Indro ny Zanak’ondrin’ Andriamanitra
Ny fanompoam-pivavahantsika isak’alahady izay novaina dia natao mba hanamafisana ny fanasan’ny Tompo ho fotoana masina, ho zava-manan-danja ifantohana amin’ny traikefan’ny fitsaohana isan-kerinandro.
Nilamina tsara aho mandra-pahitako ny ranomaso teo amin’ny mason’ireto zatovo ato anatin’ity amboaram-peo ity. Toriteny tsara lahatra lavitra noho izay homeko ireo ranomaso ireo.
Raha nanopy maso avy teny amin’ny moron’ny rano, taorian’ny vavalabemandry sondriana nikatsaka ny hataony batisa, dia hitan’i Jaona antsoina hoe Mpanao Batisa ny zana-drahavavin-dreniny, i Jesoa avy any Nazareta, nandroso tamim-pahavononana nanatona azy mba hangataka izany ôrdônansy izany koa. Tamim-panajana lalina, kanefa azon’ireo teo akaiky teo norenesina, dia nanambara ilay fahatalanjonana izay mbola mampihetsi-po antsika roa arivo taona aty aoriana i Jaona: “Indro ny Zanak’ondrin’ Andriamanitra.”1
Mampianatra tokoa fa ity mpialoha lalana an’i Jesoa naminaniana efa ela ity dia tsy niantso Azy hoe “Jehovah” na “Mpamonjy” na “Mpanavotra” na koa “ny Zanak’ Andriamanitra” aza—izay samy fiantsoana Azy avokoa. Tsia, nisafidy ny fiantsoana taloha indrindra ary angamba fantatra indrindra tao amin’ny fomba ara-pivavahan’ny olona i Jaona. Nampiasainy ny endriky ny zanak’ondry fatao sorona izay natolotra ho sorona ho an’ny fahotana sy ny alahelon’ny tontolo lavo sy ireo olona lavo rehetra ao amin’izany.
Avelao aho hiresaka kely hampahatsiahy ny ampahany kely amin’izany tantara izany.
Taorian’ny fandroahana tao amin’ny Saha Edena, i Adama sy i Eva dia niatrika hoavy nahakivy. Raha nanokatra ny varavaran’ny fahafatesana sy ny fiainana an-tany ho antsika izy ireo dia nanakatona ny varavaran’ny tsy fahafatesana sy ny fiainana mandrakizay ho azy ireo. Noho ny fandikan-dalàna izay nosafidin’izy ireo atao tamin’ny nahim-pony mba ho antsika, dia niatrika ny fahafatesana ara-batana sy fandroahana ara-panahy, fisarahana mandrakizay eo anatrehan’ Andriamanitra izy ireo.2 Inona no nasaina nataon’izy ireo? Mety hisy fomba hisorohana izany ve? Tsy fantatsika loatra hoe hatraiza no navela hotsaroan’izy ireo ny torolalana nomena azy ireo raha mbola tao amin’ny saha, kanefa nahatsiaro ny hanolotra tsy tapaka zanak’ondry tsy nisy pentina, tsy nisy kilema, ny lahy voalohan-teraky ny andian’ondriny izy ireo ho sorona ho an’ Andriamanitra.3
Taty aoriana dia nisy anjely tonga nanazava tamin’izy ireo fa io sorona io dia tandindona, endriky ny sorona izay hataon’ny Mpamonjin’izao tontolo izao izay ho avy ho azy ireo. “Ity zavatra ity dia tandindon’ny fanaovan’ny Lahitokan’ny Ray sorona,” hoy ilay anjely. “Koa, … hibebaka ianao ary hiantso an’ Andriamanitra amin’ny anaran’ny Zanaka hatrizao.”4 Soa ihany fa hisy fomba nisorohana izany.
