2019
Manorina toera-mimanda misy fiainam-panahy sy fiarovana
Mey 2019


Manorina toera-mimanda misy fiainam-panahy sy fiarovana

Rehefa miaina ny filazantsaran’i Jesoa Kristy isika, sy rehefa miantehitra amin’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy ary mibosesika mandroso hatrany am-pinoana dia voaro amin’ilay fahavalo.

Ry rahalahy sy anabavy malala, eto am-pamaranana ity fihaonambe ity dia misaotra ny Raintsika any An-danitra aho noho ny torohevitra sy ireo fahamarinana ary fanambarana voambara teto amin’ity polipitra ity nandritra izay roa andro lasa izay. Nampianarin’ireo mpanompon’ Andriamanitra izay voantso hiteny ny teniny masina isika. Nampahatsiahy antsika ny Tompo tamina fanambarana ho an’ny andro farany hoe: “Na amin’ny alalan’ny feoko na … ny feon’ny mpanompoko, dia iray ihany izany.”1

Raha mijery ity andiana Olomasina tafavory maro be eto ity sy maka sary an-tsaina ireo mpikambana mijery ny fampitana ny fihaonamben’ny Fiangonana manerana izao tontolo izao aho dia mieritreritra ilay fivoriana ao amin’ny Bokin’i Môrmôna fony i Jesoa Kristy niseho tamin’ireo Nefita taorian’ny Fanomboana Azy. Nampianariny ny filazantsara izy ireo ary avy eo izy ireo dia namporisihany hoe: “Modia any an-tranonareo, ary saintsaino ny zavatra izay efa nolazaiko, ary anontanio amin’ny Anarako ny Ray, mba hahatakaranareo.”2

Ny hoe “Mod[y] any an-tranonareo, ary [misaintsaina]” no dingana manaraka amin’ny fandraisana ao am-po ny tenin’ireo mpaminany sy ny an’ireo mpitarika ato amin’ny Fiangonana izay nambara teto amin’ity toerana masina ity. Ireo tokantrano mifototra amin’i Jesoa Kristy dia toera-mimanda ho an’ny fanjakan’ Andriamanitra eto an-tany amin’ny andro izay naminaniana fa ny devoly dia “ho romotra ao am-pon’ny zanak’olombelona … ka hamporisika azy ho tezitra amin’izay tsara.”3

Nanorina toera-mimanda ireo olona teo amin’ny tantaran’izao tontolo mba hanakanana ny fanafihan’ny fahavalo. Ireny toera-mimanda ireny matetika dia ahitana tikilambo fiambenana, toerana izay hampitandreman’ny mpitily, tahaka ireo mpaminany, amin’ny tafika manambana sy fanafihana mananontanona.

Thomas Rasband

Tamin’ny fotoan’andron’ireo mpamaky lay voalohany teto Utah i Thomas Rasband raiben’ny dadabeko niaraka tamin’ny fianakaviany no sasany tamin’ireo mpiorim-ponenana voalohany niditra ny Heber Valley ao amin’ireo tendrombohitra tsara tarehin’i Utah antsoina hoe Wasatch Mountains.

Tamin’ny 1859 i Thomas dia nanampy tamin’ny fanorenana ny toera-mimandan’i Heber izay naorina ho fiarovana azy ireo. Rafitra tsotra ahitana vatan-kazo avy amin’ny hazo manirin’ny vohavoha, izay natambatambatra no namefy manodidina ilay toera-mimanda. Nisy trano hazo kely maro naorina niraikitra tamin’ny fefin’ilay toera-mimanda. Sady nanome fiarovana no fialofana ho an’ireo fianakaviana mpamaky lay ilay foto-drafir’asa raha nanorim-ponenana teo sy nitsaoka ny Tompo izy ireo.

Toera-mimandan’ny mpamaky lay

Mitovy amin’izany koa isika. Ny tokantranontsika dia toera-mimanda amin’ireo zava-dratsin’izao tontolo izao. Manatona an’i Kristy isika ao an-tokantranontsika amin’ny alalan’ny fanarahana ny didiny, amin’ny alalan’ny fandalinana ny soratra masina, sy ny fiaraha-mivavaka ary amin’ny alalan’ny fifanampian’ny tsirairay mba hijanonana eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana. Ilay fanamafisana vaovao amin’ny fandalinana ataon’ny tena manokana sy ny mpianakavy any an-tokantrano amin’ny alalan’ilay fandaharam-pianarana Avia, hanaraka Ahy dia natao mba “hampahalalina kokoa ny fiovam-pontsika ary ny mba hanampiana antsika hitovy bebe kokoa amin’i Jesoa Kristy.”4 Rehefa manao izany isika dia ho tonga amin’ilay antsoin’i Paoly hoe “olom-baovao”5 miaraka amin’ny fontsika sy ny tenantsika manontolo miray amin’ Andriamanitra. Ilaintsika izany hery izany iatrehantsika sy ialantsika amin’ny fanafihan’ilay fahavalo.

