2019
Loholona Peter M. Johnson
Mey 2019


Loholona Peter M. Johnson

Fitopololahy Manampahefana Ambony

Sary
Loholona Peter M. Johnson

Rehefa avy nanaiky ny handray vatsim-pianarana iray avy amin’ny filalaovana basketball tao amin’ny Oniversite Brigham Young–Hawaii i Peter M. Johnson, izay zanaka tompon’andraikitra mpanara-maso mikasika ny trano sy fitaovana sy mpamily fiarakaretsaka, dia tojo mpampianatra institiota iray izy.

“[Na] ianao hiditra ho mpikamban’ny Fiangonana avy hatrany, na ho elaela ianao vao hiditra,” hoy ilay mpampianatra naminany.

Marina ny tenin’ilay mpampianatra. Herintaona mahery taty aoriana dia “nifady hanina sy nivavaka ary nahazo valim-bavaka” i Peter. Natao batisa izy ny 16 aogositra 1986.

I Peter Matthew Johnson, izay fahefatra amin’ny zanaka miisa dimy, dia naterak’i McKinley Johnson sy Geneva Paris Long tamin’ny 29 nôvambra 1966, tao Queens, New York, USA.

Nisara-panambadiana ny ray aman-dreniny tamin’izy 11 taona, dia nifindra tany Hawaii ny reniny. Herintaona taty aoriana dia niditra ho mpikambana tao amin’ny Nation de l’islam i Peter ka lasa mpino silamo. Ireo zavatra ireo nitambatra no nanolotra fitarihana sy fanampiana ho azy ary nanomana azy hanaiky ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.

Teo amin’ny faha 15 taonany dia nifindra tany Hawaii i Peter mba hiara-hipetraka amin-dreniny. Tany izy no nahafantatra mikasika ireo fanatanjahan-tena, indrindra fa ny basketball, ary nanomboka nanao ezaka nizotra nankany amin’ny fandrantoana fianarana tany amin’ny oniversite, fahatongavana ho mpikamban’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, fanaovana asa fitoriana tany amin’ny Misiônan’i Alabama Birmingham, ary fanambadiana tany amin’ny tempoly niaraka tamin’i Stephanie Lyn Chadwick tamin’ny 1990. Izy mivady, izay nifankahafantatra nandritra ny filalaovana basketball tao amin’ny oniversite an’i Utah Atsimo, dia manan-janaka efatra.

“Nandray izao andraikitra izao aho mba hanompo ny Tompo,” hoy ny loholona Johnson mahakasika ny fiantsoana azy ho ao amin’ny Fitopololahy. “Na inona ny firazanako na inona no kolontsaiko, na avy aiza aho, dia ny hanompo ny Tompo amin’ny foko sy ny saiko ary ny tanjako rehetra no andraikitra nampanaovina ahy sy hisolo tena ny Tompo any amin’ny olony. Tia antsika rehetra ny Mpamonjy. Zanakalahy sy zanakavavin’ Andriamanitra isika.”

Ny Loholona Johnson dia nahazo mari-pahaizana licence sy maîtrise momba ny haitoebola avy ao amin’ny Oniversite an’i Utah Atsimo ary doctorat momba ny haitoebola avy ao amin’ny Oniversite an’i Arizona State. Efa professeur titulaire tao BYU Hawaii izy, professeur adjoint tao amin’ny Oniversite Brigham Young, ary professeur titulaire tao amin’ny oniversite an’i Alabama. Efa Fitopololahin’ny Vondrom-paritra izy, filohan’ny tsatòka, mpitam-boky misahana ny fitantanana ara-bola teo anivon’ny tsatòka, ary mpitarika ny misiônan’ny paroasy.

Hamoaka printy