Tany amin’ny filan-kevitra tany an-danitra, nampanantenain’ Andriamanitra i Adama sy i Eva (ary isika ambiny rehetra) fa hisy fanampiana avy amin’Ilay madio, tsy manan-kilema, Voalohan-teraky ny Ray, ilay Zanak’ondrin’ Andriamanitra “voavono hatramin’ny nanorenana izao tontolo izao,”5 araka ny namariparitan’ny Apôstôly Jaona Azy taty aoriana. Tamin’ny fanolorana teto ambonin’ny tany ireo zanak’ondry tandindona azy ireo manokana, i Adama sy ny taranany dia naneho ny fahatakarany sy ny fianteheran’izy ireo amin’ny fanavotana ny fanahiny amin’ny sorom-panavotan’i Jesoa Ilay Voahosotra.6 Taty aoriana, ilay tabernakely tany an’efitra no lasa toerana hanaovana io ôrdônansy io, ary taorian’izany, dia natsangana ny tempolin’i Solomona.
Mampalahelo fa tsy nandeha tsara io fombafomba fanatitra hitondrana zanak’ondry kely tsy manan-kilema io, ho tandindon’ny tena fibebahana sy fiainana mahatoky, araka ny ambaran’ny Testamenta Taloha betsaka tokoa. Ny toe-tsaina izay tokony niaraka tamin’ireny fanatitra ireny indraindray dia tsy naharitra mandra-pahamainan’ny ra teo ambonin’ilay vato akory. Na izany aza, tsy naharitra izany ka ho nahasakana ny famonoan-drahalahy rehefa namono an’i Abela rahalahiny i Kaina tao amin’ny taranaka voalohany.7
Noho izany fisedrana sy olana nitoman-davana nandritra ny taon-jato maro izany dia tsy mahagaga raha nihira ho fifaliana ireo anjelin’ny lanitra rehefa teraka i Jesoa, ilay Mesia nampanantenaina hatry ny ela mihitsy, nony farany. Taorian’ny asa fanompoany fohy teto an-tany, dia nanomana ireo mpianany tamin’ny fahafatesany ity ondrin’ny Paska tsy misy pentina indrindra ity tamin’ny fanolorana azy ireo ny fanasan’ny Tompo, endrika an’ny tena manokana an’ilay ôrdônansy izay nampahafantarina tao ivelan’i Edena. Mbola hisy hatrany sorona iray, mbola hitaky fanoloran-tena izany, saingy hiaraka amin’ny tandindona izay lalina kokoa, mandini-tena kokoa, ary an’ny tena manokana kokoa noho ny fandatsahana ny ran’ny zanak’ondry voalohan-teraka. Nilaza tamin’ireo Nefita ny Mpamonjy taorian’ny Fitsanganany tamin’ny maty hoe:
“Ary tsy hanatitra fandatsahan-dra ho Ahy intsony ianareo. …
“ … Ary haterinareo ho sorona ho Ahy ny fo torotoro sy ny fanahy manenina. Ary na zovy na zovy no mankaty Amiko amin’ny fo torotoro sy ny fanahy manenina, dia izy no hataoko batisa amin’ny afo sy ny Fanahy Masina. …
“ … Koa mibebaha, … ary aoka ho voavonjy.”9
Rahalahy sy ranabaviko malala isany, miaraka amin’ilay fifantohana mampientanentana momba ny fampitomboana ny fianarana ny filazantsara ao an-tokantrano, dia manan-danja ny hahatsiarovantsika fa mbola didiana isika mba “handeha any amin’ny trano fivavahana ianao ary hanatitra ny fanati-pisaoranao amin’ny androko masina.”10 Ankoatra ny fanomezana fotoana ho an’ny fampianarana ny filazantsara miainga ao an-tokantrano, ny fanompoam-pivavahantsika isak’alahady izay nasiam-panovana dia natao ihany koa mba hanenana ny habetsahan’ireo fivoriana amin’ny fomba izay manamafy araka ny tokony ho izy ny fanasan’ny Tompo ho fotoana masina, ho zava-manan-danja ifantohana amin’ny traikefan’ny fitsaohana isan-kerinandro. Natao hotsaroantsika amin’ny fomba an’ny tena manokana araka izay vita fa i Kristy dia maty noho ny fo torotoro avy tamin’ny fiantsorohana ireo fahotana sy alahelo ary fahorian’ny fianakaviamben’ny zanak’olombelona manontolo.
