2019
Mitandrina tsara ampitahaina amin’ny hoe tsy miraharaha firy
Mey 2019


Mitandrina tsara ampitahaina amin’ny hoe tsy miraharaha firy

Raha tsy mitsaha-mitombo ny faneken’ny fitaoman’izao tontolo izao ny faharatsiana, isika kosa dia tsy maintsy miezaka amin’ny fahazotoana rehetra hijanona amim-pahatokiana eo amin’ilay lalana izay mitondra antsika soa aman-tsara any amin’ny Mpamonjintsika.

Indray mandeha aho dia nahita soratra teo amin’ny varavarankelin’ny tsena iray nilaza hoe: “Fahasambarana, 15 dôlara.” Liana be tokoa aho ny hahafantatra hoe toy ny ahoana ny halehiben’ny fahasambarana azoko vidina amin’ny 15 dôlara, ka dia niditra aho mba hijery. Zavatra ratsy kalitao sy mora vidy ary zavatra hatao fahatsiarovana no hitako tao. Tsy nisy na dia iray aza tamin’ireo zavatra hitako no afaka ny hitondra ho ahy ilay karazana fahasambarana nambaran’ilay soratra. Rehefa nandeha ny taona, dia nieritreritra im-betsaka izany soratra izany aho sy ny mety ho fahamoran’ny fitadiavana fahasambarana ao anatin’ny zavatra izay mora vidy na tsy maharitra. Amin’ny maha-mpikamban’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany antsika dia voatahy isika mahafantatra ny fomba sy ny toerana misy ny fahasambarana marina. Izany dia hita ao anatin’ny fiainana amim-pitandremana tsara ny filazantsara izay napetraky ny Tompo sy Mpamonjy antsika, dia i Jesoa Kristy, sy ny fiezahana ho tonga tahaka Azy bebe kokoa.

Manana namana iray tena tianay izahay izay mpamily fiaran-dalamby. Indray mandeha raha iny izy nitondra fiaran-dalamby tamin’ny lalana tokony nalehany iny, dia nahatazana fiara iray nijanona teo amin’ny lalana teo anoloany izy. Vetivety izy dia tonga saina fa niraikitra ilay fiara ary tsy afaka niampita an’ilay lalamby. Nataony tanatin’ny fiasa mifono toe-javatra hamehana avy hatrany ilay fiaran-dalamby, izay nampiasa ireo hisatra tamin’ny kalesim-piaran-dalamby tsirairay avy izay nitomandavana hatrany amin’ny 1.2 km mahery taorian’ilay môtera, ary nitondra vesatra 5.900 taonina. Tsy nisy zavatra azo nantenaina teo amin’ny lafiny ara-batana ka mety hoe nahafahan’ilay fiaran-dalamby nijanona talohan’ny nandonany an’ilay fiara, dia nodominy tokoa ilay izy. Soa ihany ho an’ireo olona tao anatin’ilay fiara, fa ren’izy ireo ny fampitandremana avy tamin’ny kiririokan’ilay fiaran-dalamby dia tafavoaka avy tao amin’ilay izy ireo fiara talohan’ny fifandonana. Rehefa niresaka tamin’ilay pôlisy manamboninahitra mpanao fanadihadiana ilay mpamily fiaran-dalamby dia nisy vehivavy tezitra nanatona azy ireo. Nivazavaza izy nilaza fa hitany daholo ny zavatra nitranga ary nijoro ho vavolombelona izy fa tsy niezaka nivily akory ilay mpamily mba tsy handona ilay fiara!

