2019
Nandre ny feony
Mey 2019


Nandre ny feony

Ato anatin’ny tontolo misy feo maro mifaninana, dia mijoro ho vavolombelona aminareo aho fa ny Raintsika any An-danitra dia nanao izay handrenesantsika sy hanarahantsika Azy.

Taninkeo maraina dia nomen’ny anadahiny ho an’ny vadiko ny taratasy iray nosoratany ho an’ny reniny taona maro lasa izay. Mbola zazavavy kely ny Rahavavy Homer tamin’izany fotoana izany. Ny ampahany tamin’ilay taratasiny dia milaza hoe: “Ry neny malalako, mialatsiny aho fa tsy nizara ny fijoroana ho vavolombelona ananako androany—kanefa tiako ianao.” Rehefa nandeha nisakafo antoandro izahay dia nieritreritra aho hoe zavatra mahavariana koa izany. Dia nipetraka aho, ka nanoratra taratasy izay nilaza hoe: “Ry Filoha Nelson malala, mialatsiny aho fa tsy nanao ny lahateniko androany—kanefa tiako ianao.” Toa tsy tsara izany. Koa eto ary isika, ary faly aho manampy ny teniko amin’ireo izay nandaha-teny tamin’ity fivoriana ity androany.

Taona maro lasa izay dia nandeha fiaramanidina kely niaraka tamin’ny mpanamory vao nahazo fahazoan-dalana vao haingana aho. Rehefa nifarana ny dianay dia nahazo lalana hipetraka izahay. Kanefa rehefa nanakaiky ny tany izahay dia reko ny fanairana avy tao amin’ny fitoeran’ny mpanamory mba “hiakatra.” Nijery ny mpanamory namany iray hafa izay nanan-traikefa ilay mpanamory, nanondro lalana iray hidinana izy, lavitra ilay arabe hidinan’ny fiaramanidina, ka niteny hoe “Izao!”

Nandeha niankavia haingana ary avy eo nidina ilay fiaramanidinay, dia niverina niakatra ambony araka ny tokony ho izy, niverina niditra ny lalam-pidinana, ka tody tsara teo amin’ny toerana hahatongavanay. Fantatray taty aoriana fa nisy fiaramanidina iray hafa nahazo lalana hiakatra tamin’io. Raha nanaraka ny torolalan’ilay fanairana izahay dia ho nanitsy tany amin’ilay fiaramanidina nifanena fa tsy niala lavitra izany. Io zavatra niainana io dia nampianatra ahy lesona roa manan-danja: Voalohany, amin’ireo fotoan-tsarotra eo amin’ny fiainantsika, dia handre feo maro hifaninana hisarika antsika isika. Ary faharoa, manan-danja ny hihainoantsika ireo feo marina.

Feo mifaninana

Miaina ao anaty tontolo feno feo maro mikatsaka hisarika antsika isika. Miaraka amin’ireo vaovao farany, tweets, blogs, podcasts, ary ny toro-hevitra mandresy lahatra avy amin’ny Alexa, Siri, ary ireo hafa, dia mety ho sarotra ny mamantatra ireo feo azo itokisana. Indraindray dia ataontsika loharanom-pitarihana eo amin’ny fiainantsika ny hevitry ny maro, mihevitra fa hitondra loharanon’ny fahamarinana tsara indrindra ny besinimaro. Amin’ny fotoana hafa dia “hiroa saina”1 isika ka hisafidy ny ho “sady tsy mangatsiaka no tsy mafana.”2 Amin’ny fotoana hafa ihany koa dia hanaraka izay marimaritra iraisana isika, hifantoka amin’ny feo tokana na lalana tokana mba hitarika antsika, na hiantehitra tanteraka amin’ny fahaizantsika mieritreritra manokana.

Na dia mety hanampy aza ireo fomba ireo, ny zavatra iainana dia mampianatra fa tsy azo ianteherana foana izy ireny. Izay malaza dia tsy voatery ho ny tsara indrindra foana. Ny miroa saina dia tsy manoro ny lalana haleha. Ny marimaritra iraisana dia mahalana no mitondra amin’ny zavatra manan-danja. Ny fifantohana amin’ny feo tokana na lalana tokana dia mety hanimba ny fahafahantsika mahita. Ary ny fianteherana tanteraka amin’ny eritreritsika manokana dia afaka mitarika antsika amin’ny fiheverana ny tenantsika ho tampom-pahaizana. Raha toa ka tsy mitandrina isika dia mety hampihataka antsika amin’ny ivon’ny filazantsara ireo feo diso ka hankany amin’ny toerana izay sarotra ny hanohanana ny finoana, ary ho fahabangana, ngidy, ary tsy fahafaham-po no ho hitantsika.