Rehefa miaina ny fanolorantena vokatry ny finoana an’i Jesoa Kristy isika dia hahatsapa ny fanatrehana feno fiadanan’ny Fanahy Masina izay mitarika antsika ho amin’ny fahamarinana sy mitaona antsika hiaina amim-pahamendrehena ireo fitahian’ny Tompo ka hijoro ho vavolombelona fa velona Andriamanitra ary tia antsika. Mitranga ao amin’ny toera-mimandan’ny tokantranontsika manokana avokoa izany rehetra izany. Kanefa tsarovy fa ny tokantranontsika dia ho matanjaka arakakaraka ny hery ara-panahin’ny tsirairairay avy amintsika ao anatin’ny tokantrano.

Nampianatra ny Filoha Russell M. Nelson hoe: “Ao anatin’ireo andro ho avy, dia tsy azo heverina ny ho velon’aina ara-panahy raha tsy misy ny fitaoman’ny Fanahy Masina izay mitarika, sy manoro hevitra, ary mampionona tsy tapaka.”6 Mahita mialoha ny fahavalo izy amin’ny maha-mpaminany sy mpahita ary mpanambara velona azy amin’izao andro izao, ilay mpitily eo amin’ny tilikambon’ny toera-mimandantsika, dia Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany.

Ry rahalahy sy ranabavy, miady amin’i Satana isika ho fiarovana ny fanahin’ny olombelona. Efa fantatra tany amin’ny tontolo talohan’ny nahaterahana ireo antokon’ny mpanohitra. I Satana sy ny iray ampahatelon’ireo zanaky ny Raintsika any An-danitra dia nandà ny fampanantenan’ny fisandratana izay nomen’ny Ray. Hatramin’izay fotoana izay ireo mpiandany amin’ilay fahavalo dia tsy nitsahatra niady tamin’ireo mahatoky izay misafidy ny drafitry ny Ray.

Fantatr’i Satana fa voaisa ny androny ary miha-fohy ny fotoany. Na dia fetsy toy inona aza izy dia tsy handresy. Na izany aza anefa dia manohy mitolona hatrany izy mba handavan’ny tsirairay avy amintsika ny drafitry ny Ray any An-danitra.

Ho fiarovana ny aintsika dia tsy maintsy manorina toera-mimanda misy fiainam-panahy sy fiarovana ny fanahintsika isika, toera-mimanda izay tsy hahatafiditra ilay ratsy.

Fetsy toy ny bibilava i Satana, mitsofoka tsimoramora ao an-tsaintsika sy ao am-pontsika rehefa migoragora ny fiarovantsika, rehefa miaina fahadisoam-panantenana na fahaverezana fanantenana isika. Alainy fanahy amin’ny dokadoka, fampanantenana zavatra mora, fampiononana, na fahafinaretana mandalo fotsiny isika rehefa iny kivy iny. Hamarininy ny avonavona, ny faharatsiam-panahy, ny tsy fahamarinan-toetra, ny tsy fahafaham-po, ary ny fahalotoam-pitondrantena ary nony farany dia very ny fahafahantsika mihaino ny fitaoman’ny Fanahy.7 Afaka mandao antsika ny Fanahy. “Ary dia toy izany no anambakan’ny devoly ny fanahiny, ka hitarihiny azy amim-pahamalinana hidina any amin’ny helo.”8

Mifanohitra amin’izany anefa dia matetika isika no mahatsapa ny fiasan’ny Fanahy mahery vaika rehefa mihira fiderana an’ Andriamanitra amin’ny tonon-kira toy itony:

Lehibe ny Andriamanitsika,

ny hirodana dia ho sanatria.

Manampy ny Andriamanitsika

amin’ireo olana ety.9

Afaka manalavitra ny fakam-panahin’ilay fahavalo sy mandà azy tanteraka ary mahatsapa ny fiadanana entin’ny Fanahy isika rehefa manorina toera-mimandan’ny hery ara-panahy. Afaka manaraka ny ohatry ny Tompo Mpamonjy isika, izay rehefa nalaim-panahy tany an’efitra dia nilaza hoe: “[ivohoko ianao ry Satana] Voasoratra hoe: Jehovah Andriamanitrao no hiankofanao.”10 Isika tsirairay avy dia tsy maintsy mianatra ny fomba fanaovana izany amin’ny alalan’ireo zavatra lalovana eo amin’ny fiainana.

