Manatanjaka ireo hozatsika ara-panahy
Toy ny tsy maha-ampy ny famakiana sy fianarana mikasika ny hozatra raha te-hampahatanjaka izany dia tsy ampy hanorina ny finoana koa ny famakiana sy fianarana mikasika ny finoana raha tsy arahin’asa.
Feno fankasitrahana aho noho ny fitahiana amin’ny fananana vatana, izay fanomezana mahagaga avy amin’ny Raintsika any An-danitra. Ny vatantsika dia manana hozatra mihoatra ny 600.1 Maro amin’ireo hozatra ireo no mitaky fampahatanjahana mba ho afaka hanatanteraka ireo asa fanaony andavanandro. Afaka manitatra ny ezaka ara-tsaina amin’ny famakiana sy fianarana mikasika ny hozatra isika, kanefa raha mieritreritra kosa fa hampahatanjaka azy ireo izany dia ho diso fanantenana. Ny hozatsika dia matanjaka kokoa rehefa ampiasaintsika.
Takatro amin’izao fa amin’ny lafiny maro dia torak’izany ihany koa ny amin’ireo fanomezam-pahasoavana ara-panahy. Ilaina ampiasaina koa izy ireo mba hahafahany mitombo. Tsy hoe fahatsapana na toe-po fotsiny ny finoana; ny finoana dia fitsipiky ny asa izay mipoitra matetika ao amin’ny soratra masina ka mifandray amin’ny matoanteny hoe mampiasa.2 Toy ny tsy maha-ampy ny famakiana sy fianarana mikasika ny hozatra raha te-hampahatanjaka izany dia tsy ampy hanorina ny finoana koa ny famakiana sy fianarana mikasika ny finoana raha tsy arahin’asa.
Fony aho 16 taona, dia tonga tao an-trano i Ivan zokiko lahy indray andro, izay 22 taona tamin’izany fotoana izany, ary nilaza vaovao sasantsasany tamin’ny mpianakavy. Nanapa-kevitra ny hatao batisa tao amin’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany izy. Nibanjina azy tamim-pisalasalana ny ray aman-dreninay ary tadidiko fa tsy nahatakatra tanteraka ny zava-nitranga aho. Iray taona teo ho eo taty aoriana dia nilaza vaovao nanampoka anay izy: nilaza izy fa nanapa-kevitra ny hanompo ho misiôneran’ny Fiangonana, izay nidika fa handao ny tokantranonay ary tsy hahita azy mandritra ny roa taona izahay. Tadidiko fa tsy faly tamin’io vaovao io ireo ray aman-dreniko. Kanefa hitako mazava tsara fa tena tapa-kevitra izy ary dia nitombo ny fiderako azy sy ny fanapahan-kevitra noraisiny.
Volana maro taty aoriana nandritra ny fotoana nanompoan’i Ivan dia nanana fahafahana ny nikarakarana fotoam-pialan-tsasatra niaraka tamin’ny sasany tamin’ny mpiara-mianatra aho. Te hankalaza ny fiafaran’ny taona nianaranay tao amin’ny lycée izahay ka mba nanokana andro vitsivitsy iarahana eny amoron-dranomasina.
Nanoratra taratasy ho an’ilay rahalahiko misiônera aho nilaza ny amin’ny drafitra ho amin’ny fialan-tsasatra lehibe. Namaly izy fa mandalo eo amin’ny tanàna nanompoany ny toerana tiako haleha. Nanapa-kevitra aho fa ho tsara raha mandalo kely ao aho ka mamangy azy. Tsy fantatro raha tsy taty aoriana fa hay ny misiônera tsy tokony hovangian’ny fianakaviana.
Nalamiko avokoa ny rehetra. Tsaroako aho nipetraka tao anaty bus nieritreritra ny ho fifalianay sy Ivan tamin’io andro tsara baliaka masoandro io. Hiara-hisakafo maraina, hiresadresaka, hilalao eny amin’ny tora-pasika, hitanin’andro; tena ho tsara be ny fotoana hiarahanay!
