2019
Manantitrantitra ilay anarana marina
Mey 2019


Manantitrantitra ilay anarana marina

Mba hiantsoana Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany amin’ny tena anarany dia misy fanovana atao eo amin’ireo lalam-pifandraisana ara-tserasera.

Fanovana atao amin’ireo tranonkala

  • Ny ChurchofJesusChrist.org no misolo toerana ny LDS.org mba ho anaran’ny tranonkala ôfisialin’ny Fiangonana.

  • Afaka volana vitsivitsy dia ny Newsroom.ChurchofJesusChrist.org no hisolo toerana ny MormonNewsroom.org.

  • Ny ComeUntoChrist.org no hisolo toerana ny Mormon.org ao aoriana ao, izay averina amboarina mba hanolotra zavatra iainana mahakasika kokoa ny tena manokana ho an’ireo mpijery izany voalohany (any ivelan’ny Fiangonana).

Fanovana atao amin’ireo lalam-pifandraisana ho an’ny tambazotran-tserasera

  • Ireo kaontin’ny tambazotran-tserasera fototra rehetra an’ny Fiangonana dia novaina mba hanamafy ny anaran’ny Fiangonan’ny Mpamonjy.

  • Ny mpikambana dia afaka misafidy ny hiditra ho mpikambana ao amin’ny vondrona Facebook vaovao antsoina hoe “The Church of Jesus Christ of Latter-day Saints—Inspiration and News (Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany—Aingam-panahy sy Vaovao)” mba hahazo fahalalana momba ny vaovao sy ireo fanovana misy ao amin’ny Fiangonana ary hanorina fiarahamonina sy fifandraisana ao amin’ny Fiangonana.

Fanovana atao amin’ireo Applications ho an’ny finday

  • Ny Sacred Music no misolo toerana ny LDS Music.

  • Tsy hiova ny application Bibliothèque de l’Evangile.

Mety mbola hisy fiovana fanampiny rehefa miara-miasa isika rehetra mba hanantitrantitra ny anaran’ny Fiangonan’ny Mpamonjy, dia Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany.

Hamoaka printy