboka tamin’ny nandreseny lahatra an’i Kaina mba hamono an’i Abela, dia amporisihin’i Satana ny mpiray tampo mba hiady. Manao izay hisian’ny olana eo amin’ny fanambadiana sy eo anivon’ireo mpikambana ao amin’ny paroasy ary eo amin’ireo misiônera miara-mitory izy. Mahafinaritra azy ny mahita ny olona tsara mifanditra. Ezahiny izay hisian’ny adiady mialoha ny handehanana mivavaka iny mihitsy ny alahady, sy mialoha ny takarivan’ny mpianakavy ny alatsinainy hariva iny mihitsy ary isaky ny mikasa ny handeha hanatrika fotoana iray any amin’ny tempoly ny mpivady iray. Azo vinavinaina ny fandaminany ny fotoany.

Raha vao misy fifandirana ao an-tokantranonao na any amin’ny toeram-piasanao dia tonga dia ajanony ny zavatra ataonao ary ataovy izay hisian’ny fitoniana. Tsy maninona na iza na iza nanomboka izany.

Matetika ny fifandirana dia manomboka amin’ny fahitana hadisoana nataon’ny hafa. Nampianatra i Joseph Smith fa “dokadokafan’ny devoly isika hoe tena marin-toetra rehefa mampisongadina ny hadisoana ataon’ny hafa.”6 Rehefa mieritreritra izany ianao dia fakana tahaka fotsiny ihany an’ilay tena fahamarinan-toetra ilay fieritreretana ny tena ho marina foana.

Tian’i Satana ny mampiely fifandirana ao amin’ny Fiangonana. Manana fahaizana manokana eo amin’ny fanehoana ny hadisoan’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana izy. Nampitandrina ny Olomasina i Joseph Smith fa ny fiantombohan’ny dingana mitondra any amin’ny apôstazia dia ny tsy fananana fahatokiana an’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana.7

Ny ankamaroan’ireo zavatra an-tsoratra avoaka hanoherana ny Môrmôna dia mifototra amin’ny toetran’i Joseph Smith. Miasa mafy mba hanaratsiana an’i Joseph ny fahavalo satria ny hafatry ny Famerenana amin’ny laoniny dia miankina amin’ny tantara nambaran’ny Mpaminany mikasika ny zavatra nitranga tao amin’ilay Ala kely masina. Miasa mafy mihoatra noho ny hatramin’izay ny devoly mba hahatonga ny mpikambana hiahiahy amin’ny fijoroana ho vavolombelona ananan’izy ireo mikasika ny Famerenana amin’ny laoniny.

Tany am-piandohan’ny fotoampitantanantsika dia rahalahy maro mpihazona ny fisoronana no nivadi-pitokisana tamin’ny Mpaminany ary nanenina ny amin’izany. Ny iray amin’izy ireo dia i Lyman E. Johnson, izay nesorina tsy ho mpikamban’ny Fiangonana noho ny fitondrantena tsy mendrika. Nitaraindraina izy taty aoriana noho ny fialany tao amin’ny Fiangonana: “Foiko tapahina ny tanako havanana raha mba afaka mino izany indray aho. Feno fifaliana sy haravoana aho tamin’ireny fotoana ireny. Nahafinaritra ireo nofiko. Feno fifaliana ny fanahiko rehefa nifoha aho ny maraina. Faly andro aman’alina aho ary feno fiadanana sy fifaliana ary fisaorana. Kanefa ankehitriny dia haizina, fijaliana, alahelo ary fahoriana lalina no tsapa. Tsy nahita fotoana feno fifaliana intsony aho hatramin’izay.”8

Saintsaino ireo teny ireo. Tokony ho fampitandremana ho an’ny mpikambana rehetra izany.

Mpikambana niova fo tao amin’ny Fiangonana aho. Natao batisa aho fony tanora tokan-tena 23 taona nianatra tany amin’ny sekoly fianarana ho mpitsabo tany Arizona, Etazonia. Fantatro manokana ny fomba hakan’i Satana fanahy ny naman’ny Fiangonana ka korontaniny ny sain’izy ireo ary kiviny izy ireo rehefa mitady ny fahamarinana.

Nijery ireo ohatra nasehon’ireo namako Olomasin’ny Andro Farany aho nandritra ny fahatanorako. Nahavariana ahy ny fomba nitondran’izy ireo ny fiainany. Nanapa-kevitra ny hianatra bebe kokoa mikasika ny Fiangonana aho, saingy tsy naniry ny hilaza na tamin’iza na tamin’iza aho hoe mandalina mikasika ny Môrmônisma. Mba hisorohana ny faneriterena avy amin’ireo namako dia nanapa-kevitra aho ny hanao ny fikarohako ho toy ny fanadihadiana mitokana.