Rehefa tonga teo amin’ny toeram-pijanonana farany ny bus dia hitako i Ivan nilahatra tamina zatovolahy iray, samy nanao lobaka fotsy sy karavato izy roa. Nidina ny bus aho, nifamihana izahay, ary nampahafantariny ahy ny mpiara-mitory taminy. Tsy niandry ela aho fa dia nolazaiko avy hatrany tamin’ny rahalahiko ny drafitro ho an’io andro io fa tsy fantatro akory fa hay manana fandaharam-potoana i Ivan. Nijery ahy izy, nitsiky ary nilaza hoe “Mety! Kanefa misy iraka mila tanterahanay aloha. Hiaraka aminay ve ianao?” Nanaiky aho, sady nieritreritra fa hanam-potoana izahay avy eo hiara-paly eny amoron-dranomasina.
Nandeha an-tongotra manerana ny araben’ilay tanàna niaraka tamin’ny rahalahiko sy ny mpiara-mitory taminy nandritra ny adiny 10 no ho mihoatra aho tamin’io andro io. Tsy nilaozan-tsiky aho ny manontolon’io andro io. Niarahaba olona tsy mbola hitako teo amin’ny fiainako aho. Niresaka tamin’ny olon-drehetra izahay, nandondona vavaran’olona tsy fantatra, ary nitsidika ny olona nampianarin’ny rahalahiko sy ny mpiara-mitory taminy.
Nampianatra momba an’i Jesoa Kristy sy ny drafitry ny famonjena ny rahalahiko sy ny mpiara-mitory taminy nandritra ny iray tamin’ny famangiana toy ireny. Tampoka teo dia niato i Ivan sady nitodika tany amiko. Tsy nampoiziko fa nangatahiny tamim-panajana aho hizara ny hevitro mahakasika ny zavatra izay nampianarina. Lasa nangina teo ny tao an’efitra ary nitodika tany amiko ny rehetra. Sanganehana aho fa nony farany dia nahita nambara ihany ary nizara ny fahatsapako momba ny Mpamonjy. Tsy fantatro raha marina na diso ny zavatra nozaraiko. Tsy nanitsy izay nolazaiko na oviana na oviana ny rahalahiko. Mifanohitra amin’izany aza, nisaotra ahy izy tamin’ny nizarako ny tao an-tsaiko sy ny fahatsapana nananako.
Tsy nisy fotoana na dia indray mandeha monja aza nandritra ireny ora niarahanay ireny ka hoe nampianatra ahy manokana ny rahalahiko sy ny mpiara-mitory taminy kanefa nahazo fahalalana mihoatra no ho ny tamin’ny resadresaka rehetra nifanaovako taminy tany aloha aho. Nanatri-maso ny fomba niovan’ny soritra teny amin’ny tarehin’ny olona aho tamin’ny nandraisan’izy ireny ny fahazavana ara-panahy teo amin’ny fiainany izy ireo. Hitako ny sasany tamin’izy ireny nahazo fanantenana avy tamin’ireo hafatra ary izaho dia nianatra ny fomba hanompoana ny hafa sy manadino ny amin’ny tenako sy ny fanirian’ny tenako manokana. Notanterahiko ilay nampianarin’ny Mpamonjy manao hoe: “Raha misy olona ta-hanaraka Ahy, aoka izy handà ny tenany.”3
Raha manao jery todika aho dia takatro fa nitombo ny finoako tamin’io andro io satria nanome fahafahana ahy hampihatra izany amin’ny fanaovana asa ny rahalahiko. Nampihariko ny finoako rehefa namaky soratra masina, nitady olona hampianarina, nijoro ho vavolombelona, nanompo ny hafa, sy ny sisa izahay. Tsy nanam-potoana nitanihan’andro velively izahay tamin’io andro io kanefa heniky ny hazavana avy any an-danitra kosa ny foko. Tsy nahita na dia voa-pasika iray monja tany amin’ny moron-dranomasina akory aza aho saingy tsapako ho nitombo nitovy tamin’ny voa-tsinapy ny finoako.4 Tsy nankafy io andro mibaliaka io toy ny mpizaha tany aho saingy nanana traikefa mahatalanjona ary tsy nahatsikaritra akory hoe hay aho misiônera tamin’io, kanefa tsy mpikamban’ny Fiangonana akory!
