2019
Fanoroam-pejin’ireo tantara nandritra ny fihaonambe
Mey 2019


Fanoroam-pejin’ireo tantara nandritra ny fihaonambe

Ity lisitra manaraka ity izay ahitana ireo zavatra niainana nofantenina avy tao amin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany dia azo ampiasaina amin’ny fandalinan’ny tena manokana sy ny takarivan’ny mpianakavy ary amin’ny fampianarana hafa. Ny tarehimarika hita eto dia maneho ny pejy voalohan’ilay lahateny.

Neil L. Andersen(34) Nijanona ho mahatoky tamin’ny fanekempihavanana nataony ny lehilahy iray manana fironana amin’ny fifanintonana eo amin’ny samy lahy na ny samy vavy. Mifantoka amin’ny fanompoana ny vehivavy iray tsy mbola nanambady mihitsy.

D. Todd Christofferson(81) Nasehon’ireo zatovo tao Italie an’ny Filoha RussellM.Nelson ireo karatra fitondra any amin’ny tempoly izay nomanin’izy ireo ho an’ireo razambeny.

Carl B. Cook(51) Nitahy fiainana tsy tambo isaina tamin’ny alalan’ny asa fitoriana ny filazantsara ny “Tariky ny mpirahalahy” iray ao Botswana izay nifampatanjaka sy nifanampy mba hiova fo. Nanohana sy nitahy an’i Carl B. Cook fony izy mbola kely ireo kôlejin’ny fisoronana.

Quentin L. Cook(76) Nitarika ny rain’ny Loholona O. Vincent Haleck ho amin’ny batisa ny fanasana iray avy tamin’ny Filoha Gordon B. Hinckley.

Becky Craven(9) Nitaraina ny vavolombelona iray fa tsy niezaka nivily akory ny mpamily fiaran-dalamby iray talohan’ny nandonan’ilay fiaran-dalambiny ny fiara iray niraikitra teo amin’ny lalamby.

Sharon Eubank(73) Tsy nety nirehitra ireo jiro teo ivelan’ny Tempolin’i Salt Lake. Nisy nofy iray nitondra faniriana ho an’i Sharon Eubank mba hampitombo ny finoany.

Gerrit W. Gong(97) Rehefa avy nahatsapa fangorahana ho an’ny mpangalatra tao amin’ny tsena iray ny naman’i Gerrit W. Gong dia nanomboka nahatakatra ny amin’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany izy.

Brook P. Hales(11) Nianatra ny zanak’i Brook P. Hales roa lahy fa mahafantatra ny farany hatrany am-piandohana Andriamanitra amin’ny famaliana vavaka. Lasa teny filamatry ny vehivavy mahatoky iray izay nanaiky ny fahajambany ny hoe “Mbola hisinda ihany koa izao”.

Mathias Held(31) Niditra ho mpikamban’ny Fiangonana i Mathias sy Irene Held rehefa avy namantatra ny fahamarinana tamin’ny alalan’ny fandalinana sy ny Fanahy.

David P. Homer(41) Nandritra ny nitaingenany fiaramanidina kely iray dia nianatra ny maha-zava-dehibe ny fihainoana ny feo marina i David P. Homer. Nianatra i David P. Homer sy ny vadiny fa mety ho tonga miadana ny valim-bavaka. Naharitra hatramin’ny farany ny rahalahin’i David P. Homer na dia teo aza ny fahoriana.

Kyle S. McKay(105) Nampaherezin’ilay Mpanafaka Lehibe ny vehivavy iray niady tamin’ny fiankinan-doha tamin’ny zava-mahadomelina sy ny renim-pianakaviana iray izay nanan-janaka lahy maty noho ny loza iray.

Russell M. Nelson(67) Miady toerana amin’ny fanatanjahan-tena sy ny jeux mba hiraharahian’ireo lehilahy ao amin’ny fianakaviany azy ireo ny renim-pianakaviana sy ny zanany vavy iray.

(88) I Russel M. Nelson sy i Wendy zanany vavy dia niresaka “ireo zavatra izay manan-danja indrindra” nandritra ny “tafatafa farany fanaon’ny ray sy ny zanakavavy” izay nataon’izy ireo. Nanontany tena ny mpitandro filaminana manam-boninahitra iray izay nanampy tamin’ny famonjena ny olona tamin’ny doro-tanety iray hoe: “Aiza ary ny fianakaviako?” Nandà ny hanova zavatra teo amin’ny fiainany mba ho mendrika ireo fitahiana avy amin’ny filazantsara ny naman’i Russell M. Nelson iray.

Dallin H. Oaks(60) Tsy mba nanontany hoe “Hitondra mankaiza izany?” ireo mpianatry ny Oniversite izay nijery alika iray nijokojoko ecureuil iray. Nanova ny zavatra tsapan’ny mpivady Kôlômbiana iray momba ny fanambadiana any amin’ny tempoly sy ny filazantsara ny fitaingenan’izy ireo fiarabe mpitatitra olona nandritra ny dimy andro sy dimy alina mba hanambady any amin’ny tempoly.

Dale G. Renlund (70) “Vavaka fohy” iray no nanampy ny mpikambana malaindaina iray hanana fahatsapana tao am-piangonana hoe “tranoko ity.”

Ulisses Soares(6) Nampiorim-paka ireo fitahiana avy amin’ny filazantsara tao am-pon’ireo zanany ny renim-pianakaviana tokan-tena iray.

Gary E. Stevenson(47) Fony izy mpisorona tany amin’ny sekoly ambaratonga faharoa dia nandà ny hijery horonan-tsary tsy mendrika ny olona iray ho lasa Apôstôly taty aoriana, ka nanome herim-po namana iray izany.

Juan Pablo Villar(95) Rehefa avy niara-nandeha nitory ny filazantsara nandritra ny iray andro tamin-drahalahiny izay misiônera i Juan Pablo Villar dia nanapa-kevitra izy ny hatao batisa sy hanao asa fitoriana.

Takashi Wada(38) Niditra ho mpikamban’ny Fiangonana ny renin’i Takashi Wada taorian’ny nikasihan’ny Tompo ny fony tamin’ny alalan’ny asa feno hatsaram-panahy nataon’ny zazalahy iray.

W. Christopher Waddell(19) Noho ny asa fanompoana avy amin’ny fianakaviana sy ny namana dia nanaiky ny filazantsara indray ny rahalahin’i W. Christopher Waddell fotoana fohy talohan’ny fahafatesany.

Hamoaka printy