Ny tanjona marina toy izany dia voafaritra tsara ao amin’ny Bokin’i Môrmôna raha nanoma ireo Nefita hiatrika ny ady hatao amin’i Amalikià izay lehilahy mpamitaka sy mpandatsa-drà, liam-pahefana ny Kapiteny Môrônia. Nanangana toera-mimanda maro i Môrônia hiarovana ny Nefita “mba hahazoan’ireo miaina ho an’ny Tompo Andriamaniny sy mba hahazoan’ireo mitana izay efa nantsoin’ny fahavalony hoe ny foto-kevitry ny Kristiana.”11 I Môrônia dia “niorina tao amin’ny finoana an’i Kristy,”12 ary nahatoky “tamin’ny fitandremana ny didin’ Andriamanitra … sy tamin’ny fanoherana ny heloka.”13

Rehefa tonga hiady ny Lamanita dia talanjona tamin’ny fiomanan’ny Nefita izy ireo, ary resy izy ireo. Nisaotra ny “Tompo Andriamaniny [ny Nefita], noho ny heriny tsy manan-tsahala tamin’ny nanafahany azy teo an-tanan’ny fahavalony.”14 Nanorina toera-mimanda izy ireo ho fiarovana ny eny ivelany, ary nanorina finoana an’i Jesoa Kristy Tompo izy ireo tao anatin’izy ireo, lalina tao anatin’ny fanahin’izy ireo.

Inona no sasany amin’ireo fomba ahafahantsika manamafy orina ny tenantsika ao anatin’ny fotoan-tsarotra mba hahafahantsika ho “fitaovana teo an-tànan’ Andriamanitra mba hanatanteraka ity asa lehibe ity”?15 Andeha isika hitodika amin’ny soratra masina.

Mankatò isika. Nodidian’ny Tompo Ikaky Lehia handefa ireo zanany lahy hiverina any Jerosalema mba “[hitady] ny rakitsoratra ary [hitondra] izany midina [hatrany] an-tany foana.”16 Tsy nisalasala i Lehia; tsy nanontany tena ny amin’ny hoe nahoana sy ahoana izy. Torak’izany koa i Nefia izay namaly hoe: “Handeha aho ary hanao ny zavatra izay efa nandidian’ny Tompo.”17

Moa ve isika rehefa manao zavatra dia miasa omban’ilay fankatoavana an-tsitrapon’i Nefia? Sa mirona kokoa amin’ny fiahiahiana ny amin’ireo didin’ Andriamanitra ve isika, tahaka ireo rahalahin’i Nefia izay nandà ny Tompo nony farany noho ny tsy fananan’izy ireo finoana. Fankatoavana ampiharina amin’ny “fahamasinan’ny fo,”18 no angatahin’ny Tompo amintsika.

Isika dia mahatoky ny Tompo izay nilaza toy izao tamin’i Josoa raha izy iny hiomana ny hitarika ireo Isiraelita ho any amin’ny tany nampanantenaina: “Koa mahereza sy matanjaha; aza matahotra na mivadi-po, fa momba anao Jehovah Andriamanitrao amin’izay rehetra alehanao.”19 Natoky ireo teny ireo i Josoa ary nananatra ny vahoaka hoe: “Manamasìna ny tenanareo: fa rahampitso dia hanao fahagagana eo aminareo Jehovah.”20 Nosarahan’ny Tompo tamin’ny andaniny sy ankilany ny ranon’i Jordana ka nifarana ny firenirenin’ny Isiraelita tao an-tany foana nandritra ny 40 taona.

Mijoro ho an’ny fahamarinana toy ny nataon’i Abinadia mpaminanin’ny Bokin’i Môrmôna isika. Raha nosamborina sy nentina teo anoloan’i Noà Mpanjaka sy ireo mpisorony ratsy fanahy i Abinadia dia nampianatra ny Didy Folo sy nitory tamin-kery lehibe izy fa i Kristy dia “hidina eo anivon’ny zanak’olombelona ary hanavotra ny olony.”21 Ary avy tamin’ny finoana lalina tao anatiny avy eo no nilazany hoe: “Andriamanitra ô, raiso ny fanahiko,”22 ary dia “niaritra fahafatesana tamin’ny afo” i Abinadia.23

Ny tempolin’i Rome Italie

Manao sy manavao ny fanekempihavanantsika isika amin’ny alalan’ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo sy ny fitsaohana any amin’ny tempoly. Ny fanasan’ny Tompo no ampahany manan-danja indrindra amin’ny fitsaohantsika amin’ny andro alahady; amin’izany no handraisantsika ny fampanantenana ny “hanana[ntsika] mandrakariva ny Fanahiny miaraka [amintsika].”24 Miaraka amin’io ôrdônansy masina io isika dia manolotena ny hitondra eo amintsika ny anaran’i Jesoa Kristy, ny hanara-dia Azy, ary ny hanatanteraka ireo andraikitra ao amin’ity asa masina ity tahaka ny nataony. Any amin’ny tempoly isika dia afaka “hahafoy ny zavatr’izao tontolo izao”25 sy mahatsapa ny fanatrehan’ny Tompo sy ny fiadanany mahatalanjona. Afaka mifantoka amin’ireo razambentsika, ny fianakaviantsika, ary ny fiainana mandrakizay eo anatrehan’ny Ray isika. Tsy mahagaga ny Filoha Nelson raha nilaza toy izao vao tsy ela akory izay tany Rome hoe: “Ho lehibe tokoa ny hatsarana hiboiboika avy amin’ity tempoly ity.”26