Fahafahana hanatanjaka ireo hozatsika ara-panahy
Noho ny Famerenana tamin’ny laoniny ny filazantsara isika dia afaka ny hahatakatra ny fomba hanampian’ny Raintsika any An-danitra antsika hanana fanomezam-pahasoavana ara-panahy. Mety hitranga kokoa ny hoe omeny fahafahana isika hamboly ireny fanomezam-pahasoavana ara-panahy ireny ao amintsika toy izay hoe omeny fotsiny antsika izy ireny kanefa tsy misy ezaka ara-panahy na ara-batana akory. Raha mifanaraka amin’ny Fanahiny isika dia hianatra ny hamantatra ireny fahafahana ireny ary avy eo manao asa mifanaraka amin’izany.
Raha mikatsaka ny hanana faharetana bebe kokoa isika dia mety ho tojo antsika ny hoe mila mampihatra faharetana eo am-piandrasana valin-teny iray. Raha te hanana fitiavana bebe kokoa ho an’ny namantsika isika dia afaka ny manorina izany amin’ny alalan’ny fipetrahana eo akaikin’ny olona vaovao iray rehefa any am-piangonana. Mitovy amin’izany koa ny amin’ny finoana: rehefa tonga ao an-tsaintsika ny ahiahy dia ilaina ny mitoky amin’ireo fampanantenan’ny Tompo mba hirosoana hatrany. Amin’ny alalan’izany fomba izany no hampiasantsika ireo hozatsika ara-panahy sy hampivoarantsika azy ireny ho lasa loharanon-kery eo amin’ny fiainantsika.
Amin’ny voalohany dia mety tsy ho mora ny hanomboka hampiasa ireo hozatsika ara-panahy ary mety ho zary fanamby lehibe iray mihitsy aza. Ilay tenin’ny Tompo tamin’ny alalan’ny mpaminany Môrônia dia mihatra amintsika ankehitriny: “Ary raha manatona Ahy ny olona dia hasehoko azy ny fahalemeny. Omeko ho an’ny olona ny fahalemena mba hahazoany mietry; ary ampy ho an’ ny olon-drehetra ny fahasoavako mba hanetreny tena eo anoloako; fa raha manetry tena eo anoloako izy ary manam-pinoana Ahy, amin’ izany, ny zavatra malemy dia hataoko tonga matanjaka ho azy.”5
Feno fankasitrahana aho ny amin’i Ivan rahalahiko izay tsy vitan’ny hoe nizara ny filazantsara tamiko fotsiny ihany fa nanasa ahy an-kolaka ihany koa ny hiaina izany sy hiaiky ireo fahalemeko. Nanasa ahy izy ny hanaiky ilay fanasan’ilay Mpampianatra manao hoe: “Avia, manaraha Ahy”6—manao izay zavatra mitovy tamin’ny nataon’ny Mpamonjy, mikatsaka zavatra mitovy tamin’izay nokatsahin’ny Mpamonjy, ary mitia tahaka ny itiavan’ny Mpamonjy antsika. Volana maro taty aorian’ilay zavatra niainako tamin’ny fitoriana ny filazantsara dia nanapakevitra ny hatao batisa sy hanao ny anjara fitoriako ny filazantsara aho.
Tokony hanaiky ny fanasan’ny Filoha Russell M. Nelson isika ary manatona ny Mpamonjy amin’ny nahim-po7 amin’ny alalan’ny famantarana ireo hozatra izay mila asa ara-panahy bebe kokoa ary manomboka mampiasa azy ireo. Hazakaza-davitra, hazakazaka lavitr’ezaka, izany fa tsy fifaninanana hafainganam-pandeha, koa noho izany aza hadinoina ireo asa ara-panahy bitika kanefa mitohy izay hampatanjaka ireo hoza-dehibe ara-panahy. Raha te hampitombo ny finoantsika isika dia handeha hanao ireo zavatra izay mitaky finoana.
Mijoro ho vavolombelona aho fa zanaky ny Ray any An-danitra feno fitiavana isika. Tia antsika ny Zanany, Jesoa Kristy. Tonga teto amin’ity tany ity Izy mba hanoroana antsika ny lalana ary avy eo nanolotra ny ainy tamin’ny nahim-po mba hanomezana fanantenana antsika. Manasa antsika ny Mpamonjy mba hanaraka ny ohatra tonga lafatra nomeny, hampihatra ny finoantsika Azy sy ny Sorompanavotana nataony ary hampivoatra ireo fanomezam-pahasoavana ara-panahy izay nomena antsika. Izy no Lalana. Izany no fijoroana ho vavolombelona ataoko amin’ ny anaran’ i Jesoa Kristy, amena.