Taona maro talohan’ny internet izany, ka dia nandeha tany amin’ny tranomboky ho an’ny sarambaben’olona aho. Nahita Bokin’i Môrmôna anankiray aho sy boky iray mitondra ny lohateny hoe A Marvelous Work and a Wonder, (Asa iray mahatalanjona sy mampitolagaga) nosoratan’ny Loholona LeGrand Richards (1886–1983) tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo. Nanomboka namaky ireo boky ireo tamim-paniriana lehibe aho ary hitako fa manentana ny fanahy izy ireo.

Raha iny naniry mafy ny hianatra zavatra bebe kokoa iny ny fanahiko dia nanomboka nibitsibitsika teo amin’ny sofiko i Satana. Nilaza tamiko izy fa mba tsy hisian’ny fitongilanana mihitsy dia mila mamaky ny zavatra nosoratan’ireo mpitsikera ny Fiangonana koa aho. Niverina tany amin’ilay tranomboky ho an’ny sarambaben’olona aho ary nanomboka nitady. Tena nahita boky iray izay nanaratsy ny Mpaminany Joseph aho.

Nampisafotofoto ny saiko ny famakiana izany boky manaratsy ny Môrmôna izany. Very ilay fanahy tsara sy hery mitarika izay nitantana ny fanadihadiana nataoko. Lasa sorena aho ary teo am-pikasana ny hanajanona ny fikarohako ny fahamarinana. Nivavaka aho mba hahazo valiny teo am-pamakiana ireo zavatra an-tsoratra avoaka hanoherana ny Môrmôna!

Tsy nampoiziko fa nahazo antso avy tamin’ny namana iray aho izay niara-nianatra tamiko tany amin’ny sekoly ambaratonga faharoa ary nianatra tao amin’ny Brigham Young University. Nasainy mba ho tonga hamangy azy tany Utah aho ary nampanantenainy fa ho tiako ilay dia ahitana zavatra mahafinaritra ny maso. Tsy fantany mihitsy hoe mandalina mangingina mikasika ny Fiangonany aho.

Nanaiky ny fanasany aho. Nandroso hevitra tamiko ilay namako hoe handeha ho any Salt Lake City izahay mba hitsidika ny Temple Square. Taitra tamin’ilay valinteniko feno fahavitrihana izy. Tsy fantany mihitsy hoe tena liana ny hianatra mikasika an’i Joseph Smith sy ny Famerenana amin’ny laoniny aho.

Tena nanampy ireo rahavavy misiônera tao Temple Square. Namaly ny maro tamin’ireo fanontaniako izy ireo ary tsy nahafantatra na inona na inona ny amin’izany faniriako izany. Nitarika ahy “hiahiahy ny ahiahi[ko],”9 ny fijoroana ho vavolombelona nananan’izy ireo ary nanomboka nitombo ny finoako. Tsy azo tsinontsinoavina ny herin’ny fijoroana ho vavolombelona iray amin-kitsimpo.

Nizara tamiko ny fijoroana ho vavolombelona nananany koa ilay namako ary nanasa ahy mba hivavaka sy hangataka amin’Andriamanitra raha toa ka marina ny Fiangonana. Teny an-dalam-piverenana ho any Arizona, dia nanomboka nivavaka tamim-pinoana voalohany indrindra aho ary “tamin-kitsimpo, omban’ny tena finiavana” (Môrônia 10:4). Nisy fotoana nandritra io dia io no toy ireny nohazavain’ny jiro ireny ny fiarako iray manontolo. Nianatra aho fa afaka mandroaka ny haizina ny hazavana.

Taorian’ny nanapahako hevitra hatao batisa dia nampiditra olana iray farany ny devoly. Naka fanahy ny fianakaviako Izy izay nanao izay azo atao rehetra mba hihemorako ary nandà tsy hanatrika ny batisako izy ireo.

Vita batisa ihany anefa aho ary nihanalefaka tsikelikely ny fon’izy ireo. Nanomboka nanampy ahy hanao fikarohana mikasika ny tantaran’ny fianakaviako izy ireo. Taona vitsivitsy taty aoriana dia nanao batisa ny zandriko lahy aho. Ilay vehivavy namako izay nanasa ahy mba hamangy azy tany Utah no vadiko amin’izao fotoana izao.

4. Fanakiviana. Ampiasain’i Satana amim-pomba mandaitra eo amin’ireo Olomasina tena mahatoky io fitaovana io rehefa tsy misy zavatra hafa mahomby. Ho ahy, rehefa manomboka mahatsapa ho kivy aho dia manampy ahy ny mamantatra hoe iza no manandrana manakivy ahy. Mahatonga ahy ho tezitra izany ka ho faly aho raha mba hanao fotsiny izay hahasosotra ny devoly.