Satria nandray anjara amin’izany enta-mavesatra naningotra aina izany isika, dia mitaky ny fanajantsika izay fotoana izany. Noho izany dia mamporisika anareo izahay mba ho tonga aloha sy am-panajana lalina amin’ireo fivoriantsika, hiakanjo mendrika mba handray anjara amin’ny ôrdônansy masina iray. “Ny akanjo tsara indrindra fitondra ny alahady” dia somary namery ny heviny amin’izao androntsika izao, ary noho ny fanajantsika Azy izay hanatonantsika, dia tokony hamerina amin’ny laoniny izany fombafomba fitafy rehefa alahady sy fianjaikana izany isika rehefa afaka manao izany sy amin’ny toerana ahafahantsika manao izany.
Raha ny amin’ny fahatongavana ara-potoana, dia ho leferina am-pitiavana foana ireo reny izay miaraka amin’ny zanaka, sy gouter, ary kitapo mikorontana misy ny fitaovana entina hanoloana ny zaza, kanefa afaka tonga any am-piangonana ihany na izany na tsy izany. Ankoatra izay dia hisy ireo hafa izay ho sendran’ny omby latsaka anaty fotaka amin’ny marain’ny Sabata. Io andian’olona voalaza farany io anefa izay lazaintsika fa tsindraindray ny fahatarany dia azo ekena ihany, kanefa raha latsaka anaty fotaka foana ilay omby isaky ny alahady dia amporisihanay be ny hamarotana ilay omby na hanotorana ilay fotaka.
Ao anatin’izany fanahy izany ihany no hanaovanay apôstôly fiangaviana mba hanenana ny tabataba ao anatin’ny faritry ny trano fiangonantsika. Tiantsika ny mifampitafatafa, ary tokony hanao izany isika—anisan’ny fifaliana azo avy amin’ny fandehanana miangona izany—kanefa tsytokony hatao ao amin’ny faritra natokana manokana hoentina mitsaoka izany. Matahotra aho hoe ireo mpitsidika tsy iray finoana amintsika dia ho tohina noho izay mety ho tabataba tsy fanajana ao anatin’ny toerana izay tokony hanehoana vavaka, fanambarana, ary fiadanana. Angamba mety ho tohina kely koa ny lanitra.
Hanampy ny fanahin’ny fivoriana fanasan’ny Tompo ataontsika raha toa ka mipetraka eny amin’ny lampihazo mialoha be ny fanombohan’ny fivoriana ireo mpiandraikitra miahy, mihaino ny feon-kira mialoha ny fotoana ary maneho ohatra am-panajana lalina mba ho arahintsika ambiny. Raha toa ka misy mpiresadresaka eny amin’ny lampihazo dia tsy tokony ho gaga isika raha misy mpiresadresaka ao amin’ny daholobe. Arahabaintsika ireo episkôpà izay manaisotra ireo filazana izay mampisintona amin’ny fanahin’ny fitsaohantsika. Ny tenako, ohatra, dia tsy afaka haka sary an-tsaina ny mpisorona iray tahaka an’i Zakaria, tao amin’ny tempolin’ny Tompo fahiny tao, izay hanomboka handray anjara amin’ny iray sy hany fahafahana manao zavatra amin’ny maha-mpisorona azy eo amin’ny androm-piainany manontolo, tsy afaka maka sary an-tsaina azy miato eo amin’ny alitara aho ka hampahatsiahy antsika fa enina herinandro sisa dia tonga ny fifaninanana mitondra fiarakely ary ho tapitra tsy ho ela ny fisoratana anarana.