Mazava ho azy fa raha afaka nivily ilay mpamily ary niala ilay lalana mba hisorohana ny loza, dia ho tafala tamin’ny lalamby izy sy ny fiaran-dalambiny iray manontolo ary ho niafara tamin’ny fijanonana tampoka be ny fandrosoan’ilay fiaran-dalamby. Soa ihany ho azy, fa ireo lalamby teo amin’ny lalana nalehan’ny fiaran-dalambiny dia nihazona mafy ny kodiaran’ilay fiaran-dalamby handroso ho tonga tany amin’ny toerana nalehany na dia teo aza ny sakana teo amin’ny lalany. Soa ihany ho antsika, fa mandeha amin’ny lalana iray ihany koa isika, dia lalan’ny fanekempihavanana izay nanolorantsika tena mba handehanana rehefa natao batisa mba ho mpikamban’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany isika. Na dia mety hifanehitra amin’ny sakana tsindraindray aza isika eny an-dalana eny, io lalana io dia hihazona antsika handroso mankany amin’ny tanjona mandrakizay izay sarobidy amintsika raha tsy miala eo amin’izany mihitsy isika.

Ny fahitan’i Lehia ny hazon’aina

Ny fahitana ny hazon’aina dia maneho antsika ny fomba ahafahan’ny fiantraikan’ny tsy firaharahiana firy mitarika antsika hiala ny lalan’ny fanekempihavanana. Eritrereto hoe ilay anja-by sy ilay lalana ety sy tery, na ilay lalan’ny fanekempihavanana dia mitondra avy hatrany mankeo amin’ny hazon’aina, izay ahitana ireo fitahiana rehetra natolotry ny Mpamonjintsika sy ny Sorompanavotany ho an’ny mahatoky. Hita ao amin’ilay fahitana koa ny renirano iray izay maneho ny fahalotoan’izao tontolo izao. Ny soratra masina dia mamariparitra fa io rano io dia “nikoriana” nanaraka ilay lalana saingy nandalo fotsiny ihany teo “akaikin’”ilay hazo, fa tsy nankeny amin’ilay hazo. Izao tontolo izao dia tototry ny zavatra mahavariana izay afaka mamitaka na dia ireo olom-boafidy aza, ka mahatonga azy ireo tsy hiraharaha firy amin’ny fiainana ny fanekempihavanan’izy ireo, ary noho izany dia mitarika azy ireo ho eo akaikin’ilay hazo, fa tsy mankeny amin’ilay hazo. Raha tsy mitandrina tsara isika amin’ny fiainana amin’ny antsipiriany ny fanekempihavanantsika, dia mety hitarika antsika ho any amin’ny lalana voarara na hiaraka amin’ireo izay efa niditra ao amin’ilay trano mijoalajoala sy malalaka ny ezaka ataontsika tsy amim-piraharahiana firy. Raha tsy mitandrina isika dia mety hilentika ao amin’ny halalin’ilay renirano maloto mihitsy aza.1

Azo atao amim-pitandremana na tsy amim-piraharahiana firy daholo ny zavatra rehetra, ka anisan’izany ny fiainana ny filazantsara. Rehefa mieritreritra ny fanolorantenantsika ho an’ny Mpamonjy isika, moa ve isika mitandrina tsara sa tsy miraharaha firy? Noho ny toetra amin’ny maha-olombelona izay ananantsika, moa ve isika indraindray tsy manamarina ny fitondrantenantsika, ka indraindray dia miantso ny zavatra ataontsika hoe eo antenantenany, na mampifangaro ny tsara amin’ny zavatra tsy dia tsara loatra? Isak’izay miteny isika hoe “kanefa,” “afa-tsy,” na “saingy” rehefa ny fanarahana ny torohevitr’ireo mpaminany mpitarika antsika no resaka, na ny fiainana amim-pitandremana tsara ny filazantsara, dia izao no lazaintsika raha ny marina hoe “Tsy mahakasika ahy izany torohevitra izany.” Afaka manamarina izay tiantsika isika, saingy ny marina dia izao: tsy misy fomba tsara hanaovana zavatra ratsy!

Ny teny filamatry ny zatovo ho an’ny taona 2019 dia nalaina tao amin’ny Jaona 14:15, izay hampianaran’ny Tompo hoe: “Raha tia Ahy hianareo, dia hitandrina ny didiko.” Raha tia Azy araka izay lazaintsika isika, moa ve isika tsy afaka maneho izany fitiavana izany amin’ny alalan’ny fitandremana tsara bebe kokoa amin’ny fiainana ny didiny?