Nizara lahateny iray mitondra ny lohateny hoe “Do Not Despair” (Aza kivy) ny Filoha Benson taona maro lasa izay. Tao anatin’io lahateny feno hevi-baovao io dia nampitandrina izy fa i “Satana dia miezaka mafy hatrany mba hameno hakiviana, haketrahana sy harerahan-tsaina amam-panahy an’ireo Olomasina.”10 Namporisika ny mpikamban’ny Fiangonana ny Filoha Benson mba ho mailo ary nanome torohevitra miisa 12 mifototra amin’ny zava-misy mba hiadiana amin’ny hakiviana.

family walking on Boston Massachusetts Temple grounds

Ireo toroheviny ireo dia ahitana ny fanompoana ny hafa; ny fiasana mafy sy ny fisorohana ny fidonanaham-poana; ny fanaovan-javatra mahasoa ara-pahasalama; izay ahitana ny fanatanjahan-tena sy ny fihinanana sakafo natoraly; ny fangatahana tsodranon’ny fisoronana; fihainoana mozika manentana ny fanahy; fanisana ireo fitahiana; ary fametrahana tanjona. Ankoatra ireo rehetra ireo, araka ny nampianarin’ny soratra masina, dia mila mivavaka mandrakariva isika mba hahazoantsika mandresy an’i Satana (jereo ny F&F 10:5).11

Mangovitra i Satana rehefa mahita

Ny olomasina ory indrindra mandohalika.12

Zava-dehibe ny mahafantatra fa misy fetra ny herin’ny devoly. Ny Andriamanitra no mametraka ireo fetra ireo ary tsy mahazo mihoatra izany i Satana. Ohatra, ny soratra masina dia manome toky antsika fa “tsy nomena an’i Satana ny hery hakana fanahy ny ankizy madinika” (F&F 29:47).

Ny fetra manan-danja iray hafa koa dia ny hoe tsy mahafantatra ny eritreritsika i Satana raha tsy hoe lazaintsika azy izany. Nanazava ny Tompo hoe: “Tsy misy afa-tsy Andriamanitra ihany no mahalala ny eritreritrao sy ny fisaintsainan’ ny fonao” (F&F 6:16).

Izany angamba no antony nanomezan’ny Tompo antsika didy toy ny hoe “Aza mimonomonona” (F&F 9:6) ary “Ianao dia tsy hiteny ratsy ny namanao” (F&F 42:27). Raha afaka mianatra mifehy ny vavanao ianao (jereo ny Jakoba 1:26), dia tsy hiafara amin’ny fanomezana fampahalalana be loatra ho an’ny devoly ianao. Rehefa maheno fimonomononana sy fitarainana ary fitsikerana izy dia ataony izay hitadidiana tsara izany. Ny teny ratsy avoakanao dia mampiseho amin’ny fahavalo ireo fahalemenao.

Manana vaovao tsara ho anao aho. Ny tafik’Andriamanitra dia lehibe kokoa noho ny tafik’i Satana. Mety mijery ny manodidina ianao ary mieritreritra hoe: “Miharatsy hatrany hatrany izao tontolo izao. Tsy maintsy handresy ihany i Satana.” Aza mety manaiky an’izany. Ny marina dia maro noho ny fahavalo isika. Tsarovy fa ny roa ampahatelon’ny zanak’Andriamanitra no nisafidy ny hanaraka ny drafitry ny Ray.

Ry rahalahy sy anabavy, makà antoka fa mitolona miaraka amin’ny Tompo ianareo. Makà antoka fa milanja ny sabatry ny Fanahy ianareo.

Mivavaka aho hoe any amin’ny fiafaran’ny fiainanareo dia afaka milaza miaraka amin’i Paoly Apôstôly ianareo hoe: “Efa niady ny ady tsara aho; nahatanteraka ny fihazakazahako aho; nitahiry ny finoana aho” (2 Timoty 4:7).

Fanamarihana

  1. Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Losifera,” scriptures.lds.org.

  2. Ezra Taft Benson, “Beware of Pride,” Ensign, mey 1989, 5.

  3. Discourses of Brigham Young, nofantenin’i John A. Widtsoe (1954), 72.

  4. Jereo ny Francis M. Gibbons, Heber J. Grant: Man of Steel, Prophet of God(1979), 35–36.

  5. Jereo mba hahitana ohatra ao amin’ny Dieter F. Uchtdorf, “Manan-danja Aminy ianao,” Liahona, nôv. 2011, 20; Gordon B. Hinckley, “The Times in Which We Live,” Liahona, jan. 2002, 86.

  6. Enseignements des Présidents de l’ Église: Joseph Smith (2007), 454.

  7. Jereo ny Teachings: Joseph Smith, 318.

  8. Lyman E. Johnson, ao amin’ny Brigham Young, Deseret News, aog. 15, 1877, 484.

  9. Dieter F. Uchtdorf, “Andao Hiaraka Aminay,” Liahona, nôv. 2013, 23.

  10. Ezra Taft Benson, “Do Not Despair,” Ensign, nôv. 1974, 65.

  11. Jereo ny Ezra Taft Benson, “Do Not Despair,” 65–67.

  12. William Cowper, ao amin’ny Robert Andrews, fanambarana ny The Concise Columbia Dictionary of Quotations (1987), 78.