Rahalahy sy ranabavy, io ora notinendrin’ny Tompo io no ora masina indrindra ao amin’ny herinandrontsika. Tamin’ny alalan’ny didy no hiangonantsika ho amin’ilay ôrdônansy raisina saika maneran-tany ato amin’ny Fiangonana. Izany dia ho fahatsiarovana Ilay nangataka raha toa ka afaka esorina ilay kapoaka izay hosotroiny, kanefa nosotroiny ihany satria fantany fa ho antsikano tsy nahafahana nanaisotra izany. Hanampy antsika tokoa raha toa ka tsaroantsika fa ny tandindon’izany kapoaka izany dia mikodiadia miadana manatona antsika amin’alalan’ny tanan’ny diakona 11 na 12 taona.
Rehefa tonga ilay ora masina hanehoantsika ny fanomezana amin’ny endrika fanatitra omentsika ny Tompo, dia hovahantsika ireo fahotana sy fahadisoantsika. Izany no antony maha-eo antsika. Kanefa mety hahomby kokoa isika ao anatin’izany fanenenana izany raha toa ka mieritreritra ireo fo torotoro sy fanahy manenina hafa manodidina antsika. Mety mipetraka tsy lavitra antsika ny sasany izay avy nitomany, tety ivelany na tao anaty, nandritra ny hiran’ny fanasan’ny Tompo manontolo sy ireo vavaka nataon’ireo mpisorona. Moa ve isika afaka mandray an-tsoratra mangina izany ka hanolotra ny poti-mofom-pankaherezana avy amintsika sy kaopy kelintsika misy indrafo, hatolotsika ho azy ireo ve izany? Na ho an’ilay mpikambana mitomany, sahirana, izay tsy manatrika ilay fivoriana ary tsy ho eo koa amin’ny herinandro ambony raha tsy hoe misy karazana fanompoana enti-manavotra avy amintsika? Na koa ho an’ireo rahalahy sy rahavavintsika izay tsy mpikamban’ny Fiangonana kanefa rahalahy sy rahavavintsika izy ireo? Marobe ireo fahoriana eto amin’ity izao tontolo izao ity, ao anatiny sy ivelan’ny Fiangonana, koa mijere na aiza na aiza fa hahita ianao olona iray izay toa mavesatra loatra ny fahoriany ary toa tsy misy fiafarana ny aretim-pony. Fomba iray “hahatsiarovana mandrakariva azy”11 ny miaraka amin’ilay Mpanasitrana Lehibe ao anatin’ny asany tsisy fiafarana amin’ny fibatana ny vesatra eo amin’ireo izay vesaran’entana sy fanesorana ny fanaintainan’ireo izay manana olana.
Ry namana malala, rehefa miaraka isan-kerinandro isika manerana izao tontolo izao ao amin’ilay antenaintsika fa fanekena masina tsy mitsaha-mitombo ny sorona fanavotana lehiben’i Kristy ho fanomezana ho an’ny zanak’olombelona rehetra, dia enga anie isika hitondra eo amin’ny alitara fanaovana sorona “ranomaso bebe kokoa noho ny alahelony [sy] fanaintainana bebe kokoa noho ny fahoriany.” Dia, rehefa misaintsaina sy mivavaka ary manavao fanekempihavanana isika dia mandray avy amin’izany fotoana masina izany “faharetana bebe kokoa amin’ny fahoriana, … fiderana bebe kokoa noho ny fanampiana.”12 Satria ny faharetana sy fanampiana toy izany, ny fahamasinana sy fanantenana toy izany, no hangatahiko ho anareo rehetra amin’ny anaran’Ilay namaky ny mofo sarobidin’ny famelan-keloka ary nandraraka ny divay masin’ny fanavotana, dia i Jesoa Kristy, ilay zanak’ondrin’ Andriamanitra lehibe sy be indrafo, sy masina. Amena.