Fihainoana ny feo diso

Aoka aho haneho izay tiako ambara amin’ny alalan’ny fampiasana sariohatra iray sy ohatra iray avy ao amin’ny soratra masina. Ireo mpihanika tendrombohitra dia milaza fa ny haavo 8.000 metatra no “faritry ny fahafatesana” satria, amin’izany haavo izany dia tsy ampy ny rivotra hahafahana miaina. Misy azo ampitahaina amin’ny faritry ny fahafatesana eo amin’ny ara-panahy. Raha toa ka mandany andro maro be amin’ireo toerana tsy mampiorina finoana isika, dia toa tsy manome antsika ny rivotra iainana ara-panahy ilaintsika ireo feo manana tanjona ho amin’izany mihitsy.

Hitantsika ao amin’ny Bokin’i Môrmôna ny momba an’i Kôrihôra izay niaina zavatra toy izany. Nankafy ny laza lehibe izy satria “nahafinaritra ny sain’ny nofo”3 ireo fampianarany. Nilaza izy fa ireo ray aman-dreny sy mpaminany dia mampianatra fomba adaladalan’ny razana natao mba hamerana ny fahafahana sy hihazonana ny tsy fahalalana.4 Nifanditra izy fa ny olona dia tokony ho malalaka hanao izay safidiny satria ireo didy dia tsy hafa amin’ny famerana napetraka araka ny marimaritra iraisana.5 Taminy, ny finoana ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy dia “vokatry ny saina mirediredy,” nateraky ny finoana olona iray izay tsy afaka ny hisy satria tsy hita maso Izy.6

Nitondra korontana tokoa i Kôrihôra ka nentina teo anoloan’ny lohan’ny mpitsara sy ireo mpisorona avo izy. Tao dia nitsangana “nanevateva” izy, nanaratsy ireo mpitarika sy nangataka famantarana iray. Dia nisy famantarana nomena. Nozoin’ny hamoanana izy ka tsy afaka niteny. Fantatr’i Kôrihôra avy teo fa voafitaka izy, ary raha nihevitra momba ireo fahamarinana nialany izy dia nitoloko izy hoe: “Nahafantatra mandrakariva aho.”7

Nangataka sakafo i Kôrihôra mandra-pahatonga ny fotoana nanosihosen’ny andiana Zôramita azy ambara-pahafatiny.8 Ahitana ity hevitra tamim-pisainana ity ny andininy farany ao amin’io tantara io: “Ary dia toy izany no ahitantsika fa tsy hanohana ny zanany ny devoly amin’ny andro farany, fa misarika azy faingana tokoa hidina any amin’ny helo.”9

Ny feo marina

Satria tian’ny Raintsika any An-danitra izay tsara indrindra ho antsika dia omena fahafahana isika handre ny feony. Matetika tokoa no handrenesantsika Azy amin’ny alalan’ny bitsika omena amin’ny alalan’ny Fanahy Masina. Mpikambana fahatelo ao amin’Ny Andriamanitra ny Fanahy Masina. Mijoro ho vavolombelona momba ny Ray sy ny Zanaka Izy,10 nalefa mba “hampianatra [antsika] ny zavatra rehetra,”11 ary “hampiseho [amintsika] ny zavatra rehetra tokony hataon[tsika].”12

Ny Fanahy dia miresaka amin’ny olona samy hafa amin’ny fomba samy hafa, ary mety hiresaka amin’ny olona iray amin’ny fomba samy hafa Izy amin’ny fotoana samy hafa. Vokatr’izany dia fianarana mandritra ny androm-piainana ny fianarana ireo fomba maro hiresahany amintsika. Indraindray Izy dia miresaka ao an- “tsaina sy ao am-po[ntsika]”13amin’ny feo tony kanefa mahery vaika, manindrona “ireo izay … nandre hatrany anatiny.”14 Amin’ny fotoana hafa, ireo bitsiny dia “mibahana ao an-tsain[tsika]” na “manery … ny fihetseham-po[ntsika].”15 Amin’ny fotoana hafa, dia “hahamay ao anaty tratran[tsika].”16Amin’ny fotoana hafa koa dia hameno ny fanahintsika amin’ny fifaliana, sy hanazava ny saintsika Izy17na hiteny fiadanana ao am-pontsika.18

Nahita ny feony

Hahita ny feon’ny Raintsika ao amin’ny toerana maro isika. Ho hitantsika izany rehefa mivavaka, mandalina ny soratra masina, ary rehefa mandeha miangona, mandray anjara amin’ny fifanakalozan-kevitra mampiorim-paka finoana, na mandeha any amin’ny tempoly isika. Azo antoka fa hahita izany isika ao amin’ny fihaonambe amin’ity faran’ny herinandro ity mihitsy.