Ny hoe mitandrina tsara amin’ny fiainana ny filazantsara dia tsy voatery hidika hoe miseho ho mihajahaja be na matotra be. Ny dikan’izany dia hoe mendrika ao an-tsaintsika sy amin’ny fitondrantenantsika amin’ny maha-mpianatr’i Jesoa Kristy. Rehefa misaintsaina ny fahasamihafana eo amin’ny hoe mitandrina tsara sy ny hoe tsy miraharaha firy eo amin’ny fiainana ny filazantsara isika, dia ireto misy hevitra mila saintsainina:

Mitandrina tsara ve isika amin’ny fitsaohana ataontsika amin’ny andro Sabata sy amin’ny fiomanantsika handray ny fanasan’ny Tompo isan-kerinandro?

Afaka mitandrina bebe kokoa ve isika ao anatin’ny vavaka ataontsika sy ny fandalinantsika soratra masina, na maneho fahavononana amim-pahavitrihana kokoa hianatra ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana?

Mitandrina tsara ve isika amin’ny fitsaohana ataontsika any amin’ny tempoly ary moa ve isika miaina amim-pitandremana tsara sy an-tsitrapo ireo fanekempihavanana izay nataontsika tamin’ny batisa sy tany amin’ny tempoly? Mitandrina tsara ve isika amin’ny endritsika ety ivelany ary maotina amin’ny fitafintsika, indrindra fa ao amin’ireo toerana sy amin’ny toe-javatra masina. Mitandrina tsara ve isika amin’ny fomba hanaovantsika ny garmenta masin’ny tempoly? Sa ve ny lamaodin’izao tontolo izao mametraka tsindry mba hananana fitondrantena mivahavaha?

Mitandrina tsara ve isika amin’ny fomba hanompoantsika ny hafa sy ny fomba hanatanterahantsika ny antsontsika ao am-piangonana, sa ve isika tsy miraharaha amin’ny antso omena antsika mba hanompo?

Mitandrina tsara ve isika sa tsy miraharaha firy amin’ny zavatra vakintsika sy jerentsika amin’ny fahitalavitra sy ao amin’ny fitaovana finday ampiasaintsika? Mitandrina tsara ve isika amin’ny fomba fitenintsika? Sa ve isika manaiky tsy amim-piraharahiana ny zavatra kivalavala sy tsy manome haja?

Ny kiboky Ry Tanora, Mahereza dia ahitana fitsipika izay, raha arahina tsara, dia hitondra fitahiana lehibe sy hanampy antsika hijanona eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana. Na dia nosoratana mba ho tombontsoa ho an’ny zatovo aza izany, dia tsy lany daty akory ny fitsipika ao anatiny rehefa tsy manaraka intsony ny fandaharam-pianaran’ny Zatovolahy sy ny Zatovovavy isika. Mihatra amin’ny tsirairay avy amintsika foana izany. Ny famerenana mijery ireo fitsipika ireo dia mety hitaona antsika hampiasa fomba hafa hahafahantsika hitandrina bebe kokoa amin’ny fiainantsika ny filazantsara.

Tsy mampihena ny fitsipika arahantsika isika mba haneken’ny olona antsika, na hampahazoana aina ny olona hafa. Mpianatr’i Jesoa Kristy isika, ka noho izany dia mandray anjara mampisondrotra ny hafa isika, mampitraka azy ireo ho amin’ny toerana ambony sy masina kokoa izay hahafahan’izy ireo koa mijinja fitahiana lehibe kokoa.

Manasa ny tsirairay avy amintsika aho hikatsaka ny fitarihan’ny Fanahy Masina mba hahafantarana ny fanovana ilaintsika hatao hahatonga ny fiainantsika hifanaraka tsara kokoa amin’ny fanekempihavanana nataontsika. Miangavy anareo ihany koa aho tsy hanakina ny hafa izay miara-miaina ity fiainana ity amintsika. “Ahy ny fitsarana, hoy ny Tompo.”2 Ao anatin’ny dingan’ny fivoarana sy ny fiovana isika tsirairay avy.