Mila manana fahitsin-toetra isika amin’ny zavatra rehetra ataontsika. Tokony hanana fahaiza-manavaka sy fifehezan-tena isika mba tsy hahavoatery antsika hamaritra tsy tapaka hoe inona no zavatra marina ary inona no zavatra diso. Tokony hino tanteraka ireo teny nataon’i Petera tamin’ireo Apôstôlin’ny Fiangonana fahizay isika, izay manao hoe: “Mahonòna tena, miambena: fa ny devoly fahavalonareo mandehandeha tahaka ny liona mierona mitady izay harapany.”27

Rehefa manamafy orina amim-pahazotoana ireo toera-mimandantsika isika dia ho lasa tahaka an’i Jesoa Kristy, amin’ny maha-mpianany antsika, ary ho eo ambany fiarovana ny tenantsika manontolo.

Ny fijoroanao ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy no toera-mimanda ho an’ny tenanao manokana sy fiarovana ho an’ny tenanao manontolo. Fony ny raiben’ny raibeko sy ireo mpamaky lay niaraka taminy nanorina ny toera-mimandan’ny Heber dia nanangana vatan-kazo iray isaky ny mandeha mandra-pahatongan’ilay toera-mimanda ho “voarafitra mafy tsara”28 izy ireo, dia voaro izy ireo. Mitovy amin’izany koa ny fijoroana ho vavolombelona. Ny tsirairay avy amintsika dia mahazo tenivavolombelona avy amin’ny Fanahy Masina rehefa miteny amin’ny fanahintsika Izy mampianatra “fahamarinana ao am-po.”29 Rehefa miaina ny filazantsaran’i Jesoa Kristy isika, sy rehefa miantehitra amin’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy ary mibosesika mandroso hatrany am-pinoana, tsy matahotra, dia voaro amin’ireo fanangolen’ilay fahavalo. Ary hampifandray antsika amin’ny lanitra ny fijoroana ho vavolombelontsika ka hampahafantarina antsika “ny fahamarinan’ny zava-drehetra.”30 Ary tahaka ny naha-voaro ireo mpamaky lay tamin’ny alalan’ny toera-mimanda iray dia odidinin’ny sandrim-pitiavan’ny Mpamonjy isika ka ho voaro.

Toy izao no nampianarin’ny mpaminany Etera: “Koa, na zovy na zovy no mino an’ Andriamanitra dia mahazo manantena amim-pahatokiana tokoa tontolo iray tsara kokoa, eny, dia toerana eo an-tanan’ankavanan’ Andriamanitra dia fanantenana izay avy amin’ny finoana, mipetraka ho vatofantsika ho an’ny fanahin’ny olona, izay hahatonga azy ho azo antoka sy hifototra, hahefa be mandrakariva amin’ny asa tsara ary ho voatarika hankalaza an’ Andriamanitra.”31

Ry rahalahy sy anabavy malala, omeko anareo ny tsodranoko mba handroso amim-pahatokiantena ao amin’ny Tompo sy ao amin’ny filazantsarany. Hodidino ny sandrinao ireo izay mitolefika ary amin’ny alalan’ny Fanahy ao anatinao dia tariho am-pitiavana hiverina ao amin’ny toera-mimandan’ny fiainam-panahy sy fiarovana izy ireo. Katsaho ny “ho toa an’i Jesoa”32 amin’ny zavatra rehetra ataonao ary alaviro ny ratsy sy ny fakam-panahy; mibebaha araka ny torohevitra nomen’ny mpaminantsika antsika omaly; aoka ho mahitsy am-po; mizora amin’ny marina ary aoka ho madio; manehoa fangorahana sy fiantrana; ary tiava ny Tompo Andriamanitra amin’ny zotom-pon’ny tena mpianatra.

Ho toera-mimanda ho an’ny tenantsika manokana ho fiarovana ny manodidina antsika sy hiaro antsika amin’ny herin’ilay ratsy ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika momba an’i Jesoa Kristy, ny tokantranontsika, ny fianakaviantsika ary ny maha-mpikambana antsika ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany. Amin’ny fomba manetriketrika no ijoroako ho vavolombelona ny amin’izany amin’ny anaran’ilay Tompontsika sy Mpamonjitsika, dia i Jesoa Kristy, amena.