Androany isika dia nanohana lehilahy 15 ho mpaminany sy mpahita ary mpanambara. Ny haim-panahy sy traikefan’izy ireo dia manome azy ireo fomba fijery miavaka izay tena ilaintsika. Mora hita ny hafatr’izy ireo ary nolazaina tamin’ny fomba mazava tanteraka. Milaza amintsika izay tian’ Andriamanitra ho fantatsika izy ireo, na malaza izany na tsia.19

Ny fikatsahana ny feony ao amin’ny iray amin’ireo toerana ireo dia tsara, saingy ny fikatsahana izany ao amin’ny maro amin’ireo dia mbola tsara kokoa. Ary rehefa mandre izany isika, dia mila manaraka ny torolalana izay nomena. Ny Apôstôly Jaona dia niteny hoe: “Aoka ho mpankatò ny teny hianareo fa aza mpihaino fotsiny ihany.”20 Ny Filoha Thomas S. Monson dia nampianatra indray mandeha hoe: “Miambina isika. Miandry isika. Mihaino ilay feo tony sy malefaka isika. Rehefa miteny izany, dia mankatò ny lehilahy sy ny vehivavy hendry.”21

Rehefa ela vao tonga ny torolalana

Tany amin’ny fiandohan’ny fotoana niasako, dia nasaina hanaiky fanovana teo amin’ny asa nampiandraiketina izaho sy ny Rahavavy Homer. Tamin’izany fotoana izany dia toa fanapahan-kevitra goavana ilay izy. Nandalina izahay, nifady hanina, ary nivavaka, kanefa ela vao tonga ny valiny. Nony farany dia nandray fanapahan-kevitra izahay ka nibosesika nandroso. Rehefa nanao izany izahay dia nahatsapa ho nilamina ary tsy ela dia nianatra fa izany no fanapahan-kevitra tsara indrindra nataonay.

Vokatr’izany dia nianatra izahay fa ela vao tonga ny valinteny indraindray. Izany no izy satria mbola tsy amin’ilay fotoana mahamety azy, na tsy ilaina ny valinteny, na satria matoky antsika handray fanapahan-kevitra avy amin’ny tenantsika Andriamanitra. Nampianatra ny Loholona Richard G. Scott indray mandeha fa tokony hankasitraka ireny fotoana ireny isika ary nanao izao fampanantenana izao izy: “Rehefa miaina amim-pahamendrehana ianao ka mifanaraka amin’ny fampianaran’ny Mpamonjy ny safidinao ary mila manao asa ianao dia tohizo amim-pahatokiana izany . … Tsy hamela anao hanohy lavitra Andriamanitra ka tsy hanome bitsika fampitandremana raha toa ka nandray fanapahan-kevitra diso ianao.”22

Tsy maintsy misafidy isika.

Ary koa, mila misafidy isika hoe iza amin’ireo feo samy hafa no hankatoavintsika. Moa ve isika hanaraka ireo feo tsy azo ianteherana tohanan’izao tontolo izao, sa hanao ireo asa takiana mba hamelana ny feon’ Andriamanitra hitarika antsika eo amin’ireo fanapahan-kevitra raisintsika sy hiaro antsika amin’ny loza? Arakaraka ny mampazoto antsika mikatsaka ny feony no hahamora ny fandrenesana izany. Tsy hoe mihamafy ilay feo fa nitombo kosa ny fahafahantsika mandre. Nampanantena ny Tompo fa raha toa isika ka “mihaino ny fitsipi[ny], sy mampandry sofina amin’ny torohevi[ny],” dia “home[ny] bebe kokoa.”23 Mijoro ho vavolombelona aho fa marina io fampanantenana io, ho antsika tsirairay.

Saika ho iray taona lasa izay dia namoy ny zokiko lahy tao anatin’ny lozam-piarakodia mahatsiravina izahay. Feno fampanantenana sy fahombiazana ny fahatanoran’i John. Kanefa rehefa niha-lehibe izy dia naha-sarotra tokoa ny fiainany ny vatana sy saina naharary. Na dia tsy tonga teto amin’ity fiainana ity aza ny fahasitranana nantenaina, dia nihazona ny finoana i John, vonona ny haharitra hatramin’ny farany, araka izay tsara indrindra vitany.

Izao dia fantatro fa tsy tonga lafatra i John, kanefa nanontany tena aho hoe inona no nanome faharetana toy izany ho azy. Feo maro no nanasa azy ho ratsy fanahy sy ho kivy, kanefa nisafidy ny tsy hanao izany izy. Nanao izay ho afany kosa izy hampiorenana ny fiainany teo amin’ny ivon’ny filazantsara. Niaina ny fiainany tao amin’izany izy, satria fantany fa hahita ny feon’ny Tompony ao amin’izany izy. Niaina ny fiainany tao amin’izany izy, satria fantany fa tao no hampianarana azy.

Famaranana

Rahalahy sy ranabavy, ato anatin’ny tontolo misy feo maro mifaninana, dia mijoro ho vavolombelona aminareo aho fa ny Raintsika any An-danitra dia nanao izay handrenesantsika sy hanarahantsika Azy. Rehefa manana zotom-po isika dia hanome ny torolalana katsahintsika, ny tanjaka ilaintsika, ary ny fifaliana iriantsika rehetra Izy sy ny Zanany Lahy. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.