Mahaliana ahy ilay tantara ao amin’ny Bokin’i Môrmôna momba an’ireo Amlisita nihemotra. Mba hanehoana amin’ny hafa fa tsy niaraka tamin’i Jesoa Kristy sy ny Fiangonany intsony izy ireo, dia nasiany marika mena miavaka teo amin’ny handriny mba ho hitan’ny rehetra.3 Amin’ny fomba mifanohitra amin’izany, sy noho isika mpianatr’i Jesoa Kristy, dia ahoana no hanisiantsika marika ny tenantsika? Afaka mahita mora foana ny endriny misoritra eo amin’ny tarehintsika ve ny hafa ary mahafantatra hoe misolo tena an’iza isika amin’ny fomba hitondrantsika amim-pitandremana ny fiainantsika?

Noho isika vahoakan’ny fanekempihavanana dia tsy natao hiharoharo amin’ny ambiny sisa amin’izao tontolo izao isika. Nantsoina hoe “olona nalain’ Andriamanitra ho an’ny tenany” isika4. Fandokafana tsara tokoa izany! Raha tsy mitsaha-mitombo ny faneken’ny fitaoman’izao tontolo izao ny faharatsiana, isika kosa dia tsy maintsy miezaka amin’ny fahazotoana rehetra hijanona amim-pahatokiana eo amin’ilay lalana izay mitondra antsika soa aman-tsara any amin’ny Mpamonjintsika, izay mampitombo ny elanelana misy eo amin’ny fiainantsika mifanaraka amin’ny fanekempihavanana sy ireo fitaoman’izao tontolo izao.

Rehefa mieritreritra ny fomba hahazoana fahasambarana maharitra aho, dia tsapako fa indraindray dia manamarina ny safidy ratsy ataontsika isika. Tsy azo sakanana ny zavon’ny haizina rehefa mandeha eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana isika. Ny fakampanahy sy ny tsy firaharahiana firy dia mety hahatonga antsika hamily ny lalantsika amin’ny fomba tsy hitantsika akory ho ao amin’ny haizin’izao tontolo izao sy hiala amin’ny lalan’ny fanekempihavanana. Amin’ireo fotoana izay mety hitrangan’izany, dia nanentana antsika ny mpaminany malalantsika, ny Filoha Russell M. Nelson mba hiverina eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana, ary hanao izany haingana. Feno fankasitrahana aho noho ny fanomezam-pahasoavan’ny fibebahana sy ny herin’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjintsika.

Tsy azo heverina izany hiaina fiainana tonga lafatra izany. Lehilahy iray ihany no afaka niaina fiainana lavorary nandritra ny nipetrahany teto amin’ity planeta telestialy ity. I Jesoa Kristy izany. Na dia mety tsy tonga lafatra aza isika, ranadahy sy rahavavy, dia afaka ny ho mendrika isika: mendrika ny handray ny fanasan’ny Tompo, mendrika ny hahazo ireo fitahian’ny tempoly, ary mendrika ny hahazo fanambarana ho an’ny tena manokana.

Benjamîna Mpanjaka dia nijoro ho vavolombelona ny amin’ireo fitahiana sy fifaliana tonga eo amin’ireo izay manaraka amim-pitandremana tsara ny Mpamonjy: “Ary ankoatra izany dia mba maniry aho ny hisaintsainanareo ny toetry ny fitahiana sy fahasambaran’ ireo izay mitandrina ny didin’ Andriamanitra. Fa indro izy ireo dia tahiana amin’ ny zava-drehetra, na ara-nofo na ara-panahy; ary raha mitoetra ho mahatoky hatramin’ ny farany izy ireo dia raisina any an-danitra, fa amin’ izany no hahazoany miara-monina amin’ Andriamanitra ao amin’ ny toetry ny fahasambarana tsy mifarana na oviana na oviana.”5

Azo vidina amin’ny vola 15 dôlara ve ny fahasambarana? Tsia, tsy azo. Ny fahasambarana lalina sy maharitra dia azo avy amin’ny fiainana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy amin’ny nahim-po sy amim-pitandremana tsara. Amin’ ny anaran’ i Jesoa Kristy, amena.